Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Valan-javaboarin’i Nairobi sy Ireo Biby ao Aminy

Ny Valan-javaboarin’i Nairobi sy Ireo Biby ao Aminy

Ny Valan-javaboarin’i Nairobi sy Ireo Biby ao Aminy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

AMIN’NY enina ora sy sasany maraina izao. Miposaka eny amin’ny faravodilanitra atsinanana ny masoandro. Toy ny vatosoa lehibe tsara tarehy sy mena midorehitra izy. Miantefa eny amin’ny fitaratr’ireo trano fiasana avo be ny tarany manambara andro vaovao, ka miteraka hazavana kanto, mivolom-bolamena. Misy zava-mitranga mahavariana sy mampangitakitaka eo akaikin’ireo trano fiasana ireo.

Efa elaela ihany ilay liona no nitsaitsaika moramora nanatona an’ilay antilopa miraoka ahitra. Miafina ao anatin’ireo bozaka avo izy amin’izany. Tsapan’ilay antilopa kely fa misy loza mananontanona, ka lasa mitsoaka haingana izy. Manaraka azy akaiky koa ilay liona. Raikitra amin’izay ny fifanenjehana. Tsy maintsy ho fatiny io antilopa kely tsy misy mpiaro io, raha tratrany.

Misy biby mifanenjika toy izany foana ao amin’ny Valan-javaboarin’i Nairobi isan’andro. Efa hivoaka ny tanànan’i Nairobi, renivohitr’i Kenya, no misy io valan-javaboary io. Ny olombelona no mpiara-monina akaiky indrindra amin’ny biby ao. Nisy liona hita nirenireny mihitsy aza teo akaikin’ny hotely lehibe iray, tamin’ny 1962, angamba mba hitaky ny toerana nalalaka nonenany taloha. Fa nahoana no lasa nifanakaiky toy izany ny fonenan’ny mponina an-tanàn-dehibe sy ny bibidia?

Saika tsy vita

Tsy mora ny nanangana io valan-javaboary io. Zava-tsarotra maro be no tsy maintsy noresena vao afaka nahazo fonenana voaro tsara ny biby ao. Nalalaka tsara ny faritra nandehandehanan’ny biby tatỳ Afrika Atsinanana, talohan’ny taonjato faha-20. Niara-niaina foana ny bibidia sy ny olona tamin’izany. Nalefan’ny olona niraoka ahitra teny akaikin’ny bibidia ny biby fiompiny. Nisy olona nihevitra ny bibidia sasany ho biby fiompy hafakely mihitsy aza!

Nisy mpihaza maro be tonga anefa teto, mba hitady bibidia vaventy. Nitondra basy izy ireo, ary ny hahazo bibidia faran’izay betsaka, mba hatao fahatsiarovana, no tanjon’ny maro taminy. Anisan’ireny i Theodore Roosevelt, filoham-pirenena amerikanina taloha. Tonga teto Kenya izy tamin’ny 1909, mba hanangona karazam-biby hotehirizina any amin’ny tranombakoka. Niaraka tamin’ny mpitaona entana sy mpihaza matihanina 600 izy, ka namono biby 500 mahery, ary nandefa ny hodiny tany Etazonia. Nisy mpihaza malaza hafa koa tonga teto tokony ho tamin’io fotoana io ihany, dia i Edward, Printsin’ny Pays de Galles. Nanjary be mpitia àry ny fihazana bibidia vaventy. Haingana kokoa sady mahitsy kokoa rahateo ny mitifitra amin’ny basy, raha oharina amin’ny tsipìka sy ny zana-tsipìka fampiasa hatramin’izay.

Vita koa ilay lalamby malaza mampitohy an’i Kenya sy Ouganda, izay noeritreretina hoe tsy ho vita mihitsy, ka nanjary nisy olona nifindra monina nanodidina an’i Nairobi. Vao mainka tsy afaka nandehandeha àry ny biby. Toa kely sisa tamin’izay, dia tsy hisy toerana ho azy ireo intsony.

Nisy olona nanomboka nilaza anefa, nandritra ireo taona 1930, fa tokony harovana ny biby. Anisan’ireny i Archie Ritchie, mpiambina biby, sy Mervyn Cowie, mpitana kaonty. Nanao konferansa sy namoaka lahatsoratra an-gazety izy ireo, ho fangatahana tamin’ny manam-pahefan’ny mpanjana-tany mba hanorina valan-javaboary. Hihena na hitsahatra mihitsy amin’izay ny famonoana biby tsy amin’ny antony. Nisalasala hanaiky ny fangatahan’izy ireo anefa ny fanjakana. Tsinjony mantsy fa efa kely sisa i Nairobi, dia ho tonga tanàna lehibe indrindra atỳ Afrika Atsinanana, ka tsy tiany hatokana ho amin’ny fiarovana biby sy zavamaniry fotsiny ny faritra sasany.

