Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Tena Mitombo ve ny Asa Vita?

“Ny 25 isan-jaton’ireo Kanadianina izao no miasa mandritra ny 50 ora isan-kerinandro, kanefa 10 isan-jato monja izany tamin’ny folo taona lasa.” Izany no tatitra nataon’ny gazety Vancouver Sun. Nanontaniana ny mpiasa kanadianina 31 500, ka hita fa “ny antsasak’izy ireo no manohy ny asany any an-trano na mandritra ny faran’ny herinandro. Ora 27 fanampiny isam-bolana no omen’izy ireo maimaim-poana ny mpampiasa azy amin’izany.” Ny teknolojia no tena mahatonga izany. Milaza ilay gazety hoe: “Hita tamin’ilay fanadihadiana fa ny ankamaroan’ilay asa tsy andraisan-karama ataon’ny mpiasa any an-tranony, dia . . . asa ampiasana ordinatera avokoa.” Tsy nampihena ny andro iasana ho efatra isan-kerinandro akory ny teknolojia, mba hananana fotoana betsaka hialana voly. Vao mainka kosa aza “ny teknolojia nahatonga ny mpiasa hirotoroto, harary, ho reraka loatra, ary tsy ho tonga hiasa matetika. Mitondra zava-manahirana hafa, izay mampihena ny asa vita, izy io.” Hoy koa ilay gazety: “Miaiky ny ankamaroan’ireo nanontaniana fa, vokatry ny teknolojia, dia tsara kokoa ny asany, sady nitombo ny zava-bitany. Tsy nisy nilaza anefa hoe nampihena ny habetsahan’ny asany ny teknolojia, na nahatonga azy tsy hirotoroto loatra intsony.”

Fandotoana ny Tanàn-dehibe

“I Mexico, Caracas, Bogotá, ary La Havane no anisan’ny tanàna maloto indrindra eran-tany”, araka ny gazety El Universal any Mexico. Izany no valin’ny fanadihadiana nivoaka tany Londres, nataon’ny fikambanana iray mpandinika ny fiaraha-monina. Nojerena ny vokatry ny fandotoana ireo tanàna eran-tany, ka nodinihina ny hadion’ny rivotra, ny fanariana fako sy rano maloto, ny fandriampahalemana, ny fampianarana, ny fitaterana, ary ireo asa ho an’ny vahoaka. I Zurich sy Vienne no anisan’ny tanàna tsara fiainana indrindra any Eoropa. I Calgary sy Honolulu kosa no tanàna madio indrindra eran-tany. Araka ilay tatitra ihany, dia i San Juan, any Porto Rico, no heverina fa tanàna mahafinaritra sy mahate honina indrindra any Amerika Latinina.

Ny Voka-dratsin’ny Fisaraham-panambadiana

Nandinika ireo lahatsoratra 100 nivoaka an-gazety nandritra ny 20 taona mahery i Rebecca O’Neill, mpiandraikitra ny Fanadihadiana ny Fiainam-pianakaviana. Nolazainy fa “raha jerena ny ankamaroan’ireo reny sy ray ary ankizy, dia ireo ao amin’ny ‘fianakaviana tsy misy ray’ no mahantra, tratran’ny ratram-po, marary lava, tsy mba afaka mivoatra, ary miovaova ny fiainany.” Lazain’i O’Neill, araka ny gazety The Sunday Telegraph any Londres, fa ireo ankizy manana ray aman-dreny nisaraka no ‘tena atahorana tsy ho salama sy hitsoaka hiala ny tranony, ary hiharan’ny fampijaliana.’ Hoy koa ilay gazety: ‘Rehefa tsy miara-mipetraka amin’ny tena rainy ny ankizy dia somary sahirana ihany rehefa mifandray amin’ny olon-kafa, sy rehefa any am-pianarana. Misotro toaka ireo zatovo, sady mifoka sigara sy rongony, ary manao asan-jiolahy. Mbola kely izy ireo dia efa manao firaisana sy miteraka.’ Lazain’ilay tatitra fa ny ankizy tezain’ny rainy sy ny reniny dia tsy atahorana firy hahita ireo zava-manahirana mpahazo ny zanak’ireo ray na reny tokan-tena, na dia samy mahantra aza izy ireo.

