Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanova ny Fiainako ny Takaitra Nahazo Ahy

Nanova ny Fiainako ny Takaitra Nahazo Ahy

Nanova ny Fiainako ny Takaitra Nahazo Ahy

NOTANTARAIN’I STANLEY OMBEVA

Voadonan’ny fiara iray nirimorimo aho, tamin’ny 1982. Notsaboina aho, ka tsy ela dia afaka nanohy ny asako isan’andro, na dia nanaintaina aza indraindray. Nisy taolana nipitsoka mantsy tao amin’ny hazon-damosiko, teo anelanelan’ny hatoko sy ny tratrako. Niatrika ny fitsapam-pinoana mafy indrindra teo amin’ny fiainako anefa aho, 15 taona tatỳ aoriana.

TENA natanjaka aho talohan’io loza io, ary mbola azo lazaina hoe natanjaka ihany taorian’izay. Nanao fanatanjahan-tena tsy tapaka aho. Nihazakazaka 10 na 13 kilaometatra aho rehefa faran’ny herinandro, nanao squash (mitovitovy amin’ny tenisy), ary nanao asa ilana herim-batana. Nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy Efitrano Fivoriambe lehibe iray aho, teto Nairobi, Kenya, fonenanay.

Nanjary tsy nijanona mihitsy anefa ny fanaintainako, tamin’ny 1997, ary vao mainka aza nihamafy. Hita tamin’ny fitsirihana natao, fa nisy taolana nipitsoka tao amin’ny hazon-damosiko, ka nanery ny tsokan-damosiko. Fantatra fa ilay lozam-piarakodia noresahina tetsy aloha no nahatonga izany.

Nahita asa tao amin’ny tranombarotra iray aho, talohan’ny naharariako. Nahazoanay tombontsoa io asa io, satria niantohana ny saram-pitsaboanay mianakavy. Toa ho lasa mpandraharaha mahomby aho, raha ny fahitako azy tamin’izay. Teo anelanelan’ny 1998 anefa, dia nanjary donto be nanomboka teo amin’ny tratrako hatrany amin’ny tongotro. Niharatsy ny fahasalamako.

Tsy ela taorian’izay, dia very ny asako, ary very koa ny tombontsoa rehetra tokony ho azonay. Vao 10 sy 13 taona tamin’izay, i Wilhelmina sy Sylvia, zanakay vavy. Ny karama noraisin’i Joyce vadiko isam-bolana no nivelomanay, satria tsy niasa intsony aho. Nanova ny fomba fiainanay àry izahay, ka tsy nandany vola tamin’ny zavatra tsy nilaina. Nahavelona anay izay vola teo am-pelatananay.

Nifantoka tamin’ny lafy ratsin-javatra

Tsoriko fa nanjary nifantoka tamin’ny lafy ratsin-javatra sy tsy nahalala afa-tsy ny tenako ary mora sosotra aho, rehefa nanomboka fantatro fa tena mafy ny nanjo ahy. Indraindray aho tezitra sy kizitina ary mila vaniny na dia amin’ny zavatra kely aza. Mila ho kivy tanteraka aho matetika. Nitebiteby koa ny vady aman-janako. Mbola tsy niatrika zava-tsarotra toy izany mihitsy mantsy izy ireo hatramin’izay.

Nieritreritra aho tamin’izany hoe ara-dalàna ny fihetseham-poko. Vetivety aho dia natavy be. Tsy nahatana fivalanana sy pipỳ intsony koa aho. Tena menatra aho matetika. Mazàna aho no nitomany irery teo an-joron-trano. Tezitra loatra aho indraindray, ka somary nampihomehy ny nijery ahy. Tsapako fa tsy nety ny fomba niatrehako an’ilay zava-tsarotra.

Anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ka matetika no nanoro hevitra ny Kristianina hafa, mba tsy hanome tsiny an’i Jehovah na inona na inona mampijaly azy ireo. Nanjary nanontany tena imbetsaka anefa aho hoe: ‘Nahoana no avelan’i Jehovah hitranga amiko izao?’ Na dia nampiasa andinin-teny toy ny 1 Korintiana 10:13 aza aho mba hampaherezana ny olon-kafa, dia tsapako fa mihoatra noho izay zakako ny zavatra nanjo ahy!

