Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Miverina Indray?

Nahoana no Miverina Indray?

Nahoana no Miverina Indray?

NOHEVERINA tamin’ny 40 taona lasa fa efa tsy misy intsony amin’ny faritra maro ny aretina mahazatra afindran’ny bibikely, toy ny tazo, tazo vony, ary dengue. Nitranga anefa ny tsy nampoizina, satria niverina indray ireo aretina afindran’ny bibikely.

Nahoana? Ny antony voalohany dia satria nanjary nahatohitra an’ireo fanafody famonoana azy ny sasany tamin’ireo bibikely sy ny mikraoba entiny. Vao mainka nahatohitra fanafody izy ireo, satria nampiasaina be loatra ny fanafody famonoana bibikely ary tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fanafody fitsaboana. Hoy ilay boky hoe Moka (anglisy): “Maro be ireo tokantrano mahantra, ka rehefa mahazo fanafody izy ireo, dia haniny izany, mandra-pisindan’ny aretiny fotsiny. Avy eo dia tahiriziny ny ambiny, mandra-piverin’ilay aretina.” Tsy vita ilay fitsaboana, ka mety mbola ho velona ao amin’ny vatan’ilay olona ny mikraoba matanjaka, ary mamokatra mikraoba hafa mahatohitra fanafody.

Fiovan’ny toetrandro

Anisan’ny mampiverina ny aretina afindran’ny bibikely ny fiovana eo amin’ny natiora sy ny fiaraha-monina. Misongadina amin’izany ny fiovan’ny toetrandro eran-tany. Heverin’ny mpahay siansa sasany fa hifindra any amin’ny tany mangatsiaka kokoa ireo bibikely mpitondra aretina, satria mihamafana ny tany. Misy porofo ihany ahitana fa efa mitranga izany izao. Nilaza toy izao ny Dr. Paul Epstein, ao amin’ny Foiben’ny Fahasalamana sy ny Tontolo Iainana, ao amin’ny Sekoly Ara-pitsaboan’i Harvard: “Voalaza ankehitriny fa hita amin’ny toerana avo kokoa any Afrika sy Amerika Latinina ary Azia ny bibikely sy ny aretina afindran’ny bibikely (toy ny tazo sy dengue).” Tonga hatrany an-tendrombohitra ny dengue any Costa Rica, nefa ny tendrombohitra no nanakana an’io aretina io tsy hifindra avy any amin’ny Morontsirak’i Pasifika. Misy an’ilay aretina izao manerana an’ilay tany.

Misy vokany hafa koa anefa ny andro mafana. Rano kely sisa no avelany amin’ireo renirano sasany, fa ampitomboiny kosa ny orana sy ny tondra-drano any amin’ny faritra hafa, ka miteraka rano mihandrona. Ireny rano mihandrona ireny no tena fanatodizan’ny moka. Manafohy ny tsingerin’ny moka koa ny andro mafana. Mihafaingana ny fanatodizany, ary halavainy ny vanin-taona maha betsaka ny moka. Miasa kokoa ny moka, any amin’ny tany mafana. Tonga hatrany anaty vatan’ny moka ny hafanana, ka manafaingana ny fiterahan’ireo mikraoba miteraka aretina, ao anaty kibony. Vao mainka àry mety ho voan’ny aretina avy amin’ny kaikitry ny bibikely ny olona. Misy zavatra hafa mampanahy koa anefa.

Fomba ifindran’ny aretina

Mety hiteraka aretina afindran’ny bibikely koa ny fiovana eo amin’ny fiaraha-monina. Mila mijery akaiky ny asan’ny bibikely isika, mba hahatakarana izany. Matetika ny bibikely no iray monja amin’ireo zavatra mifampitohy mamindra aretina. Ny biby na vorona no mety hitondra an’ilay aretina, satria mitondra bibikely ao amin’ny vatany izy, na misy zavamiaina bitika dia bitika ao anaty rany. Raha tsy matin’izany izy, dia izy indray no mpitahiry an’ilay aretina.

