Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarotra ny Fitsaboana

Sarotra ny Fitsaboana

Sarotra ny Fitsaboana

“Aretim-be daholo rehefa diabeta.”​—Anne Daly, Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Diabeta.

“TONGA ny valin’ny fitsirihana ny ranao, ka hita fa misy zavatra tena tsy ara-dalàna. Mila tsaboina haingana ianao.” Toy ny nilatsaham-baratra i Deborah rehefa nandre ireo tenin’ny dokotera ireo. Hoy izy: “Nieritreritra foana aho ny alin’iny hoe, diso mihitsy ry zareo tany amin’ny laboratoara. ‘Tsy marary izany aho’, hoy aho anakampo.”

Toy ny ankamaroan’ny olona dia nieritreritra ho salama antonony i Deborah, ka tsy niraharaha ireo soritr’aretina nanorisory azy foana. Nihevitra izy fa ny fanafody nohaniny no nampangetaheta azy foana, ary ny fisotroany rano be loatra no nahatonga azy hipipỳ matetika. Ary raha momba ny havizanana indray, dia nieritreritra izy hoe: ‘Iza no reny miasa ka tsy ho vizana be?’

Hita tamin’ny fitsirihana ny rany anefa fa ny diabeta no nahatonga izany rehetra izany. Sarotra tamin’i Deborah ny nanaiky ny valin’ilay fitsirihana. Hoy izy: “Tsy nolazalazaiko tamin’ny olona ny aretiko. Nipitrapitra tao amin’ny maizina aho ary nitomany rehefa natory ny fianakaviako.” Maro ny zavatra tsapan’ny olona rehefa fantany fa voan’ny diabeta izy. Tahaka an’i Deborah, dia misy ketraka na tezitra mihitsy aza. Hoy i Karen: “Nisy fotoana nitomaniako ary tsy nanekeko mihitsy hoe voan’ny diabeta aho.”

Fihetsika ara-dalàna ireo, rehefa miatrika fahavoazana izay heveriny ho tsy rariny ny olona. Afaka mizatra amin’ilay toe-javatra manjo azy anefa ireo voan’ny diabeta, rehefa ampaherezina. Hoy i Karen: “Nampaherezin’ilay mpitsabo mpanampy aho mba hanaiky ny zava-misy. Nanome toky ahy izy fa ara-dalàna raha mitomany aho mba hanala ny foko. Nanamaivamaivana ahy izany.”

Nahoana no lazaina hoe aretim-be

“Aretin’ny mpanome hery eo amin’ny fiainana” no niantsoana ny diabeta, ary marina izany. Rehefa tsy mahalevona gliokaozy ny vatana, dia betsaka ny zavatra tsy miasa intsony. Mety haningotra ny aina ny vokany indraindray. Hoy ny Dr. Harvey Katzeff: “Tsy ny diabeta no mahafaty, fa ny aretina hafa aterany. Mahay misoroka ireny aretina ireny isika matetika, fa tsy mahay mitsabo [azy] rehefa miseho ilay izy.” *

Mbola misy fanantenana ve ho an’ireo voan’ny diabeta? Eny, raha ekeny fa aretim-be no mahazo azy, ka manaraka fitsaboana izy. *

Fitandreman-tsakafo sy fanatanjahan-tena

Tsy azo sorohina ny diabeta Sokajy 1 satria manaranaka. Mandinika ireo lafin-javatra momba ny fototarazo mety hahatonga io aretina io anefa ny mpahay siansa. Miezaka koa izy ireo hahita fomba hisakanana ny hery fiarovana tsy hanimba ireo sela ao amin’ny vatana. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Asan’ny Gliokaozy” eo amin’ny pejy faha-8.) Hoy ilay boky Diabeta​Tandremo ny Fonao sy ny Fahasalamanao (anglisy) hoe: “Tsara lavitra ny toe-javatra misy an’ireo voan’ny diabeta Sokajy 2. Ny ankamaroan’ireo mety ho voan’izy io noho izy taranaka diabetika, dia mety tsy hahitana soritr’ilay aretina mihitsy, raha mitandrina tsara amin’ny sakafo sy manao fanatanjahan-tena tsy tapaka. Ho salama tsara foana izy amin’izay, ary ho antonony foana ny lanjany.” *

Mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fanatanjahan-tena, dia nanao tatitra momba ny fandinihana akaiky natao tamin’ny vehivavy ny Gazetibokin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana (anglisy). Hita tamin’ilay fandinihana fa “raha vao mampiasa vatana vetivety fotsiny ny olona iray, dia efa mandray gliokaozy mandritra ny 24 ora mahery ny [selan’ny vatana], vokatry ny fiasan’ny insuline. Izao àry ny fanatsoahan-kevitra: “Tsy hatahorana firy ho voan’ny diabeta Sokajy 2 ny vehivavy manao dia an-tongotra sy miasa vatana.” Tsara, hoy ny mpikaroka, ny manao asa ara-batana antonony mandritra ny 30 minitra, fara fahakeliny, saika isan’andro, na isan’andro mihitsy aza. Anisan’izany angamba ny zavatra tsotra toy ny fanaovana dia an-tongotra, “izay inoana fa fanatanjahan-tena tsara indrindra sy tsy mampidi-doza ary tsy andaniam-bola”, hoy ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Diabeta.

Tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny mpitsabo anefa ny fanatanjahan-tena ataon’ny olona voan’ny diabeta. Mety hanimba ny lalan-dra sy ny rafi-pitatitra mantsy ny diabeta, ka tsy hikoriana tsara intsony ny ra ary hihadonto ny fahatsapan-javatra. Vokatr’izany, dia mety hanonitra ny ratra kely tsy ho voatandrina eo amin’ny tongotra, ka ho lasa fery be. Ratsy be ilay izy satria mety hiafara amin’ny fanapahana ilay rantsambatana raha tsy voatsabo avy hatrany. *

Manampy mba tsy hampihombo ny diabeta anefa ny fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka. Lazain’ilay Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Diabeta fa “arakaraka ny andinihan’ny mpikaroka ny soa entin’ny fanatanjahan-tena tsy tapaka, no ahitan’izy ireo porofo fa mahasoa izy io.”

Fitsaboana amin’ny insuline

Manaraka fitandreman-tsakafo sy manao fanatanjahan-tena ny ankamaroan’ireo voan’ny diabeta. Ankoatra izany anefa dia tsy maintsy manao fitsirihana isan’andro ny fatran’ny gliokaozy izy, ary mitsindrona insuline imbetsaka isan’andro. Manatsara ny fahasalamana ny fitandreman-tsakafo sy ny fahazarana manao fanatanjahan-tena. Vokatr’izany, dia nisy tamin’ireo voan’ny diabeta Sokajy 2 no afaka nampiato ny tsindrona insuline, nandritra ny fotoana sasantsasany, fara faharatsiny. * I Karen izay voan’ny diabeta Sokajy 1, dia nahatsapa fa mandaitra kokoa ny tsindrona insuline rehefa manao fanatanjahan-tena. Azony nahena ho 20 isan-jato àry ny fatran’ny insuline takin’ny vatany isan’andro.

Tsy tokony ho kivy anefa ireo voan’ny diabeta raha tsy maintsy mitsindrona insuline. Hoy i Mary Ann, mpitsabo mpanampy, mikarakara olona maromaro voan’ny diabeta: “Tsy fahadisoanao raha tsy maintsy mitsindrona insuline ianao. Na inona na inona ilay karazana diabeta mahazo anao, dia ho vitsy ny aretina hafa ho azonao any aoriana, raha voara-maso tsara ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ranao.” Hita tamin’ny fandinihana natao vao haingana mantsy, fa “nihena be ny areti-maso sy ny aretin’ny voa ary ny aretin’ny rafi-pitatitra ateraky ny diabeta”, teo amin’ny olona voan’ny diabeta Sokajy 1, izay nanara-maso tsara ny fatran’ny siramamy tao amin’ny rany. Nihena 76 isan-jato be izao, ohatra, ny areti-maso (aretin’ny temimaso) atahorana hahavoa ireo marary! Mandray soa toy izany koa ireo voan’ny diabeta Sokajy 2, izay manara-maso tsara ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rany.

Mba hahamora sy tsy hampiferinaina ny fitsindronana insuline, dia fanjaitra manify kely no ampiasaina, ka zara raha heno ny fidirany. Hoy i Mary Ann: “Ny tsindrona voalohany mazàna no maharary indrindra, fa avy eo dia zara raha re ilay izy, hoy ny ankamaroan’ny marary.” Ireto koa misy fomba hafa fampidirana insuline: Fitaovam-panindronana mandeha ho azy ary tsy maharary ny ampidirany fanjaitra ao amin’ny hoditra; fitaovam-panindronana mampiditra insuline haingana ao amin’ny hoditra; fitaovana mampiditra tsikelikely ny insuline amin’ny alalan’ny fantsona kely araikitra amin’ny vatana, roa na telo andro. Nanjary be mpitia koa tato ho ato ny paompy kely fampidirana insuline. Azo ampandehanina mifanaraka amin’izay ilana azy io fitaovana io. Misy fantsona kely mandefa insuline araka izay ilain’ny vatana isan’andro ilay izy. Amin’izay dia sady marina tsara ny fatran’ny insuline no mora ny fampidirana azy.

