Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Foana Tsy ho Ela ny Zava-mahadomelina

Ho Foana Tsy ho Ela ny Zava-mahadomelina

Ho Foana Tsy ho Ela ny Zava-mahadomelina

Mino ve ianao fa ho foana ny zava-mahadomelina indray andro any?

NANENTANA ny firenena rehetra hiady amin’izy io Andriamatoa Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana. Hoy izy: “Tsy maintsy manao dingana vaovao lehibe isika mba hiadiana amin’io loza io. Betsaka loatra ny tanorantsika voafandrik’izy io.”

Mety hanaiky hampihena ny famokarana sy ny fivarotana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna ireo mpitondra, nefa mbola eo foana ilay zava-manahirana. Hoy i Hennadiy Udovenko avy any Ukraine, prezidàn’ny fihaonana manokana nataon’ny Fivoriamben’ny ONU: “Vola maherin’ny 400 000 tapitrisa dolara isan-taona no azo avy amin’ny zava-mahadomelina, ka izy io no varo-maizina ahazoam-bola be indrindra, . . . Mety hampikororosy na hanakorontana ny raharaham-barotra maneran-tany anefa izy io.” Nolazainy koa fa ny zava-manahirana momba ny zava-mahadomelina dia “nanjary nitatra eran-tany, ary tsy misy firenena afaka amin’ny loza mety haterak’izy io.”

Sarotra ny maka sary an-tsaina hoe mbola ho foana ny zava-mahadomelina mampidi-doza indray andro any. Efa hitantsika fa tsy vitan’ny fitondram-panjakan’olombelona ny nanafoana azy ireny. Hanova ny tany ho paradisa anefa ilay Andriamanitra Tsitoha, ary tsy hisy hahasakana izany fikasany izany. Amin’izay, ny olona rehetra dia hahazo izay ilainy eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po. (Salamo 145:16; Lioka 23:43; 2 Petera 3:13) Araka ny nolazain’ny mpaminany Isaia, dia ‘tsy hiverina aminy ny Tenin’Andriamanitra, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrany ary ambinina amin’izay ampandehanany azy.’—Isaia 55:11.

Ahazoana tombontsoa maro ny finoana an’ireo fampanantenana ireo, na dia amin’izao fotoana izao aza. Nampiasa zava-mahadomelina, ohatra, i Edmundo taloha. Rehefa fantany anefa ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny tontolo vaovao marina iray, dia nandinika ny fiainany indray izy. Hoy i Edmundo: “Tena adala aho nandanilany foana ny fotoanako.” Tapa-kevitra ny tsy hikasika zava-mahadomelina intsony izy izao, satria maniry ny hankasitrahan’Andriamanitra foana. Ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany tokoa dia handrisika antsika ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.’—Efesiana 4:24.

Maro be koa ireo mpidoroka taloha no nanjary nanana fifandraisana akaiky tamin’ny Mpamorona azy. Manana heviny manokana ho azy ireo ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, Jehovah ô. Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny làlana.” (Salamo 25:7, 8) Tena mampahery ny ray aman-dreny tokoa ny mahalala hoe afaka miova ny zanany maditra! Raha miezaka mafy ny ray aman-dreny, dia ho vitany ny hanampy ny zanany hiady amin’ny zava-mahadomelina, sy hihazona “ny tena fiainana”, izay hisy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—1 Timoty 6:19.

[Sary, pejy 10]

Ny fanantenana hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra no nahatonga ny mpidoroka maro hanova ny fiainany