Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Vahaolana Noraisiny Noho ny Tabataba

Ny Vahaolana Noraisiny Noho ny Tabataba

Ny Vahaolana Noraisiny Noho ny Tabataba

“Miasa ao amin’ny orinasa mpanamboatra kilalao iray aho. Karazana asa miverimberina no tena atao ao, ary avela hihaino mozika ny mpiasa. Tia mihaino mozika tsy mety amin’ny Kristianina ny mpiara-miasa iray mifanila efitra amiko. Tia mozika karazan’izany koa ny mpiasa roa hafa ao amin’ny sampan’asa misy ahy. Voatery nihaino mozika toy izany adiny valo isan’andro aho, ary tena nahasorena ahy izany.”

“Nandinika ny tombony amin’ny fihazonana io asa io aho. Avelan’ny lehibeko tsy hiasa foana aho, ohatra, rehefa hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy ny fivoriana manokana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro. Tsy maka fotoana be koa ny mandeha miasa ary mamela ahy hanompo ny fandaharam-potoana any am-piasana.”

“Nanatona ny mpiara-miasa tamiko àry aho ary nangataka azy ireo tamim-pahalalam-pomba mba hanova ilay mozika na hampihena ny hamafin’ny feo. Nitaraina tamin’ny lehibenay izy ireo ho valin’izany. Nasain’ilay lehibenay nankany amin’ny biraony aho. Hoy izy: ‘Tsy afaka hitaona ity orinasa ity hanaraka ny fivavahanao ianao, ry Sharon. Afaka mihaino izay mozika tiany ny mpiasa ato amintsika.’”

“Nanontany azy aho avy eo raha afaka mitondra ny kasetiko manokana miaraka amin’ny fitaovana fihainoana. Nanaiky izy. Nitondra ny kasetin’ny Tilikambo Fiambenana àry aho. Nanampy ahy tsy hihaino ilay mozika tsy mendrika ny fihainoana ireo kasety ireo sady nanampy ahy mba hatanjaka ara-panahy hatrany.”—Notantarain’i Sharon Quan.