Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Mitovy ve ny Kristianina Rehefa Miray Saina?

Tsy Maintsy Mitovy ve ny Kristianina Rehefa Miray Saina?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tsy Maintsy Mitovy ve ny Kristianina Rehefa Miray Saina?

TOA misy fisaratsarahana eo amin’ny ankamaroan’ny fivavahana ankehitriny. Mety samy hanana ny heviny momba ny foto-pampianarana sy ny fitondran-tena ny olona, na dia iray fiangonana aza. Hoy ny mpanoratra iray momba izany: “Tena sarotra na dia ny mahita olona roa mino Andriamanitra iray aza. Toa samy manana ny zavatra inoany ny tsirairay amin’izao andro izao.”

Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa, ny apostoly Paoly dia nampirisika ny Kristianina tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany, mba ‘ho tafakambana tsara, ka hiray saina sy hevitra.’ (1 Korintiana 1:10) Misy olona manakiana ny torohevitr’i Paoly ankehitriny. ‘Samy hafa ange ny olona e’, hoy izy ireo, ‘sady tsy mety raha terena hanana fomba fihevitra na hanao zavatra mitovy ny Kristianina rehetra.’ Nasain’i Paoly hanaraka am-bokony izay ataon’ny hafa anefa ve ny Kristianina? Mamela ny olona hanana ny safidiny malalaka ve ny Baiboly?

Miray saina, nefa tsy mitovy

Nampirisika ny Kristianina ‘hampiasa saina’ eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra i Paoly, tao amin’ny taratasiny hafa. (Hebreo 5:14) Azo antoka àry fa tsy nitaona ny Kristianina tany Korinto hankatò an-jambany fotsiny izy. Nahoana anefa izy no nanoro hevitra azy ireo mba ‘ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra’? Satria niatrika zava-manahirana lehibe ny fiangonana tany Korinto. Nanjary nisy fisaratsarahana tany, ka i Apolosy no noheverin’ny sasany ho mpitarika azy, fa ny hafa kosa niandany tamin’i Paoly, na i Petera, na i Kristy irery ihany. Olana lehibe ny fisaratsarahana toy izany, satria nety ho nanimba ny fiadanan’ny fiangonana.

Tian’i Paoly ‘hitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana’ ny Korintianina, toy ny nampirisihany ny Kristianina tany Efesosy tatỳ aoriana. (Efesiana 4:3) Nampirisihiny hiray saina izy ireo eo am-panarahana ny dian’i Jesosy Kristy, fa tsy hizarazara ho antokom-pivavahana samy hafa, na sekta. Hifanaraka tsara izy ireo amin’izay, satria hanana tanjona iray ihany. (Jaona 17:22) Nanampy ny Korintianina hanitsy ny fomba fiheviny àry i Paoly, mba hahatonga azy ireo hiray saina, fa tsy hoe hitovy akory.​—2 Korintiana 13:9, 11.

Tena ilaina koa ny miray saina eo amin’ny foto-pampianarana. Fantatry ny mpanara-dia an’i Jesosy fa “iray ny finoana”, toy ny hoe iray monja no ‘Andriamanitra sy Ray.’ (Efesiana 4:1-6) Noho izany, dia ataon’ny Kristianina azo antoka tsara, fa ny zavatra inoany dia mifanaraka amin’ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, izay aharihariny ao amin’ny Teniny. Miray saina izy ireo momba ny hoe iza moa Andriamanitra sy ny hoe inona no zavatra takiny. Manaraka ny fitsipi-pitondran-tena mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo. (1 Korintiana 6:9-11) Izany no mahatonga ny Kristianina hiray saina foana, eo amin’ny foto-pampianarana sy ny fitondran-tena.

Fandaminana tsy fitovian-kevitra

Izany akory tsy midika hoe lazaina amin’ny Kristianina tsirairay ny zavatra tokony hoeritreretiny sy hataony amin’ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainany. Resaka safidy ilay izy matetika. Diniho ity ohatra iray ity. Nisalasala ny Kristianina sasany tany Korinto, raha azon’izy ireo natao na tsia ny nihinana tamin’ny hena mety ho avy tany amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy. Nino mafy ny sasany fa toy ny manaraka fivavahan-diso ny mihinana amin’ilay hena. Ny hafa kosa nihevitra fa tsy nampaninona izay fiavian’ilay hena. Tsy nanao lalàna momba izay tokony sy tsy tokony hataon’ny Kristianina i Paoly, rehefa nandamina io raharaha saro-pady io. Niaiky kosa izy fa mety handray fanapahan-kevitra samy hafa ny olona. *​—1 Korintiana 8:4-13.

Mety tsy hitovy ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina ankehitriny, eo amin’ny resaka asa, fahasalamana, fialam-boly, na zavatra hafa miankina amin’ny safidiny manokana. Mety hanahiran-tsaina ny sasany ny safidy maro samihafa toy izany. Mety hanahy izy ireo sao hampifamaly, na hampisaratsaraka ny fiangonana ny tsy fitovian-kevitra toy izany. Tsy voatery hiteraka fisaratsarahana anefa izany. Indro misy ohatra: Voafetra ny karazana naoty azon’ny mpamorona feon-kira ampiasaina, nefa be dia be ny feon-kira kanto azony foronina amin’izany. Toy izany koa ny Kristianina, satria mametra ny safidy azony atao ny toro lalan’Andriamanitra. Manana safidy malalaka anefa izy, rehefa handray fanapahan-kevitra sasany.

Ahoana no ahafahan’ny Kristianina miray saina foana, sady manaja ny safidin’ny tsirairay? Tena ilaina ny fitiavana. Manaiky hofehezin’ny didin’Andriamanitra isika, raha tia Azy. (1 Jaona 5:3) Raha tia ny mpiara-belona amintsika isika, dia hanaja ny zony hanapa-kevitra amin’ny raharahany manokana, araka izay mety amin’ny feon’ny fieritreretany. (Romana 14:3, 4; Galatiana 5:13) Namela ohatra tsara i Paoly teo amin’io lafiny io. Nanaiky ny fahefan’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany izy, tamin’ny raharaha iray nifandray tamin’ny foto-pampianarana. (Matio 24:45-47; Asan’ny Apostoly 15:1, 2) Nampirisika ny tsirairay koa anefa izy mba hanaja ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina hafa, rehefa misy raharaha miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny tsirairay.​—1 Korintiana 10:25-33.

Mazava àry fa tsy misy mahazo manameloka ny hafa, raha mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany izy, sady tsy mandika ny toro lalana ara-baiboly. (Jakoba 4:12) Tsy hanizingizina ny zony koa ny Kristianina mahatoky, sao hanimba ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, na ny firaisan-tsain’ny fiangonana. Tsy tokony hanizingizina koa izy hoe afaka manao zavatra iray, rehefa hita mazava tsara fa voararan’ny Tenin’Andriamanitra ilay izy. (Romana 15:1; 2 Petera 2:1, 19) Ny fitiavantsika an’Andriamanitra dia tokony hanosika antsika hampifanaraka ny feon’ny fieritreretantsika amin’ny fomba fijeriny. Mahatonga antsika hiray saina amin’ny mpiray finoana amintsika izany.​—Hebreo 5:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Mety hihevitra, ohatra, ireo Kristianina nanompo sampy taloha, fa toy ny manompo sampy ihany ny mihinana ilay hena. Mety ho tafintohina koa ireo malemy ara-panahy kokoa, satria mety hieritreritra izy ireo fa toy ny manompo sampy ireo Kristianina namany raha mihinana amin’ilay hena.