Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihoatra Noho Izay Nantenainy no Vitany

Mihoatra Noho Izay Nantenainy no Vitany

Mihoatra Noho Izay Nantenainy no Vitany

“FANTATRO fa tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ilay ramose mpampianatra tantara anay, na dia tsy fantatro aza ny antony”, hoy i Rebekka, 17 taona, avy any Alemaina. Koa nisalasala àry izy, rehefa nanontany ilay mpampianatra raha nisy naniry hanao famelabelarana teo anatrehan’ny iray kilasy. Nisikina herim-po anefa izy, ka nangataka hanao famelabelarana momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah teo ambanin’ny fitondrana Nazia, nandritra ny Ady Lehibe II. Tian’ilay mpampianatra ilay hevitra.

Nankasitraka ny famelabelarana nataon’i Rebekka ny iray kilasy, ary nandray gazety sy bokikely 44 mahakasika ilay foto-kevitra. Nasehon’i Rebekka an’ilay mpampianatra avy eo ireo fitaovana fikarohana nampiasainy, toy ny boky sy vidéo tsy navoakan’ny Vavolombelona. Nisy vidéo iray niresaka momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Atsinanana, nandritra ny Ady Mangatsiaka. Tena nahaliana ilay mpampianatra ilay izy, satria tsy nahafantatra ny momba izany izy.

Lasa fantatr’i Rebekka ny antony tsy nitiavan’ilay mpampianatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy tovolahy Vavolombelona, hono, niara-nianatra taminy. Tsy niresaka firy momba ny finoany na ny fiainan’ny Vavolombelona anefa io tovolahy io, ka nihevitra izy fa olona hafahafa ny Vavolombelona. Nanapa-kevitra koa izy fa tsy hifandray amin’izy ireo mihitsy. Nanova ny fomba fijeriny anefa ny famelabelarana nataon’i Rebekka. “Mifandray tsara kokoa izahay sy ilay mpampianatra izao”, hoy i Rebekka. “Nianarako koa fa tsy tokony hisalasala hiresaka momba ny finoantsika isika tanora.”

Tsy nifarana teo anefa ilay izy. Noresahin’ilay mpampianatra tamin’ny mpiara-miasa taminy ilay famelabelarana tsara nataon’i Rebekka. Taoriana kelin’izay, dia nisy mpampianatra hafa nangataka an’i Rebekka mba hanao famelabelarana, saingy tsy teo anoloan’ny kilasy iray monja, fa nandritra ny fankalazana manokana iray fanaon’ilay sekoly isan-taona. Tsy inona izany fa ny fahatsiarovana ny nanafahana ireo voafonja tany amin’ny toby fitanana tany Auschwitz, tamin’ny Ady Lehibe II. Mpianatra 360 sy mpampianatra 10 teo ho eo no nanatrika ilay izy. Nandray bokikely 50 izy ireo taorian’ilay famelabelarana, ary nangataka 150 fanampiny ilay sekoly mba hozaraina.

Mihoatra lavitra noho izay nantenain’i Rebekka no vita. Nahavita niresaka tsara momba ny finoany izy, tsy tamin’ny kilasiny ihany, fa tamin’ilay sekoly manontolo mihitsy. Tsy nampiahiahy an’ilay mpampianatra intsony koa ny Vavolombelona.

[Sary, pejy 30]

Notapahin’ny Nazia ny lohan’i Heinrich Fundis. Nisy Vavolombelona an-jato hafa koa novonoina

[Sary, pejy 30]

Vavolombelon’i Jehovah maro be no nilazana fa hafahana izy ireo, raha nanao sonia ity taratasy ity, ho fandavana ny finoany

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of United States Holocaust Memorial Museum

[Sary, pejy 31]

Nalaina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy toa an’i Bethold Mewes

[Sary, pejy 31]

Mitantara ny herim-po nananan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia ity vidéo ity

[Sary, pejy 31]

Nasiana telozoro volomparasy tamin’ny fanamian’ireo Vavolombelon’i Jehovah voafonja, mba hanavahana azy