Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpamono Olona An-tsokosoko” ny Diabeta

“Mpamono Olona An-tsokosoko” ny Diabeta

“Mpamono Olona An-tsokosoko” ny Diabeta

TSY fantatra izay nanjo an’i Ken tamin’izy 21 taona fa nangetaheta be foana izy. Te hipipỳ matetika koa izy, ary efa ho isaky ny 20 minitra mihitsy tatỳ aoriana. Tsy ela dia nanomboka tsapan’i Ken ho navesabesatra ny rantsambatany. Vizana foana izy ary lasa tsy nahita tsara intsony ny masony.

Niova tanteraka ny fiainan’i Ken rehefa narary izy. Nanatona dokotera izy, ka tamin’izay no nahalalana fa sady voan’ny gripa izy no voan’ny diabeta. Rehefa voan’io aretina io ny olona, dia tsy hain’ny vatany intsony ny mampiasa zavatra sasany azo avy amin’ny sakafo. Voalohany amin’izany ny siramamy ao amin’ny ra na gliokaozy. Nijanona iray volana sy tapany tany amin’ny hopitaly i Ken vao niverina ho ara-dalàna ny fatran’ny siramamy tao amin’ny rany.

Efa 50 taona mahery lasa no nitrangan’izany, ary efa nivoatra be ny fitsaboana hatramin’izay. Mbola diabetika foana anefa i Ken, ary tsy izy irery. Olona 140 tapitrisa mahery, hono, no voan’io aretina io eran-tany, ary mety hitombo avo roa heny izany amin’ny taona 2025, araka filazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Tsy mahagaga àry raha mampanahy ny manam-pahaizana ny fielezan’ny diabeta. Hoy ny Dr. Robin Goland, anisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny foibe amerikanina iray mitsabo ny diabeta: “Rehefa jerenay ny isan’ny olona voan’ny diabeta, dia mieritreritra izahay hoe mety ho fiandohan’ny valan’aretina iray izany.”

Diniho ireto tatitra fohy avy amin’ny vazan-tany efatra ireto:

AOSTRALIA: “Anisan’ny aretina manahirana indrindra amin’izao taonjato faha-21 izao ny diabeta”, hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Diabeta any Aostralia.

INDIA: Olona 30 tapitrisa, fara fahakeliny, no voan’ny diabeta. Hoy ny dokotera iray: “Olona 40 taona mahery ny ankamaroan’ireo mararin’ny diabeta, 15 taona lasa izay. Ankehitriny anefa, dia latsaka ny 40 taona ny antsasak’ireo mararin’ny diabeta.”

SINGAPOUR: Efa ho ny ampahatelon’ny mponina eo anelanelan’ny 30 ka hatramin’ny 69 taona no voan’ny diabeta. Maro koa ny ankizy fantatra hoe voan’izy io, ary vao folo taona aza ny sasany amin’izy ireo.

ETAZONIA: Olona 16 tapitrisa eo ho eo no voan’ny diabeta, ary 800 000 ny marary vaovao isan-taona. An-tapitrisa ny olona voan’io aretina io nefa tsy mahafantatra akory.

Lasa sarotra ny fitsaboana ny diabeta, satria mety ho efa ela be ilay aretina no tao amin’ilay olona, izay vao fantatra. Hoy ny gazetiboky iray: “Matetika no tsy fantatry ny olona hoe voan’ny diabeta izy, satria tsy dia mafy ny fitrangan’ny soritr’aretina, amin’ny voalohany.” Izany no iantsoana ny diabeta hoe mpamono olona an-tsokosoko.

Aretim-be miely patrana ny diabeta, ka horesahin’ireo lahatsoratra manaraka ny hoe:

● Inona no mahatonga ny diabeta?

● Inona no tokony hataon’ireo voan’ny diabeta?

[Efajoro/Sary, pejy 4]

Ny Dikan’ilay Anarana

Avy amin’ny teny grika sy latinina ilay teny hoe “diabeta” ampiasain’ny dokotera. Tena milaza tsara an’ilay aretina izy ireo, satria ilay teny grika dia midika hoe, manaraka fantsona miainga ao amin’ny vava ny rano ao amin’ny vatan’ny olona voan’ny diabeta, ka mamantana any amin’ny taovam-pamaniana izany ary mivoaka avy hatrany. Ilay teny latinina kosa dia midika hoe “mamy toy ny tantely.” Be siramamy tokoa ny fivalanan-dranon’ilay marary. Talohan’ny nahitana teknika mandaitra kokoa hitsapana ny fisian’ny diabeta, dia izao no natao: Nararaka teo akaikin’ny lava-bitsika ny fivalanan-drano, ka raha voasintona hankeo ny vitsika, dia nidika izay fa nisy siramamy ilay izy.