Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jereo ny Hipopotama Matanjaka Be!

Jereo ny Hipopotama Matanjaka Be!

Jereo ny Hipopotama Matanjaka Be!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

MITARATRA ao amin’ilay kamory lehibe ny masoandro mody amin’ny takariva. Ao amin’ny Valan-javaboarin’i Masai Mara eto Kenya no misy an’io kamory io. Mihamamiratra mivolombolamena ilay rano, arakaraka ny ilentehan’ny masoandro eny amin’ny faravodilanitra. Mandeha miadana manatona an’ilay kamory ny andiana zebra sy bibidia hafa, avy eny lavidavitra eny. Taitra tampoka anefa izy ireo, mibanjina zavatra toy ny bolongam-bato mitsingevana eo amin’ny sisintsisin’ilay kamory. Mitrena ilay “bolongam-bato” sady manakorontana ny rano, ary nilentika tsy hita intsony. Biby masiaka velona anaty rano no hitan’ireo andiam-biby. Tsy inona izany fa ny hipopotama na lalomena.

Hita eny amin’ny kamory sy renirano ary farihy ny hipopotama, any amin’ny faritra atsinanan’i Afrika. Ny elefanta ihany no biby lehibe noho izy. Mety hahatratra efa-metatra mahery ny halavan’ny hipopotama efa lehibe, ary iray metatra sy sasany ny haavony hatreo amin’ny sorony. Mety hilanja efatra taonina eo ho eo izy. Araka ny fiheveran’ny maro dia hipopotama no tiana horesahina amin’ilay hoe “behemota”, ao amin’ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe tahaka ny “fantsom-barahina” sy tahaka ny “anja-by” ny taolan’io biby makadiry io.​—Joba 40:15-18.

Matevim-be ny hoditry ny hipopotama. Tsy misy volo izy ary boribory be fotsiny sahala amin’ny barìka, ka tsy manintona loatra angamba ny endriny na ny bikany. Fohy kely ny tongotry ny hipopotama, ka mahagaga fa zakan’ireo tongony ireo ny vatany makadiry. Aza atao tsinontsinona anefa ny tanjak’ireo tongony fohy sady mafy toto ireo. Tsy maharaka ny hipopotama ny olona raha mihazakazaka. Raha any anaty rano kosa, dia tsy maharaka azy koa ny lakana voizin’olona na mandeha maotera koa aza.

Fiainany anaty rano sy an-tanety

Biby mahay miara-miaina ny hipopotama. Matetika izy no manao andiany 10 na 15, ary hipopotama lahy efa lehibe no sefony. Nisy fotoana koa anefa nahitana andiana hipopotama efa ho 150. Afaka mivelona any anaty rano sy eny an-tanety izy. Amin’ny alina izy no tena mivoaka avy ao anaty rano, ary mihinana an’ireo zavamaniry mandrobona eny amoron-drano. Tsy dia mandeha lavitra ny rano izy amin’ny ankapobeny. Misy ihany anefa, hono, ny hipopotama mandeha mitady sakafo hatrany amin’ny folo kilaometatra rehefa main-tany.

Tsy mazava loatra ny famaritan’ny hipopotama ny faritaniny. Misy fanaon’izy ireo anankiray mahagaga koa. Mahazatra azy ny manaparitaka ny dikiny amin’ny rambony. Izany, hono, no fomba anairany ny hipopotama vavy, na ampitahorany ny fahavalony. Mihiaka sahala amin’ny soavaly izy rehefa misy manafika, ary mitrena na mierona izy rehefa miady. Mbola heno be etỳ ivelany ny feon’ny hipopotama mitrena ao anaty rano. Feo migobogoboka kosa no ataon’ny hipopotama lahy sefon’ilay andiany, mba hamantarana azy.

Ao anaty rano foana ny hipopotama mandritra ny andro, ary milentika tsy tazana mihitsy izy indraindray. Mety tsara amin’ny vatabeny izany. Tsy mba mahay milomano be tahaka an’ireo biby hafa mitovy karazana aminy ny hipopotama. Mahavita milentika tanteraka ao anaty rano mandritra ny ampahefatr’adiny anefa izy! Mitovy ny haavon’ny orony sy ny masony ary ny sofiny, ka azony apoitra ireo na dia ao anaty rano aza ny vatany manontolo. Any anaty rano ny hipopotama no tena manao ny fiainany. Ao izy, ohatra, no mitady vady sy manao firaisana.

Mitondra vohoka mandritra ny valo volana eo ho eo ny hipopotama, ary iray monja ny zanany isaky ny miteraka izy. Eny amin’ny rano somary marivo izy no miteraka, ary eny an-tanety na ao anaty rano marivo hatreo an-kitrokely izy no mampinono. Matanjaka be ny hipopotama, kanefa mitandrina tsara izy rehefa mitaiza. Mahavariana fa kenakenainy tsara mihitsy ny zanany. Tena mahasondriana ny mijery hipopotama vavy miaraka amin’ny zanany ao am-babeny. Tsara fanahy erỳ ny fijery an’ilay hipopotama vavy. Toheriny tsy misy antra mihitsy anefa izay mitady hanala ny zanany ao andamosiny!