Diniho ny aretin’i Lyme. Hita tany Lyme, any Connecticut, Etazonia, izy io, tamin’ny 1975, ka izay no nanomezana an’ilay anarany. Mety ho voalavo na biby fiompy avy amin’ny sambo avy tany Eoropa no nitondra ny bakteria miteraka an’ilay aretina tany Amerika Avaratra. Rehefa mitsentsitra ny ran’ny biby mitondra an’ilay aretina ny kongona kely iray, dia mijanona ao anaty kibony mandra-pahafatiny ilay bakteria. Rehefa manaikitra biby hafa na olona ilay kongona, avy eo, dia mamindra an’ilay bakteria ho ao amin’ny ran’izy io.

Efa nisy ela tany avaratratsinanan’i Etazonia ny aretin’i Lyme. Ny tena mitahiry an’ilay bakteria any dia ny totozy fotsy tongotra. Mitahiry kongona koa ny totozy, indrindra fa ny kongona mbola kely. Tia mipetraka amin’ny serfa ny kongona efa lehibe, ka ao izy no misakafo sy mitady vady. Rehefa voky ra ny kongona vavy lehibe, dia milatsaka eo amin’ny tany mba hanatody. Avy amin’ireo atody indray no mipoitra ny olitra kely, ka manomboka indray ny tsingerina vaovao.

Toe-javatra niova

Efa ela ny otrikaretina no niaraka tamin’ny biby sy ny bibikely, nefa tsy niteraka aretina ho an’ny olona. Mety hivadika ho areti-mandringana anefa ny aretina sasany, rehefa misy toe-javatra miova. Inona no niova tamin’ny aretin’i Lyme?

Nisy bibidia fahiny nihinana serfa, ka nametra ny fifaneraseran’ny olona sy ny kongon’ny serfa. Notapahin’ireo Eoropeanina mpifindra monina anefa ny ala, mba hanaovana toeram-pambolena sy fiompiana. Vao mainka nihena ny isan’ny serfa, ary lasa koa ireo bibidia mpihinana serfa. Maro anefa ny toeram-pambolena sy fiompiana nilaozana tamin’ny 1850 tany ho any, ka nanomboka naniry indray ny ala. Niverina ny serfa, fa tsy niverina kosa ireo bibidia mpihinana azy. Nitombo be àry ny isan’ny serfa, ary nitombo niaraka taminy koa ny kongona.

Tsy ela taorian’izany dia tonga ny bakteria miteraka ny aretin’i Lyme, ka nipetraka tao amin’ireo serfa nandritra ny taona maro, talohan’ny nifindrany tamin’ny olona. Nisy tanàna naorina anefa teny amin’ny sisin’ireo ala, ka nihamaro ny ankizy sy olon-dehibe niditra tany amin’ny fonenan’ny kongona. Nahita olona ipetahana ny kongona, ka nahazo ny aretin’i Lyme ny olona.

Aretina eo amin’ny tontolo mivadibadika

Hita tamin’io ohatra io ny iray amin’ireo dingana arahin’ny aretina. Ohatra ihany io mba hampisehoana fa ny zavatra ataon’ny olona no anisan’ny mampiverina indray ny aretina afindran’ny bibikely. Nanoratra toy izao i Eugene Linden, mpiaro ny tontolo iainana, ao amin’ilay bokiny hoe Fomba Fijery Tsotra Momba ny Hoavy (anglisy): “Ny olona no mampiverina ny ankamaroan’ireo aretina nahazo hery vaovao.” Ireto misy ohatra hafa vitsivitsy: Mety hiely maneran-tany ny otrikaretina sy ny mpitondra azy, satria mandeha haingana ireo fitaterana maoderina ary betsaka no mampiasa azy. Mandrahona ny fifandanjan’ny tontolo iainana ny fahasimban’ireo fonenan’ny biby lehibe sy bibikely. “Simba ny tontolo iainana ka maloto ny rivotra sy ny rano. Mihena vokatr’izany ny rafi-piarovan’ny biby sy ny olona”, hoy i Linden. Nolazainy koa izao fanatsoahan-kevitry ny Dr. Epstein izao: “Ny olona, raha ny tena izy, no nanimba ny tontolo iainana, ka nandrava ny rafi-kery fanefitry ny tany, ary nampahazo vahana ny mikraoba.”

