Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Nifidy ny Hankatò An’Andriamanitra

Lehilahy Nifidy ny Hankatò An’Andriamanitra

Lehilahy Nifidy ny Hankatò An’Andriamanitra

TSY nitovy hevitra ara-politika ny olona tany Eoropa tamin’ny 1937, ka nanjaka ny fifandirana. Sarotra àry ny toe-javatra nisy ny Kristianina marina. Tokony hankatò an’Andriamanitra ve izy ireo sa hankatò ny olona? (Asan’ny Apostoly 5:29) Fantatr’ireo tovolahy hantsoina ho miaramila fa mety ho faty izy ireo, raha mankatò an’Andriamanitra.

Tsy maintsy nanao izany safidy izany i Antonio Gargallo, tovolahy espaniola iray 19 taona. Efa naharitra herintaona teo ho eo ny ady an-trano tany Espaina, fony izy nantsoin’ny tafiky ny Jeneraly Franco hanao miaramila. Efa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Antonio, ny taona talohan’io. Efa novakiny ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony tsy homba ny atsy na ny aroa, na hianatra ady akory, ny mpanompon’Andriamanitra. (Isaia 2:4; Jaona 17:16) Nanandrana nandositra tany Frantsa izy, satria tsy te hanao miaramila sy hamono ny mpiray tanindrazana taminy. Voasambotra anefa izy, ka nentina tany amin’ny toby miaramila tany Jaca, eo akaikin’ny sisin-tanin’i Frantsa.

Nampanaovin’ny fitsarana miaramila safidy hentitra izy: Na ho miaramila, na ho faty. Nanapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra i Antonio. Taloha kelin’ny hahafatesany, dia izao no nosoratany ho an’ny reniny sy ny anabaviny, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah:

“Voasambotra aho, ary nomelohina ho faty, nefa tsy nandalo fitsarana akory. Anio alina no fara fiainako. Aza malahelo na mitomany ianareo . . . satria nankatò an’Andriamanitra aho. Tsy maty antoka anefa aho, satria hanana fiainana vaovao sy tsara kokoa, raha sitrapon’Andriamanitra. . . . Tena tony aho izao, na dia mihamanatona aza ny ora farany. Manoroka farany anareo ny zanakareo sady anadahinareo tena tia anareo.” *

Nisy miaramila telo nilaza fa nihira fiderana ho an’i Jehovah i Antonio, teny an-dalana hamonoana azy. Tsy miafina amin’i Jehovah sy ny Zanany ny sorona toy izany. Matoky isika fa hatsangana amin’ny maty i Antonio. Izany no valisoan’ny Kristianina mahatoky.—Jaona 5:28, 29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy voarain’ny reniny mihitsy io taratasin’i Antonio io, fa notahirizin’ny tafika espaniola nandritra ny am-polo taona.