Mety tsara amin’ny fiainany ao anaty rano ny hoditry ny hipopotama. Miova be izy raha vao miakatra eny an-tanety. Mamoaka ranoka maditidity sady masira ny fihary ao ambanin’ny hoditry ny hipopotama. Miloko volontsôkôlà manopy mena io ranoka io, ka toy ny hoe tsembo-dra ny hipopotama rehefa tazanina. Miaro ny hoditry ny hipopotama ilay ranoka madity, na ao anaty rano izy na eny an-tanety. Nampiasaina tatỳ Afrika taloha ny hoditry ny hipopotama. Notapahina lavalava izy io ary natsoboka tao anaty menaka. Nofiazana ilay izy avy eo ary namainina mba hanamboarana karavasy, izay nampiasaina tamin’ny ady sisin-tany. * Milaza ny rakipahalalana iray momba ny fiainan’ny biby, nosoratan’i Grzimek, fa “lasa mafy be sahala amin’ny vato” ny hoditry ny hipopotama rehefa avy nokarakaraina sy namainina, ary “efatra santimetatra sy sasany eo ho eo ny hateviny.” Maharitra enin-taona eo ho eo, fara fahakeliny, izany fikarakarana ny hodiny izany.

Mahavariana sady mampahatahotra rehefa manoaka

Ny vavany angamba no mahavariana indrindra amin’ny hipopotama. Efa ho antsasa-metatra ny vavany ary iny no iraofany ahitra eny amoron-drano. Tsy isakafoanana ihany anefa no ampiasan’ny hipopotama ny vavany. Asanasanany be ny vavany indraindray, ka tsy manoaka fotsiny izy amin’izay fa mampitahotra koa, ary mampiseho fa tena masiaka izy. Mihakely foana ny faritra misy ny hipopotama, ary miady mafy mihitsy izy ireo mba hiarovana ny faritra misy azy avy. Hita ireo vanginy ambany ngezabe rehefa misanasana ny vavany. Fiarovan-tenany ireo vangy ireo, ary mety hahatratra 30 santimetatra ny halavany, raha refesina avy eo amin’ny hihy.

Mampidi-doza ho an’ny namany sy ho an’ny olona ny vavan’ny hipopotama. Efa mba niezaka hiara-miaina tamin’ny hipopotama ny olona, saingy tsy nahavita mihitsy. Enjehin’ny hipopotama tsotra izao fotsiny izay mihaodihaody eo amin’ny misy azy, na tsy maninon-tsy maninona azy aza. Mbola masiaka kokoa ny hipopotama maratra, ka vao mainka mampidi-doza ho an’izay manakaiky azy. Na ny sambo aza dia voavadiky ny hipopotama amin’ny valanoranony matanjaka be, rehefa tena tezitra izy.

Mahery setra be foana ny hipopotama, na eny an-tanety na ao anaty rano. Tena mampidi-doza, ohatra, ny tafiditra eo anelanelan’ny rano sy hipopotama miraoka ahitra. Tany amin’ny faritra sasany tatỳ Afrika, ohatra, dia efa nisy mihitsy olona tsy nanampo, ka nenjehin’ny hipopotama satria noheveriny fa nibahana ny lalany hankany anaty rano. Atahoran’ny olona sy ny biby ny hipopotama, ka tsy maintsy mailo ianao sady tsy manelingelina azy.

Atahorana ho lany tamingana ve?

Mora tafihin’ny liona ny hipopotama raha miraoka ahitra irery eny an-tanety. Ny olombelona anefa no toa fahavalo atahorana indrindra ho an’ny hipopotama. Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Nampihena be ny isan’ny hipopotama ny olona, sady nampihena tsikelikely ny faritra onenany koa. Namono hipopotama be dia be ireo mpihaza, ary nataon’ireo tantsaha ho toeram-pambolena ny ankamaroan’ny faritra onenan’ny hipopotama.”

Kely sisa ny faritra onenan’ny hipopotama satria mikisaka tsikelikely mankany ny olona. Tsy afaka miaina an-kalalahana sy mampitombo taranaka tsara intsony àry ny hipopotama. Soa ihany, fa nampanantena ilay Mpamorona hoe tsy hisy fiangarana intsony eo amin’ny olona sy ny biby, rehefa manjaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izay dia tsy hisy na inona na inona “handratra na hanimba” intsony ao amin’ilay tany Paradisa tafaverina amin’ny laoniny.​—Isaia 11:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Kiboko ny anaran’ny hipopotama amin’ny teny swahili, ary “karavasy” no dikany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Elizabeth DeLaney/Index Stock Photography