Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olana Goavana sy ny Vokany Maharitra

Olana Goavana sy ny Vokany Maharitra

Olana Goavana sy ny Vokany Maharitra

“Noana aho, dia nanangana komity ianareo, hamakafaka momba ny hanoanako. Tsy nanan-kialofana aho, dia nanao tatitra momba ny fahoriako ianareo. Narary aho, dia nanao seminera ianareo handinihana izay manjo ny mahantra. Nofakafakainareo ny zava-drehetra mahatonga ny fahoriako, nefa mbola noana sy tsy manan-kialofana ary marary ihany aho.”​—Mpanoratra tsy fantatra anarana.

NANDISO fanantenana ny zava-bitan’ireo fikambanana eran-tany, na dia maro aza ny ezaka nataon’izy ireny mba hanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo. Tamin’ny 1996, ohatra, dia nisy Fihaonana An-tampony Momba ny Sakafo, nataon’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy Fambolena ary Fiompiana (FAO). Natao tanjona tamin’izay fa hahena ho antsasany ny isan’ny olona tsy ampy sakafo eran-tany, izany hoe kendrena ho 400 tapitrisa eo ho eo, amin’ny taona 2015. *

Tsara ny fandrosoana vita. Mampalahelo anefa fa hoy ny FAO, tao amin’ilay tatitra hoe Olana Ara-tsakafo Eran-tany 2001: “Hita fa tsy mihena firy ny isan’ny tsy ampy sakafo eran-tany.” Toa mbola tsy ho azo tratrarina àry ny tanjona noferana tamin’ilay fihaonana an-tampony. Milaza aza ilay tatitra fa “nitombo be ny isan’ny tsy ampy sakafo any amin’ny ankamaroan’ny tany an-dalam-pandrosoana.”

Nahoana no sarotra resena toy izany io fahavalo io? Mba hahitana ny valiny, dia hofaritantsika angamba aloha ny atao hoe tsy fahampian-tsakafo, ary hofakafakaintsika avy eo ireo vokany maharitra sy ireo olana goavana mifandray amin’izany.

Ny mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo

Tsy ampy sakafo ny olona iray rehefa tsy ampy otrikaina ny vatany. Antony roa mazàna no mahatonga izany: 1) tsy ampy ny proteinina, kalôria, vitaminina sy mineraly ao amin’ny sakafon’ilay olona, ary 2) marary matetika izy.

Anisan’ny aretina tena mandreraka ny vatana sady mahakely ny otrikaina ny aretim-pivalanana, kitrotro, tazo sy ireo aretin’ny taovam-pisefoana. Lasa tsy dia mazoto homana ilay olona, ka anisan’ny mahatonga azy ho tsy ampy sakafo izany. Mora andairan’aretina kokoa anefa ny ankizy tsy ampy sakafo. Lasa olana mifampidipiditra àry ilay izy, ka mihabetsaka ny olona maty vokatry ny tsy fahampian’ny proteinina.

Nahoana no mora tratran’ny tsy fahampian-tsakafo kokoa ny ankizy? Ao anatin’ny fotoam-pitomboana haingana izy ireo, ka mitombo koa ny kalôria sy ny proteinina ilain’ny vatany. Toy izany koa fa mora tratran’ny tsy fahampian-tsakafo ny vehivavy bevohoka sy mampinono.

Matetika no mbola tsy teraka akory ny zaza dia efa tsy ampy sakafo. Tsy ho ampy lanja ilay zazakely raha tsy ampy sakafo ny reniny, aloha sy mandritra ny hitondrany vohoka. Mahatonga tsy fahampian-tsakafo koa ny fisaraha-nono aloha be, sy ny fahazarana misakafo tsizarizary, ary ny tsy fahampian’ny fahadiovana.

Tsy mitombo tsara ny vatana sy ny sain’ny zaza raha tsy ampy ny otrikaina tena ilainy. Mitomany foana izy ary mora marary. Rehefa miharatsy ny fahasalamany, dia tena mihamahia izy, mihalalina ny masony, milempona be ny lohamaleminy, miroraka ny hodiny sy ny nofony, ary miovaova foana ny hafanan’ny vatany.