Miteraka ady ny korontana politika, ka manimba ny tontolo iainana sy mandrava ny foto-drafitrasa izay ikarakarana ny fitsaboana sy izarana sakafo. Milaza toy izao koa ny Biobulletin, izay avoakan’ny Tranombakoka Amerikanina Momba ny Fandinihana Zavaboary: “Matetika ny mpitsoa-ponenana, izay tsy ampy sakafo sy reraka, no terena ho any amin’ny toby. Be olona loatra sady tsy ara-pahasalamana anefa ireny ka maro ny aretina mety ho azo any.”

Mahantra ny olona ka mifindra monina ao amin’ny taniny ihany, na any an-tany hafa, fa matetika no mifindra any an-tanàn-dehibe. “Any amin’ny toerana be olona no betsaka otrikaretina”, hoy ny Biobulletin. Rehefa mitombo be vetivety ny isan’ny mponina, “dia matetika no tsy maharaka an’izany ny zavatra fototra ilaina, toy ny fianarana sy ny sakafo ary ny vaksiny.” Rehefa be loatra koa ny mponina, dia tsy ampy ny rano, sy ny fivarinan’ny maloto, ary ny fanariam-pako. Tsy salama na tsy madio àry ny olona, ka vao mainka mahazo vahana ny bibikely sy ny zavatra hafa mpamindra aretina. Misy anefa ny fanantenana, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Ny olona no mampiverina ny ankamaroan’ireo aretina nahazo hery vaovao”

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Mamely An’i Etazonia ny Virosin’i Nil Andrefana

Hita voalohany tamin’ny 1937 tany Ouganda ny virosin’i Nil Andrefana, izay afindran’ny moka indrindra indrindra. Hita tany Moyen-Orient, Azia, Oseania, ary Eoropa, izy io tatỳ aoriana. Tsy hita tany amin’ny Ila Bolantany Andrefana ilay virosy, raha tsy tamin’ny 1999. Nanomboka tamin’izay anefa dia nisy olona maherin’ny 3 000 voalaza fa voan’izy io tany Etazonia, ary maherin’ny 200 no matiny.

Na dia manavinavy aza ny olona voan’izy io, dia tsy tsapan’ny ankamaroany akory fa efa mitondra an’ilay aretina izy. Misy amin’izy ireo anefa voan’ny aretina lehibe toy ny fanaintainan’ny atidoha sy menenzitan’ny hazondamosina, vokatr’io virosy io. Mbola tsy misy vaksiny na fanafodiny ny virosin’i Nil Andrefana. Milaza ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina fa mety hifindra izy io, amin’ny alalan’ny famindrana taova na fampidiran-dra avy amin’ny olona voany. “Mbola tsy misy fomba ahitana raha misy virosin’i Nil Andrefana ao anaty ra”, hoy ny masoivohom-baovao Reuters, tamin’ny 2002.

[Sary nahazoan-dalana]

CDC/James D. Gathany

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Fomba Iarovan-tena​—Mety sy Tsy Mety

Nanontany olona mipetraka any amin’ny tany be bibikely sy aretina afindran’ny bibikely ny Mifohaza!, mba hahitana hevitra hitandrovana ny fahasalamana. Mety hanampy anao ny hevitr’izy ireny.

Fiarovan-tena voalohany ny fahadiovana

Ataovy madio foana ny tranonao

“Saròny ny fitoeran-tsakafo. Saròny foana ny sakafo masaka, mandra-pihinana azy. Esory avy hatrany ny poti-tsakafo latsaka. Aza avela hialina andro ny vilia maloto, ary aza atao any an-tokotany ny fako mba hariana ny ampitso maraina. Saròny, na aleveno ny fako, satria mivoaka mba hitady sakafo ny bibikely sy ny totozy, rehefa alina ny andro. Mora kokoa ny manadio trano, sady tsy ho betsaka ny bibikely, raha lalorina simenitra manify ny gorodona tany.”—Afrika.