Mianara foana

Na eo aza izany rehetra izany, dia tsy misy fitsaboana mety amin’ny karazana diabeta rehetra. Rehefa mifidy fitsaboana ny olona iray, dia misy lafin-javatra maromaro tsy maintsy heveriny, alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra. Hoy i Mary Ann: “Anjaranao ny mamaritra ny fitsaboana tianao harahina, na dia eo aza ireo mpitsabo mikarakara anao.” Hoy ilay gazetiboky hoe Fitsaboana ny Diabeta (anglisy): “Raha tsy ampianarina tsara foana ny fomba fitandremam-pahasalamana ilay marary, dia azo lazaina fa tsy hanara-penitra sady tsy hanara-pitsipika ny fitsaboana ny diabeta.”

Arakaraka ny ampianarana an’ilay marary momba ny aretiny, no ahaizany kokoa mitandrina ny fahasalamany, ary hananany fanantenana ny ho ela velona sy salama kokoa. Mitaky faharetana anefa ny fampianarana mandaitra. Hoy ilay boky hoe Ny Diabeta​Tandremo ny Fonao sy ny Fahasalamanao: “Raha manandrana mianatra ny zavatra rehetra indray miaraka ianao, dia azo inoana fa hikorontana ny sainao ka tsy ho hainao ny hampiasa tsara ilay fanazavana azonao. Tsy ao anaty boky na bokikely koa anefa no hahitanao ny ankamaroan’ny zavatra mahasoa tokony hianaranao. Izy io dia mifandray amin’ny hoe . . . inona amin’ny zavatra novanao no mampiova ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ranao. Ny fandehan’ny fotoana sy ny fanandramana hataonao no mety hampianatra anao izany.”

Ohatra, rehefa mandinika tsara ianao, dia ho fantatrao raha mahazaka fahasorenana ny vatanao na tsia, satria mety hampitombo tampoka ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ranao izany. Hoy i Ken: “Efa 50 taona aho izao no diabetika, ka fantatro tsara raha vao misy tsy metimety amin’ny vatako!” Tena nahasoa an’i Ken ny “nihainoany” ny vatany, satria mbola afaka miasa manontolo andro izy hatramin’izao, na dia efa 70 taona mahery aza!

Ilaina ny fiaraha-miasan’ny fianakaviana

Tsy azo hamaivanina ny fiaraha-miasan’ny fianakaviana eo amin’ny fitsaboana ny diabeta. Misy boky iray mihitsy aza milaza fa “ny hatsaran’ny fiainam-pianakaviana angamba no zava-dehibe indrindra” eo amin’ny fitsaboana ny ankizy sy tanora voan’ny diabeta.

Tsara ny hianaran’ny mpianakavy momba ny diabeta, sy hifandimbiasany mihitsy hiaraka amin’ilay marary hankany amin’ny dokotera. Ny fahalalana no hanampy azy ireo hiara-miasa amin’ilay marary, sy hamantatra ny soritr’aretina lehibe ary hahafantatra izay tokony hatao. Hoy i Ted izay nanana vady voan’ny diabeta Sokajy 1 efa hatramin’izy io efa-taona: “Fantatro rehefa hoe latsaka ambany loatra ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ran’i Barbara. Mangina tampoka izy mandritra ny resadresaka ifanaovana, ary tsemboka be sady tezitra tsy amin’ny antony. Tsy taitra anefa izy rehefa misy zavatra tokony hahataitra.”