Fahafatesana Mahatsiravina Vokatry ny Famonoan-tena

Milaza ny gazety The Independent any Londres fa “ny famonoan-tena ihany maneran-tany no tena mahatonga ny olona ho faty amin’ny fomba mahatsiravina.” Voalazan’ilay lahatsoratra koa fa olona 1,6 tapitrisa no maty tamin’ny fomba nahatsiravina tamin’ny taona 2000, araka ny tatitra navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Olona 815 000 no namono tena tamin’io taona io, 520 000 no nisy namono, ary 310 000 no maty tamin’ireo ady sy fifandonana. Milaza koa ilay gazety fa ny ankamaroan’ireo olona maty tamin’ny taona 2000, dia “tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary latsaka ny 10 isan-jato no tany amin’ny firenena mandroso.” Avo efatra heny noho ny tany Grande-Bretagne ny isan’ireo namono tena tany Biélorussie sy Estonia ary Litoania. Maherin’ny avo roa heny noho ny famonoan-tena ny vonoan’olona any Afrika sy Amerika Avaratra sy Atsimo. Any Aostralia sy Eoropa ary Extrême-Orient kosa dia maherin’ny avo roa heny noho ny vonoan’olona ny famonoan-tena.

Ankizy Tsy Ampy Torimaso

Milaza ny gazety U.S.News & World Report fa raha tsy ampy torimaso ny ankizy, dia misy voka-dratsy lehibe eo amin’ny fahasalamany izany. Sady tsy maharaka any am-pianarana ny ankizy tsy ampy torimaso, no tsy mora mahita namana. Lazain’ilay gazety fa “raha tsy mahazo ny torimaso ilainy ny ankizy, dia manjary tsy afaka mifantoka ela, kizitina, mora misafoaka, ary tsy manam-paharetana.” Sahiran-tsaina ny dokotera satria ny ray aman-dreny ihany matetika no mahatonga izany zava-manahirana izany. Hoy ilay mpitsabo aretin-tsain’ankizy antsoina hoe Braun-McDonald: “Mila alamina indray ny fiainanareo raha toa ka amin’ny 11 alina ny ankizy mbola miara-manao zavatra amin’ny fianakaviana ihany.” Tokony hametra fotoana hatorian’ny ankizy sy hifohazany ny ray aman-dreny, na dia amin’ny faran’ny herinandro aza, mba ho zatra matory amin’ny fotoana mety amin’ny fahasalamany ny ankizy. Toroana hevitra koa ny ray aman-dreny mba hanao zavatra tsy tapaka alohan’ny hatorian’ny zanany, toy ny mampandro sy mandrotsirotsy azy ireo, ary mamaky boky misy tantara ho azy. Mila ferana koa ny fijerena tele na fampiasana ordinatera aorian’ny ora fatoriana.

“Lalao sy Tsakitsaky ary Ra”

