Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eo amin’ny faritra voafefy ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina” [frantsay], navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Nahoana ny mpitoriteny no nilaza fa “ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina”? (Mpitoriteny 4:12)

2. Teo amin’ny Lalàn’i Mosesy, biby nanao ahoana ihany no azo nohanina? (Deoteronomia 14:6)

3. Iza no rain’i Josoa? (Josoa 1:1)

4. Inona no nataon’i Satana tamin’i Joba, rehefa navelan’i Jehovah hampijaly azy izy? (Joba 2:7)

5. Iza no nilaza tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka fa nanangana hazo dimampolo hakiho hanantonana an’i Mordekay i Hamana? (Estera 7:9)

6. Ahoana no hahafantarana ny mpaminany sandoka, araka ny tenin’i Jesosy? (Matio 7:15, 16)

7. Inona ilay anaram-boninahitr’i Jehovah tsy hita afa-tsy ao amin’ny Daniela, ka manamafy fa izy no Mpitsara mendri-kaja ny olona rehetra? (Daniela 7:22)

8. Zava-tsarobidy inona avy no nentin’ireo sambon’i Tarsisy ho an’i Solomona Mpanjaka, tamin’ny dia nataon’izy ireo isaky ny telo taona? (1 Mpanjaka 10:22)

9. Iza no nanampy an’i Arona hanohana ny tanan’i Mosesy tsy hidina, mandra-panolotr’i Jehovah ny Amalekita teo an-tanan’ny Isiraely? (Eksodosy 17:12)

10. Inona no nataon’ny mpianatra mba hahafantarany izay hisolo an’i Jodasy Iskariota? (Asan’ny Apostoly 1:23-26)

11. Iza no mpisoronaben’ny Isiraely, tamin’i Samoela tonga mpaminany? (1 Samoela 3:1)

12. Faritra telo taiza avy tamin’ny tenan’i Arona sy ny zanany no nasian’i Mosesy ra, tamin’ny fotoana nanorenana ny fisoronana teo amin’ny Isiraely? (Levitikosy 8:23, 24)

13. Tsy namboarin’Andriamanitra avy tamin’ny vovoka i Eva, fa inona kosa no nanamboarany azy? (Genesisy 2:21, 22)

14. Inona no nolazain’i Paoly fa “fototry ny ratsy rehetra”? (1 Timoty 6:10)

15. Manao ahoana ny haben’ny tany voasan’ny omby roa ao anatin’ny iray andro, araka ny voalazan’ny Soratra Masina? (1 Samoela 14:14)

[Efajoro, pejy 22]

Valin’ny Fanontaniana

1. Mba hanamafisana fa maharesy zava-manahirana kokoa ny olona mahay miara-miasa sy mitovy zava-kendrena

2. Biby mivaky kitro sady mandinika, na mamerina mitsako indray ny ahitra efa nateliny

3. Nona

4. “Namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany” izy

5. Harbona, iray tamin’ireo tsindranolahy

6. “Amin’ny voany”

7. “Fahagola”

8. Volamena, volafotsy, ivory, rajako ary vorombola

9. Hora

10. Nivavaka sy nanao filokana izy ireo

11. Ely

12. Ravin-tsofina ankavanana sy ankiben-tanana ankavanana ary ankiben-tongotra ankavanana

13. Taolan-tehezana avy tamin’i Adama

14. “Ny fitiavam-bola”

15. Iray akera