Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova Faran’ny Herinandro Sambatra!

Manaova Faran’ny Herinandro Sambatra!

Manaova Faran’ny Herinandro Sambatra!

TENA andrasan’ny olona izy, ary izy matetika no zava-misongadina amin’ny herinandro rehefa tonga. Mandeha mitsangantsangana ny olona amin’io fotoana io, misy manao fialam-boly mahafinaritra, na mandeha mivavaka, misy koa mijanona ao an-trano sy matory.

Ny faran’ny herinandro no tiantsika horesahina eto, izany hoe ny fe-potoana mamarana ny herinandro fiasana (na fianarana)! Matetika izany no manomboka ny zoma any amin’ny tany tandrefana, ary mitohy hatramin’ny alahady. Fa ahoana moa no niandohan’ity hevitra momba ny faran’ny herinandro ity? Ary ahoana no azonao ampiasana amin’ny fomba tsara azy io, raha mahazatra any amin’ny misy anao ny miasa mandritra ireo dimy andro amin’ny herinandro?

Andro fialan-tsasatra izy taloha, fa lasa faran’ny herinandro kosa izao

Hoy ny lalàna momba ny Sabata nomena ny firenen’ny Isiraely, 3 500 taona lasa izay: “Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.” (Eksodosy 31:15) Nanome fahafahana ny ray aman-dreny isiraelita hikarakara ny ara-panahin’ny fianakaviany koa ny Sabata.

Nanomboka ny zoma maty masoandro ka hatramin’ny asabotsy maty masoandro ny Sabata jiosy. Araka ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) anefa, dia “nanao ny andro alahady ho andro fivavahana manokana [ireo olona nitonona ho Kristianina], satria nino izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty tamin’io andro io i Jesosy. Neken’ny Eglizy sy ny fitondram-panjakana tamin’ny fomba ofisialy ho andro fialan-tsasatra izy io tany Eoropa, tamin’ireo taona 300 ar.J.K.”

Marihina fa vao haingana ihany no nihoatra ny iray andro ny andro fialan-tsasatra. Nifarana ny asabotsy tamin’ny sakafo antoandro ny herinandro fiasana tany Grande-Bretagne. Ny tapak’andro hariva tsy fiasana sy ny alahady no nahaforona ny faran’ny herinandro nanomboka tamin’ireo taona 1870. Natomboka tamin’ny fiarahan’ny fianakaviana nisakafo ny asabotsy hariva. “Niaraka nankany amin’ny toerana fandroana tao an-tanàna izy ireo avy eo”, araka ny gazetiboky iray.

Vao mainka nihalava ny faran’ny herinandro tany Etazonia, satria lasa roa andro. Araka ny boky iray, dia orinasa iray tany Nouvelle-Angleterre no nampihatra voalohany an’ilay dimy andro amin’ny herinandro ho andro fiasana, tamin’ny 1908. Neken’ny mpiasa jiosy sy “kristianina” ilay fandaharana, satria efa samy nanana ny andro fialan-tsasany avy izy ireo, dia ny asabotsy ho an’ny Jiosy, ary ny alahady ho an’ny “Kristianina.” Vetivety dia lasa be mpitia ilay izy. Nampirisika hanaraka azy io i Henry Ford, mpanamboatra fiarakodia. Fantany mantsy fa hampitombo ny fividianana fiara ny fitsangantsanganan’ny mpianakavy amin’ny faran’ny herinandro.

Inona no kasainao hatao amin’ny faran’ny herinandro?

Efa anisan’ny fomba fiaina any amin’ny tany tandrefana izao ny faran’ny herinandro maharitra roa andro. Koa raha any amin’iny faritra iny no misy anao, dia mety hanontany anao toy izao ny mpiara-miasa rehefa hifarana ny herinandro: “Inona no kasainao hatao amin’ny faran’ny herinandro?” Handre valin-teny mahafinaritra ianao amin’izany.

Herinandro be izao no ibaikoan’ny mpampiasa anao ny fotoananao, fa mba ianao indray no manapaka ny fiainanao amin’ny faran’ny herinandro. Afaka miala amin’ny fanao mahazatra anao ianao amin’io. Afaka miala sasatra araka izay ilainao ianao, na miaraka amin’ny havana sy namana. Na angamba afaka manao ilay fandaniana andro fanaon’ny olona indrindra ianao, dia ny fijerena magazay. “Tena mahafinaritra ny mitety magazay”, hoy i Brigitte, izay mipetraka any Alemaina.

