Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy 20 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina” [frantsay], navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Iza no nofidin’i Samsona ho vady, rehefa “nitady izay hiadiany tamin’ny Filistina” izy? (Mpitsara 14:1-4)

2. Araka ny nohazavain’i Jesosy, dia tsy afaka ny ho sady mpanompon’Andriamanitra isika no ho mpanompon’ny inona? (Lioka 16:13)

3. Iza tamin’ny razamben’ny Mesia no lasa vadin’i Rota? (Rota 4:13)

4. Ahoana no fanononana ny anaran’Andriamanitra tian’ireo manam-pahaizana hebreo?

5. Tena ratsy fanahy loatra i Jezebela, ka inona no nolazain’i Jehovah fa hiafarany? (1 Mpanjaka 21:23)

6. Nahoana no novidin’i Abrahama tamin’ny “taranak’i Heta” ilay zohy tany Makpela? (Genesisy 23:19, 20)

7. Inona ilay teny (midika ara-bakiteny hoe mampakatra ny moron-tongotr’akanjo mba hahafahana miasa) ampiasain’ny Soratra Masina mba hilazana fiomanana ho amin’ny asa mafy ara-tsaina sy ara-panahy? (Joba 38:3)

8. Iza no zanak’i Adama sy Eva teraka tamin’i Adama 130 taona? (Genesisy 5:3)

9. Ny fahotan’iza no nahatonga ny Isiraely ho resy tany Ay? (Josoa 7:20)

10. Inona no nampiasaina ho satroboninahitra taloha? (Apokalypsy 19:12)

11. Koa satria tsy nahatakatra zanak’ondry hatao fanatitra i Maria, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, inona no navelan’ny Lalàna hataony fanatitra ho solon’izany? (Lioka 2:24)

12. Ahoana no niantsoan’i Paoly ny tenany ao amin’ny ankamaroan’ny taratasiny ara-tsindrimandry? (Efesiana 1:1)

13. Nahoana no tena naharikoriko an’i Hezekia ny fihantsian’i Sankeriba mpanjaka asyrianina, rehefa nampitahotra ny Jiosy izy, mba hahatonga azy ireo hitolo-batana? (Isaia 36:14, 15, 18-20)

14. Taiza ny apostoly Paoly, tamin’izy nandre ilay antso hoe “mità mankatỳ Makedonia, ka vonjeo izahay”? (Asan’ny Apostoly 16:8, 9)

15. Nahoana i Hanany mpahita no niteny mafy an’i Asa mpanjaka tsara tany Joda, nefa nahatoky nandritra ny taona maro izy io? (2 Tantara 16:7)

16. Araka ny tenin’i Jesosy, hafiriana no tokony hiaritra amim-pahatokiana ny olona iray, raha te ho voavonjy? (Marka 13:13)

[Efajoro, pejy 20]

Valin’ny Fanontaniana

1. Vehivavy filistinina avy tany Timna

2. Harena

3. Boaza

4. Iaveh

5. “Ny alika hihinana an’i Jezebela”

6. Mba handevenana an’i Saraha vadiny

7. “Misikìna”

8. Seta

9. Akana

10. Diadema

11. “Domohina roa, na zana-boromailala roa”

12. Apostolin’i Kristy Jesosy

13. Satria nirehareha i Sankeriba nilaza hoe tsy hahavita na inona na inona i Jehovah, fa ho toy ireo andriamanitry ny firenen-kafa efa resy ihany

14. Tany Troasy, tanàna nisy seranan-tsambo, tany Azia Minora

15. Satria nanao fifanekena tamin’ny mpanjakan’i Syria i Asa Mpanjaka (tsy fantatra ny antony), fa tsy nitoky tamin’i Jehovah

16. Hatramin’ny “farany”