Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loza Miely Patrana

Loza Miely Patrana

Loza Miely Patrana

Enim-bolana i Erik. * Zara anefa raha mitovy amin’ny an’ny zazakely iray na roa volana ny lanjany sy halavany. Tsy ampy lanja toy izany izy, nefa mivonto ny tongony, mibontsina ny kibony, ary mivonto sady boribory be ny tarehiny. Hatsatra izy, tapatapaka sy maina ny volony, ary misy fery ny hodiny. Kizitina be izy. Tsy maintsy mitandrina be ny dokotera rehefa mizaha ny masony, satria mety ho mora rovitra ny hodi-masony. Azo inoana fa tsy mitombo firy koa ny sainy. Mampalahelo fa tsy i Erik ihany no toy izany.

“ANISAN’NY mahavoa ny antsasaky ny ankizy maty eran-tany izy io. Mbola tsy nisy areti-mifindra nandripaka be toy izany, hatramin’ny fotoan’ny Pesta Mainty. Tsy areti-mifindra anefa ilay izy. Mbola mizaka ny voka-dratsiny ireo olona an-tapitrisa tsy matiny. Lasa kilemaina sy mora marary ary votsa saina izy ireny. Atahorana hahavoa ny vehivavy sy ny fianakaviana izy io, ary atahorana handripaka fiaraha-monina manontolo mihitsy amin’ny farany.”​—Ny Ankizy Eran-tany (anglisy), Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza.

Aretina inona loatra àry izany? Izany dia ny tsy fahampian-tsakafo, indrindra fa ny tsy fahampian’ny proteinina. Miantso azy io hoe “loza misoko mangina” ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Miely patrana ve izy io? Milaza ny OMS fa izy io no “anisan’ny mahavoa ny antsasaky ny ankizy maherin’ny 10 tapitrisa maty isan-taona.”

Maro ny endrika isehoan’ny tsy fahampian-tsakafo. Eo, ohatra, ny tsy fahampian’ny otrikaina iray na maromaro, toy ny vitaminina sy mineraly. Eo koa ny aretina hafa vokatry ny sakafo tsy ara-pahasalamana. Milaza anefa ny OMS fa ny tsy fahampian’ny proteinina “no mahafaty indrindra.” Ny ankizy latsaka ny dimy taona no tena voan’izy io.

Eritrereto kely ny amin’i Erik, noresahina terỳ aloha, sy ireo ankizy an-tapitrisa hafa tsy ampy sakafo. Tsy tompon’andraikitra amin’izay manjo azy izy ireo, sady tsy afa-manoatra. Nilaza tamin’ny Mifohaza! i Georgina Toussaint, dokotera momba ny sakafon-jaza, hoe: “Tsy tompon’andraikitra amin’izay mitranga ireo olona mijaly sy mizaka ny vokany ireo, nefa izy ireo no mora voa indrindra.”

Mety hisy hilaza fa tsy misy azo atao satria tsy misy sakafo ampy ho an’ny olona rehetra. Milaza anefa ny OMS fa “tondraka izao ny sakafo.” Ampy tsara ho an’ny olona eran-tany ny sakafo, ary misy ambiny aza. Aretina mora sorohina sy mora tsaboina indrindra koa ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy manafintohina kosa ve raha izany no zava-misy?

Iza avy no tsy ampy sakafo?

Tsy ny ankizy ihany no tsy ampy sakafo. Araka ny tatitry ny OMS tamin’ny Jolay 2001, dia “mihanaka ny tsy fahampian-tsakafo, ka olona efa ho 800 tapitrisa no tratrany, izany hoe 20 isan-jaton’ny mponina atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.” Olona 1 ao anatin’ny 8 izany no tsy ampy sakafo maneran-tany.

Any amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Azia no betsaka olona tsy ampy sakafo indrindra eran-tany. Raha jerena anefa hoe ampahafirin’ny mponina isaky ny tany no tsy ampy sakafo, dia i Afrika no manana ampahany lehibe indrindra tratran’izy io. Manarakaraka azy, ny tany sasany an-dalam-pandrosoana any Amerika Latinina sy Karaiba.

Tsy mba misy olona tsy ampy sakafo ve any amin’ny tany mandroso? Misy mihitsy. Milaza ilay tatitra hoe Olana Ara-tsakafo Eran-tany 2001 (anglisy), fa olona 11 tapitrisa no tsy ampy sakafo any amin’ny tany efa mandroso be. Misy 27 tapitrisa koa any Eoropa Atsinanana sy ny Firaisana Sovietika teo aloha.

Nahoana no nanjary olana goavana ny tsy fahampian-tsakafo? Misy zavatra azo atao tsy misy hataka andro ve, mba hanampiana an’ireo tsy ampy sakafo? Mbola ho foana ihany ve ny tsy fahampian-tsakafo eran-tany? Hamaly izany fanontaniana izany ireo lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tsy tena anarany.

[Tabilao/Sarintany, pejy 4]

(Jereo ny gazety)

TANY MISY MPONINA ATAHORANA TSY HO AMPY SAKAFO

TENA ATAHORANA

SOMARY ATAHORANA

TSY ATAHORANA FIRY

TSY MISY ATAHORANA NA TSY AMPY NY FANAZAVANA

[Sary, pejy 3]

Miandry fanampiana any Soudan

[Sary nahazoan-dalana]

UN/DPI Photo by Eskinder Debebe