Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hiatrehako ny Loza Mamely Tampoka?

Ahoana no Hiatrehako ny Loza Mamely Tampoka?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Ahoana no Hiatrehako ny Loza Mamely Tampoka?

“Nahoana i Neny no novonoin’ny mpampihorohoro?”—Kevin. *

“Tiako ny miditra tionelina [talohan’ny 11 Septambra]. Izao anefa aho lasa mieritreritra foana hoe hipoaka ilay tionelina idirako ka ho faty ao aho.”—Peter.

MATY nandritra ny fanafihana ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena tany New York, ny 11 Septambra 2001, ny renin’i Kevin. Tsy nidonam-pahoriana mafy toy izany i Peter, kanefa tena nisy vokany lalina taminy iny fisehoan-javatra iny.

Hoy ny filazam-baovao iray: “Ankizy maro eto New York no voan’ny karazana aretin-tsaina, vokatr’iny [fanafihana tamin’ny] 11 Septambra iny. Mety tsy ho sitrana ny ankamaroan’ireny ankizy ireny mandra-pahalehibeny.” Manaitra ny mahita fa ‘ankizy maro tsy nanatri-maso ilay fanafihana akory’ no mivarahontsana tanteraka “toy ireo ankizy maro hafa nahita ny nitrangan’ilay loza.” *

Mety ho toy izany koa ny vokatry ny loza hafa, toy ny olona manapoaka baomba hamonoana ny tenany sy olon-kafa koa, izay mateti-pitranga any Israely. Eo koa ny tifitifitra tsy amin’antony atao any an-toeran-kafa. Momba ny tifitifitra toy izany dia hoy ny mpitsabo aretin-tsaina iray: “Mety ho vao mainka hampitebiteby ny ankizy ireny tifitifitra ireny, eny fa na ireo ankizy mipetraka any amin’ny 3 000 kilaometatra miala eo aza.”

Nahoana? Satria tototry ny filazam-baovao ny tanora rehefa misy loza mitranga. Averimberina foana amin’ny vaovao ny sary mampihoron-koditra ahitana fanafihana amin’ny baomba, sy fitifirana any an-tsekoly na loza araka ny natiora. Tsy mety afaka ao an-tsain’ny tanora àry ireny sary ireny. Efa nampoizina ny vokatry ny fanadihadiana natao ho an’ny Filan-kevitra Momba ny Fanabeazana any New York. Toy izao ny tatitra voaray: “Mbola nieritreritra matetika an’ilay fanafihana foana ny 76 isan-jaton’ireo mpianatra 8 266 nanontaniana tany amin’ny sekolim-panjakana, na dia enim-bolana taorian’ny nianjeran’ireo Tranobe Kambana aza.”

Miaina amin’ny fotoana antsoin’ny Baiboly hoe “andro mahory” isika ankehitriny. (2 Timoty 3:1-5) Koa ahoana àry no hiatrehanao ireo loza mampahory? *

Nahoana no misy ny fahoriana?

Fomba iray ahafahanao miady tsy ho resin’ny fihetseham-po ny fananana ‘saina madio’, izany hoe fahaizana misaina tsara. (2 Petera 3:1) Miezaha hahay hisaina sy hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra. Ilainao angamba, ohatra, ny mitadidy fa maro amin’ireo loza no vokatry “ny fotoana sy ny sampona” fotsiny. (Mpitoriteny 9:11) Niresaka momba ny nianjeran’ilay tilikambo tany Siloama i Jesosy mba hanamarinana izany. Olona 18 no maty tamin’io loza io. Nohazavain’i Jesosy tamin’izay fa tsy hoe nosazin’Andriamanitra akory ireo olona ireo. Maty fotsiny izy ireo satria teo amin’ilay toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. (Lioka 13:1-5) Hanampy anao hanana fomba fijery voalanjalanja momba ny loza ny fieritreretana izany.

