Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Mpaka Tahaka Feo Faran’izay Mahay

Voalaza fa misy karazana boloky afaka maka tahaka feom-borona 40 mahery. Tsy izay ihany anefa, fa afaka maka tahaka ny feon’aotobisy, anjombona, tsofa elektrika, klakisaona, feon’ondry, ary ny hiakan-tsoavaly koa izy ireo. Niampy feo vaovao indray anefa izany, dia ny feon’ny telefaonina entin-tanana. Koa “raha mandre feona telefaonina entin-tanana any an-tokotany ianao, dia mety ho gaga raha mahita, fa misy volony ilay ‘telefaonina’”, hoy ny gazetiboky National Geographic. “Maniry ohatra ny anana ny telefaonina entin-tanana, ka lasa mahay feo vaovao indray ireo vorona mpaka tahaka feo, toy ny boloky sy ny sarivazo ary ny maro hafa”, hoy koa ilay gazetiboky.

“Miasa Be ny Atidoha, Rehefa Mandainga”

Hitan’ny mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Pennsylvanie fa tsy maintsy miasa mafy kokoa ny atidoha, rehefa mandainga, noho ny rehefa milaza ny marina. Nampiasa milina manokana ny Dr. Daniel Langleben, mba hamantarana ny faritra miasa ao amin’ny atidoha, rehefa mandainga ny olona iray. Mila mieritreritra aloha ny atidoha, raha vao mipetraka ny fanontaniana. Avy eo, dia “toa mandeha ho azy amin’ny mpandainga ny mieritreritra ny valiny marina aloha, vao mamorona na milaza valiny diso”, hoy ny gazety The News any Mexico. “Tsy maintsy miasa aloha ny atidohanao, vao mahita valin-teny ianao”, hoy i Langleben. “Miasa mafy kokoa anefa izy io, rehefa mandainga, noho ny rehefa milaza ny marina, satria betsaka kokoa ny nerônina ampiasainy amin’izay.” Toy ny misy jiro mirehitra eo amin’ilay milina, rehefa maro kokoa ny nerônina miasa. “Miasa mafy foana ny atidoha, rehefa handainga ny olona iray, na dia faran’izay mahay mandainga aza izy”, hoy ihany ilay gazety.

Mitombo ny Fitaovam-piadiana Eran-tany

Nisy basy 639 tapitrisa tany amin’ny polisy, miaramila, mpanohitra, olon-tsotra, naneran-tany, tamin’ny 2001, hoy ny Small Arms Survey 2002, navoakan’ny ONU. “Nitombo 16 isan-jato izany, fara fahakeliny, raha oharina amin’ny teo aloha”, hoy koa ilay tatitra. Mitombo 1 isan-jato eo ho eo anefa ny fitaovam-piadiana eran-tany, satria misy fitaovam-piadiana vaovao foana, isan-taona. Orinasa 1 000, fara fahakeliny, no mamokatra fitaovam-piadiana maivana toy ny basy, tafondro kely, fandefasana bala afomanga kely, any amin’ny tany 98 maneran-tany. Nilaza ilay tatitra fa ‘mitentina 7 000 tapitrisa dolara amerikanina, fara fahakeliny, ny vidin’ny fitaovam-piadiana maivana, miaraka amin’ny bala, novokarina tamin’ny taona 2000.’ Misoratra ara-panjakana ny 80 na ny 90 isan-jaton’ny fivarotana fitaovam-piadiana maivana eran-tany, ka any amin’ny olon-tsotra ny ankabeazany.

Rivotra Mahafaty

“Loto bitika tsy hita maso no mahatonga ny ampahadimin’ny kanseran’ny havokavoka, any an-tanàn-dehibe, ary avy amin’ny setroky ny fiara ny ankamaroany”, hoy ny gazetiboky New Scientist. Nanara-maso ny fiainan’ny Amerikanina 500 000 teo ho eo ny mpikaroka tany Etazonia sy Kanada, nandritra ny 16 taona. Nodinihin’izy ireo ny taonan’ilay olona, ny fiaviany, ny sakafony, ny fisotroany toaka, sy ny hoe lahy izy sa vavy, mifoka izy sa tsia, miasa amin’ny toerana maloto izy sa tsia. “Ireo loto bitika tsy hita maso, mirefy latsaka ny 2,5 mikrômetatra [ampahan-tapitrisa metatra ny iray mikrômetatra], no tena nodinihin’ireo mpikaroka ireo, satria izy ireny no heverina fa mamono, raha tafiditra lalina any amin’ny havokavoka”, hoy ny New Scientist. Nasehon’ilay fikarohana fa “mety ho voan’ny kansera, toy ny olona miara-mipetraka ela be amin’ny mpifoka sigara”, ny olona miaina amin’ny rivotra maloto eny an-tanàn-dehibe, hoy koa ilay gazetiboky.