Tahaka izany koa i Catherine, vadin’i Ken. Anontaniany zavatra kely i Ken rehefa hitany hoe hatsatra sy tsembotsemboka ary lasa kizitina. Raha tsy mazava ny valin-tenin’i Ken, dia fantatr’i Catherine fa izy no tokony hanapa-kevitra sy hanao zavatra haingana. Samy faly i Ken sy Barbara satria manana vady mahalala tsara ny aretiny, ka tiany sy atokisany tanteraka. *

Tokony hiezaka mafy ny mpianakavy be fitiavana mba hahay hanampy sy ho tsara fanahy ary hanana faharetana. Mety hanampy an’ilay marary hiatrika ny olana mahazo azy izany, ary mety hanamaivana ny aretiny mihitsy aza. Nanome toky an’i Karen ny vadiny hoe tia azy, ary tena nampahery an’i Karen izany. Nitantara izy hoe izao no nolazain’i Nigel vadiny: “Mila misakafo sy misotro rano ny olona mba ho velona; ianao koa mila sakafo sy rano, ary insuline kely.” Hoy i Karen: “Ireo teny mamy sady marina ireo no tena nilaiko.”

Tokony ho takatr’ireo havana aman-tsakaiza koa fa misy fiantraikany eo amin’ny fihetsik’ilay olona ny diabeta, rehefa miovaova be ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rany. Hoy ny vehivavy iray: “Rehefa mahatsiaro ho ketraka aho noho ny aretiko, dia tsy miteny tsy mivolana, kizitina, mora tezitra ary kivy. Malahelo be aho amin’izay, satria tsy mahafehy ny fihetseham-poko. Manampy ahy anefa ny fahafantarako hoe takatry ny olona ny antony mahatonga ahy ho toy izany. Miezaka mifehy ireny fihetseham-po ireny aho.”

Azo atao tsara ny miatrika ny diabeta, indrindra raha manampy an’ilay marary ny havana aman-tsakaizany. Manampy koa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Amin’ny fomba ahoana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Anisan’ny aretina ateraky ny diabeta ny aretim-po, fahatapahan’ny lalan-dra, aretin’ny voa sy ny lalan-dra amin’ny rantsambatana ary ny fitatitra. Mety hahatonga fery ny tsy fahampian’ny ra mikoriana any amin’ny tongotra ka voatery tapahina ilay rantsambatana raha manonitra be ilay fery. Ny diabeta koa matetika no mahatonga fahajambana eo amin’ny olon-dehibe.

^ feh. 9 Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana iray manokana ny Mifohaza! Tokony hanatona dokotera mahay momba ny diabeta ny olona miahiahy hoe voan’io aretina io.

^ feh. 11 Toa mampidi-doza kokoa ny tavy be loatra eo amin’ny kibo, tsy toy ny tavy eo amin’ny maoja.

^ feh. 13 Atahorana kokoa ny amin’ireo mpifoka sigara satria manimba ny fo sy ny fikorianan-dra ny sigara, sady mampifintina ny lalan-dra. Milaza ny boky iray fa ny 95 isan-jaton’ny fanapahana rantsambatana noho ny diabeta, dia natao tamin’ny mpifoka sigara.

^ feh. 16 Nihinam-panafody ny sasany tamin’ireo olona ireo. Anisan’izany ny fanafody mahatonga ny sarakaty hamokatra insuline betsaka kokoa, sy ireo mampiadana ny fitomboan’ny siramamy ao amin’ny ra. Ao koa ny fanafody ho an’ireo tsy andairan’ny insuline firy. (Mazàna no tsy asaina mihinam-panafody ireo voan’ny diabeta Sokajy 1.) Amin’izao fotoana izao, dia tsy azo hanina ny insuline satria levona ao amin’ny vavony io proteinina io, alohan’ny hahatongavany ao amin’ny ra. Ilaina foana anefa ny fanatanjahan-tena sy ny fitandreman-tsakafo, na eo aza ny tsindrona insuline, sy ny fanafody hanina.

^ feh. 26 Tokony hitondra ny karatra hamantarana azy foana ny diabetika, araka ny torohevitr’ireo tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana. Mety hamonjy ny ain’ilay marary izany raha sendra mihetsika ny aretiny. Raha latsaka ambany be mantsy, ohatra, ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rany ka marary tampoka izy, dia mety hoheverin’ny olona ho aretina hafa ilay izy, na hoe vokatry ny toaka nosotroiny mihitsy aza.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Aretin’ny Tanora koa Ve?

“Lasa aretin’ny tanora” koa ny diabeta, hoy ny Profesora Arthur Rubenstein, manam-pahaizana momba ny hormonina ary mpiandraikitra ny Fianarana ho Dokotera Mount Sinai, any New York. Mihena be ny antsalan-taonan’ireo olona lasa diabetika. Hoy ny Profesora Robin Goland, manam-pahaizana momba ny diabeta, rehefa niresaka momba ny diabeta Sokajy 2: “Nampianarinay ny mpianatra ho dokotera, 10 taona lasa izay, hoe tsy hita eo amin’ny olona latsaka ny 40 taona io aretina io. Izao anefa dia hita eo amin’ny ankizy latsaka ny 10 taona aza izy io.”

