Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hijery Clip ve Aho?

Tokony Hijery Clip ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Tokony Hijery Clip ve Aho?

“Tena tsara ny ‘clip.’ Toy ny horonan-tsary kely ny sasany aminy. Mitantara zavatra izy ireny, ary tiako ny mijery ireo dihy ao anatiny.”—Casey.

“Fomba ahitana hira vaovao ny ‘clip.’ Tsy ireo hira 40 malaza indrindra sy efa mahazatra fotsiny no asehony, fa hira hafa koa. Mahafinaritra koa ny miresaka ‘clip.’”—Josh.

“Zava-dehibe amiko ny tsipirian-javatra ao amin’ny ‘clip’ toy ny hoe, iza no mihira, inona no anaovany, ahoana ny fihetsiny. Manazava ilay tonon-kira daholo mantsy izany.”—Kimberly.

“Mahafinaritra ahy ny mijery ny zava-baovao avoakan’ny tarika tena tiako, indrindra ireo sary tsy mampino, fa namboamboarina fotsiny. Mampihomehy koa ny ‘clip’ sasany. Tsy maintsy mitandrina anefa ianao.”—Sam.

TIA mijery clip koa angamba ianao. Tsotra sady tsy dia nandaniam-bola be izy ireny, tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa dia lasa nokalina ny endrika isehoan’izy ireny, ary nampiasa teknika hafakely ny mpanao azy. Vao mainka be mpitia mantsy ny clip sady hita fa nanampy tamin’ny fivarotana kapila. Tapany lehibe amin’ny tontolon’ny mozika eran-tany izy ireny ankehitriny, ary tena ankafizin’ny tanora. Misy mihitsy aza televiziona tsy mandefa afa-tsy clip, any amin’ny tany sasany!

Nahoana anefa ny tanora sasany, toa an’i Sam voalaza tetsy ambony, no milaza fa ilaina ny mitandrina? Mety hisy vokany ratsy eo aminao ve ny clip sasany, angamba hanimba ny fisainanao sy izay heverinao ho fitondran-tena tsara, na hanimba ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona anao mihitsy aza? Mety hisy hihevitra fa lasa lavitra loatra izany fanontaniana izany. Eritrereto anefa hoe handeha hilomano ao amin’ny farihy iray, na ranomasina, ianao no nahita takela-by nilaza fa mampidi-doza ny milomano ao. Fahendrena ve ny tsy hiraharahana izany fampitandremana izany? Tsy izany velively. Tsara àry ny handinihanao ny fampitandremana sasany momba ny clip.

Ireo clip mampidi-doza

Mila miaiky ianao, fa mety hisy fiantraikany eo aminao ny zavatra jerenao sy hitanao! Lazain’ny Baiboly fa nampiasa ny mozika tamin’ny fomba tsara i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Isiraely, satria nataony hampitony azy izy io. (1 Samoela 16:14-23) Mety hisy vokany ratsy koa ve anefa ny mozika? Nanamarika toy izao ny boky Ny Tantara sy ny Fivoaran’ny Hira “Rock” (anglisy): “Misy fiantraikany foana izy io. Raha manaiky isika fa misy vokany tsara ny hira rock (ary misy tokoa izany), dia tsy maintsy hanaiky koa isika fa misy vokany ratsy izy io (ary izany tokoa no izy). Raha misy milaza hoe: ‘Mihaino an’ilay hira fotsiny aho, fa tsy misy fiantraikany eo amiko ilay izy’, dia na izy bado sy mora ambakaina, na diso be ny zavatra nolazaina taminy.”

Mamerimberina foana ny Baiboly, fa misy fiantraikany eo amin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po ny zavatra hitan’ny maso. (Ohabolana 27:20; 1 Jaona 2:16) Vao mainka àry mitombo be ny fiantraikan’ilay hira eo amin’ny mpihaino, rehefa ampian’ny mpamorona clip sary manintona ilay hira. Inona no karazana sary be mpanao?

Araka ny fanadihadiana iray, dia misy herisetra ny 57 isan-jaton’ny clip amin’ny hira rock. Misy sary manaitaitra ny filan’ny nofo ny 76 isan-jatony. Asehon’ny fanadihadiana natao vao haingana koa, fa misy sary vetaveta ny 75 isan-jaton’ny clip mirakitra tantara. Ny antsasany mahery dia misy herisetra, mazàna atao amim-behivavy. Tsy hanimba anao àry ve ny fijerena sary toy izany? Hoy ny gazetiboky iray: “Nasehon’ny fanandramana, fa ny fijerena clip, dia tena mety hampiova ny fiheveran’ny zatovo ny fanaovana firaisana aloha be, na ny firaisana mety hampidi-doza.” Iza no handa fa mbola be tsipiriany kokoa noho ny hatramin’izay ny clip, satria te hanao zavatra mahatsiravina kokoa noho ny mpihira teo alohany sy ny mpihira amin’ny androny ny tarika sasany.

Nanamarika toy izao ny mpanabe iray: “Maro no milaza fa toy ny taloha ihany ny vokatry ny zavatra re sy hita amin’ny clip . . . Toa mihevitra anefa ny ankamaroan’ny artista ankehitriny, fa tsy mampaninona ny mampiasa teny ratsy sy zavatra manafintohina mba hahalafosana kapila bebe kokoa.” Hoy ny gazetiboky Chicago momba ny mpijery televiziona iray mpandefa clip: “Zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo ranofotsiny no hitan’izy ireo ao.”