Mbola voasakana koa ny ezaka natao hiarovana ny biby, nandritra ny ady lehibe faharoa. Nanimba ilay toerana misy an’ilay valan-javaboary ankehitriny mantsy ny miaramila nanao fanazaran-tena. Niharam-pahavoazana tamin’ny ady koa ny biby. Lasa nisy miaramila foana koa teto, ary tsy natahotra olona intsony ny biby, ka nety ho sahy hihinana olona mihitsy. Mba hisakanana izany, dia nisy biby sasany novonoina, anisan’ireny ny liom-bavy iray be mpahalala, atao hoe Lulu, sy ireo namany mahafatifaty.

Niova hevitra ihany anefa ny fanjakana tatỳ aoriana. Maro àry ny zava-tsarotra resy, ka tratran’ny mpiaro biby ny tanjony. Nijoro ihany ny Valan-javaboarin’i Nairobi, tamin’ny 16 Desambra 1946, na dia nitaky fotoana be sy nahitana olana maro aza ny fanorenana azy. I Sir Philip Mitchell, izay governora notendren’ny mpanjana-tany ho eto Kenya, no nitokana azy. Io no valan-javaboary voalohany tatỳ Afrika Atsinanana.

Toerana mahafinaritra ny mpitsidika

Kely ihany ny Valan-javaboarin’i Nairobi, raha oharina amin’ny valan-javaboary hafa atỳ Afrika Atsinanana. Tombanana ho 117 kilaometatra toradroa ny velarany, ary 10 kilaometatra latsaka miala eo afovoan-tanàna ny fidirana aminy. Io hakeliny io anefa no tena mampahalaza azy. Vitsy kely mantsy ny valan-javaboary mitovy aminy maneran-tany, satria tsy dia fahita ny hoe ala misy bibidia mifanakaiky amin’ny tanàn-dehibe.

Noho io hakeliny io koa, dia tsy voatery handeha lavitra toy ny any amin’ny valan-javaboary lehibe ny olona, dia efa mahita ny ankamaroan’ireo biby lehibe (ankoatra ny elefanta). Misy karazam-biby mampinono 100 sy karazam-borona 400 mahery ao aminy. Eo akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Nairobi no misy an’io valan-javaboary io.

Afaka miala ao amin’ny hotely tsara tarehy ipetrahany ny mpitsidika tonga eto Nairobi, mandalo an’ireo trano fiasana avo be, ary afaka minitra vitsivitsy, dia mahita tany lemaka sy kirihitra ary ala, izay efa teo hatramin’izay. Afaka mahita ny fiainan’ny liona sy ny biby mpihaza hafa ny mpitsidika tonga ao amin’io valan-javaboary io. Tsy hay hadinoina mihitsy ireny bibidia manenjika remby ireny sy ireo tranobe mijoalajoala sy manjelanjelatra erỳ ambadik’izy ireo.

Feno bibidia ao, anisan’izany ny ombidia lehibe, leoparda, karazana kary be, zirafy, gidro, antilopa an-jato, ary tokantandroka (rhinocéros) mainty, izay tsy fahita firy sady madiva ho lany tamingana. Mijanona ao foana ny ankamaroan’ireo biby ireo. Misy andiam-biby maro be mpifindra monina, toy ny gnou, koa anefa tonga manodidina ireo dobo ao amin’io valan-javaboary io, mandritra ny vanin-taona maina amin’ny Febroary sy Martsa ary Aogositra sy Septambra.

Milona ao anatin’ny dobo sasany mandritra ny andro manontolo ny andiana hipopotama goavam-be toy ny endrika barìka, ary tsy mivoaka ao raha tsy ny alina, mba hiraoka ahitra. Antsoina hoe dobon’ny hipopotama ireny dobo ireny, ary mety tsara izany anarana izany. Misy lalan-kely namboarina manokana manodidina ireny dobo ireny, ka afaka miala ao anaty fiara ny mpitsidika ary manaraka ilay izy. Tandremo anefa, fa mety hampidi-doza izany, satria misy voay ny dobo sasany! Mety hitanina andro eo ambonin’ireo dongona kely eny amoron-drano izy ireo, nefa mety tsy ho hitan’ny mpitsidika akory. Raha tsy te ho lanin’ny voay àry ianao, dia miaraha amin’ny mpiambina foana.