Hita tamin’ny fanadihadiana fa aleon’ny ankamaroan’ny olona lanina hialana sasatra ny fotoana mampahalalaka azy. Maro ny fanarian-dia azo atao, ho an’ireo izay te hijanona ao an-trano amin’ny faran’ny herinandro. Afaka mikarakara zavamaniry ao an-trano sy eny an-jaridaina izy ireo, na manangona hajia, mitendry na mihaino mozika, mijery vidéo, manao lakozia, manoratra taratasy, mamaky boky, manjaitra, manao bà, manao spaoro, ary manao sary hoso-doko, sy ny hafa koa. Ny sasany indray mifidy kilalao izay hahafahan’izy ireo hiaraka amin’ny vady aman-janany, toy ny daomy na karatra. *

Melohin’ny Baiboly ve ny fampiasana ny fotoana amin-javatra toa tsy dia lehibe toy izany? Tsy voatery. Hoy i Solomona: “Tsara ny eran-tanan’ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.” (Mpitoriteny 4:6) Tena mila milalao sy miala sasatra araka ny antonony ny Kristianina.

Fanaovan-javatra tafahoatra

Mety hisy vokany mifanohitra amin’izay zava-kendrena sy hanimba, na dia zavatra tsara aza, rehefa be loatra. Mahasoa, ohatra, ny fanatanjahan-tena. (1 Timoty 4:8) Saika tafahoatra anefa indraindray ny hafanam-pon’ireo mpanao fanatanjahan-tena, isaky ny faran’ny herinandro. Tapa-kevitra ny handresy amin’ny fanatanjahan-tena ataony izy ireo ka te hahay izany tsara. Mandany fotoana sy vola tsy toko tsy forohana izy ireo amin’izany mba hakana mpanazatra sy hividianana fitaovana ary fomba.

Mety hanimba ny fahasalamany koa izy ireo amin’ny fanerena ny vatany tsy ampy fanazarana, hanao mihoatra noho izay vitany. Milaza ny gazetiboky iray fa manao fanatanjahan-tena mafy amin’ny faran’ny herinandro ireo zokinjokiny te ho tanora, hany ka tratran’ny fivonkinan-kozatra, folaka sy maratra ary mangana. Ny hafa indray tia misetra loza ka manao fanatanjahan-tena mampangitakitaka sy tafahoatra izay mety hiafara amin’ny fahafatesana sy ny ratra be. * Tena mety tsara àry ilay torohevitry ny Baiboly mba “hahonon-tena.” (Titosy 2:2) Tokony hamelombelona ny fanatanjahan-tena fa tsy handreraka na hampidi-doza.

Fanatanjahan-tena tsy dia mahery loatra àry no tian’ny sasany. Tena betsaka, ohatra, ny olona tia mitsangantsangana sy mandeha an-tongotra lavitra be any Alemaina. Fandaniam-potoana be mpitia ny fandehanana an-tongotra amin’ny toerana voafaritra iray mandritra ny fe-potoana noferana, any Eoropa. Fomba tsara anaovana fanatanjahan-tena sy hankafizana toerana tsara tarehy tokoa izany! Sady afaka mankafy izany ny fianakaviana iray manontolo!

Faran’ny herinandro mavesatra loatra

Be loatra indraindray ny zavatra tian’ny olona hatao amin’ny faran’ny herinandro, ka lasa tsy finaritra intsony izy ireo. Tsy mba velombelona fa vizana be izy ireo rehefa manomboka ny herinandro vaovao. Nitatitra ny gazetiboky alemà Focus fa nandritra ny fandinihana iray, ny 27 isan-jaton’ireo olona nanontaniana dia nahita fa toa lasa nirotoroto sy nandreraka be ny fialam-bolin’izy ireo.

“Mialà sasatra raha te hahavita zavatra”, hoy ny gazetiboky Ny Fotoana (anglisy). Fantatr’i Jesosy Kristy koa fa mila miala sasatra isika. Niteny tamin’ny mpianany toy izao izy, araka ny Marka 6:31: “Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).” Tena hamelombelona ny fakana fotoana hamakiana boky, hialana sasatra na hatoriana, na dia mahafinaritra aza ny fanatanjahan-tena sy fitetezana magazay. Misy zavatra hafa afaka mampitombo ny fifaliantsika koa anefa rehefa faran’ny herinandro.

