Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpifindra Monina Manao Rodobe

Mpifindra Monina Manao Rodobe

Mpifindra Monina Manao Rodobe

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

MINGODONGODONA amin’ny tany ny kitron’ireo biby maro be. Miara-miridana izy rehetra, ka mena mitora-jofo ny vovoka amin’izay andalovany. Miriotra mafy izy ireo amin’ny feny lava mahia, mamakivaky lohasaha sy havoana ary kijana, sady mita renirano sy sakelidrano. Maro be izy ireo, ka misy soritra lehibe mihitsy izay andalovany, noho ireo bozaka miongotra hatramin’ny fakany. Anisan’ny zavakanto indrindra eo amin’ny tontolon’ny zavaboary ireo andiam-biby mitrena sy miara-miriotra ireo, dia ireo gnou mpifindra monina manao rodobe.

Saha Edenan’i Afrika

Kijana midadasika any Tanzania sy Kenya ny Serengeti, ary mahatratra 30 000 kilaometatra toradroa ny velarany. Tany lonaka avy amin’ny volkano no tena hita any, ka mirobona erỳ ny ahitra maitso mavana mandrakotra azy. Ahitana mimozà sy hazo misy tsilony koa ao amin’ny Serengeti, ka ny ravin’ireny no fihinan’ny elefanta. Manao dingan-dava eny rehetra eny ny andiana zirafy midoladola.

Misy granita nolamain’ny rivotra sy ny orana eny amin’ny lemaka eny, ka ataon’ny liona sy ny leoparda fijokoana remby. Feno lalomena sy voay ireo rano mahery mikoriana ao amin’ny Serengeti. Ahitana gnou sy karazana antilopa maro miraoka ahitra eny amin’ny tany lemaka. Mitangorona misotro rano ny zebra, ka toy ny rojo misy vakana mainty sy fotsy manodidina ny kamory. Tsy maka sarotra akory ny gazela sy ny antilopa afrikanina, manao dingan-dava, mitsambikimbikina eran’ny tampon-tanety. Miraoka ahitra moramora ny ombidia matanjaka sy manana tandroka be mifaingoka, ka manongotra bozaka amin’ilay vavany be.

Be liona eran’ny Serengeti. Mitsilailay eny amin’ny aloky ny hazo sy ny kirihitr’ala izy ireo, rehefa midanika ny hainandro, ka miandry ny hariva mangatsiatsiaka vao mihaza. Mila tsy ho hita ireo leoparda mitsilany eny ambony hazo, satria toa iray ihany ny vatany feno pentimpentina sy ny tara-pahazavana ary ny aloky ny ravinkazo. Tena tian’ny karazana kary be ilay kijana midadasika, satria afaka mihazakazaka toy ny tafiotra izy eo. Toa manjavona mihitsy ny vatany, rehefa manenjika remby eny amin’ny tany lemaka eny izy.

Tena paradisa ho an’ny biby tokoa ny Serengeti, sady tena kanto. Ny andiana gnou maro be anefa no anisan’ny mampitolagaga indrindra.

Biby mahatsikaiky

Misy gnou 1 500 000 eo ho eo mikarenjy ao amin’ny Serengeti. Hafahafa ny endrik’izy io. Lava loha izy ary mamiratra ny masony sady mifanalavitra be eo an-tampon-dohany. Toy ny tandrok’omby ny tandrony, midina kely mivoaka, dia mifaingoka miakatra avy eo. Biby misy trafony izy io, ary toa malemy sy kely ny vatany raha oharina amin’ny sorony sy ny hatony matanjaka. Lava mahia ny feny, kanefa milanja ny vatany mavesatra be. Misy volombava fotsifotsy eo amin’ny saokany, ary volo mainty manaraka ny hatony. Toy ny rambon-tsoavaly ny rambony. Toa fitambarana biby maro samihafa ny gnou, araka izany.

