Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Zaza Natsangana?

Nahoana Aho no Zaza Natsangana?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Nahoana Aho no Zaza Natsangana?

“Toy ny kilema mandra-pahafaty izy io. Aretim-po tsy azo sitranina ilay izy.”—Robert.

IZANY no ilazalazan’ny lehilahy iray ny fiainany, noho izy zaza natsangana raha vao teraka. Hoy ihany izy: “Saika isan’andro ianao no maniry mafy hahafantatra ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe, iza marina no tena fianakaviako? Aiza izy ireo no mipetraka? Nahoana izy ireo no nahafoy ahy?”

Nitaraina i Chantial fa tsy mba mahafantatra ny tena raibeny sy renibeny, satria zaza natsangana ny rainy. Hoy izy: “Voafitaka no fiheverako ny tenako, satria tsy mba afaka mifandray amin’ny dadatoako sy ny nenitoako ary ny zanak’izy ireo aho.” Tsy ny zaza natsangana rehetra no mihevitra toy izany. Manao izany anefa ny sasany. Nahoana?

Antony mahatezitra

Mety hikorontana ara-pihetseham-po ny ankizy iray, rehefa fantany fa nosarahina tamin’ny tena fianakaviany izy. Hoy i Catrina, zaza natsangana hatramin’izy mbola kely: “Tezi-dava aho, satria tsy fantatro hoe nahoana ny reniko niteraka ahy no namela ahy hatsangan’olon-kafa. Ratsy tarehy be sady tsy mahatehotia angamba aho, ka izany no nahafoizany ahy. Raha mba nitaiza ahy ihany mantsy izy, dia ho azoko natao ny nampifaly azy. Nampitombo ny hatezerako fotsiny ny fieritreretako an’ilay reniko niteraka ahy.”

Tena niharatsy koa ny fifandraisan’i Catrina sy ireo olona nanangana azy. “Nihevitra aho fa ry zareo ihany no nampisaraka ahy tamin’ny reniko niteraka ahy”, hoy izy. “Noho izany, dia nampariko tamin’izy ireo ny hatezerako.” Manampatra ny hatezerany tokoa ny olona sasany indraindray, rehefa fantany fa zaza natsangana izy.

Mety hampidi-doza ny hatezerana toy izany. Mety hanampatra ny hatezeranao amin’ny fomba ratsy toa an’i Catrina ianao indraindray, na hanao izany amin’olona tsy manan-tsiny. Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana.” (Salamo 37:8) Ahoana no hanaovana izany? Hoy koa ny Tenin’Andriamanitra: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” (Ohabolana 19:11) Mety hampitony ny fahatezeranao ny fandinihana ilay toe-javatra amim-pahendrena. Amin’ny fomba ahoana?

Ahitsio ny hevi-diso

Afaka manampy anao hamakafaka ireo antony mampahatezitra anao ny fahendrena. Ohatra: Raha zaza natsangana ve ianao dia mihevitra fa namela anao hatsangan’olon-kafa ny ray aman-dreninao satria nisy tsy nety taminao? Izany mantsy no fiheveran’i Catrina. Izany foana ve anefa no izy? Mety tsy ho fantatrao mihitsy ny antony nanosika ny ray aman-dreninao. Tsara anefa ny tsy hananana hevi-diso. Inona tokoa moa mazàna no antony mahatonga ny ray aman-dreny hamela ny zanany hatsangan’olon-kafa? Tsy afa-manoatra izy ireo matetika, araka ny fahitany azy.

Diniho, ohatra, ny tantaran’i Mosesy. Milaza ny Baiboly, ao amin’ny Eksodosy toko faha-2, fa nafenin’i Jokebeda nandritra ny telo volana i Mosesy, zanany lahy, rehefa nandidy ny hamonoana ny zazalahy isiraelita ny Faraon’i Ejipta. Tsy azo nafenina intsony ilay zaza tamin’ny farany, nefa tsy ho tantiny ny hahita ny zanany hovonoina. Koa “rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’i Neily ny fiara.”—Eksodosy 2:3.

Azo antoka fa tsy mora taminy ny namoy ny zanany toy izany. Inona anefa no azony natao ankoatra izany? Tia ny zanany izy, ka nanao izay fantany fa hahasoa azy. Tsara homarihina fa nijanona teny akaiky teny ny zanany vavy, mandra-pahitany olona naka ny anadahy keliny sy vonona hikarakara azy. Ny reniny angamba no naniraka azy hanao izany, noho ny fiahiany an’ilay zaza.

Mitovy matetika ny antony mahatonga ny reny hamela ny zanany hatsangan’olon-kafa, na dia tsy antony mihatra aman’aina toy izany foana aza. Hoy i Robert: “Zazasary aho, ka hanahirana ny fianakavian’ny reniko ny hitaiza ahy, satria efa nisy ankizy hafa tao an-trano. Nihevitra angamba ny reniko fa hahasoa ahy kokoa ny hatsangan’olon-kafa.”

Maro tokoa ny antony amelana ny ankizy hotezaina fianakaviana hafa. Nasehon’ireo ohatra ireo anefa, fa tsy voatery hoe nankahala ny zanany ilay reny, na nahita kilema taminy. Mino ilay reny matetika fa ho voakarakara kokoa ilay zaza raha tezaina fianakaviana hafa.

