Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Mampihena ny Fahalotoan’ny Rivotra ny Hazo

“Vao voalohany izao no voaporofon’ny manam-pahaizana, fa misy karazan-kazo afaka mampihena ny fahalotoan’ny rivotra”, hoy ny gazety The Sunday Times, any Londres. Nisy mpahay siansa avy tany Angletera sy Ekosy nanao fikarohana nandritra ny telo taona, tany West Midlands. Naka tany teny akaikin’ny hazo 32 000 izy ireo mba hodinihina, ka hahitana izay karazan-kazo nitroka poti-javatra mpandoto rivotra be indrindra. Nandinika ireo poti-javatra teny amin’ny rivotra koa izy ireo. Ny karazan-kazo kesika no nitana ny laharana voalohany. Tsy dia nitroka poti-javatra firy ny oaka sy ny hazomalahelo ary ny hazo mitovy aminy. Hita koa fa “avo telo heny ny poti-javatra teny amin’ny rivotra trohin’ny hazo, raha oharina amin’ny trohin’ny bozaka.” Tombanana mihitsy aza fa hihena 20 isan-jato ny poti-javatra mandoto rivotra any West Midlands, raha volena hazo ny antsasaky ny toerana malalaka any.

Nahita Karazam-biby Vaovao Izy

Sendra nahita karazana rajako roa ny manam-pahaizana antsoina hoe Marc van Roosmalen, tany amin’ny ala tropikalin’i Amazone. Karazana rajako valo no efa hita tany, nanomboka tamin’ny 1990. Hoy i Van Roosmalen tao amin’ny gazety National Geographic Today: “Rehefa nahita ireo karazam-biby vaovao ireo aho vao nahatsapa, fa tena tsy mahafantatra firy an’i Amazone isika.” Nahita karazana rajako dimy i Roosmalen, nanomboka tamin’ny taona 1996. Nilaza izy fa “tsy ny za-draharaha” ihany no afaka mahita karazam-biby vaovao. Karazam-biby maro no hita, tamin’ny fitsidihana fotsiny ny tanàna indianina lavitra be, sy ny fandinihana ny biby nompiany tao an-trano. Niresaka momba ireo karazam-biby hita farany ireo ny manam-pahaizana atao hoe Anthony Rylands, tao amin’ny gazety Folha de S. Paulo, tany Brezila. Hoy izy: “Mety ho lany tamingana alohan’ny hahitana azy ny karazam-biby hafa, raha mitohy izao fanimbana ny alan’i Amazone izao.”

Mihamafy ny Fanafihana Fivavahana any Géorgie

“Nikasa hanao fanompoam-pivavahana tao amin’ny saha akaikin’ny renirano iray ny Vavolombelon’i Jehovah anio. Nisy vahoaka romotra tonga anefa tao halina”, hoy ny gazety The New York Times. “Tonga tamin’ny aotobisy ny lehilahy 20 mahery, nitondra lakroan’ny Eglizy Ortodoksan’i Géorgie. Norobain’izy ireo ny tranon’i Ushangi Bunturi, tompon’ilay toerana. Nangonin’izy ireo teo an-tokotany ny Baiboly sy ny bokim-pivavahana ary ny fananan’Atoa Bunturi, ary nodoran’izy ireo . . . Nofenoin’izy ireo solika ny dobo fanaovana batisa. Tany koa ny polisy sy ny lehibeny . . . Tsy nisy olona nosamborina. . . . Toa efa maty paika ilay fanafihana.” Efa nisy fanafihana fivavahana “tany amin’ny firenena maro tao amin’ny Firaisana Sovietika taloha, anisan’izany i Rosia”, hoy ny Times. “Hafa anefa ny any Géorgie, satria mahery vaika kokoa ny herisetra atao amin’ireo mpivavaka vitsy an’isa any. Voaporofo koa fa miray tsikombakomba amin’ireo mpanafika ny manam-pahefana. Niantoka ny hisian’ny fahalalahana ara-pivavahana ny lalàm-panorenan’i Géorgie, taorian’ny naharavan’ny Firaisana Sovietika. Nitombo anefa ny herisetra, ka vao mainka nanafika ny mpirotaka, sady nandoro fananan’olona no nikapoka azy ireo.”

Mirohotra any Amin’ny “Fiangonana Mampiala Voly” ny Tanora

Niresaka momba ny Fetin’ny Tanoran’ny Fiangonana voalohany, nalamin’ny fiangonana Protestanta tany Hesse sy Nassau, ny gazety alemà iray. Izao no lohatenin’ilay lahatsoratra: “Tian’ny Tanora ny ‘Fiangonana Mampiala Voly.’” Tanora 4 400 no nanatrika io fety naharitra dimy andro io. Tafiditra tao amin’ilay fandaharana ny dinidinika, alim-bavaka nasiana labozia sy hira, fanatanjahan-tena sy lanonana ary rindran-kira maro be. “Nisy fandaharana 220 mahery, nefa tsy nisy mihitsy fianarana Baiboly sy fotoam-pivavahana toy ny mahazatra”, hoy ilay gazety. Gaga be ny pasitera tanora iray, “rehefa nisy tanora nangataka hianatra Baiboly, satria lazain’ny olona fa tsy mahaliana izany.” Hoy ny zatovo iray: “Tsy dia nifandray tamin’ny fiangonana ilay fandaharana, fa nahafinaritra.”