Nahoana no mihabetsaka ny tanora voan’ny diabeta? Anisan’ny mahatonga izany indraindray ny tarazo nolovana, nefa mety ho eo koa ny lanjan’ilay olona sy ny tontolo iainany. Nitombo avo roa heny ny isan’ny ankizy matavy loatra, tato anatin’ny 20 taona. Nahoana? Hoy ny Profesora William Dietz ao amin’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina: “Niova be ny fahazarana misakafo sy ny asa fanao, tato anatin’ny 20 taona. Mihabetsaka ny olona zatra misakafo any ivelan’ny tokantrano, matetika tsy misakafo maraina, tia zava-pisotro misy gaza toy ny sodà na coca-cola sy mihinana haninkanina. Mihena koa ny [fanatanjahan-tena] atao any am-pianarana ary tsy misy fotoana fakan-drivotra intsony.”

Tsy mety ho sitrana tanteraka ny diabeta. Fahendrena àry ny hanarahana ity torohevitra nomen’ny zatovo iray voan’ny diabeta ity. Hoy izy: “Aza mihinana tsakitsaky, dia ho salama foana ianao.”

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Ny Asan’ny Gliokaozy

Loharanon-kerin’ireo sela 3 000 tapitrisa ao amin’ny vatana ny gliokaozy. Tsy tafiditra ao amin’ny sela anefa izy raha tsy eo ilay “fanalahidy”, dia ny insuline, izay zavatra simika vokarin’ny sarakaty. Tsy misy insuline azo ampiasaina ao amin’ireo olona voan’ny diabeta Sokajy 1. Ho an’ireo voan’ilay Sokajy 2 kosa, dia mamokatra insuline ihany ny vatany saingy matetika no tsy ampy. * Ankoatra izany, dia tsy mandaitra ny insuline, satria tsy avelan’ny sela hiditra. Mitovy ihany ny vokatr’ireo karazana diabeta roa ireo, dia izao: tsy ampy gliokaozy ny sela, ary be loatra ny gliokaozy ao amin’ny ra.

Amin’ny diabeta Sokajy 1, dia ny hery fiarovan’ilay olona no manimba ny sela mpamokatra insuline ao amin’ny sarakaty. Mety hahatonga izany ny virosy sy ny zavatra simika misy poizina ary ny fanafody sasany. Mety handray anjara amin’izany koa ny fototarazo, satria misy olona maromaro mpihavana voan’io karazana diabeta io. Ny mponina any Caucase no tena betsaka voany.

Mbola mahery kokoa ny fototarazo eo amin’ny diabeta Sokajy 2, saingy ny olona tsy avy any Caucase no betsaka voany. Ireo Tompon-tany aostralianina sy Indianina any Amerika no anisan’ny voan’izy io indrindra, ary ireto farany no manana ny isa ambony indrindra eran-tany, amin’io diabeta Sokajy 2 io. Dinihin’ireo mpikaroka ny ifandraisan’ny fototarazo sy ny hatavezana be, sy ny mahatonga ny tavy hanampy trotraka ny tsy fandairan’ny insuline, amin’ny olona efa tsy andairan’izy io noho ny fototarazony. * Tsy tahaka ny diabeta Sokajy 1 ny Sokajy 2, satria ny olona maherin’ny 40 taona no tena voany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 44 Diabeta Sokajy 2 no mahazo ny 90 isan-jaton’ireo diabetika. Nolazaina izy io taloha hoe diabeta “tsy mila insuline”, na diabetan’ny “olon-dehibe.” Tsy tena marina anefa izany, satria mila insuline ny 40 isan-jaton’ireo voan’io diabeta Sokajy 2 io. Maro be koa ny tanora voan’izy io, ary latsaka ny 13 taona aza ny sasany aminy.

^ feh. 46 Amin’ny ankapobeny, dia heverina hoe matavy loatra ny olona milanja mihoatra ny 20 isan-jaton’ny tokony ho lanjany, na maherin’izany.