Mila zavatra ara-panahy

Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny malahelo am-panahy.” (Matio 5:3) Iray tamin’ireo zava-kendren’ny Sabata, na andro fitsaharana, ny famelana ny olona hikarakara ny ara-panahiny. Azo ampiasaina amin’ny zava-kendrena mitovy amin’izany ve ny faran’ny herinandro amin’izao fotoana izao? Diniho ny Vavolombelon’i Jehovah. Manao ireo fivoriana kristianina lehibe ny asabotsy na ny alahady ny ankamaroan’ny fiangonana. Amin’ny faran’ny herinandro koa no hanaovana ireo fivoriana lehibe kokoa toy ny fivoriambe. Vavolombelon’i Jehovah maro be no manokana fotoana hitoriana sy hanaovana dinidinika ara-baiboly amin’ny mpiara-belona aminy, rehefa faran’ny herinandro.

Mazava ho azy fa manana asa, tokantrano sy fianakaviana tokony hokarakaraina, toy ny olona rehetra ihany, ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandamina fialam-boly ho azy sy ny fianakaviany araka izay azony atao koa àry izy ireo. Ny zavatra ara-panahy anefa no omeny ny toerana voalohany. Enta-mavesatra aminy ve izany? Diniho ny zavatra niainan’ireto olona ireto.

Nolanin’i Jürgen sy Doris tany amin’ny klioba fanaovana fanatanjahan-tena ny faran’ny herinandro, talohan’ny naha Vavolombelona azy mivady. I Melle sy Helena kosa nandany ny fotoanany tamin’ny fitsidihana trano fampirantiana zavakanto. Fotoana nivoahana mba hankafizana zavaboary ny faran’ny herinandro, ho an’ny lehilahy iray atao hoe Helmut. Nandany ny faran’ny herinandro tany amin’ny toeram-pandihizana ny vehivavy iray atao hoe Silvia. Niova tanteraka anefa ny zavatra fanaon’izy ireo amin’ny fotoam-pialan-tsasatra rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Manazava toy izao i Jürgen sy Doris: “Nahazatra anay ny niala voly mba hanalana sorisory, tsy nanatsara ny fiainanay anefa izany. Amin’izao fotoana izao, ny fanampiana ny olona hahafantatra ny Baiboly dia mampisy heviny sy zava-kendrena, ny fiainanay sy ny an’ireo mandray ilay hafatra ihany koa.” Ahoana ny amin’i Melle sy Helena? “Manome tari-dalana ho amin’ny fomba fiaina tsara indrindra ny Baiboly, ary tena mahafaly ny miresaka izany amin’ny olon-kafa.” Nahoana no mahita fahafaham-po kokoa eo amin’ny fiainana i Helmut amin’izao fotoana izao? “Fantatro fa zava-dehibe amin’i Jehovah izay ataoko eny amin’ny fanompoana”, hoy izy. Hoy koa i Silvia: “Mifandray amin’ny olona sy manao resaka mahaliana ianao rehefa mitory, ary samy zavatra tiako izany.”

Maninona raha miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitsidika izy ireo amin’ny manaraka? Ny resadresaka fohy miaraka amin’izy ireo angamba no ho dingana voalohany ho amin’ny fiainana misy zava-kendrena kokoa, ary tsy ho an’ny faran’ny herinandro fotsiny fa mandritra ny herinandro mihitsy!

Na inona na inona fialam-boly fidinao hatao, dia ataovy mampahery sy mahafinaritra ny faran’ny herinandro. Raha mipetraka any amin’ny faritra miteny alemà ianao, dia mirary “schönes Wochenende” ho anao izahay. Mirary “¡Buen fin de semana!” ho anao kosa izahay raha miteny espaniola ianao. Raha Ukrainien ianao dia hoy izahay hoe: “Бажаю вам приємно провести вихідні.” Na aiza na aiza toerana misy anao, ary na inona na inona hataonao, dia manaova faran’ny herinandro sambatra e!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Raha mila fanazavana ny amin’ny loza mety hoentin’ny kilalao elektronika sasany ianao, dia jereo ilay lahatsoratra amin’ny “Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 1996.

^ feh. 16 Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana ny Olona no Tia Lalao Mahafaty?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 2002.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Tena mahafinaritra ny faran’ny herinandro raha sady ialana sasatra sy ialana voly no anaovana asa ara-panahy