“Aza tahirizina ao an-trano ny voankazo na zavatra hafa misarika bibikely. Aza ampidirina ao an-trano ny biby fiompy toy ny ondry sy kisoa ary akoho. Saròny ny lava-piringa. Aleveno haingana ny dikin’ny biby, na totofy, mba tsy hisarika lalitra. Na tsy manao izany aza ny mpiara-monina, dia afaka mifehy an’ireo bibikely ihany ianao, sady manome ohatra tsara.”—Amerika Atsimo.

[Sary]

Toy ny manasa bibikely hiara-misakafo aminao ianao, raha tsy saronanao ny sakafo na ny fako

Fahadiovan’ny vatana

“Tsy lafo be ny savony, ka sasao matetika ny tanana sy ny akanjo, indrindra rehefa avy nifandray tamin’olona na biby. Aza mikasika biby maty. Aza lalaovina ny vava sy ny orona ary ny maso. Tokony hosasana tsy tapaka ny akanjo, na dia toa madio aza no fijery azy. Misarika bibikely anefa ny fofona sasany, ka aza mampiasa savony na fanadiovana misy fofona.”—Afrika.

Fisorohana

Esory ireo toerana fanatodizan’ny moka

Saròny ny fitoeran-drano sy fanasana zavatra. Esory izay fitoeran-javatra tsy misarona, ka mety hanangon-drano. Aza asiana rano mihandrona amin’ireo tavim-boninkazo. Afaka manatody ao amin’izay rano kely mihandrona mandritra ny efatra andro mahery ny moka.—Azia Atsimoatsinanana.

Halaviro ny bibikely

Ialao izay fotoana sy toerana fisakafoanan’ny bibikely. Vetivety dia hariva ny andro any amin’ny tropika, ka maro ny zavatra atao amin’ny maizina, izay fotoana mahabe bibikely. Mety hifindran’ny aretina kokoa ianao raha mipetraka na matory eny an-tokotany, any amin’ny toerana betsaka aretina afindran’ny bibikely.—Afrika.

[Sary]

Toy ny manasa moka hihinana anao ianao, raha matory eny ivelany, any amin’ny tany be moka

Manaova akanjo manakona hoditra, indrindra rehefa any anaty ala. Asio ody bibikely ny akanjo sy ny hoditrao, ary araho foana ny toromarika momba ireny fanafody ireny. Zahao ny tenanao sy ny zanakao, sao misy kongona, rehefa avy nandeha tany ivelany. Ataovy foana izay hahasalama ny biby ao an-trano sy tsy hampisy bibikely azy ireny.—Amerika Avaratra.

Aza mifandray loatra amin’ny biby fiompy, satria afaka mampita aretina avy amin’izy ireny ny bibikely.—Azia Afovoany.

Mampiasà lay aro moka ho an’ny mpianakavy rehetra. Tsara kokoa ireo lay efa misy ody moka. Asio makarakara fisakanana bibikely ny varavarankely, ary kojakojao foana izy ireny. Tampeno ny lavaka eo ambany valitafo, mba tsy hidiran’ny bibikely. Mety handany vola ireo fisorohana ireo, nefa vao mainka ho lany vola ianao raha tsy maintsy mitondra ny zanakao any amin’ny hopitaly, na raha sanatria marary ny mpampidi-bola ao an-trano.—Afrika.

[Sary]

Mora kokoa noho ny saram-pitsaboana ny lay misy ody moka

Aza asiana toerana fiafenan’ny bibikely ao an-tranonao. Tampeno ny lavaka sy triatra amin’ny rindrina sy valitafo. Tampeno lamba ny lavaka ao ambanin’ny tafo bozaka. Esory ny korontana toy ny taratasy na lamba na sary be dia be eny amin’ny rindrina, mba tsy hiafenan’ny bibikely.—Amerika Atsimo.

