Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Roso ny Andian-tafika!

Roso ny Andian-tafika!

Roso ny Andian-tafika!

“Mipetraka any Belize izahay. Tanàna kely eo an-dalam-pivoarana sy be zavamaniry ilay misy anay. Indray maraina, tokony ho tamin’ny sivy dia nisy nanafika ny tranonay. Nibosesika niditra ny trano avy teo ambany varavarana sy avy tamin’izay hirika rehetra azo nidirana ny tafi-bitsika, nitady sakafo. Ny hany azonay natao dia ny nandao ny trano, nandritra ny adiny iray na roa nanjakan’ireo vitsika tao. Nadio tanteraka ny trano nony niverina izahay. Tsy nisy tavela na bibikely iray aza.”

MAHAZATRA NY MPONINA any amin’ny tany mafana toa an’i Belize ny fisehoan-javatra toy izany, sady tsy mampaninona ny olona loatra. Manala ny kalalao sy bibikely hafa ao an-trano mantsy izany, nefa tsy manakorontana.

Mahavariana fa miara-monina sy miara-miasa toy ny tafika ilay karazam-bitsika resahina eto. * Tsy mba manorina trano izy ireo fa toy ny andian-tafika mpifindrafindra toby. Toy izao ny fanaovan’izy ireo ny tobiny: Mampifampidipiditra ny tongony ireo vitsika iray hetsy mahery, mba ho lasa rindrina manodidina ny renivitsika sy ny zanany. Miainga avy amin’io toby io ireo andiam-bitsika alefa hitady sakafo. Manao laharana maromaro izy ireo, ary mandeha mihaza bibikely na biby madinika hafa, toy ny katsatsaka. Mampiasa tetik’ady ny andiam-bitsika rehefa hihaza, ka ny filohan’ny laharana tsirairay no mitarika ilay tetik’adim-panafihana. Miahotra ilay filoha ary mijanona rehefa tsy mandre fofona azony arahina intsony. Mandroso ihany anefa ireo vitsika avy any aoriana, ka lasa mivangongo maromaro eny amin’ilay laharana any aloha. Misampantsampana ilay filaharana avy eo, ka hodidinin’ireo andiam-bitsika ny hazany.

Toy izao ny fiainan’ireo tafi-bitsika, isaky ny 36 andro: Mandeha mihaza ilay tafika, mandritra ny 16 andro eo ho eo. Mijanona amin’ny toerana iray izy ireo avy eo mandritra ny 20 andro manaraka, fotoana hanatodizan’ilay renivitsika. Noana ry zareo rehefa afaka izany, ka mandeha manafika indray. Mirefy efa ho folo metatra amin’izay, ny sakan’ny filaharan’ireo tafi-bitsika. Mandositra azy ireo ny hala, maingoka, voangory, sahona, ary ny katsatsaka, ka lasa eny amin’ny sisin’ilay filaharana. Manaraka avy ato aoriana kosa ny vorona, mba hihaza an’ireo bibikely mandositra.

Lazain’ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 30:24, 25, fa “hendry sady mahay” ny vitsika. Iray amin’ireo zava-mahatalanjon’ny famoronana tokoa izy ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Karazam-bitsika atao hoe Eciton, fahita any Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo, no resahina eto.

[Sary, pejy 31]

Vitsika

[Sary nahazoan-dalana]

© Frederick D. Atwood

[Sary, pejy 31]

Mampifampidipiditra ny tongony ireo vitsika, mba ho lasa rindrina

[Sary nahazoan-dalana]

© Tim Brown/www.infiniteworld.org