Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tanora sy ny Zava-mahadomelina

Ny Tanora sy ny Zava-mahadomelina

Ny Tanora sy ny Zava-mahadomelina

“Tsy azo nosakanana ve ny fahafatesan’izy ireo?”

Io no fanontaniana eo amin’ny pejy voalohany amin’ny gazety brezilianina iray. Misy sarina tanora miaraka amin’ireo teny ireo. Tanora tsotra sy mahafinaritra ny fijery azy ireo, kanefa matin’ny fidorohana zava-mahadomelina.

IARAHA-MAHALALA fa mampidi-doza ny zava-mahadomelina, nefa mbola mampiasa azy io ihany ny olona, ka miharatsy ny fiainany ary maro no maty. Mitentina iray hetsy tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantok’i Etazonia noho ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Mandany vola mantsy ny fitsaboana azy ireo, mihena ny asa vitany, tsy mandray karama izy ireo, ary eo koa ny heloka bevava ataon’izy ireo. Ny tanora anefa angamba no tena voa mafy, indrindra fa ny ankizy. Araka ny fanadihadiana iray natao tany Brezila, dia efa ho ny ampahefatry ny tanora 10 ka hatramin’ny 17 taona no efa nanandrana zava-mahadomelina.

Azo lazaina hoe nihena ny isan’ny ankizy nampiasa zava-mahadomelina tany Etazonia tato ho ato, nefa mbola be dia be ny ankizy mpidoroka any. Eritrereto, ohatra, ny zavatra nasehon’ny fanadihadiana iray natao momba ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana. Ny ampahatelon’izy ireo no efa nanandrana nifoka rongony tamin’ny herintaona, ary ny ampahadiminy efa lasa mpidoroka mihitsy tamin’ny iray volana. Ampahafolony eo ho eo kosa no efa nanandrana zava-mahadomelina mahery hafa tamin’ny taon-dasa, ary mihoatra ny 6 isan-jato no nanandrana rongony tena mahery.

Ratsy toy izany ny zava-misy hita avy amin’ny tatitra maneran-tany. Milaza, ohatra, ny Birao Anglisy Momba ny Statistika fa “ny 12 isan-jaton’ny ankizy 11 ka hatramin’ny 15 taona no nampiasa zava-mahadomelina tamin’ny herintaona . . . Rongony fohina no tena fampiasan’izy ireo.” Ny tena mampahatahotra dia hoe “maherin’ny ampahatelon’izy ireo (35 isan-jato) no efa nisy nanome karazana rongony iray, fara fahakeliny.”

Hita tamin’ny tatitra iray navoakan’ny Firaisambe Eoropeanina koa, fa “manjary tena zatra misotro toaka mandra-pahamamo” ny tanora. Milaza koa ilay tatitra fa “ny fisotroana alkaola be loatra dia mahatonga vokany ratsy, toy ny lozam-pifamoivoizana sy ny herisetra ary ny aretina. Manjary tsy ara-dalàna koa ny fitomboan’ny tanora, ary mikorontana ny fiaraha-monina.” Nilaza ny tatitra iray avy any Japon fa ‘zavatra simika mahadomelina no tena fampiasan’ny ankizy any, ka matetika izany no mitarika ho amin’ny fampiasana zava-mahadomelina hafa.’

Tsy mahagaga àry raha nilaza Andriamatoa Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny ONU, hoe: “Ny zava-mahadomelina dia manimba ny fiaraha-monina, mampirongatra ny asan-jiolahy, mampihanaka ny aretina toy ny SIDA, ary manimba ny tanorantsika sy ny hoavintsika.” Ireo mpidoroka zava-mahadomelina ihany matetika no voarohirohy amin’ny fivarotana rongony sy ny famonoana olona mifandray amin’izany. Ankoatra izany, dia maro ny olona mijaly, na maratra, na manao firaisana tsy iriny akory, noho izy ireo midoroka zava-mahadomelina. Mieritreritra angamba ianao hoe tsy voakasik’izany olana izany ny fianakavianao. Diniho tsara ihany anefa! Nisy tatitra avy amin’ny fanjakana amerikanina nilaza hoe: “Tsy ny mahantra, sy ny antokon’olona miavaka eo amin’ny fiaraha-monina, ary ny mponina eny amin’ny faritra malaza ratsy any an-tanàn-dehibe ihany akory no mety hampiasa zava-mahadomelina . . ., fa ny olona avy amin’ny saranga sy ny faritra rehetra mihitsy. Mahakasika ny olona rehetra izy io.”

Matetika anefa no tara loatra vao tsapan’ny ray aman-dreny hoe mety hiteraka olana lehibe ho an’ny fianakaviany ny fidorohana zava-mahadomelina. Diniho izay nitranga tamin’ity ankizivavy brezilianina ity. “Nisotro zavatra misy alkaola foana izy”, hoy i Regina rahavaviny. * “Noheverin’ny fianakavianay ho nahafinaritra sy tsy nampaninona izany, kanefa nitarika azy hanandrana zava-mahadomelina niaraka tamin’ireo ankizilahy namany. Vao mainka naditra izy satria tsy niraharaha an’ilay zava-manahirana ny ray aman-dreninay, fa noheverin’izy ireo hoe tsy dia hisy vokany ilay izy. Tsy mody an-trano ilay rahavaviko matetika, ary tsy fantatra izay alehany. Isaky ny misy ankizivavy maty hitan’ny polisy, dia antsoina foana i Dadanay hijery sao dia ny rahavaviko ilay izy! Tena nijaly mihitsy ny fianakavianay.”

Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana dia nanome antony lehibe dimy, mety hahatonga ny tanora hanandrana zava-mahadomelina:

1) Te hahatsiaro tena ho lehibe izy ireo, ka te handray izay fanapahan-kevitra tiany

2) Mba te hitovy amin’ny namany izy ireo

3) Te hiala voly izy ireo, ary te ho sambatsambatra

4) Te hanao zavatra fantany fa mampidi-doza izy ireo, sady te hikomy

5) Te hanandrana izy ireo mba hahalalany izay ho vokany

Vao mainka maro ny tanora mety hanomboka an’io fahazaran-dratsy manimba io, rehefa betsaka ny rongony, ary eo koa ny fitaoman’ny namana. Izao no fanazavan’i Luiz Antonio, tanora brezilianina: “Tsy mba niresaka momba ny rongony mihitsy ny ray aman-dreniko. Ny mpampianatra kosa niresaka ambangovangony momba izany fotsiny.” Nampirisihin’ny mpiara-mianatra taminy i Antonio, ka nanomboka nidoroka zava-mahadomelina tamin’izy 14 taona. Niezaka niala izy tatỳ aoriana, saingy mba tsy hijanonany, dia nanambana antsy azy ireo “namany” mpanome rongony azy!

Ekenao àry ve fa mety ho tratran’io loza io koa ny zanakao? Inona no ataonao mba hiarovana azy ireo amin’ny fidorohana zava-mahadomelina? Ny lahatsoratra manaraka dia hanoro fomba maromaro azon’ny ray aman-dreny iarovana ny zanany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Ny zava-mahadomelina dia manimba ny fiaraha-monina, mampirongatra ny asan-jiolahy, mampihanaka ny aretina toy ny SIDA, ary manimba ny tanorantsika sy ny hoavintsika.”—KOFI ANNAN, SEKRETERA JENERALIN’NY ONU

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Veja, Editora Abril, May 27, 1998