Mahatsikaiky sy mahafaka andro tokoa ny mijery azy misangy. Mitabataba sy mitrena izy ireo rehefa tafaraka maromaro, ka toy ny sahona be dia be miara-mihira. Toa gaga sy lasa eritreritra ny fijery azy, mijoro sy mandinika ny manodidina azy eny amin’ny tany lemaka eny.

Mihazakazaka eny izy indraindray, ka sady manao boribory no mbetika miankavanana mbetika miankavia. Manifikifi-doha izy, ary mihinjakinjaka sady maninjitra ny tongony ary mandaka vovoka, ka tena mampihomehy. Misy milaza fa te hisarika ny vavy izy matoa manao izany, na te hampidera ny heriny sy hampitandrina ny gnou lahy hafa. Mba te hilalao fotsiny kosa anefa izy indraindray.

Teraka ao anaty faritra mampidi-doza

Manomboka miteraka ireo gnou rehefa tonga ny fotoana mety amin’izany. Tsy manan-tsahala tokoa izy ireo, satria mahay mampifanaraka ny fotoana iterahany. Teraka ao anatin’ny telo herinandro ny 80 na 90 isan-jaton’ny zanak’izy rehetra. Miampy gnou kely an’arivo mibarareoka ilay andiana gnou amin’izay. Tsy maintsy ataon’ny reny tsirairay izay hampiraiki-po ny zanany aminy, mba tsy hisarahan’izy ireo mihitsy. Mety ho tafasaraka mantsy izy mianaka, raha mandositra tampoka ilay andiam-biby, ka tsy ho tafavoaka irery ilay gnou kely.

Teraka ao anaty faritra feno fahavalo miremby izy ireo. Tsy manomboka miteraka ny reniny, raha tsy mahazo antoka fa tsy misy loza atahorana. Tsy mampino anefa fa mahay mampijanona an’ilay fiterahany sy mandositra izy, raha sendra misy biby mpiremby. Hamita ilay fiterahany soa aman-tsara izy atỳ aoriana, rehefa afa-doza.

Toa efa mailo amin’ny loza sahady ny gnou kely raha vao teraka, sady minitra vitsivitsy aorian’ny hahaterahany dia efa tafatsangana izy. Mahavita mihazakazaka 50 kilaometatra isan’ora izy, herinandro aorian’izay.

Tonga ny fotoana fifindra-monina

Manao rodobe ny gnou rehefa mifindra monina, mamakivaky ny Serengeti. Ny orana no tena antony anaovany izany. Miankina amin’ny toetrandro mpiseho isan-taona ny filatsahan’ny orana. Tsy maintsy misy faritra ilatsahan’ny orana foana ao amin’io kijana midadasika io mandavantaona.

Mila rano isan’andro ny gnou, ary tsy maintsy mahita vilona hatao sakafo. Tsy mifindra izy raha mbola ampy tsara ny sakafo sy rano eo amin’ny misy azy. Rehefa mihamaina anefa ny andro, dia manjary maina koa ny ahitra, ary ritra ny rano. Tsy afaka miandry ny ranonorana amin’ny vanin-taona manaraka fotsiny àry ny gnou, fa tsy maintsy mifindra any amin’izay faritra misy orana.

Miova haingana ny tany lemaka rehefa ilatsahan’ny orana. Andro vitsivitsy monja, dia efa misy tsimoka kely mipoitra, ka lasa ahitra mirobona maitso mavana. Malemy sy mandomando ary mahavelona tsara io ahitra io, ka tena misarika ny gnou.

Hain’ireo biby ireo ny mamantatra ny toerana ilatsahan’ny orana, na dia avy lavitra be aza. Tsy misy mahazo antoka hoe ny fahitana ireo rahona matevina mitatao eny lavitra ve no hahafantarany izany, sa ny fahatsapany ny hamandoan’ny rivotra. Tsy maintsy mandeha anefa izy ireo, na ahoana na ahoana, satria mila mivelona. Ary mandeha tokoa moa ireto izy!