Misy mihevitra fa mpivahiny ao aminy ny bibikely sy ny totozy. Tsy marina izany! Aza avela ho ao an-trano izy ireny. Mampiasà fanafody famonoana bibikely, araka ny toromarika. Mampiasà fisamborana lalitra. Mahaiza mamoron-kevitra: naka lamba ny vehivavy iray, ka nofenoiny fasika izy io, ary nataony teo amin’ny lavaka teo ambany varavarana, mba hanakanana ny bibikely.—Afrika.

[Sary]

Tsy tokony ho mpivahiny ao amintsika ny bibikely, fa roahy!

Fitandroana fahasalamana

Ataovy ampy ny sakafo sy ny fialan-tsasatra ary ny fanatanjahan-tena. Ahenao ny hazakaza-dava eo amin’ny fiainana.—Afrika.

Ho an’ny mpandehandeha: Fantaro mialoha ny aretina afindran’ny bibikely any amin’ilay toerana halehanao. Azo jerena amin’ny Internet ny fanazavana nomen’ny toeram-pitsaboana sy ny fanjakana. Mihinàna fanafody mety amin’ilay toerana halehanao, alohan’ny hiaingana.

Raha marary ianao

Mandehana any amin’ny dokotera avy hatrany

Mandaitra kokoa ny fitsaboana, raha atomboka aloha.

Tandremo sao aretina tsy izy no tsaboina

Manatòna dokotera zatra aretina afindran’ny bibikely sy aretin’ny tany mafana, raha ilaina izany. Lazao aminy daholo ny famantarana aretina rehetra sy ny toerana nalehanao, na dia efa taloha aza. Aza mampiasa antibiotika raha tsy tena ilaina izany, ary vitao hatramin’ny farany ny fitsaboana.

[Sary]

Mety hitovy amin’ny aretina hafa ny famantarana ny aretina afindran’ny bibikely. Lazao amin’ny dokotera ny zava-nitranga rehetra

[Sary nahazoan-dalana]

Globe: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Mamindra VIH ve ny Bibikely?

Nandany folo taona mahery ny mpandinika bibikely sy ny dokotera mba hanaovana fanadihadiana sy fikarohana, nefa tsy nahita porofo hoe mamindra VIH (virosin’ny SIDA) ny moka, na bibikely hafa.

Raiso, ohatra, ny moka. Tsy toy ny seraingy ny vavany, ka tsy afaka mamerina ny ra ao am-bavany. Lalana iray kosa no andehanan’ny ra tsentsefiny, ary lalana hafa no ivoahan’ny iviny. Nanazava ny tohin’izany i Thomas Damasso, manam-pahaizana momba ny VIH, ao amin’ny Ekipan’ny Fari-piadidiam-pahasalaman’i Mongu, any Zambia. Nolazainy fa levonin’ny taovam-pandevonan-kanin’ny moka ny ra, ka potika ilay virosy. Tsy hita any amin’ny dikin’ny bibikely ny VIH. Tsy toy ny atodin-tazo ny VIH, satria tsy mankao amin’ny fihary ivin’ny moka.

Tsy maintsy mifindra amin’ilay olona ny tapany maro misy an’ilay VIH vao tena mahazo an’ilay VIH izy. Raha tapaka ny sakafon’ny moka, ka manidina avy hatrany ho amin’ny olona iray hafa izy, dia ho kely loatra ny ra mety mbola ho eo am-bavany. Araka ny manam-pahaizana, dia tsy hifindra mihitsy ny VIH, na dia akosokosoka eo amin’ny ratra aza ny moka feno ra misy VIH.

[Sary nahazoan-dalana]

CDC/James D. Gathany

[Sary, pejy 7]

Mamindra ny aretin’i Lyme amin’ny olona ny kongon’ny serfa (ankavanana, nohalehibeazina)

Ankavia miankavanana: vavy lehibe, lahy lehibe, sy zanany, araka ny tena habeny daholo

[Sary nahazoan-dalana]

Kongona rehetra: CDC

[Sary, pejy 10, 11]

Mahatonga ny fiparitahan’ny aretina afindran’ny bibikely ny tondra-drano sy ny toe-javatra tsy ara-pahasalamana ary ny fifindra-monina

[Sary nahazoan-dalana]

FOTO UNACIONES (from U.S. Army)