Fivavahana sy ny Ady

‘Tafiditra amin’ny ady andatsahan-dra be indrindra sy mampidi-doza indrindra amin’izao andro izao ny fivavahana’, hoy ny gazety USA Today. Tena sarotra alamina koa ireny ady ireny. “Sarotra kokoa ny mifanaraka, izany hoe mitady marimaritra iraisana sy mamela ny ratsy natao taloha, rehefa samy mihevitra ny roa tonta fa momba azy Andriamanitra”, hoy ilay gazety. “Izany no izy na dia tsy ady ara-pivavahana aza ilay izy, fa mpanohana fotsiny ny fivavahana. Mety ho ady tany na fahefana ilay izy.” Vao mainka aza sarotra ny mampitsahatra ady, na dia fotoana fohy monja aza, rehefa tsy mitovy ny fivavahana. Ohatra amin’izany ny ady tany Kosovo, vao haingana. Nokasaina haato kely ny ady tamin’ny Paka. Tsy tanteraka anefa izany, satria tsy nitovy ny daty nankalazan’ny Katolika sy ny Ortodoksa azy io. “Tsy niato akory ny ady”, hoy ny USA Today.

“Tsy Voafehy” ny Fihanaky ny VIH/SIDA

“Olona 40 tapitrisa no misy tsimokaretina VIH eran-tany, 20 tapitrisa no matin’ny SIDA, ary zaza 750 000 isan-taona no misy tsimokaretina VIH raha vao teraka”, hoy ny The Lancet, gazety ara-pitsaboana any Grande-Bretagne. Dimy tapitrisa no voan’ny SIDA ary telo tapitrisa no matin’izy io, tamin’ny taona 2001 fotsiny. Nilaza i Peter Piot, talen’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny VIH/SIDA, fa “tsy voafehy” ny fihanak’ilay izy, nefa “vao fiandohany fotsiny” izao. Tombanany hoe hisy olona 70 tapitrisa ho fatin’ny SIDA ao anatin’ireo 20 taona ho avy. Ny 30 ka hatramin’ny 50 isan-jaton’ny mponina any amin’ny tanàn-dehibe sasany, any Afrika atsimon’i Sahara, no mitondra ny tsimokaretina VIH. Be dia be ny tanora matin’ny SIDA, ka atahorana ho ripaka ny ampahefatry ny mpiasa amin’ny taona 2020. “Ny fiantraikan’izy io eo amin’ny ankizy no tena misy vokany amin’ny fanarenana ny toe-karena amin’ny hoavy”, hoy ny The Lancet. “Ankizy iray isaky ny dimy no mety hamoy ray na reny na izy roa miaraka, raha vao folo taona mahery kely fotsiny”, any Zimbabwe.

Mitondra Soa ny Fampinonoana

“Tsy misy sakafo tsara kokoa ho an’ny zaza menavava” ankoatra ny rononon-dreniny, hoy ny Pr. Sanjay Gupta, tao amin’ny gazetiboky Time. “Raha oharina amin’ny zaza mihinana amin’ny biberao ny zaza minono amin-dreniny, dia tsy atahorana firy hiditra hopitaly, harary sofina, hivalana, ho voan’ny tandomerina, tsy hahazaka zavatra na ho voan’ny aretina hafa.” Voalaza koa fa miaro amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana ny fampinonoana. Hita tamin’ny fikarohana natao tany Danemark, fa “marani-tsaina kokoa ny olon-dehibe, raha ninono tamin-dreniny nandritra ny fito ka hatramin’ny sivy volana tamin’ny mbola kely, raha ampitahaina amin’ireo tsy ninono afa-tsy roa herinandro na latsaka.” Nilaza ny Akademia Amerikanina Momba ny Aretin’ankizy, fa tokony hampinonoina mandritra ny enim-bolana ny zaza, ary mandritra ny herintaona na maherin’izany aza, raha azo atao. “Tsy ny zaza irery anefa no mandray soa avy amin’ny fampinonoana”, hoy ny U.S.News & World Report. Nisy fanadihadiana vehivavy 150 000, tany amin’ny firenena 30. Hita tamin’izany fa “tsy dia atahorana ho voan’ny kanseran’ny nono ny vehivavy, arakaraka ny habetsahan’ny taona ampinonoany.” Ny antsasaky ny reny amerikanina ihany anefa no mampinono, ary tsy mampinono afa-tsy roa na telo volana eo ho eo.”

Fidorohana Zava-mahadomelina sy ny Fifandraisan’ny Fianakaviana

Nisy fanadihadiana zatovo natao tany Grande-Bretagne, Alemaina, Irlandy, Italia, ary Holandy. “Nasehon’izy io fa ny mpianakavy tsy mifandray tsara, na tsy mifandray mihitsy, no tena mahatonga ny tanora maro hidoroka zava-mahadomelina, any amin’ny firenena tandrefana”, hoy ny Pr. Paul McArdle, avy ao amin’ny Oniversiten’i Newcastle, Angletera. Latsaka ny ampahefatr’ireo tanora niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny sy nifandray tsara tamin’izy ireo, indrindra tamin’ny reniny, no lasa mpidoroka zava-mahadomelina, araka ny The Daily Telegraph tany Londres. Saika ny antsasany anefa no midoroka zava-mahadomelina, rehefa tsy izany no miseho. “Hazavaintsika ao amin’ny tele, amin’ny ankizy, ny loza ateraky ny fidorohana zava-mahadomelina. Manao fandaharana iadiana amin’izy io koa isika any an-tsekoly. Toa tsy misy miresaka momba ny andraikitry ny ray aman-dreny mihitsy anefa”, hoy i McArdle. “Mino anefa aho fa miankina amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy ny fisorohana ny fampiasana zava-mahadomelina.”