[Sary]

Gliokaozy

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy: Pacific Northwest National Laboratory

[Efajoro, pejy 9]

Ny Asan’ny Sarakaty

Mitovitovy habe amin’ny akondro ny sarakaty, ary ao ambadiky ny vavony no misy azy. Hoy ny boky Tari-dalana Tsy Ofisialy ho An’ireo Voan’ny Diabeta (anglisy): “Ny sarakaty salama dia manao asa fampifandanjana mitohy sy tsy misy tomika. Mamokatra insuline ampy tsara izy io, mba hahatonga ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ra ho ara-dalàna, satria miovaova izany mandritra ny andro.” Ireo sela betà ao amin’ny sarakaty no mamokatra insuline.

Betsaka loatra ny gliokaozy mihandrona ao amin’ny ra rehefa tsy ampy ny insuline vokarin’ireo sela ireo, ka mahatonga ilay antsoina hoe hyperglycémie. Rehefa kely loatra kosa ny gliokaozy ao amin’ny ra, dia mahatonga ilay antsoina hoe hypoglycémie. Manampy ny sarakaty ny aty, mba hahatonga ny fatran’ny gliokaozy ho ara-dalàna, ka tehiriziny izay gliokaozy tafahoatra. Ovan’ny aty ho gliokaozy hampiasain’ny vatana indray io tahiry io, rehefa mibaiko azy hanao izany ny sarakaty.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Ny Asan’ny Siramamy

Maro no manana ilay fiheveran-diso hoe mahavoan’ny diabeta ny fihinanana siramamy be dia be. Asehon’ny porofo ara-pitsaboana, fa tsy ny siramamy laniny, fa ny hatavezana no mahatonga an’ireo taranaka diabetika hatahorana kokoa ho voan’ny diabeta. Na izany aza, dia tsy mahasalama ny fihinanana siramamy be loatra, satria kely ny zavatra mahavelona ao anatiny ary mampahatavy be izy io.

Fiheveran-diso koa ny hoe te hihinana siramamy be ny olona voan’ny diabeta. Raha ny marina, dia mitovy amin’ny an’ny ankamaroan’ny olona ihany ny faniriany hihinana zava-mamy. Mety hahatonga hanoanana be ny diabeta, kanefa tsy voatery ho siramamy no tian’ilay olona hohanina. Afaka mihinana zava-mamy ny olona voan’ny diabeta, nefa tsy maintsy ampifanarahiny amin’ny fitandreman-tsakafo arahiny ny habetsahana siramamy azony hanina.

Nasehon’ny fandinihana natao vao haingana, fa mety hahatonga ny insuline tsy handaitra ny fihinanana sakafo be siramamy avy amin’ny voankazo sy legioma. Mety hahavoan’ny diabeta ny biby koa izany, na mahia izy ireny na matavy.

[Kisary/Sary, pejy 8, 9]

Fanazavana Tsotsotra

SARAKATY

↓ ↓ ↓

Olona Salama Diabeta Sokajy 1 Diabeta Sokajy 2

Miasa ny sarakaty Simban’ny hery Matetika dia tsy

aorian’ny sakafo, ka fiarovana ireo sela ampy ny

mamokatra insuline mpamokatra insuline ao fatran’ny

ampy, satria mitombo amin’ny sarakaty. Tsy insuline

ny gliokaozy ao mamokatra insuline intsony vokarin’ny

amin’ny ra àry ny sarakaty sarakaty

↓ ↓ ↓

Lasa miraikitra Tsy tafiditra ao Tsy misokatra

amin’ireo antsoina amin’ny sela anefa ireo hirika

hoe mpandray eo ny gliokaozy, mifoka ny

amin’ny selan’ny raha tsy eo gliokaozy ao

hozatra sy ny sela ny insuline amin’ny ra,

hafa ny insuline, raha tsy

ka manokatra hirika andairan’ny

hidiran’ny gliokaozy insuline firy

ao amin’ny selan’ny ireo mpandray

hozatra

↓ ↓ ↓

Fohin’ny hozatra Mihandrona ao amin’ny

ary levoniny ilay lalandra ny gliokaozy,

gliokaozy. Miverina ka manelingelina

amin’ny laoniny àry zavatra maro tokony

ny fatran’ny gliokaozy hiasa, ary manimba

ao amin’ny ra ny lalandra

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

Mpandray

Hirika

Insuline

Atin’ny Ataoma

Gliokaozy

Sela

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

LALAN-DRA

Liomena

Gliokaozy

[Sary nahazoan-dalana]

Olona: The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck

[Sary, pejy 7]

Tena ilain’ny olona voan’ny diabeta ny fitandreman-tsakafo

[Sary, pejy 10]

Afaka manao ny asa fanao andavanandro ny olona voan’ny diabeta