Mety hiseho amin’ny endriny hafa koa ny tsy fahampian-tsakafo. Mety tsy hitombo tsara ny zaza tsy ampy sakafo. Mety hahatonga izany, ohatra, ny tsy fahampian’ny mineraly, indrindra fa ny vy, ny ioda, ary ny zinc. Eo koa ny tsy fahampian’ny vitaminina, indrindra fa ny vitaminina A. Nilaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF), fa ankizy kely efa ho 100 tapitrisa eran-tany no tsy ampy vitaminina A, ka lasa jamba. Mampihena ny rafi-kery fanefitr’ilay zaza koa izany, ka tsy mahatohitra aretina firy izy.

Vokany maharitra

Manimba ny vatana, indrindra fa ny an’ny zaza, ny tsy fahampian-tsakafo. Mety ho simba ny taova sy ny rafitra rehetra ao, anisan’izany ny fo, ny voa, ny vavony, ny tsinay sy ny havokavoka, ary ny atidoha.

Nasehon’ny fanadihadiana natao fa raha tsy mitombo tsara ny zaza, dia votsa koa ny sainy, tsy maharaka izy any am-pianarana ary tsy mahavita zavatra ilana fahakingan-tsaina. Izany no vokatra ratsy indrindra sy maharitra indrindra ateraky ny tsy fahampian-tsakafo, hoy ny tatitry ny Firenena Mikambana.

Raha tsy maty ny zaza tsy ampy sakafo, dia mety hitondra takaitra mandra-pahalehibeny. Hoy àry ny UNICEF: “Tena mamono antoka, ary azo lazaina hoe heloka mihitsy ny fanaovan-javatra mampihena be toy izany ny fahaizan’ny olona. Zavatra mety ho azo sorohina tanteraka mihitsy anefa izany.” Mampanahy be àry ny vokatra maharitra ateraky ny tsy fahampian-tsakafo. Araka ny fikarohana natao vao haingana, dia matetika ny ankizy tsy ampy sakafo no mety ho voan’ny aretim-po, diabeta ary tosidra ambony, rehefa lehibe.

Milaza anefa ny UNICEF, fa tsy ireo mandry fotsy foana no voa mafy indrindra. Hoy ry zareo: “Ny androatokon’ireo maty noho ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy ireo mandry fotsy foana, fa ireo misakafo tapa-kibo sy tsy misakafo tsindraindray.” (Izahay no manao sora-mandry.) Farofy ny ankizy misakafo tapa-kibo sy tsy misakafo tsindraindray. Tena ilaina hofantarina àry ireo soritry ny tsy fahampian-tsakafo eo amin’ny ankizy, mba hahafahana hitsabo tsara azy ireny.​—Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-7.

Ireo olana goavana

Misy ifandraisany amin’ny fiaraha-monina, toe-karena, kolontsaina ary ny tontolo iainana, ireo antony mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo. Anisan’ny antony lehibe indrindra ny fahantrana, izay mamely olona an-tapitrisa, indrindra fa atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Antony mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo ny fahantrana. Vokatry ny tsy fahampian-tsakafo ihany koa anefa ny fahantrana, satria tsy mahavita miasa firy intsony ny olona tsy ampy sakafo, ka vao mainka mihamahantra.

Misy zavatra hafa koa mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy ampy fahalalana ny olona, ka tsy zatra mihinana sakafo mahavelona. Eo koa ny aretina, araka ny efa hitantsika. Eo koa ny antony mifandray amin’ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina, toy ny fiangarana eo amin’ny fizarana sakafo sy ny fanavakavahana ny vehivavy. Matetika ny vehivavy no misakafo “farany sy kely indrindra”, izany hoe aorian’ny lehilahy izay vao misakafo, sady kely kokoa ny anjarany. Tsy avela hianatra koa ny vehivavy, nefa ilainy izany mba hahaizany hikarakara tsara kokoa ny zanany.

