Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voa Madinika Malaza Be ny Voanjo

Voa Madinika Malaza Be ny Voanjo

Voa Madinika Malaza Be ny Voanjo

Tia voanjo ve ianao? Betsaka ny olona tia voanjo. I Chine sy Inde, izay firenena be mponina indrindra, no mamokatra ny antsasany mahery amin’ny voanjo maneran-tany.

Mamokatra voanjo an’arivo tapitrisa kilao isan-taona i Etazonia, izany hoe ny 10 isan-jaton’ny voanjo eran-tany. Tany mpamokatra voanjo koa i Afrika Atsimo, Arzantina, Brezila, Malawi, Nizeria, Sénégal, ary Soudan. Ahoana no nahatonga ny voanjo halaza be toy izany? Misy antony tokony hifadiana azy io ve?

Efa fantatra hatry ny ela

Tany Amerika Atsimo no heverina fa toerana voalohany nisy voanjo. Iray amin’ireo rakitry ny ela nahafantarana ny fitiavan’ny olona voanjo ilay vazy tranainy be hita tany Peroa. Miendrika voanjo ilay vazy sady miravaka sarisarim-boanjo. Tany Amerika Atsimo ireo Espaniola mpamantatra tany vaovao no nahita voanjo voalohany. Hitan’izy ireo fa sakafo nety tsara tamin’ny diany ny voanjo, ka nitondra izy ireo rehefa niverina tany Eoropa. Nampiasain’ny Eoropeanina tamin’ny fomba hafa ny voanjo, ary nataony solon-kafe mihitsy aza.

Nitondra voanjo tany Afrika ny Portogey tatỳ aoriana. Niaiky avy hatrany ny Afrikanina fa sakafo tsara ny voanjo, ary haniry tsara amin’ny tany somary karakaina izay tsy mety amin’ny voly hafa. Raha ny marina aza, dia manome nitrozenina betsaka izay tena ilain’ny tany tsy mamokatra firy ny voanjo. Niainga avy ao Afrika indray ny voanjo, ka tonga hatrany Amerika Avaratra, tamin’ny andron’ny fivarotana andevo.

Ny Portogey kosa no nitondra voanjo nankany Inde sy Macao, tamin’ireo taona 1530, ary ny Espaniola no nampiditra azy io tany Philippines. Ny mpivarotra indray no nitondra ny voanjo avy tany amin’ireo faritra ireo nankany Chine. Hitan’ny Sinoa fa hanampy ny fireneny hiady amin’ny mosary ny fambolem-boanjo.

Nanao fikarohana momba ny voanjo ny manam-pahaizana momba ny zavamaniry, tamin’ireo taona 1700, ary nantsoin’izy ireo hoe pitipoà anaty tany izy io. Nanatsoaka hevitra koa izy ireo hoe sakafo tsara ho an’ny kisoa izy io. Lasa nihabetsaka ny voanjo namidy tany Caroline Atsimo, any Etazonia, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1800. Izy io koa no sakafon’ireo miaramila mpifanandrina tamin’ny Ady An-trano tany Amerika, nanomboka tamin’ny 1861.

Nihevitra anefa ny ankamaroan’ny olona tamin’izany fa hoe sakafon’ny mahantra ny voanjo. Izany no anisan’ny nahatonga ny tantsaha amerikanina tamin’izany fotoana izany, tsy hamboly voanjo be dia be ho an’ny olona. Nandreraka be koa ny fambolena azy io talohan’ireo taona 1900, satria mbola tsy nisy fitaovana ary fomba tamin’izany.

