Torohevitra Tsara ho An’ny Tanora
Torohevitra Tsara ho An’ny Tanora
Nanatona an’i Bill, izay Vavolombelon’i Jehovah, ny lehilahy iray ary nangataka hijery ny Mifohaza! rehetra tany aminy. Nanolotra gazety teo akaikin’ny trano fitsarana iray tany Kalifornia, any Etazonia, i Bill tamin’izay. Nitantara izy hoe: “Nomen’ny mpitory sasany gazety efa tranainy aho taloha kelin’io, ka afaka nampiseho karazany maromaro tamin’ilay lehilahy.”
“Navahan’ilay lehilahy haingana izay mbola tsy novakiny ary nampiarahiny. Nanontany izy avy eo raha azony nalaina ilay antontana gazety. Mpiasan’ny fitsarana, hono, izy ka ny andraikiny dia ny manome torohevitra ireo tanora manan-java-manahirana. Nohazavainy fa te hahazo Mifohaza! izy mba hanaovana fotokopia ny lahatsoratra amin’ny ‘Manontany ny Tanora.’ Alaminy araka ny foto-kevitra izy ireny avy eo, mba ho mora raisina rehefa homena ireo tanora mila torohevitra. Hoy ilay lehilahy: ‘Zava-manahirana iombonan’ny tanora amin’izao fotoana izao no resahina ao.’ Noderainy ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny famoahan’izy ireo torohevitra tsara hanampiana ny tanora. Nolazainy koa fa maniry hahita ahy izy amin’ny herinandro ho avy, mba hahazoana Mifohaza! vaovao.”
Efa ao amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra ny ankamaroan’ireo fanazavana ao amin’ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora.” Raha te hanafatra io boky misy pejy 320 io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.