Mampihena ny famokarana sakafo koa ireo zavatra manimba ny tontolo iainana, toy ny loza araka ny natiora sy ny ady. Milaza ilay tatitra hoe Olana Ara-tsakafo Eran-tany 2001, fa nanomboka tamin’ny Oktobra 1999 ka hatramin’ny Jona 2001 fotsiny, dia tany 22 no tratran’ny hain-tany, 17 nasian’ny rivo-doza na tondra-drano, 14 tratran’ny ady, 3 nianjadian’ny ririnina faran’izay namirifiry, ary 2 nasian’ny horohoron-tany.

Fitsaboana sy fisorohana

Ahoana no itsaboana zaza tsy ampy sakafo? Raha tena voa mafy izy, dia ny fampidirana hopitaly no tsara indrindra hanombohana ny fitsaboana. Araka ny boky iray navoakan’ny OMS, dia hojeren’ny dokotera ny toe-pahasalaman’ilay zaza, ary hotsaboiny ny aretina, na fahaverezan-drano be loatra mahazo azy. Azo ampidirina tsikelikely amin’ny alalan’ny fitaovana manokana aloha ny sakafony. Mety haharitra herinandro io dingana voalohany io.

Haverina tsikelikely ho toy ny taloha ny sakafony avy eo. Homena ny rononon-dreniny indray izy, ary ampirisihina hisakafo be araka izay azo atao. Tena mila tambitamby izy mandritra io dingana io. Mety hisy vokatra tsara tsy ampoizina, ho hita eo amin’ny fitomboan’ilay zaza, raha karakaraina tsara sy hanehoana fitiavana izy. Hampianarina ilay reny, hanome sakafo mahavelona ny zanany sy hitandrina ny fahadiovana, mba tsy hiverina intsony ilay fahavoazana. Avoaka ny hopitaly ilay zaza avy eo, nefa tokony hoentina tsy tapaka any amin’ny toeram-pitsaboana izy mba hanaraha-maso ny fahasalamany.

Aleo anefa misoroka toy izay mitsabo. Izany no nahatonga ny fitondram-panjakana sy fikambanana maro, hanao fandaharana mba hanomezana fanampin-tsakafo na mba hikarakarana sakafo misy otrikaina fanampiny ho an’ny besinimaro. Maro koa ny fomba azon’ny fiaraha-monina andraisana anjara mba hisorohana ny tsy fahampian-tsakafo. Eo, ohatra, ny fampianarana momba ny sakafo, fiarovana ny tahirin-drano fisotro, fanamboarana kabine, fanadiovana ny manodidina, fanampiana amin’ny ezaka manokana hanaovana vaksiny, ary ny fanaraha-maso ny fitomboan’ny zaza.

Inona kosa no azon’ny tsirairay atao mba hisorohana ny tsy fahampian-tsakafo? Manome soso-kevitra mahasoa vitsivitsy ny faritra voafefy, eo amin’ny pejy faha-8. Nanoro hevitra koa i Georgina Toussaint, fa tsara raha entin’ny reny any amin’ny dokoteran-jaza na any amin’ny toeram-pitsaboana ny zanany, rehefa teraka herinandro sy rehefa feno iray volana ary isam-bolana aorian’izay. Tokony hanatona dokotera koa ilay reny raha ahitany soritry ny fahaverezan-drano ilay zaza, na mivalana be, na manavy.

Tena mahasoa mba hanatsarana ny sakafon’ny ankizy ireo torohevitra ireo. Ekena anefa fa olana goavana ny tsy fahampian-tsakafo, ka tsy voavahan’ny olombelona. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Mbola olana saro-bahana foana ny fanomezana sakafo sahaza ho an’ny olona rehetra sy ny fampianarana azy ireo momba ny sakafo.” Azo antenaina àry ve fa hifarana ihany io “loza misoko mangina” io?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ny Mifohaza! 8 Aogositra 1997, pejy 12-14, raha mila fanazavana fanampiny momba an’io Fihaonana An-tampony io.