Olana ara-pitsaboana

Sarotra ny nahita fitsaboana tsara. Tao anatin’ny iray andro, dia voatetiko daholo, na mpanotra, na mpanitsy hazon-damosina, na mpitsabo amin’ny alalan’ny tsindrona volamena. Vetivety anefa dia nanaintaina indray aho. Nanatona dokotera maro aho, ka anisan’izany ny mpandidy manitsy taolana sy ny mpandidy hoza-pitatitra. Samy nilaza izy ireo fa tsy maintsy didiana aho mba hampihenana ny fanaintainako sy hanesorana ilay taolana nipitsoka. Nohazavaiko tsara tamin’izy ireo fa tsy hampidiran-dra aho, na inona na inona hitranga, noho ny zavatra inoako avy ao amin’ny Baiboly.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Nilaza ilay mpandidy voalohany fa avy ao amin’ny lamosiko no hodidiany. Nohazavainy tamiko fa somary atahorana io fomba fandidiana io. Tsy nanome toky anefa izy fa tsy hampiasa ra. Tsy niverina tany aminy intsony àry aho.

Ilay mpandidy faharoa kosa nilaza fa avy ao amin’ny hatoko no hodidiany. Nampahatahotra ahy ny nieritreritra izany. Nanaiky tsy hampiditra ra amiko izy, nefa tiany hatao haingana ilay fandidiana, ary kely fotsiny ny fanazavana nomeny. Tsy niverina tany aminy intsony koa aho.

Nahita dokotera tsara fanahy anefa aho, noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eto aminay. Nitovy tamin’ilay fomba fandidiana saika hataon’ilay dokotera faharoa ihany no nokasainy hatao, izany hoe avy ao amin’ny hatoko no hodidiana. Nanazava izy fa tsy atahorana loatra ilay izy.

Nasehony tamin’ny antsipiriany ny fomba hanaovany an’io fandidiana io, ka nihoron-koditra aho. Ny tena nampahatahotra ahy, dia ny fahafantarana hoe manodidina ny taova marefo, toy ny fo sy ny havokavoka, no hanaovana an’ilay izy. Ho tafavoaka velona ve aho? Mazava ho azy fa vao mainka nampitombo ny tahotro ny nieritreritra izany rehetra izany.

Nodidiana nandritra ny adiny efatra tany amin’ny hopitaly iray eto Nairobi aho, tamin’ny 25 Novambra 1998, ary vita soa aman-tsara izany. Nanesorana nandritra ilay fandidiana koa ny maojako. Namboarina io taolana nesorina io, ka nasolo an’ilay taolana tao amin’ny hazon-damosina, ary vy kely sy visy no nitazonana azy. Azo lazaina hoe nety ilay izy. Tsy sitrana tanteraka anefa aho. Sahirana be aho rehefa nandeha. Mbola donto ihany indraindray manomboka eo amin’ny tratrako hatrany amin’ny tongotro.

Fomba fijery tsara

Araka ny voalazako terỳ aloha, dia nitebiteby sy namisavisa ny fahoriako nandritra ny fotoana lava be aho. Mahagaga anefa fa nidera ahy ny maro tamin’ireo dokotera, satria nolazain’izy ireo fa tony sy be fanantenana aho. Nahoana izy ireo no nilaza izany? Satria niresaka momba ny finoako an’Andriamanitra foana aho, na dia nanaintaina mafy aza.

Mbola nitoky tamin’i Jehovah aho, na dia nahatezitra sy nahasorena ahy aza indraindray ny nanjo ahy. Nanampy ahy be dia be foana izy tamin’ny zava-tsarotra rehetra nandalovako, hany ka menatra ny tenako aho indraindray. Niezahako novakina sy nosaintsainina izay andinin-teny fantatro fa hampionona ahy. Ireto ny sasany amin’izany:

Apokalypsy 21:4: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” Tena nampionona ahy ny fisaintsainana ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny tontolo vaovao tsy hisian’ny ranomaso sy fanaintainana intsony.

Hebreo 6:10: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” Nanjary voafetra ny zavatra vitako, nefa fantatro fa tadidin’i Jehovah ny ezaka ataoko mba hanompoana azy.

Jakoba 1:13: “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.” Tena marina izany! Na dia navelan’i Jehovah hijaly aza aho, dia tsy izy mihitsy no nahatonga ny fijaliako.

