Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy ny Olona Voan’ny Diabeta ny Baiboly

Manampy ny Olona Voan’ny Diabeta ny Baiboly

Manampy ny Olona Voan’ny Diabeta ny Baiboly

TENA mila mifehy tena sy mijery lafy tsaran-javatra ny olona voan’ny diabeta, mba hahasalama sy hahasambatra azy. Mila fanampiana foana anefa ilay marary mba hananany an’ireo toetra ireo. Tsy tokony haka fanahy azy hihinana sakafo tsy mety aminy àry ny mpianakaviny sy ny namany, ka hilaza hoe: ‘Raha izay ity indray mandeha ity tsy hampaninona anao e!’ Hoy i Harry, izay sady marary fo no voan’ny diabeta Sokajy 2: “Tena manampy ahy ny vadiko. Tsy mitahiry sakafo tsy tokony hohaniko izy. Tsy mahatakatra an’izany ny olon-kafa, ka tsy fantany fa sarotra be indraindray ny mifehy tena amin’ny sakafo.”

Raha mifanerasera matetika amin’ny olona voan’ny diabeta ianao, dia tadidio ireto toro lalana tsara ao amin’ny Baiboly ireto: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany”; “Ny fitiavana . . . tsy mitady ny azy.”​—1 Korintiana 10:24; 13:4, 5.

Mila mifehy tena eo amin’ny sakafo izay te hitandrina ny fahasalamany, na voan’ny diabeta izy na tsia. Manampy amin’io lafiny io ny Baiboly, satria asehony fa mila miezaka hifehy tena isika rehetra. Tapa-kevitra ny hiezaka hanana an’io toetra tsara io ve ianao? (Galatiana 5:22, 23) Misy ohatra mety hanampy anao ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny apostoly Paoly. “Nanana tsilo tsy nety afaka tao amin’ny nofony” i Paoly, hoy ny vehivavy iray voan’ny diabeta, “nefa nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana foana izy sady nahavita be. Mba afaka manao toy izany koa aho!”

Eny, nanaiky ny zava-nisy i Paoly, ary tena nahomby teo amin’ny asa misionera nataony. (2 Korintiana 12:7-9) Valo ambin’ny folo taona i Dustin, ary jamba hatramin’izy vao teraka. Voan’ny diabeta koa izy nanomboka tamin’izy 12 taona. Izao no nosoratany: “Fantatro fa tsy misy olona manana fiainana tonga lafatra eto amin’ity tontolo ity. Miandrandra ny tontolo vaovaon’Andriamanitra aho, ary tsy ho diabetika intsony aho amin’izay. Mihelina ihany izao mahazo ahy izao. Maharitra noho ny sery na gripa angamba ilay izy, nefa mbola hifarana ihany.”

Fampanantenana ao amin’ny Baiboly no tao an-tsain’i Dustin rehefa nilaza izany izy. Izany dia ny fanantenana fa ho lavorary ny fahasalamana ao amin’ny tany paradisa, tapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 21:3, 4) Mampanantena ny Tenin’Andriamanitra fa “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24; Matio 6:9, 10) Te hianatra bebe kokoa momba io fampanantenan’ny Baiboly io ve ianao? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, na manorata any amin’ny mpampanonta ity gazety ity, araka ny adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-5.

[Sary, pejy 12]

Tena ilaina ny mifehy tena sy mijery lafy tsaran-javatra