Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Teny Fiderana ny Mifohaza! Tena mendri-piderana mihitsy ianareo amin’ny famoahanareo ny Mifohaza! Manome fanantenana ny olona ianareo. Ny mpifanila trano taminay no nanome ahy voalohany Mifohaza! anankiroa, tamin’ny nahafatesan’ny vadiko. Kivy sy nalahelo aho, ary tsy te hihaona na tamin’iza na tamin’iza. Nihatony kokoa anefa aho rehefa namaky ny gazetinareo, ary nanjary tsapako fa tsy vita hatreo akory ny fiainako. Nitondran’ny zanako vavy nomerao roa hafa aho tatỳ aoriana. Ny mpitsabo mpanampy no nanome azy izany, tamin’izy tany amin’ny hopitaly. Avy eo dia nomen’ny Vavolombelona Mifohaza! vitsivitsy aho teny an-dalana. Mifohaza! vitsivitsy monja no ananako, saingy mamaky sy mamerina mamaky an’izy ireny aho rehefa kivy. Mampianatra ny olona izay tsara izy ireny, ary manampy azy hahatakatra ny fihetsiky ny olona.

I.Y.A., Rosia

Fahalemena Misaotra anareo tamin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Manamaivana ny Fahalementsika ve Andriamanitra?” (8 Novambra 2002) Io tokoa no fanampiana tsara indrindra azoko hatramin’izay. Tena manampy ny mahafantatra ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fahalementsika.

E. C., Etazonia

Nivavaka tamin’i Jehovah momba ny zava-nanahirana ahy aho, ary nanantena valiny. Namoaka io lahatsoratra io ianareo avy eo. Nanao vavaka fisaorana aho, rehefa avy namaky azy io.

M. I., Japon

Soavaly Dia Misaotra betsaka tamin’ilay lahatsoratra hoe “Tendrombohitra Novana ho Tsangambaton’i Soavaly Dia.” (8 Novambra 2002) Tena tonga ara-potoana ilay izy, ary nampiasaiko mba hanomanako famelabelarana momba ny fomba fiainan’ny Sioux sy ny Cheyenne. Nidera ny asako ny mpampianatra! Misaotra.

F. V., Etazonia

Fihaonana Vao avy novakiko izao ilay lahatsoratra hoe “Fihaonana Hafakely 30 Taona Tatỳ Aoriana.” (8 Novambra 2002) Tena velom-pankasitrahana aho ary faly sady malahelo. Faly aho satria lasa nahafantatra an’i Jehovah i Mark Ruge sy Dennis Sheets. Malahelo koa anefa aho, satria tsy nanaraka ny lalan’ny fahamarinana ny sasany amin’ireo zanako dimy, na dia notezaina tamin’ny naha Kristianina aza. Afaka nanalavitra fahoriana maro be izy ireo raha nanaraka ny lalan’Andriamanitra fotsiny! Mivavaka tsy tapaka aho mba hanarahan’izy ireo ny lalana marina any aoriana any. Misaotra tamin’ilay lahatsoratra. Tena ilaina ilay izy.

M. O., Etazonia

Zavatra Mahakenda Nilaza ilay mpamaky tao amin’ny “Avy Amin’ny Mpamaky” tamin’ny 8 Desambra 2002, fa mahakenda ny ankizy ny saosisy. Nahagaga ahy ilay valin-teny nomena azy. Mahakenda ny ankizy koa ny karaoty!

A. R., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Misaotra an’io mpamaky io izahay noho ilay fanamarihana. Milaza toy izao ny gazetikely iray momba ny fikarakarana ny ankizy: “Ny saosisy, voanjo, vatomamy, ary voaloboka no sakafo efatra niteraka fahafatesan’ny ankizy be indrindra, na dia fantatra aza fa mety hahakenda azy koa ny sila-paoma, karaoty manta, biscuits sy poa-katsaka.” Na izany aza, dia mampitandrina ny mpitsabo fa mety hampidi-doza an’ireo zaza latsaka ny herintaona ny karaoty manta.