Nilaza koa io gazetiboky io fa nisy clip iray “nahitana tovolahy nipetraka teo amin’ny latabatra iray, tao amin’ny hotely. Niandrandra be loatra izy, dia niboba ra ny tendany ary nilatsaka ny lohany.” Voalaza koa fa nisy clip nahitana lehilahy nanala tsikelikely ny akanjony, avy eo dia nesoriny koa ny hodiny sy ny nofony, ka nandeha ra be. Mahatsiravina loatra ny zavatra hafa naseho, ka tsy hotononina eto.

Mety hisy anefa hilaza hoe: ‘Tafahoatra loatra kosa ireo clip ireo, fa tsy ratsy be toy izany ny ankamaroan’izy ireny.’ Mety hilaza mihitsy aza ny sasany, fa aminy dia tsy manafintohina na maharikoriko be toy izany ny clip. Tsy midika anefa ve izany, fa efa donto ny sainy, satria efa imbetsaka izy no nijery clip toy izany? Niaiky toy izao i Casey, voaresaka tetsy ambony: “Raha tsy feranao ny zavatra jerenao, dia manjary tsy mampaninona anao intsony ilay zavatra nanafintohina anao tamin’ny voalohany. Tsy tandrinao akory, fa lasa te hahita zavatra ratsiratsy kokoa ianao, ary lasa tsy mampihontsina anao intsony ny zavatra nanafintohina anao taloha.”

Inona no mety ho vokatr’izany? Mety tsy ho hainao intsony ny mamantatra izay fitondran-tena tsara tokony harahina. Mampirisika antsika hihazona “ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava” ny Baiboly, satria mora andairan’ny zava-dratsy ny saintsika. (Ohabolana 3:21; 5:2) Mety ho simba koa ny fihavananao amin’i Jehovah Andriamanitra. Tsy izany anefa ve no zava-tsarobidy indrindra anananao? Mila miaro izany fihavananareo izany àry ianao, ka handray fepetra mba hanalavirana ny fialam-boly ratsy rehetra. Amin’ny fomba ahoana?

Arovy ny tenanao

Voalohany, dia ekeo fa tsy mety ny mijery sary mampiseho zavatra lazain’ny Baiboly fa ratsy. (Salamo 11:5; Galatiana 5:19-21; Apokalypsy 21:8) Raha misy clip manindrahindra zavatra “tsy mahamendrika ny olona masina”, dia tsy maintsy manapa-kevitra ny tsy hijery intsony ianao. (Efesiana 5:3, 4) Marina aloha fa mety tsy ho mora ny hanova ny fandaharana, na hamono ny televiziona, raha tena mahafinaritra anao ilay clip mandeha eo. Mety hila hivavaka toy ny mpanao salamo àry ianao hoe: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana.”—Salamo 119:37.

Ho rikoriko avy hatrany angamba ianao, rehefa mahita clip manafintohina toy ireo voaresaka teo aloha. Mety tsy hivantana toy izany anefa ny clip sasany. Mety hiserana kely fotsiny ny sary vetaveta. Mety ho nokalina sy namboamboarina tsara ny tonon-kira sy ny sary, mba hampielezana fomba fihevitra tsy tian’Andriamanitra, na dia tsy voalaza na aseho mivantana aza izany. Na izany aza, raha somary mahatsiaro tena ho meloka ianao rehefa avy nijery clip iray, dia efa ratsy, na tsy mety amin’ny Kristianina izy izay. Ahoana àry no hisafidiananao izay hojerena sy tsy hojerena, raha tsy hita avy hatrany hoe mety ilay izy na tsia?

Mazava ho azy, fa ianao sy ny ray aman-dreninao ihany no manapa-kevitra na hijery clip ianao na tsia. Andraikitr’izy ireo koa ny mametra izay azonao sy tsy azonao jerena. (Efesiana 6:1, 2) Raha mamela anao hijery clip anefa izy ireo, dia mila tari-dalana ianao, fa tsy hanao izay heverinao fa mety fotsiny. Mampirisika antsika ny Hebreo 5:14, mba ‘hanazatra ny saintsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy.’ Manazatra ny saintsika isika, rehefa mianatra ny toro lalan’ny Baiboly, izay manampy antsika hamantatra ny zavatra lazain’i Jehovah fa tsara sy ratsy. Hahafantatra izay hampaharary anao ara-panahy ianao rehefa misaintsaina ireo toro lalana ireo, na dia tsy manome fitsipika mazava aza ny Baiboly indraindray.

Inona àry no toro lalana ara-baiboly afaka mitari-dalana anao amin’ny fijerena clip? Hodinihina ao amin’ny nomerao manaraka izany.

[Teny notsongaina, pejy 20]

“Raha misy milaza hoe: ‘Mihaino an’ilay hira fotsiny aho, fa tsy misy fiantraikany eo amiko ilay izy’, dia na izy bado sy mora ambakaina, na diso be ny zavatra nolazaina taminy”

[Sary, pejy 21]

Tena tsy hisy vokany eo aminao tokoa ve ny fijerena zavatra ratsy?