Lazain’ny gazety IHT Asahi Shimbun fa tian’ireo tanora japoney ny mankany amin’ny “trano malalaka mampahazo aina, izay misy filma, lalao amin’ny ordinatera, tsakitsaky, ary fanorana tongotra koa aza. Azo idirana maimaim-poana any amin’ireny trano ireny, fa ny hany takina dia ny fanomezana ra.” Toerana fanangonana ra iandraiketan’ny Fikambanana Vokovoko Mena Japoney mantsy izy ireny. “Toerana toy ny fanaovana lanonana no anomezan’ny olona ny rany”, hoy ilay gazety. “Betsaka ny tanora mijanonjanona any amin’ireny toerana ireny rehefa avy nanome ra, ka mankafy ireo mofomamy sy ranom-boankazo ary lalao amin’ny ordinatera, omena maimaim-poana. Manintona azy ireo koa ny fanambarana ny hoavy maimaim-poana, izay atao imbetsaka mandritra ny herinandro.” Misy koa fampianarana momba ny fanatsaran-tarehy sy ny fanorana. Misy rindran-kira ary fivarotana kojakoja ao an-trano sy fitafiana efa nampiasaina koa any. Ovan’ny Vokovoko Mena ho toy izany avokoa ny toerana misy azy ireo manerana an’i Japon, mba hampitomboana ny fanomezana ra, izay tena efa nihena be teo aloha. Hoy ilay gazety: “Nahakivy sy nampahatahotra” ireny toerana ireny teo aloha, kanefa lasa “toerana tena falehan’ireo tanora latsaka ny 20 taona sy maherin’izany izy ireny izao.”

Mandoto Ranomasina Ireo Sambo Mpitondra Olona

Milaza ny gazety The Sunday Times any Londres fa “mampidi-doza ny zavaboary ao an-dranomasina ny fandotoana ataon’ireo sambo mirentirenty. Mitondra mpitsangantsangana an-tapitrisa isan-taona izy ireny, mba ho any amin’ireo toerana mahafinaritra sy lavitra indrindra amin’ny tany.” Isan’andro, ny sambo lehibe iray, izay mitondra mpandeha sy mpiasa 4 000 eo ho eo, dia manary rano misy solitany be dia be, sy rano maloto avy amin’ny efitra fandroana sy fanasan-damba, miampy zavatra simika misy poizina 70 litatra sy fako fito taonina. Betsaka lavitra noho ny fako arian’ny mpandeha any an-dranomasina ny fakon’izy ireo rehefa manao vakansy etỳ an-tanety. Tamin’ny taona 2000 dia sambo 240 no nitondra olona folo tapitrisa tany amin’ny toerana misy tontolo iainana mora simba, toy ny any amin’ny Helodrano Mangatsiakan’i Alaska, ireo haram-bato sy nosy feno vato harana any Karaiba, ny morontsiraka manan-tantaran’i Mediterane, ary na dia ny Tendrontany Atsimo aza. Tombanana ho 50 ny sambo fanampiny hampiasaina amin’ny taona 2005. Hoy i Roger Rufe, avy amin’ny Fiarovana ny Oseana: “Tena be mpandeha ireny sambo mpitondra olona [manao vakansy] ireny, saingy toy ny tanàna eny ambony rano izy ireny, nefa tsy misy lalàna momba ny fanariana fako sy rano maloto.”

Tsy Be Mpividy Intsony Ireo Fahatsiarovana ny Papa

“Nahazoam-bola be ny fivarotana zavatra mifandray amin’ny fivavahana, [tany Polonina]”, nandritra ny taona maro, araka ny gazety Newsweek any Polonina. Tsy nandeha loatra intsony anefa ny fivarotana sary masina tato ho ato. Na dia nankalazaina be aza ny fandalovan’ny Papa tany Polonina tamin’ny 2002, dia vitsy ny olona nividy zavatra momba ny fivavahana nentim-paharazana, toy ny firavaka sy ny hoso-doko. “An-tapitrisa ireo sary vongana vita amin’ny platira sy vy, sy sary hoso-doko, ary sary sokitra mampiseho ny sarin’ny Papa”, hoy ilay gazety, “saingy lasa mifidifidy izao ny mpividy.” Misy zava-baovao malaza indray anefa izao. Izany dia karatra plastika misy “sary masina” eo amin’ny lafiny iray, ary “sarina sapile mivolom-bolamena” eo amin’ny lafiny iray. Ireny “karatra sapile” ireny izao no fahatsiarovana ny Papa “nivoaka farany indrindra sy tian’ny olona indrindra”, araka ilay gazety mivoaka isan-kerinandro any Polonina atao hoe Wprost.