Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao hoe Fitiavan-karena?

Inona no Atao hoe Fitiavan-karena?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Inona no Atao hoe Fitiavan-karena?

NATAO ho tia zavatra ara-panahy ny olombelona, ary efa voajanahary ao aminy ny hoe mila manompo an’Andriamanitra. Nofo aman-dra koa anefa izy, ary mila zavatra azo tsapain-tanana sady afaka mankafy izany. Manan-javatra be dia be ny Kristianina sasany mpanan-karena. Voatery midika anefa ve izany hoe tia harena na matimatin-karena izy, ka tsy tia zavatra ara-panahy? Ary ny mahantra? Tsy ho lasa matimatin-karena mihitsy ve izy ireo, sady ho tia zavatra ara-panahy kokoa noho ny Kristianina hafa?

Ekenao angamba aloha fa tsy voatery ho matimatin-karena ny olona manankarem-be na mpanefohefo. Diniho ireto ohatra resahin’ny Baiboly ireto, izay mampiseho ny tena atao hoe fitiavan-karena sy ny fomba ialana amin’ny loza mety haterak’izany eo amin’ny fahasalamana ara-panahy.

Nanankarena sady nalaza izy ireo

Nanankarena sady nalaza ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky sasany tamin’ny andron’ny Baiboly. I Abrahama, ohatra, dia “nanana harena be, dia omby aman-ondry sy volafotsy ary volamena.” (Genesisy 13:2) I Joba indray kosa nalaza ho “nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra”, satria nanana biby fiompy sy mpanompo be dia be. (Joba 1:3) Nanankarem-be koa ireo mpanjakan’ny Isiraely, toa an’i Davida sy Solomona.—1 Tantara 29:1-5; 2 Tantara 1:11, 12; Mpitoriteny 2:4-9.

Nisy Kristianina nanankarena koa teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. (1 Timoty 6:17) I Lydia, ohatra, dia nantsoina hoe ‘mpivarotra lamba volomparasy, avy tao amin’ny tanànan’i Tyatira sady mpivavaka tamin’Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 16:14) Lafo be ny loko volomparasy sy ny akanjo nolokoana taminy, ary natokana ho an’ny olo-manan-kaja sy mpanan-karena izy ireny matetika. Mety ho nanankarena àry i Lydia.

Nahantra be koa anefa ny mpanompon’i Jehovah nahatoky sasany tamin’izany fotoana izany. Lasa nahantra tampoka ny fianakaviana sasany, noho ny hetraketraky ny natiora sy ny loza tsy nampoizina ary ny fahafatesana. (Mpitoriteny 9:11, 12) Tena mafy tamin’ireny olona sahirana ireny mihitsy ny nijery ny olon-kafa nanam-bola aman-karena! Diso anefa izy ireo raha nitsara an’ireo mpanan-karena ho matimatin-karena, na nanatsoaka hevitra hoe ireo mahantra no tena nanompo an’Andriamanitra. Fa nahoana? Diniho ny tena fototry ny fitiavan-karena.

Ny fitiavam-bola

Toy izao ny famaritan’ny diksionera iray ny atao hoe fitiavan-karena: “Fanahiana be loatra na fifantohana amin’ny zavatra azo tsapain-tanana, fa tsy amin’ny zavatra ara-panahy na ny ara-tsaina.” Ny fototry ny fitiavan-karena àry dia ny faniriantsika sy ny zavatra heverintsika ho sarobidy ary izay hifantohantsika eo amin’ny fiainana. Mampiseho tsara an’izany ireto ohatra roa avy ao amin’ny Baiboly ireto.

Nanarin’i Jehovah mafy i Baroka, mpitan-tsoratry ny mpaminany Jeremia. Nahantra angamba i Baroka, noho ny fiainana tao Jerosalema sy noho izy naman’i Jeremia, izay olona tsy tiam-bahoaka. Nilaza taminy anefa i Jehovah hoe: “Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany!” Nanomboka ho matimatin-karena angamba i Baroka, izany hoe nanjary nitsiriritra ny vola aman-karenan’ny olona. Nampahatsiahivin’i Jehovah àry i Baroka hoe, izy no havotany amin’ny fandringanana an’i Jerosalema, fa tsy harovany kosa ny fananany.—Jeremia 45:4, 5.

Nilaza fanoharana momba ny lehilahy iray nifantoka tamin’ny harena koa i Jesosy. Nifantoka tamin’ny harenany io lehilahy io, fa tsy nieritreritra ny hampiasa ny fananany hanompoana an’Andriamanitra bebe kokoa. Hoy izy: “Handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa . . . Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.” Hoy i Jesosy avy eo: “Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.”—Lioka 12:16-21.

Inona no hevitra ampitain’ireo fitantarana roa ireo? Hitantsika avy amin’ireo hoe tsy ny habetsahan’ny fananan’ny olona iray no ilazana hoe tia harena izy na matimatin-karena, fa ny fiheverany ny harena ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Hoy ny apostoly Paoly: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:9, 10) Ny fahatapahan-kevitra hanankarena sy ny fitiavam-bola àry no tena fototry ny zava-manahirana.

Ilaina ny fandinihan-tena

Mitandrina ny Kristianina mba tsy ho voafandriky ny fitiavan-karena, na manao ahoana na manao ahoana fari-piainany. Mamitaka ny harena ary mety hosimban’izy io tsikelikely ny fahasalamana ara-panahy. (Matio 13:22) Mety tsy ho tsapantsika akory hoe lasa tsy mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy intsony isika, fa amin’ny vola aman-karena, ary ratsy ny vokatr’izany.—Ohabolana 28:20; Mpitoriteny 5:10.

Tokony hodinihin’ny Kristianina àry hoe inona no zava-dehibe indrindra aminy sy ifantohany eo amin’ny fiainana. Na manam-be na mahantra ny olona tia zavatra ara-panahy, dia miezaka foana izy hanaraka ny torohevitr’i Paoly, hoe: ‘Aza matoky ny harena miovaova, fa matokia an’Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.’—1 Timoty 6:17-19.