Zaza Tsy Voasoratra Ara-panjakana

“Tsy voasoratra ara-panjakana ny 50 tapitrisa amin’ny zaza teraka isan-taona, izany hoe maherin’ny 40 isan-jaton’ny zaza teraka eran-tany”, hoy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF). Nolazainy koa fa “30 isan-jaton’ny ankizy, fara fahakeliny, no tsy voasoratra ara-panjakana any amin’ny tany 39, ary 60 isan-jato, fara fahakeliny, any amin’ny tany 19.” Inona no vokatr’izany? Toy ny tsy misy eo anatrehan’ny fanjakana ny ankizy, raha tsy manana kopian’ny nahaterahany, ka mety tsy hahazo ny fanampiana tokony ho azony. “Manana zo hosoratana ara-panjakana ny olona tsirairay, rehefa teraka. Hanome azy zo hafa koa izany, toy ny fanabeazana, fitsaboana, . . . ary fiarovana amin’ny fanavakavahana sy ny fampijaliana ary ny fanararaotana”, hoy ny UNICEF. Mbola mahita olana ihany ny olona tsy voasoratra ara-panjakana, na dia efa lehibe aza, satria ‘mety tsy ho afaka hisora-panambadiana izy’, araka ilay tatitra.

“Miharitra ny Harenan’ny Tany”

Milaza ny mpahay siansa, fa raha mbola betsaka toy ny ankehitriny ny fitrandrahana ny harenan’ny tany, dia “ho ritra tsy ho ela izy io”, araka ny gazety Globe and Mail any Kanada. Milaza ny gazety iray hafa fa “ny 70 isan-jaton’ny harena voajanahary vokarin’ny tany isan-taona no nampiasain’ny olombelona”, tamin’ny 1961. “Nitombo ho 120 isan-jato izany, tamin’ny 1999, ary mahatratra 125 isan-jato eo ho eo, ankehitriny.” Izany hoe mila 15 volana ny tany “vao ho afaka hamerina indray ny harena voajanahary ampiasain’ny olombelona” isan-taona, noho ny fanjonoana, fiompiana, fambolena, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy arintany ary solika. “Mihalany haingana koa io tahiry io, satria simba loatra ny tanimboly sasany, ka tsy mahavokatra intsony. Manampy trotraka izany ny fitomboan’ny isan’ny mponina eran-tany, satria mihamitombo koa ny zavatra ilainy avy amin’ny tontolo iainany”, hoy ihany ilay gazety.

Navadika ho Zavatra Hafa ny Fiangonana

“Nilaza toy izao i Mark Twain, tamin’izy nitsidika an’i Montréal, tamin’ny 1881: ‘Tsy maintsy hahavaky ny varavarankelin’ny eglizy ianao, raha mitoratoraka amin’ny biriky’, satria maro loatra izy ireo. Mety hahavaky ny varavarankelin’ny trano fonenana kosa anefa ianao ankehitriny, satria lasa trano fonenana ny maro tamin’izy ireo”, hoy ny gazetin’i Montréal. Mbola misy toeram-pivavahana 600 ao amin’io tanàna io. Nilaza ilay gazety fa hamidy ao anatin’ny folo taona ho avy ny 100 amin’izy ireo, ka Eglizy Katolika ny ankabeazany. “Nilaza ny Arsidiosezin’i Montréal fa paroasy katolika 25 no nakatona, hatramin’ny 1960.” Iray tapitrisa sy sasany ny Katolika tany Kanada, tamin’ny 1871, ary efa ho 10 tapitrisa, tamin’ny 1971. Hoy ihany anefa io gazety io: “Tena mihena ny mpiangona, indrindra fa eto Québec.” Nilaza i Bernard Fortin, mpiandraikitra iray ao amin’ny Arsidiosezin’i Montréal, fa 8 isan-jaton’ny Katolika eo an-toerana sisa no miangona ankehitriny, raha 75 isan-jato tamin’ny 1970.

Ny Televiziona sy ny Fahazarana Misakafo

Nilaza ny The Independent any Londres fa “tena mahatonga ny ankizivavy tsy hisakafo ara-dalàna ny fijerena televiziona.” Profesora ao amin’ny Sekoly Ara-pitsaboan’i Harvard, any Etazonia, ny Dr. Anne Becker. Nanadinadina tovovavy tany Fidji izy, taoriana kelin’ny nidiran’ny televiziona tany tamin’ny 1995. Hitany fa “toa tena nisy vokany ratsy teo amin’ny fiheverana ny bika sy ny fahazarana misakafo” ny televiziona. Tamin’ny fomba ahoana? Tsara ny hoe mazoto homana sy matavy, araka ny fomba nentim-paharazana fidjianina. Tovovavy maro anefa no te hitovy amin’ireo olona mahiahia hitany ao amin’ny televiziona. Tsy nisy tamin’ireo tovovavy nanontaniana no nanery tena handoa mba tsy hatavy, talohan’ny nidiran’ny televiziona tany Fidji. Maherin’ny ampahafolon’izy ireo anefa no nilaza fa nanao izany, telo taona tatỳ aoriana. Hitan’ny mpikaroka koa fa saika ny androatokon’ny ankizivavy mbola mianatra no nilaza fa nitandrina ny sakafo nohaniny, mba hampihenana tena, ary mitovitovy amin’izany koa ny isan’ireo nitaraina ho “lehibe na matavy loatra.”