Fanaovana dia mampidi-doza

Mandeha tsikelikely ilay fifindra-monina amin’ny voalohany. Miaraka foana ny gnou, ka raha vao misy miroso amin’ny lalana iray, dia tsy miraoka ahitra intsony ny namany fa manaraka azy. Tsy ela dia manao rodobe mahavariana ny andiana gnou mifindra monina. Ny hetaheta sy ny hanoanana no mitondra azy. Mihazakazaka izy indraindray, nefa mety hilahatra sy handeha miadana koa, ka milentika lalina eo amin’ilay tany mamovoka ny dian-tongotr’izy ireo.

Tena mampidi-doza ny diany. Manaraka azy ireo ny mpiremby, sady manara-maso an’izay miadam-pamindra sy kilemaina na marary. Manitsaka ny faritanin’ny liona mijoko azy ny gnou, rehefa ela ny ela. Miafina anaty bozaka ireo liona ireo, ary mitsofoka tampoka eo afovoan’ilay andiana gnou miraoka ahitra, ka miparitaka ireto biby raiki-tahotra. Samy manararaotra daholo, na ny leoparda, na ny karazana kary be, na ny alikadia, ka miremby an’izay gnou tratra aoriana na tafasaraka amin’ilay andiany. Rehefa misy gnou maty, dia tonga ny voromahery. Mihorakoraka sy miady izy ireo mihinana an’ilay gnou, ka tsy mamela afa-tsy taolana fotsy tarafin’ny masoandron’i Afrika.

Vato misakana lehibe tsy maintsy lalovan’ilay andiana gnou ny rano mahery. Mampitolagaga ny fitan’izy ireo izany, satria avy eny amin’ny sisin’ilay rano eny ambony be eny izy, no miara-miroboka any anatiny. Tody soa aman-tsara eny ampita ny ankamaroany. Ny sasany kosa entin’ny riaka na ny voay mijoko azy avy ao anaty rano. Fanaon’izy ireo isan-taona io dia io, ary mety hahavita 3 000 kilaometatra izy ireo amin’ny tontaliny.

Ny olombelona no tena miremby azy

Tsy dia nisy fiantraikany teo amin’ilay fifindra-monina ny asan’ny olombelona, nandritra ny taona maro. Izy ireo anefa izao no tena mampidi-doza ny gnou. Efa am-polo taona izao ny fitondram-panjakan’i Tanzania sy Kenya no niezaka niaro ny biby ao amin’ny Serengeti. Misy ihany anefa gnou an’arivo voafandrika sy vonoin’ny mpihaza tsy ara-dalàna, na dia ao amin’ny faritra arovana aza. Mampiasa fandrika sy zana-tsipìka misy poizina ary basy ireo mpihaza, mba hahazoana gnou. Hakany hena sy zavatra hafa atao fahatsiarovana izy io avy eo mba hamidy. Ny olona koa moa mazoto mividy. Manara-maso ny faritra voaro izao ny mpiasam-panjakana nampiandraiketina izany, nefa midadasika be ny Serengeti, ka toa tsy ho voaro tanteraka. Mitombo koa ny isan’ny mponina, ka mihamitombo ireo te hampiasa ireo tany lonaka ireo. Misy adihevitra be foana momba ny hoe tokony hatokana ho an’ny biby ny ampahany lehibe amin’izy io.

Nisy ombidia be dia be nikarenjy teny amin’ny tany lemak’i Amerika Avaratra taloha, nefa ripaka izy ireo izao. Misy manahy sao izany koa no hanjo ny andiana gnou atsy Afrika Atsinanana. Hampalahelo raha ho lany tamingana io zavaboary mahagaga io. Tsy andrintsika àry ny fotoana hanjakan’Andriamanitra amim-pahamarinana, ka hahay hiara-miaina tanteraka ny olombelona sy ny biby. (Isaia 11:6-9) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia afaka mankafy foana an’ilay zava-mahatalanjona tena miavaka isika, dia ireo gnou mpifindra monina manao rodobe.

[Sary, pejy 18]

Tsy maintsy mita rano mahery ilay andiam-biby