Sarobidy izany hoe tiana izany

Mbola hanampy anao bebe kokoa ny fahatakarana ny antony nahatonga anao hatsangan’olon-kafa. Diniho indray ny ohatr’i Mosesy. Rehefa nandeha ny fotoana dia ‘nalain’ny zanakavavin’i Farao izy, ka notezainy ho zanany.’ (Asan’ny Apostoly 7:21) Fantatr’ilay zanakavavin’i Farao fa zaza hebreo anisan’ny nasaina novonoina izy. Nahoana anefa izy no niaro ilay zaza? Hitany ilay ‘zazalahy nitomany’, hoy ny Baiboly ary dia “namindra fo taminy izy.” (Eksodosy 2:6) Eny, zaza natsangana i Mosesy satria tiana, fa tsy nankahalaina akory.

Maro ny zaza ariariana fotsiny ankehitriny. Zaza natsangana maro anefa no mahatsapa hoe tsy mba nanao toy izany ny ray aman-dreny niteraka azy, fa nanolotra azy tany amin’ny sampan-draharaha miantoka ny fikarakarana azy tsara. Ary natsangana izy ireo tatỳ aoriana, satria nisy olona tia azy ary vonona hikarakara azy. Izany koa ve no nitranga taminao? Mety hitony ny alahelonao, raha mifantoka amin’ny fitiavana naseho taminao ianao, sady mihevitra izany ho sarobidy.

Ambonin’izany, dia mety hisy olon-kafa koa ho tia anao, ankoatra ilay fianakaviana mitaiza anao. Raha anisan’ny fiangonana kristianina ianao, dia ho afaka handray soa noho ny fisian’ireo reny, ray, anabavy, ary rahalahy ara-panahy, izay samy tia anao. (Marka 10:29, 30) Ny anti-panahy kristianina dia mety ho “fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” (Isaia 32:2) Aza misalasala manatona ireo Kristianina matotra ary mamboraka ny fihetseham-ponao aminy. Lazao amin’izy ireo izay ao an-tsainao sy ao am-ponao.

Tsapan’i Robert fa tena ilaina ny hananana fifandraisana akaiky eo anivon’ny fiangonana kristianina. “Mbola misy fahabangana ihany ato amiko”, hoy izy. “Lasa tsy dia zava-dehibe loatra anefa izany, noho ny fitiavana asehon’ireo fianakaviako ara-panahy.”

Afaka ny hahomby ianao

Aoka àry ianao tsy hanana fiheveran-diso. Anisan’izany ny hoe tsy afaka ny hahomby ianao, satria zaza natsangana. Tena mety hahakivy ny fiheveran-diso toy izany! (Ohabolana 24:10) Tsy marim-pototra anefa izany, raha ny marina.

Tadidio, fa nanararaotra ny fahafahana rehetra nananany i Mosesy. Hoy ny Baiboly: “Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana, ary nahery tamin’ny teniny sy ny asany izy.” (Asan’ny Apostoly 7:22) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe: Nianatra zavatra ara-panahy izy, hany ka nanjary tena nisy taminy i Jehovah, ilay Rainy tany an-danitra. (Hebreo 11:27) Nahita fahombiazana ve izy teo amin’ny fiainany?

Izy no lasa mpitarika firenena matanjaka iray, angamba nisy olona telo tapitrisa na mahery aza. Lasa mpaminany izy, mpitsara, mpifehy, mpahay tantara, mpanalalana ny faneken’ny Lalàna, ary mpanoratra ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. Olona maro koa no mino fa izy no nanoratra ny bokin’i Joba sy ny Salamo faha-90. Tena nahita fahombiazana tokoa i Mosesy teo amin’ny fiainany. Mahita fahombiazana toy izany koa ny zaza natsangana maro, ary afaka ny ho toy izany koa ianao.

Afaka nitaiza tsara ny zanany mianadahy i Robert ary anti-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina izy ankehitriny. Hoy izy rehefa mitodika ny lasa amin’ny naha zaza natsangana azy: “Nianatra ny hankasitraka ny fitahiana azoko aho, fa hanadino kosa ireo zavatra tsy azoko ovana intsony.”

Mety hanakorontan-tsaina anao ny fiheveran-diso indraindray, raha misy mitaiza ianao amin’izao fotoana izao, na nisy fianakaviana nanangana anao. Nahoana raha mba mijery lafy tsaran-javatra indray? Manome toky ny Filipiana 4:8, 9 fa ‘ho aminao ny Andriamanitry ny fiadanana’, raha ‘mihevitra’ hatrany ny zavatra mampifaly Azy ianao. Inona anefa ny dingana hafa azonao arahina mba hahitanao fahombiazana, na dia miara-mipetraka amin’ny fianakaviana mitaiza anao aza ianao? Hamaly izany fanontaniana izany ny tohin’ity lahatsoratra ity, ao amin’ny nomerao manaraka.

[Sary, pejy 14]

Zaza natsangana ianao, satria nisy olona tia anao, ka nandray anao ho anisan’ny ankohonany ary vonona hikarakara anao