Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nanohina ny Foko Ilay Izy’

‘Nanohina ny Foko Ilay Izy’

‘Nanohina ny Foko Ilay Izy’

Ahoana no hahatonga anao hifandray akaiky amin’Andriamanitra? Maro no mandray soa avy amin’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. Nilaza toy izao, ohatra, ny ramatoa iray Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny 25 taona teo ho eo: “Sangan’asa tena tsara iny boky iny.” Nilaza koa izy hoe: “Tena nanohina lalina ny foko ilay izy ary nahatonga ahy ho be zotom-po ho an’i Jehovah, tsy toy ny taloha. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah sy ny vadiko ary ny fiangonana aho, rehefa namaky azy io.”

Afaka manampy anao koa ny boky Manatòna An’i Jehovah. Hoy ny sasin-tenin’io boky io: “Tena tokony hianarana àry ny toetra sy fomban’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly. Hanjary ho akaiky an’i Jehovah Andriamanitra isika, raha manao izao: Misaintsaina ny fomba nanehoany ny toetrany tsirairay sy ny nanahafan’i Jesosy Kristy tsara izany, ary mamantatra ny fomba azontsika anehoana ilay toetra.”

Raha tianao ny hanafatra an’ilay boky Manatòna An’i Jehovah, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Te hahazo ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah aho.

Amin’ny fiteny:

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.