Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Halaviro ny Teny Mandratra

Halaviro ny Teny Mandratra

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Halaviro ny Teny Mandratra

“Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.”​—JAKOBA 3:10.

ANISAN’NY mampiavaka antsika amin’ny biby ny fahaizana miteny. Mampalahelo anefa fa misy olona mampiasa an’io fahaizana io amin’ny fomba ratsy. Mandratra ny fanompana, teny ratsy, fanambaniana, fitenenan-dratsy an’Andriamanitra, ary resaka vetaveta. Maharary mihoatra noho ny ratra ara-batana mihitsy aza izy ireo indraindray. Hoy ny Baiboly: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.”—Ohabolana 12:18.

Mihamaro hatrany ny olona mpiteny ratsy. Milaza ny sekoly fa mihamaro ny ankizy miteny ratsy. Misy milaza anefa hoe mety ny miteny ratsy, rehefa tiana ny hamoaka izay ao am-po. Izao no nosoratan’ny olona iray mianatra momba ny politika: “Ny teny ratsy no tena tokony hampiasaina, rehefa tsy mahatafavoaka izay tena ao am-pontsika ny teny tsotra.” Tokony ho toy izany koa ve ny fiheveran’ny Kristianina ny teny ratsy? Ahoana no fijerin’Andriamanitra azy io?

Ankahalao ny teny ratsy

Efa hatramin’ny ela ny olona no niteny ratsy. Ho gaga angamba ianao raha mahafantatra fa niteny ratsy ny olona tamin’ny andron’ny apostoly, efa ho 2 000 taona lasa izay. Toa niteny ratsy, ohatra, ny olona sasany teo anivon’ny fiangonan’i Kolosia, rehefa tezitra. Angamba te hamaly faty izy ireo, ka ninia niteny ratsy mba hamelezana na hampahoriana izay olona niady taminy. Maro koa ankehitriny no miteny ratsy rehefa tena tezitra. Azo ampiharina amin’ny androntsika àry ny taratasin’i Paoly ho an’ny Kolosianina. Hoy izy: “Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.” (Kolosiana 3:8) Mazava, araka izany, fa toroana hevitra ny Kristianina mba hifehy ny fahatezerany sy tsy hiteny ratsy, satria izany matetika no vokatry ny fahatezerana.

Marina fa miteny ratsy ny olona, na dia tsy te hamely na handratra ny hafa aza. Toa amin’ny toe-javatra tsy dia manao ahoana izy ireo no tena miteny ratsy. Lasa fiteny isan’andro mihitsy àry izy io. Misy aza tsy mahay miresaka raha tsy mampiasa teny ratsy. Ampiasaina hampihomehezana olona mihitsy aza ny teny ratsy matetika. Tsy dia mampaninona loatra ve anefa ny teny ratsy, raha natao hampihomehezana toy izany? Diniho izao manaraka izao.

Antsoina hoe vazivazy maloto ny teny ratsy natao hampihomehezana olona. Mifandray amin’ny firaisana ny ankamaroan’izy ireny ankehitriny. Misy olona maro mihevitra ny tenany ho manan-kaja, nefa faly mihaino azy ireny. (Romana 1:28-32) Tsy mahagaga àry raha momba ny firaisana, na mamoafady izany na tsia, no zavatra resahin’ny maro amin’ireo mpanao hatsikana matihanina. Misy vazivazy maloto koa amin’ny filma maro sy ny tele ary ny radio.

Miresaka momba ny vazivazy maloto ny Baiboly. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Efesosy: “Ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao.” (Efesiana 5:3, 4) Hita àry fa mahatezitra an’Andriamanitra ny teny ratsy, na inona na inona antony anaovana azy. Ratsy izy io, ary mandratra.

Tsy tian’Andriamanitra ny teny manindrona

Tsy ny teny ratsy ihany no atao hoe teny mandratra. Mety ho tena handratra koa ny fanompana sy ny fanesoana ary ny fanakianana manindrona. Marina aloha fa manota amin’ny lelantsika daholo isika rehetra, indrindra noho isika mandre fanesoana sy fanaratsiana isan’andro. (Jakoba 3:2) Tsy tokony hieritreritra mihitsy anefa ny Kristianina marina hoe tsy mampaninona ny teny toy izany. Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa tsy tian’i Jehovah Andriamanitra ny karazana teny mandratra rehetra.