Filipiana 4:6, 7: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” Nanampy ahy hanana fiadanan-tsaina ny vavaka, ka nanjary haiko kokoa ny niatrika ny zava-tsarotra nanjo ahy.

Nampiasaiko hampaherezana ny ory ireo andinin-teny ireo, ary tena nanampy azy ireny izany! Nanjary nahatsapa anefa aho, fa hay tsy takatro tsara ny hasarobidin’ireo andinin-teny ireo tamin’ireny fotoana ireny. Rehefa narary aho vao nianatra nanetry tena sy nitoky tanteraka tamin’i Jehovah.

Fampiononana hafa

Maro no milaza fa manampy mandritra ny fotoan-tsarotra ny rahalahy kristianina. Tena mora anefa ny mandray an’ireo rahalahy sy anabavintsika kristianina ho toy ny efa mahazatra fotsiny! Na dia mety ho kely ihany aza ny zavatra azony atao ho antsika, dia vonona hanampy antsika foana izy ireo. Marina izany raha ny amiko. Tonga tany amin’ny hopitaly foana ny rahalahy sy anabavy, ary vao maraina be indraindray. Nilaza mihitsy aza izy ireo fa handoa ny sasany tamin’ny saram-pitsaboana. Tena ankasitrahako ireo rehetra nalahelo ahy, ka tonga nanampy.

Fantatry ny Vavolombelona eo anivon’ny fiangonanay, fa lasa voafetra ny zavatra vitako. Mpiandraikitra mpitantan-draharaha aho izao, ary miara-miasa amin’ny anti-panahy kristianina tena tsara fanahy. Mbola tsy tapatapaka tamin’ny asa fitoriana mihitsy aho. Tamin’ny fotoana tena nampaharary ahy, dia nahavita nanampy olona roa hanolo-tena ho an’i Jehovah aho. Mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Nairobi izao ny iray amin’izy ireo.

Tsy hitako izay teny hisaorako ny vadiko, izay nanampy ahy nandritra iny fahoriana mafy iny. Niaritra ny hatezerako izy. Niaritra koa izy rehefa kitokitonina aho, na tsy nahay nifehy tena, na sorisorena. Nampahery sy nampionona ahy izy, isaky ny nitomany na nanaintaina aho. Mbola mampiaiky ahy hatramin’izao ny tanjany sy ny fahaizany niatrika zava-tsarotra. “Tena sakaiza . . . amin’ny andro rehetra” izy.​—Ohabolana 17:17.

Nianatra niatrika ny zava-tsarotra nanjo ahy koa ny zanakay. Manao izay vitany izy ireo mba hanampiana ahy. Fantany izay ilaiko ary manao zavatra haingana izy ireo, rehefa ilaina. Manampy ahy izany rehefa tsy eo ny reniny. Isaky ny malemilemy aho, dia i Sylvia no itehenako, rehefa te handehandeha eran’ny trano aho.

Inona kosa no nataon’i Mina, zandriny? Tadidiko fa nianjera tao an-trano aho indray mandeha, ka tsy tafatsangana. Izy irery anefa no tao an-trano. Nanao araka izay fara heriny izy mba hampitsanganana ahy, ary nitantana ahy moramora ho any amin’ny efitranoko. Mbola tsy azony hatramin’izao hoe ahoana no nahavitany izany. Tsy hadinoko mihitsy ny herim-po nasehony.

Io takaitrako io no ady mafy indrindra nataoko teo amin’ny fiainako. Mbola miady amin’izy io foana aho hatramin’izao. Mbola tsy nisy zavatra nisedra ny finoako toy izany hatramin’izay. Nianatra zavatra be dia be momba ny fanetren-tena sy ny fifehezan-tena ary ny fiaraha-miory amin’ny olon-kafa aho. Nanampy ahy hahay hiaritra an’iny zava-tsarotra iny ny fitokisana sy fianteherana tanteraka tamin’i Jehovah.

Hitako fa marina ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay.” (2 Korintiana 4:7) Tena mampionona ahy ny fampanantenan’Andriamanitra “lanitra vaovao sy tany vaovao.” (2 Petera 3:13) Mivavaka aho mba hotohanan’i Jehovah mandra-pahatongan’izany. Mbola malemy mantsy aho sady tsy mahavita zavatra firy amin’ny heriko samirery.

[Sary, pejy 28]

Manampy ahy hiaritra, ny fanaovana asa kristianina miaraka amin’ny fianakaviako