[Efajoro, pejy 7]

TSY AMPY SAKAFO VE NY ZANAKAO?

Ahoana no ahafantaran’ny mpitsabo raha ampy sakafo na tsia ny zaza? Mety handinika soritr’aretina isan-karazany izy, hanontany momba ny sakafon’ilay zaza, ary hampanao analizy any amin’ny laboratoara. Ny fijerena ny lanja sy halavan’ilay zaza anefa no zava-dehibe indrindra aminy. Refesiny sy lanjainy ilay zaza ary ampitahainy amin’izay tokony ho refiny sy lanjany amin’ny taonany. Izany no hahafantarany hoe tena tsy ampy sakafo be ve ilay zaza sa mbola eo ho eo ihany.

Ny lanja sy ny halava ary ny haben’ny sandry no tena ilaina. Rehefa ampitahaina ny lanja sy ny taonan’ilay zaza, dia hita eo hoe tena voa mafy ve izy sa tsia. Mahia kaozatra ilay zaza raha tena voa mafy. Azo lazaina hoe voa mafy izy raha latsaka 40 isan-jato noho ny tokony ho izy ny lanjany; eo ho eo ihany ny fahavoazany raha latsaka 25 ka hatramin’ny 40 isan-jato izany; ary tsy atahorana firy ny aminy raha latsaka 10 ka hatramin’ny 25 isan-jato. Raha fohy kely tsy araka ny taonany ilay zaza, dia misakafo tapa-kibo mandavantaona izy izany, ka tsy ara-dalàna ny fitombony.

Ny alofisaka sy ny alobotra no aretina ratsy indrindra mahazo ny zaza tsy ampy proteinina, ary mety ho izy roa mitambatra indraindray. Ny zaza mbola minono eo anelanelan’ny 6 sy 18 volana no voan’ny alofisaka. Misoko mangina izy io arakaraka ny hihenan’ny kalôria sy ny otrikaina. Mihombo ilay izy rehefa tsy mampinono tsara ilay reny, na raha soloana ranon-javatra matsora be ny rononon-dreny. Mihena be ny lanjan’ilay zazakely, ka lasa taolana mifono hoditra izy sisa ary tsy mitombo firy. “Kely antitra” koa izy sady kizitina be ary mitomany foana.

Ilay teny afrikanina nadika hoe alobotra kosa dia midika hoe “zaza very seza”, izany hoe zaza mbola tokony hinono nefa lasan’ny zandriny vao teraka ny toerany. Voan’ny alobotra ilay zaza rehefa misara-nono, ka ny tsy fahampian’ny proteinina be dia be no tena mahatonga izany, ary eo koa ny tsy fahampian’ny kalôria. Lasa mihazona rano ny vatan’ilay zaza, ka toa mivonto ny tongotra aman-tanany ary mibontsina ny kibony. Manao toy izany koa ny tarehiny indraindray, ka lasa boribory tahaka ny baolina. Misy fery ny hodiny, ary mihamena sady mihasimba ny volony. Mivonto ny atin’ny ankizy voan’ny alobotra, ary kamokamo sy malahelo endrika izy. Izany no nanjo an’i Erik voalaza terỳ aloha. Tsy ninono tamin-dreniny afa-tsy iray volana monja izy, ary nomena rononon’omby natao matsora be avy eo. Nomena lasopy sy ranon-tsiramamy izy rehefa telo volana, ary mpifanila trano no nikarakara azy.

Ny soritr’aretin’ny alofisaka sy alobotra mitambatra, no endriny fahatelo isehoan’ny tsy fahampian’ny proteinina. Mety hahafaty izany raha tsy voatsabo haingana.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

AROVY NY ZANAKAO!

◼ Tena ilaina ny manatsara ny sakafon’ny reny. Tokony hihinana sakafo be kalôria sy proteinina ny vehivavy bevohoka sy mampinono. Ny proteinina no tena mahabe ny rononon-dreny. Ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy kely àry no tokony homena voalohany, rehefa kely ny sakafo.

