Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tongava Hihaino Ilay Lahateny ho An’ny Besinimaro hoe: “Iza Ankehitriny no Manom

Tongava Hihaino Ilay Lahateny ho An’ny Besinimaro hoe: “Iza Ankehitriny no Manom

Tongava Hihaino Ilay Lahateny ho An’ny Besinimaro hoe: “Iza Ankehitriny no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?”

Mety ho sarotra amin’ny mpivavaka ny mahazo ny tena hevitry ny hoe manome voninahitra an’Andriamanitra. Angaha moa Andriamanitra tsy efa mpanjaka avo indrindra eo amin’izao rehetra izao? Koa nahoana àry no hanome voninahitra azy indray ny olombelona? Tena azo atao anefa izany. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra izy.” (Apokalypsy 14:7) Manome voninahitra an’Andriamanitra isika, ohatra, rehefa “mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” (Lioka 11:28) Tena manaja sy manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny Baiboly, isika rehefa mianatra azy io sy mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny toro lalany.

Iza anefa ankehitriny no manome voninahitra an’Andriamanitra amin’izany fomba izany? Olona maro be no milaza ho mpivavaka. Ampy mba hiderana an’Andriamanitra ve anefa ny maha mpivavaka? Ahoana no hahazoantsika antoka fa mahafaly sy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fomba fivavahantsika? Hovaliana ireo fanontaniana ireo mandritra ilay lahateny mampahery mitondra ny lohateny hoe: “Iza Ankehitriny no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?” Hatao any amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, manomboka amin’ity volana ity. Hisy fivoriambe an-jatony halamina maneran-tany. Manontania Vavolombelon’i Jehovah mba hahafantaranao ny toerana akaiky anao indrindra hanaovana azy io, na manorata any amin’ny mpampanonta ity gazety ity. Manome ny lisitry ny tanàna hanaovana ireo fivoriambe eto Madagasikara ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2003.