Feno vorona be mpahalala koa ao amin’io valan-javaboary io. Lasa monina ao mihitsy ny aotirisy, izay ny vorona lehibe indrindra eran-tany. Mety hahatratra roa metatra mahery ny haavony. Manidina avo be eny an-tanàn-dehibe, ny vaotoro, izay vorona tsy dia tian’ny olona loatra. Ratsy tarehy izy, nefa mahasoa, noho izy mihinana fatim-biby. Mety hitondra bakteria mampidi-doza ho an’ny biby hafa mantsy ireny faty ireny.

Mety hahita ilay vorona antsoina hoe vorona sekretera koa ianao indraindray. Misy volo lava mitovy amin’ireny volom-borona fanoratan’ny sekretera fahiny ireny ao amin’ny hatony. Mailamailaka foana ny fandehany, ka toy ny hoe maika hamonjy fotoana lava izy. Ahitana takatra sy vano isan-karazany koa ao. Ny vano sasany toy ny hoe manao satroboninahitra, fa ny hafa kosa toy ny hoe misy laselin-tsoavaly mavomavo eo amin’ny vavany. Misy vorompotsy koa ao.

Ahitana karazan-javamaniry maro be koa ao, na dia kely ihany aza no fijery ilay toerana. Efa ho ny 6 isan-jaton’ny faritra andrefana no rakotra ala, ary mahazo rotsakorana 700 ka hatramin’ny 1 100 milimetatra isan-taona. Misy hazo isan-karazany any amin’io faritra io, ka manome endrika tsara tarehy ho an’ny manodidina. Tany lemaka sy lohasaha ary tendrombohitra mitomandavana kosa no any atsimo sy atsinanana, ary mahazo rotsakorana 500 ka hatramin’ny 700 milimetatra isan-taona. Azo lazaina hoe toerana be zavamaniry madinika io faritra io, satria feno karazana bozaka sy antrendry ary mimozà any.

Ahitana rindrim-bato avo be sy mitsatoka be koa ao amin’ilay valan-javaboary. Zato metatra eo ho eo ny haavony avy eo amin’ny tany lemaka. Mety ho reraka, na dia ireo tia mianika tendrombohitra aza, raha sahy manandrana mianika azy io izy!

Tandindomin-doza ilay valan-javaboary

Ny olombelona matetika no mitondra fahavoazana ho an’ny biby. Mety ho simba tanteraka atsy ho atsy ny Valan-javaboarin’i Nairobi, raha mitohy ny ‘fandrosoana’ ataon’ny olombelona. Malaza maneran-tany io valan-javaboary io, satria akaikin’ny tanànan’i Nairobi. Mitatra hatrany anefa ilay tanàna, ka vao mainka mihakely ny fonenan’ny biby ao amin’ilay valan-javaboary. Mihamaro ny olona mifindra manketo an-tanàn-dehibe, ka maro koa no mitady tany. Tsy afaka manohitra an’izany anefa ireo biby ireo. Mitondra fahavoazana ho an’ny zavamananaina rehetra ao amin’ilay valan-javaboary koa ny rano maloto avy amin’ireo orinasa manodidina.

Raha tiana hateza koa io valan-javaboary io, dia tena ilaina ny lalana ahafahan’ny biby sasany mifindra monina. Nofefena ny ankamaroan’ilay toerana, mba tsy hahafahan’ny biby handehandeha any an-tanàna. Misy faritra kely tsy nofefena any atsimo mba hivoahan’ny biby, rehefa hifindra monina. Mihamitombo anefa ny fambolena sy ny fiompiana ataon’ny olona any akaikin’io faritra io, ka manakantsakana ny fivezivezen’ireo biby. Raha tsy misy lalana andehanan’izy ireo intsony eo amin’ilay faritra, dia mety hisy vokany ratsy eo amin’izy ireo izany. Mety tsy ho afaka hiverina ao amin’ilay valan-javaboary intsony ny biby mivoaka any ivelany mba hitady ahitra! Mba hisian’ny lalana ivezivezen’ny biby mpifindra monina, dia nanofa tany teo akaikin’ilay valan-javaboary ny Sampan-draharahan’i Kenya Mikarakara ny Zavamiaina any An’ala, izay ny fikambanana lehibe indrindra eto Kenya miaro ny biby. Na dia eo aza ireo olana rehetra ireo, dia mbola mahasarika mpitsidika an’arivo isan-taona ihany ny Valan-javaboarin’i Nairobi, noho ireo zavatra mahavariana ao aminy.

[Sary, pejy 24]

Zirafy

[Sary, pejy 25]

Leoparda

[Sary, pejy 26]

Andiana “marabouts”

[Sary, pejy 26]

Voay

[Sary, pejy 26]

Liona

[Sary, pejy 26]

Vano manao satroboninahitra

[Sary, pejy 26]

Tokantandroka mainty

[Sary, pejy 26]

Aotirisy