Tamin’ny 1903 anefa, dia nanomboka nikaroka momba izay azo ampiasana ny voanjo i George Washington Carver, manam-pahaizana amerikanina momba ny fambolena sy fiompiana. Nahita karazan-javatra 300 mahery azo nampiasana voanjo izy, anisan’izany ny zava-pisotro, zavatra fanatsaran-tarehy, loko, fanafody, savony fanasan-damba, poizim-bibikely, ary ranomainty. Nampirisihin’i Carver ireo tantsaha tany amin’ny taniny mba hamboly voanjo, ampifandimbiasina amin’ny landihazo. Landihazo ihany mantsy no nambolen’izy ireo ary nanimba ny tanimboly izany. Nisy bibikely nanimba ny landihazo tamin’izany, ka vao mainka narisika hanaraka ny torohevitr’i Carver ireo tantsaha. Nanao ahoana ny vokany? Vokatra be ny voanjo, ka lasa anisan’ny entana betsaka indrindra naondrana izy io tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia. Misy tsangambato ho fahatsiarovana an’i Carver izao any Dothan, any Alabama. Nanangana tsangambato ho fahatsiarovana an’ireo bibikely nandripaka ny landihazo mihitsy aza ny tanànan’i Enterprise, any Alabama. Ny nataon’ireny bibikely ireny mantsy no anisan’ny nandrisika ny tantsaha hamboly voanjo.

Fomba fanirin’ny voanjo

Karazan-javamaniry mamoa ny voanjo. Mamoaka felany mavomavo izy rehefa maniry, ary tsy mila mpanampy ireny felany ireny fa mitsaika ho azy.

Karazana taho kely no mitondra ny fanjarivoa efa nitsaika, izay misy ny vonin’ny voanjo, ary milentika tsikelikely ao anaty tany. Maniry ao anaty tany ilay voany, ary mihamatoy sy mihamaka endrika voanjo. Mamokatra voanjo 40 eo ho eo ny fototra iray.

Tany mafana sy tsy dia be orana no tian’ny voanjo. Vokatra izy rehefa afaka efatra na dimy volana mahery, arakaraka ny karazan’ilay voanjo sy ny toetrandro. Izao avy no ataon’ny mpamboly rehefa hampakatra ny vokatra: Hadina tsara manodidina ny fototry ny voanjo, avadika ambony ambany izy avy eo, ary avela ho maina mba tsy ho simba rehefa tehirizina. Efa maro izao ny mpamboly mampiasa fitaovana maoderina, izay sady mihady ny voanjo no manintsana ny vovoka aminy ary mamadika azy.

Ampiasaina amin-javatra maro ny voanjo

Mahavariana fa sakafo tena mahavelona ny voanjo. Be fibra ao anatiny sady misy vitaminina 13 sy mineraly 26 samy hafa, izay tsy ampy ao amin’ny sakafo ankehitriny. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) hoe: “Raha misy ati-kenan’omby sy voanjo mitovy lanja, dia mbola ahitana proteinina sy mineraly ary vitaminina betsaka kokoa ao anatin’ny voanjo.” Tokony hitandrina anefa ireo olona matahotra ny hatavy! Mbola “be menaka kokoa noho ny hero-dronono matevina” mantsy ny voanjo, ary “be kalôria kokoa noho ny siramamy.”

Betsaka koa ny sakafo asiana voanjo any amin’ny tany maro, ary hafa kely ny tsirony ka tonga dia fantatra hoe misy voanjo ilay sakafo. “Mahery sady miavaka ny fofom-boanjo, ka re foana amin’izay sakafo misy azy”, hoy i Anya von Bremzen, mpanoratra boky momba ny sakafo. “Misy itoviana àry ny tsiron’ny saosy voanjo indonezianina, ny lasopy fanao any Afrika Andrefana, paty fahandron’ny sinoa, laoka ketsaketsan’ny Perovianina, ary ny mofo asiana diberam-boanjo.”

Fanaon’ny olona maneran-tany tsakitsaky koa ny voanjo. Ampiarahina amin’ny legioma maina, ohatra, izy io any Inde, ary atao tsakitsaky amidin’ny olona eny an-dalana. Mahavariana koa ny lazain’ilay boky hoe Ilay Voanjo Malazan’i Amerika (anglisy). Araka ny filazan’io boky io, dia “dokotera iray tany Saint Louis [Etazonia] no namorona” ny diberam-boanjo ahosotra amin’ny mofo, “tamin’ny taona 1890 tany ho any.” Nataon’ilay dokotera “ho sakafo mahasalama ho an’ireo efa zokinjokiny” izy io, ary be mpitia any amin’ny firenena sasany.

