Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nipoaka ny Orinasa Iray Mpanao Zezika

Nipoaka ny Orinasa Iray Mpanao Zezika

Nipoaka ny Orinasa Iray Mpanao Zezika

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

NIPOAKA tampoka ny orinasa iray mpanao zezika teto Toulouse, faritra atsimoandrefan’i Frantsa, ka be dia be ny zavatra simba. Tamin’ny 21 Septambra 2001 izany no nitranga, folo andro monja taorian’ny nanafihan’ny mpampihorohoro ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena tany New York. Nilaza ny gazety frantsay Le Point, fa iny no “loza ratsy indrindra nanjo ny indostria teto Frantsa, hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe II.”

Zezika 300 taonina teo ho eo no nipoaka, ka nahatonga lavaka 15 metatra ny halaliny ary 50 metatra ny habeny. Olona 30 no maty, ary 2 200 mahery no naratra. Trano 2 000 teo ho eo no rava ary 27 000 no simba, hatrany amin’ny 8 kilaometatra nanodidina an’ilay orinasa nipoaka. Nisahotaka ny olona satria nieritreritra izy ireo hoe mpampihorohoro no nanapoaka ilay orinasa. Nieritreritra koa izy ireo hoe nisy gaza mahafaty nivoaka avy tao.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy naratra. Maro tamin’izy ireo koa no niharam-pahavoazana hafa, vokatr’ilay loza. Nentanin’ny fitiavana an’ireo Kristianina namany ny Vavolombelona, ka nanampy avy hatrany. (Jaona 13:34, 35) Tantaraina eto ambany izany fanampiana izany.

“Rava tanteraka ilay orinasa”

Anisan’ireo mpiasan’ilay orinasa, tafavoaka velona i Khoudir. Tsy nahatsiaro tena izy noho ilay fipoahana sy noho ireo potipoti-javatra nipitika. Tapaka ny valanoranony ary nipitsoka ny taolan-tsorony. Niasa tao amin’ny trano iray teo akaikin’ilay orinasa i Benjamin. Nipitika teny amin’ny telo metatra izy ary nidona tamin’ny rindrina. Naradratran’ny vakim-pitaratra ny tenany, ary nisy fitaratra koa nitsatoka tamin’ny masony ankavanana, ka tsy nahita tsara intsony izy. “Soa ihany”, hoy izy, “fa tsy tao amin’ny birao aho. Biriky 600 kilao teo ho eo mantsy no nilatsaka teo ambony sezako.”

Mpampianatra ao amin’ny sekoly iray, 200 metatra monja avy eo amin’ilay orinasa, i Alain. Teo am-panaovana fotokopia izy, rehefa nitranga ilay loza. Hoy izy: “Rava tanteraka ilay orinasa, ary tapatapa-by sisa tavela. Tsy nisy niangana, na dia ny rindrina sy ny tafo aza. Naratran’ny vakim-pitaratra aho. Feno tataka be ny tarehiko, ary nanaintaina be toy ny novelezina tamin’ny kibay.” Potsitra ny mason’i Alain ilany, ary lasa tsy mandre tsara intsony izy.

Tonga haingana ny fanampiana

Nifandray avy hatrany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay, avy amin’ireo fiangonana 11 eto, ny anti-panahy, mba hijerena izay olona naratra na izay zavatra simba. Nandefasana mpiasa an-tsitrapo avy hatrany tany amin’ireo tena nila fanampiana. Fantatr’ireo mpiasa ireo avy eo fa trano 60 eo ho eo an’ny Vavolombelona no simba. Nanampy fianakaviana folo teo ho eo hifindra trano izy ireo, ary koa nanampy tamin’ny fanamboarana Efitrano Fanjakana roa simba. Nampian’izy ireo hanao fangatahana saram-piantohana koa ireo niharan-doza.

