Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ray na Reny Tokan-tena Tsy hay lazaina ny fankasitrahako ilay lahatsoratra hoe: “Sarotra Loatra ve ny Mitaiza Irery?” (8 Oktobra 2002) Tiako hovakina foana ilay izy! Mitaiza irery ny zanako roa aho. Mahazo toky aho, isaky ny mamaky io lahatsoratra io fa tsy irery, ary afaka ny hahomby. Misaotra indrindra!

C. B., Etazonia

Nisara-panambadiana aho. Tena sarotra ny fiainana rehefa nandao anay sy ny zanakay roa ny vadiko. Misaotra an’i Jehovah aho satria mihaino ny fitarainantsika izy, ary mamaly izany amin’ny alalan’ny lahatsoratra feno fitiavana toy ireny. Izany no fomba hanomezany toky antsika fa miahy sy tia antsika izy.

L. T., Repoblika Tseky

Misaotra betsaka anareo mamoaka lahatsoratra toy ireny. Nanomboka kivy aho noho ny tarehin-javatra misy ahy. Nikarakara tokantrano foana mantsy aho nandritra ny taona maro. Voatery miasa anefa aho ankehitriny, satria lasa mitaiza irery ny zanako. Nanome fanantenana sy fampaherezana nilaiko anefa ilay lahatsoratra. Nikasa hampihatra ireo torohevitra aho, anisan’izany ny fahaiza-mandamin-javatra tsara sy ny fanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Ataoko akaiky foana ity gazety ity ary vakiko raha vao manomboka ho kivikivy aho.

B. A., Etazonia

Mahasarika Iraika amby roapolo taona aho, ary mahatsiaro tena ho tsy manintona. Mitovy tamin’ny zavatra niainako mihitsy ilay noresahin’i Tyler tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe . . . Inona no Azoko Atao mba Hahatonga Ahy Hahasarika Kokoa?” (8 Aogositra 2002) Ireo torohevitra ara-baiboly resahin’io lahatsoratra io mihitsy no tena ilaiko. Misaotra anareo noho io lahatsoratra io, sy ireo boky sy gazety hafa, izay manampy hatrany ny tanora hiatrika ireo zava-manahirana maro eo amin’ity tontolo ratsy ity. Ny anjarako izao dia ny mampihatra ireny torohevitra ireny.

P. L., Zambia

Pingouin Tsy avelan’ny vadiko hianatra Baiboly ny zanako, hany ka manjary tsy liana amin’izy io izy ireo. Mbola afaka mitaiza ny zanako eo amin’ny lafiny ara-panahy ihany anefa aho, noho ireo lahatsoratra ahitana fianarana avoakanareo. Mifantina lahatsoratra mety hahaliana ireo zanako aho, nefa tsy miresaka mivantana momba ny Baiboly na momba an’Andriamanitra. Natambatro tao anaty tranony iray izay natokako ho azy ireo ireny lahatsoratra ireny, ary nomeko ny anarana hoe Ny Zava-mahatalanjon’ny Natiora. Nataoko fotokopia, ohatra, ilay lahatsoratra hoe: “Ireny ny Pingouins Kely Manao Matso!” (8 Novambra 2002), ary nampidiriko tao koa. Mivavaka aho mba hitahian’i Jehovah ny ezaka ataoko handresena lahatra ireo havan-tiako.

J. G., Frantsa

Telefaonina Entin-tanana Tena nanampy ahy mihitsy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Mila Telefaonina Entin-tanana ve Aho?” (8 Novambra 2002) Tsy nahita tory mihitsy aho raha tsy nahavaly ireo hafatra an-tsoratra rehetra, talohan’ny namakiako azy io. Nampianareo hijery ny mahatsara sy ny maharatsy an’io fitaovana io anefa aho izao.

C. A., Philippines

Saika manana telefaonina entin-tanana daholo ny ankizy iray kilasy aminay, hany ka mieritreritra aho fa tokony hanana koa. Nony avy namaky ilay lahatsoratra anefa aho, dia tapa-kevitra ny handinika tsara izay mety ho voka-dratsin’izy io, sy ny hoe hahay hampiasa azy io amim-pahendrena ve aho sa tsia. Tsapako fa nataon’i Jehovah ho ahy mihitsy io lahatsoratra io.

M. F., Japon

Nampiasa ny telefaoniko aho mba handefasana e-mail (hafatra hampitaina amin’ny alalan’ny ordinatera) tamin’ny ankizilahy iray. Niresaka momba ny zava-manahirana anay manokana izahay. Faly erỳ aho fa nanana namana azoko namborahana ny fihetseham-poko. Tsy nandefa e-mail tatỳ amiko intsony anefa izy tatỳ aoriana, ka nanorisory ahy izany. Takatro noho ny fanazavana tao amin’ilay lahatsoratra anefa, fa toy ny efa mampiaraka ihany ny ankizilahy sy ankizivavy rehefa mifandefa e-mail. Mino aho fa nahatsapa izany koa ilay ankizilahy. Noho izany, dia ireo olona tokony hahafantatra ny adiresiko e-mail ihany no omeko izany.

Y. M., Japon