Mitantara momba ny ankizilahy maromaro naneso an’i Elisa mpaminany, ohatra, ny bokin’ny Mpanjaka Faharoa. Voalaza ao fa “nanakora azy”, ireo ankizilahy ireo ka nanao hoe: “Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!” Tena tezitra tamin’ireo ankizilahy ireo i Jehovah, satria hitany ny tao am-pon’izy ireo, ary fantany fa te handratra an’i Elisa izy ireo matoa niteny izany. Voalazan’ilay tantara fa namono ankizilahy 42 Andriamanitra, noho izany fihetsik’izy ireo izany.—2 Mpanjaka 2:23, 24.

Ny vahoakan’ny Isiraely koa dia “nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.” (2 Tantara 36:16) Marina aloha fa noho izy ireo nanompo sampy sy tsy nankatò no tena nahatonga an’Andriamanitra ho tezitra tamin’ny vahoakany. Tsara homarihina anefa fa asongadin’ny Baiboly koa hoe nahatezitra an’Andriamanitra ny fanesoana ny mpaminaniny. Mazava, araka izany, fa tena tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanesoana.

Manoro hevitra ny Kristianina àry ny Baiboly hoe: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy”, na manakiana azy tafahoatra. (1 Timoty 5:1) Azo ampiharina amin’ny fomba itondrantsika ny olona rehetra io toro lalana io. Mampirisika antsika ny Baiboly mba “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.”—Titosy 3:2.

Mahatana ny molotra

Sarotra be indraindray ny mifehy tena tsy hanao teny mandratra olona. Mety hisy olona hieritreritra fa manana zo hanao teny mahery sy henjana momba ilay nanao fahadisoana taminy izy. Angamba hiteny mivantana amin’ilay olona izy na any ambadika. Mifehy tena anefa ny Kristianina mba tsy hanao fihetsika toy izany. Hoy ny Ohabolana 10:19: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.”

Manome ohatra tsara ny amin’izany ny anjely. Hitan’izy ireo daholo ny zava-dratsy ataon’ny olombelona. Matanjaka noho ny olombelona ny anjely, nefa tsy miteny ratsy hiampangana ny olombelona izy ireo, satria manaja an’i Jehovah. (2 Petera 2:11) Mitana ny molony ny anjely, satria fantany fa tena mahita ny ratsy ataon’ny olona tsirairay Andriamanitra, ary afaka manitsy izany. Na dia i Mikaela filohan’ny anjely rehetra aza, dia nifehy tena mba tsy hiteny ratsy hanamelohana ny Devoly.—Joda 9.

Miezaka manahaka ny anjely ny Kristianina. Mankatò ity fampirisihan’ny Baiboly ity izy ireo: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’”—Romana 12:17-19.

Tsara homarihina fa mety hahatonga ny tenintsika handratra koa, ny toe-peontsika sy ny haavon’ny feontsika. Fahita ny mpivady mifampilelalela. Maro ny ray aman-dreny milelalela amin’ny zanany. Tsy voatery hilelalela anefa isika rehefa hilaza ny hevitsika. Mampirisika ny Baiboly hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy.” (Efesiana 4:31) Milaza koa ny Baiboly hoe “tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra.”—2 Timoty 2:24.

Teny manasitrana

Mpiteny ratsy ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka tokony hitady fomba mandaitra, mba hiadiana amin’izany ny Kristianina. Ny fitiavana ny mpiara-belona amintsika no anisan’ny fomba atoron’ny Baiboly. (Matio 7:12; Lioka 10:27) Hanosika antsika hampiasa teny manasitrana hatrany ny fiahiana sy fitiavana ny mpiara-belona amin’ny fo manontolo. Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.”—Efesiana 4:29.

Hanampy antsika tsy hanao teny mandratra koa ny famenoana ny saintsika amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manampy antsika ‘hanary ny fahalotoana rehetra’ ny famakiana sy fisaintsainana ny Soratra Masina. (Jakoba 1:21) Afaka manadio ny saintsika tokoa ny Tenin’Andriamanitra.