Mipetraka eo ampitan’ilay orinasa i Catherine sy Michel. Teny ambony fiarany i Catherine, tamin’ny fotoana nipoahan’ilay orinasa. Hoy izy: “Toy ny hoe nisy horohoron-tany tamin’ny voalohany. Tsitapitapitr’izay, dia nisy zavatra nipoaka sy setroka niakatra. Rehefa tonga teo akaikin’ny tranonay aho, dia toy ny hoe tany misy ady no fahitako ny manodidina. Loaka be daholo ny trano rehetra, ary vaky ny fitaratry ny fivarotana. Nihazakazaka ny olona teny amin’ny arabe. Ny hafa nipetraka na nitsilany teny amin’ny tany, ka nitomany na nikiakiaka. Nipitika daholo ny varavarankelinay. Nipitika hatramin’ny tolàna, ary niala koa ny varavarana rehetra. Tonga nanampy anay avy hatrany ny anadahinay sy rahavavinay kristianina. Nisy ekipa avy any amin’ny fiangonana tonga tamin’ny tolakandro, nitondra siô sy kifafa ary selofanina hanampenana ny varavarankely.”

Mipetraka eo akaikin’ilay orinasa koa i Alain sy Liliane. Simba be ny tranon’izy ireo. Hoy i Alain: “Potika daholo ny zava-drehetra. Triatra, ohatra, ny rindrina, ary simba daholo ny varavarankely sy ny varavarana ary ny entana. Tsy nisy zavatra niangana na iray aza. Tonga nanampy anay avy hatrany ny rahalahinay kristianina. Nandroaka ny potipoti-javatra izy ireo, ary nanampy tamin’ny fanadiovana ny tranon’olon-kafa koa. Tena gaga ny mpiara-monina taminay satria maro ny olona tonga nanampy.” Ny maraina talohan’ny nipoahan’ilay orinasa, dia nisy mpianatra Baiboly niantso an’i Alain mba hampianatra azy tany an-tranony. I Liliane kosa nandeha kely nikarakara zavatra. Samy tsy tao an-trano àry izy mivady rehefa nitranga ilay loza.

Tsy ny olona teo anivon’ny fiangonana ihany no nampian’ireo Vavolombelona. Nifanampy aloha izy ireo, ary nampiany ny mpiara-monina avy eo. Noraofin’izy ireo ny potipoti-javatra tao an-trano, ary notampenany selofanina ireo varavarankely simba. Tena nankasitraka izany ny mpiara-monina, ary gaga be izy ireo satria maimaim-poana ny fanampiana.

Nampiana koa ireo manam-pahefana, satria niasa mafy izy ireo noho ny zavatra be dia be simba. Nanadio sekoly sy tranom-panjakana hafa ny Vavolombelona. Tany amin’ny toerana iray, dia nalefan’ny manam-pahefana hitety trano ny mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona, mba hijery izay ilain’ny olona.

Fanomezana fanampiana ara-panahy

Ankoatra izany, dia nila fanampiana ara-panahy ny maro tamin’ireo Vavolombelona tao amin’ilay toerana nisy an’ilay orinasa nipoaka. Nitsidika ireo rehetra niharan-doza àry ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny anti-panahy. Tena nankasitrahana izany fampaherezana izany. Hoy i Catherine: “Nidodododo nampahery anay ireo anti-panahy. Raha ny marina, dia izany aza no nilainay kokoa noho ny fanampiana hafa.”

Be fitiavana ireo Vavolombelona, ka nanampy avy hatrany. Nahatonga ny olona hanao fanamarihana tena tsara izany. Hoy ny Vavolombelona iray izay naratra mafy: “Tena tsy mahalala ny ho ampitso isika. Tokony hanompo an’i Jehovah foana isika, ka hataontsika toy ny hoe anio ny andro farany hiainantsika.” (Jakoba 4:13-15) Hoy koa ny Vavolombelona iray: “Takatray tamin’iny zava-nitranga iny fa tsy tokony ho sarobidy loatra amintsika ny fananana. Eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah no ahitana ny tena zava-tsarobidy.”

[Sary, pejy 14]

Benjamin sy Khoudir

[Sary, pejy 14]

Alain

[Sary, pejy 15]

Toulouse, ny ampitson’iny

[Sary nahazoan-dalana]

© LE SEGRETAIN PASCAL/CORBIS SYGMA

[Sary, pejy 15]

Alain sy Liliane