◼ Amin’ny ankapobeny, dia ny rononon-dreny no sakafo tsara indrindra ho an’ny zazakely, indrindra fa mandritra ireo andro vitsivitsy aorian’ny hahaterahany. Misy hery fiarovana miaro ilay zazakely amin’ny aretina mantsy io ronono io. Manome ny otrikaina rehetra ilainy ny rononon-dreny, mba hampitombo tsara ny sainy sy ny vatany, mandritra ny efa-bolana voalohany.

◼ Afaka mihinana sakafo hafa ny zazakely eo anelanelan’ny efatra sy enim-bolana, na dia ny rononon-dreniny aza no mbola tena foto-tsakafony. Azo atao ny manome azy tsikelikely voankazo sy legioma nopotsehina. Karazan-tsakafo vaovao iray ihany aloha no omeo azy isaky ny mihinana. Omeo sakafo hafa indray izy, rehefa zatra an’io sakafo io mandritra ny roa na telo andro. Mazava ho azy fa ilaina indraindray ny maharitra sy manandrana imbetsaka, vao ho tian’ilay zaza ilay sakafo vaovao. Tadidio fa tokony ho madio be mihitsy ny zavatra rehetra hikarakaranao ilay sakafo! Sasao tsara ny sakafo sy ny fitaovana! 

◼ Mazàna ny zazakely eo amin’ny dimy ka hatramin’ny sivy volana, no mila kalôria sy proteinina bebe kokoa ankoatra izay azony avy amin’ny ronono. Omeo sakafo samihafa foana izy. Koba isan-karazany sy legioma angamba no alefa mialoha, ary any aoriana kokoa ny hena sy zavatra vita amin’ny ronono. Sakafo marihitra aloha no omena ny zazakely amin’ny voalohany, fa tetehina madinika kosa izay sakafo omena azy rehefa enim-bolana izy. Tsy tsara atao masira loatra na mamy loatra ny sakafon-jaza.

◼ Tsy foto-tsakafon’ny zaza intsony ny rononon-dreny rehefa valo volana izy, fa fanampin-tsakafo fotsiny. Manomboka mihinana ny sakafon’ny mpianakavy amin’izay izy. Tokony hatao madio tsara foana ny sakafo, ary tokony hotetehina madinika mba ho mora tsakoina. Anisan’ny sakafo tokony hohaniny ny voankazo, legioma, vary, katsaka, hena, ary zavatra vita amin’ny ronono. * Sakafo be vitaminina A no tena ilain’ny zaza. Anisan’izany ny rononon-dreny, legioma sy anana maitso antitra, ary voankazo sy legioma mavo na mivolon-daoranjy toy ny manga sy karaoty ary papay. Tokony hisakafo indimy na inenina isan’andro ny ankizy latsaka ny telo taona.

◼ Manome otrikaina miaro ny zanakao ny karazan-tsakafo rehetra, ary azo atambatra ny sasany aminy. Tokony hiezaka mafy ny reny hanome an-janany karazan-tsakafo tsara. Hiezaka koa anefa izy tsy hanery ilay zaza hihinana rehefa voky izy, ary tsy hanakana azy tsy hihinana raha mbola te hihinana izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 43 Manome fanazavana fanampiny ilay lahatsoratra hoe “Se nourrir mieux, c’est possible!”, ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Mey 2002.

[Sary]

Eken’ny manam-pahaizana fa ny rononon-dreny matetika no sakafo tsara indrindra ho an’ny zaza vao teraka

[Sary nahazoan-dalana]

© Caroline Penn/Panos Pictures

[Sary, pejy 7]

Ankizy mihinana kobam-bary sy legioma ao amin’ny sekoly iray any Bhoutan

[Sary nahazoan-dalana]

FAO photo/WFP Photo: F. Mattioli

[Sary, pejy 9]

Misy azonao atao mba hanatsarana ny sakafon’ny zanakao

[Sary nahazoan-dalana]

FAO photo