Ny fahaizana misaina tsara koa, dia hisakana anao tsy ho “sosotra” amin’i Jehovah na hanome tsiny azy noho ireo fisehoan-javatra mampalahelo. (Ohabolana 19:3) “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, ka tsy izy mihitsy no hampahory antsika. (2 Korintiana 1:3) Mila manatona an’i Jehovah isika rehefa mitranga ny loza, fa tsy ho sosotra ka hihatakataka aminy. Saintsaino izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 1:13 hoe: “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.” *

Azo raisina ho ohatra hanazavana izany ilay loza tena nampalahelo nitranga tany Moyen-Orient, taonjato maro lasa izay. Araka ny Baiboly, dia nitatitra toy izao ilay hany sisa velona tamin’io loza io: “Nisy afon’Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman-osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy.” (Joba 1:16) Loza izany ka loza! Raiki-tahotra ilay lehilahy ary tena nihevitra fa Andriamanitra no nahatonga ilay afo. Tsy tompon’andraikitra tamin’izany velively anefa Izy. Asehon’ny Joba 1:7-12 fa tsy avy tamin’Andriamanitra ilay afo, fa avy tamin’i Satana Devoly, ilay Fahavalon’Andriamanitra!

Toe-javatra naningana io nitranga io. Fahazoan-dalana manokana ilay nomen’i Jehovah an’i Satana hitsapana ny tsy fivadihan’i Joba. Aza manatsoaka hevitra àry hoe i Satana no mahatonga ny loza araka ny natiora rehetra, toy ny oram-baratra sy tondra-drano. * Na izany aza anefa dia milaza ny Baiboly hoe: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19) Araka izany, dia mety hampiasa olona koa i Satana mba handripahana sy hamonoana olona.

Tsy tokony hanary toky anefa isika na dia izany aza. Diniho ny fisehoan-javatra mampalahelo iray hafa voarakitra ao amin’ny 1 Samoela 22:12-23. Hitantsika ao fa novonoina tamin-kabibiana ny mpisorona mahatoky maro mbamin’ny fianakaviany. Tsy isalasalana fa i Satana no anisan’ny nampirisika an’i Saoly mpanjaka ratsy fanahy hanao zavatra tsy mifaditrovana toy izany. Natoky anefa i Davida, izay lasa mpanjaka tatỳ aoriana, fa tsy maintsy haringan’Andriamanitra ireo ratsy fanahy tompon’andraikitra tamin’iny loza nahatsiravina iny. Nanoratra momba izany izy ao amin’ny Salamo faha-52.—Salamo 52:5.

Matokia koa ankehitriny fa tsy havelan’Andriamanitra hitohy mandrakizay akory ny famonoana olona sy ny herisetra, izay samy asan’ny Devoly. Mampanantena tokoa ny Baiboly fa Andriamanitra dia hampiasa tsy ho ela an’i Jesosy Zanany, mba “handrava ny asan’ny devoly”! (1 Jaona 3:8) Hofafany tanteraka amin’ny farany ny vokatry ny asa ratsin’i Satana. Hanangana ny maty Andriamanitra, ary hamelona indray ireo maty noho ny asa fampihorohoroana sy ny herisetra.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Fomba hiatrehana ny loza

Manampy anao tsy ho resin’ny tahotra izany fampanantenana miorina amin’ny Baiboly izany. Misy zavatra hafa azonao atao koa anefa. Saintsaino, ohatra, ny toro lalan’ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 12:25. Rehefa mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny hafa ihany ianao, vao mety hahazo “teny soa” mampahery. Ho tsapanao amin’izay fa tsy miady irery amin’ny ngidin’ny fahoriana akory ianao. Rehefa ketraka àry ianao, dia aza misalasala mamboraka izany amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristianina matotra eo anivon’ny fiangonana. *

Misy soso-kevitra hafa koa ity: Aza mijery matetika loatra sary sy horonan-tsary mampiseho loza mampalahelo. Tsy ho afaka ao an-tsainao mantsy ireny sary mahaketraka ireny raha jerenao foana.—Salamo 119:37.