Ampiasaina amin-javatra maro ankoatra ny sakafo koa ny voanjo. Fanaovana menaka fandrahoan-tsakafo ny voanjo, manerana an’i Azia. Azo andrahoana sakafo amin’ny mari-pana mahamay be ny mena-boanjo, ary tsy mifoka ny fofon’ilay zavatra andrahoina aminy.

Any Brezila dia atao sakafom-biby ny tôrtô, izany hoe ilay faikam-boanjo avy nakana menaka. Betsaka koa ny zavatra ampiasana voanjo.​—Jereo etsy ambony.

Tandremo fa misy olona tsy mahazaka voanjo!

Azo tehirizina ela be ny voanjo, na dia tsy atao ao anaty vata fampangatsiahana aza. Ilaina ihany anefa ny fitandremana, satria misy zavatra mahery be mahatonga kansera ao amin’ny voanjo bobongolo. Tsy mahazaka voanjo koa ny olona sasany. Miseho amin’ny endriny isan-karazany be izany, araka ny lazain’ny gazety Fisorohana (anglisy). Mety handeha ran’orona na ho voan’ny aretin-koditra fotsiny, ohatra, ilay olona. Nefa koa mety hisy soritr’aretina mafy be hafa mahafaty mihitsy, vokatry ny zavatra tsy zaka. Hita tamin’ny fikarohana maromaro natao, fa mihabetsaka kokoa izao ny ankizikely tsy mahazaka voanjo.

Milaza koa ilay gazety fa atahorana kokoa tsy hahazaka voanjo ny ankizy, raha samy voan’ny sohika ny ray aman-dreniny na voan’ny aretin-koditra na misy zavatra tsy zakany mahatonga ny atiorony hivaivay.

Mety tsy hahazaka voanjo koa ny zazakely raha efa misy zavatra tsy zakan’ny reniny, ary raha tsy mahazaka ronono ilay zaza manomboka amin’izy vao teraka, ka hatramin’izy herintaona. Niresaka momba izany i Hugh Sampson, mpampianatra momba ny fitsaboana aretin-jaza, ao amin’ny Sampana Momba ny Fitsaboan’ny Oniversite Johns Hopkins, any Etazonia. Hoy izy: “Aleo mihitsy tsy omena diberam-boanjo ireny zaza ireny, raha tsy efa feno efa-taona, fara fahakeliny.”

Na tia voanjo ianao na tsy tia, dia angamba mba nanova ny fiheveranao an’io voa madinika malaza be io izay noresahina teo momba ny zavatra maro ampiasana azy.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Ampiasaina amin-javatra maro ny tôrtô

• Rindrina platira

• Kitay amin’ny toeram-pamindroana

• Fatorian-tsaka

• Taratasy

• Fanadiovan-javatra

• Menaka fanosotra amin’ny fery

• Vernia fanosotra amin’ny vy

Eau de Javel

• Ranomainty

• Menaka gresy

• Zavatra fanosotra rehefa miharatra

• Zavatra fanosotra amin’ny tarehy

• Savony

• Karazana karipetra

• Fingotra

• Loko

• Vanja

• Ranon-tsavony fanasana loha

• Fanafody

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: Ilay Voanjo Malazan’i Amerika

[Kisary/Sary, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

Raviny

Fanjarivoany

Tany |

Fakany Voanjo

[Sary nahazoan-dalana]

Gazety The Peanut Farmer

[Sary, pejy 20]

Tsangambato fahatsiarovana an’i George Washington Carver

[Sary, pejy 21]

Etazonia

[Sary, pejy 21]

Afrika

[Sary, pejy 21]

Azia

[Sary nahazoan-dalana]

FAO photo/R. Faidutti

[Sary, pejy 21]

Karazam-boanjo fanao tsakitsaky

[Sary, pejy 22]

Be mpitia ny diberam-boanjo any amin’ny firenena sasany