Mihanaka toy ny Areti-mifindra ve ny Hatavezana?
Mihanaka toy ny Areti-mifindra ve ny Hatavezana?
HOY ny gazety britanika iray momba ny fitsaboana: “Noheverina hatramin’ny ela ho vokatry ny fiainana maoderina any amin’ny tany manankarena sy mandroso ny hatavezana. Mihamihanaka any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana koa anefa izy io izao.” Araka io gazety io, dia mampitandrina izao ny manam-pahaizana fa “mihanaka toy ny areti-mifindra” ny aretina vokatry ny hatavezana toy ny diabeta, ny tosidra ambony, ny kansera, ary ny aretim-po.
Tato anatin’ny valo taona, tany Chine, dia nitombo avo telo heny ny isan’ny lehilahy matavy, ary avo roa heny ny an’ny vehivavy. Mitovy àry izao ny isan’ny olona ambony tosidra any Chine sy any Etazonia. Any Inde sy Chine no ahitana ny antsasany mahery amin’ny olona voan’ny diabeta vao haingana. Mitovy ny isan’ny olona voan’ny diabeta any Ejipta sy any Etazonia, ary ny antsasaky ny vehivavy ejipsianina izao no matavy loatra. Nitombo haingana be koa ny isan’ny olona matavy loatra any Meksika, ka avy amin’ny sokajin’olona rehetra izy ireo, sady avy amin’ny faritra rehetra. Mihabetsaka koa àry ny olona voan’ny diabeta any. Mitombo koa ny isan’ny olona matavy loatra any amin’ny firenena afrikanina tena mahantra.
Marina fa mety ho ny tsakitsaky sy hani-masaka matavy no anton’izany, any amin’ny tany sasany. Ny tena mampahatavy anefa dia ny siramamy be dia be ataon’ny orinasa maro amin’ny sakafo amboariny, “mba hampahatsiro kokoa azy ireny.” Manampy menaka amin’ny sakafony koa ny olona any Azia sy Afrika, ka betsaka kokoa ny kaloria azo avy aminy. Mampiasa fitaovana maoderina kokoa ireo orinasa sy toeram-pambolena sy fiompiana, ka tsy mila mampiasa vatana firy intsony ny mpiasa. Tsy te hiasa firy intsony ny olona, mba hananany fotoana hialana voly kokoa. Ampiasaina hatraiza hatraiza izao ny ordinatera sy ny televiziona, ka tsy mihetsika firy intsony ny olona, ary “mifanoratra amin’ny ordinatera, fa tsy mitsangana intsony mba hitondra hafatra na hiresaka amin’ny mpiara-miasa aminy.”
Mitombo haingana be koa ny isan’ny ankizy matavy, indrindra any amin’ireo sekoly nampihena ny fotoana fakan-drivotra sy ny fanatanjahan-tena. Tena mila mijery tsara àry ny mpampianatra sao misy vokany eo amin’ny fianaran’ny mpianany ny sakafo hohaniny. Nampitandrina i Gail Harrison, any amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, fa tsy fisorohana ny hatavezana eo amin’ny faritra na sekoly iray monja no ilaina. Tokony hisy “fandaharan’asa maneran-tany ary koa ezaka sy fahaizana ary fiaraha-miasa” mba tsy hihanaka ny hatavezana sy ny aretina aterany.