Tohizo foana ireo asa kristianina mahazatra anao, raha Kristianina ianao. (Filipiana 3:16) Atreho foana, ohatra, ireo fivoriana kristianina, ary manohiza mizara ny finoanao amin’ny hafa. (Hebreo 10:23-25) Hanampy anao tsy hieritreritra foana zavatra mahaketraka izany. Vao mainka ho simba ny fihetseham-ponao sy ny fahasalamanao ara-panahy raha mitokantokana ianao.—Ohabolana 18:1.

Tena hanampy anao hiatrika tarehin-javatra mahaketraka koa ny fanohizana mamaky Baiboly isan’andro. Voan’ny kansera, ohatra, ny renin’i Loraine ka maty. Mariho ny fomba niatrehany ilay toe-javatra mampalahelo. Hoy izy: “Tsaroako fa namaky imbetsaka ny bokin’i Joba aho rehefa nidonam-pahoriana. Tena nampionona ahy koa ny bokin’ny Salamo. Toy ny hoe mamihina ahy i Jehovah, rehefa namaky ireo teny mampionona avy ao amin’ny Baiboly aho.” Hoy koa i Mishael rahavaviny: “Hitako foana ny vokany, rehefa nisy andro nanadinoako namaky Baiboly. Lasa ho azy ny saiko mieritreritra zavatra mahakivy. Mahazo ny sakafo ara-panahy ilaiko kosa aho rehefa mamaky Baiboly isan’andro.”

Tena ho loharanom-pampiononana ho anao koa ny boky Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, * raha nidonam-pahoriana ianao, indrindra fa raha namanao na havanao akaiky no maty. Makà fotoana hamakiana sy handinihana ireo andinin-teny tsirairay resahina ao. Saintsaino koa ny momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Hoy ihany i Loraine: “Alaiko sary an-tsaina foana hoe tena tafatsangana amin’ny maty i Mamanay, ary mody ao an-trano. Ohatran’ny hitako izy manontany ahy hoe: ‘Efa tonga aho ka inona no laoka nandrahoin’indrỳ?’ Mitsiky aho mieritreritra izany.”

Manatanjaka koa ny mivavaka amin’i Jehovah rehefa mitranga ny loza tena ratsy. Hoy i Loraine: “Tao an-trano aho tamin’i Mamanay niala aina. Tonga aho aloha dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hanomezany ahy hery hiatrehana sy hizakana ilay zava-nitranga. Nahatsapa fahatoniana avy tamin’Andriamanitra avy hatrany aho avy eo.” Farito tsara izay angatahinao rehefa mivavaka amin’i Jehovah ianao. Resaho aminy amin’ny an-tsipiriany izay tsapanao. Hoy indrindra ny mpanao salamo hoe: “Loary eo anatrehany ny fonareo.”—Salamo 62:8.

Tsy maintsy hitombo arakaraka ny fandehan’ny fotoana ny fahoriana etỳ an-tany. (2 Timoty 3:13) Mampanantena anefa ny Baiboly hoe: “Ny mpanao ratsy hofongorana . . . Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:9-11, 29) Hiatrika amim-pahombiazana ny loza ianao raha matoky io fampanantenana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 6 Milaza ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina fa ireny aretin-tsaina ireny dia mety hahatonga ny olona tsy hihontsina, hanonofy ratsy, hitokantokana, hitsahatra amin’ny asa fanao mahazatra, hahatsiaro tena ho meloka, ary ho tezi-dava.

^ feh. 9 Miresaka momba ny loza mihatra amin’ny fitambaran’olona ity lahatsoratra ity. Azo ampiharina koa anefa ireo torohevitra omeny, rehefa misy loza manjo ny olona tsirairay, toy ny rehefa mamoy olon-tiana amin’ny fahafatesana.

^ feh. 12 Manazava bebe kokoa ny antony hamelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy, ny toko faha-7 amin’ny boky Mivavaha Aminilay Hany Andriamanitra Marina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 14 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1975.

^ feh. 18 Mety hilaina anefa ny manatona dokotera raha tena mafy ny fahoriam-po na fahaketrahana.

^ feh. 22 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 14]

Tsy tsara angamba ny mijery matetika sary sy horonan-tsary mampiseho loza mampalahelo