Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Ampiasaina Sady Arovana ve ny Alan’ny Tany Mafana?

Azo Ampiasaina Sady Arovana ve ny Alan’ny Tany Mafana?

Azo Ampiasaina Sady Arovana ve ny Alan’ny Tany Mafana?

RARINY ve raha mandripaka tanteraka ny alan’ny tany mafana ireo mpitrandraka ala? Hamaly avy hatrany angamba ianao hoe: “Tsia!” Manizingizina anefa ny mpiaro ny tontolo iainana fa maro amin’ireo izay namaly toy izany no efa nandray anjara tamin’ny fanimbana ny ala. Efa nividy fanaka hazo tsara tarehy sy be mpitia, ohatra, ireny olona ireny. Tsy hazo ambolena mantsy matetika no nanaovana ireny fanaka ireny, fa hazo nalaina tany an’alan’ny tany mafana.

Matetika no lazaina ho mandripaka ny ala ny fitrandrahana azy. Ary marina tokoa fa ala maro no lany ripaka satria notrandrahina. Misy koa anefa milaza fa nisy ala notrandrahina nefa tsy simba be. Ho ripaka noho ny fitrandrahana azy àry ve ny ala sy ny zavamiaina ao aminy? Andeha hojerentsika aloha hoe amin’ny ahoana no mety hanimba ny ala ny fitrandrahana azy.

Nahoana no ripaka ny ala sy ny zavamiaina ao aminy?

Toy izao no fisehoan’ny tantara: Mamaky lalana any afovoan’ny ala aloha ny bilidaozera. Miditra an-tsehatra avy eo ny mpitrandraka, mampiasa tsofa elektrika. Fahazoan-dalana mandritra ny fotoana voafetra ihany no omena ny kompania mpitrandraka, ka omena toromarika ny mpiasa hikapa ny hazo tsara rehetra. Midaraboka ireo hazo lehibe ary simba koa ny hazo hafa eo akaikiny, satria misy vahy mampifamatotra azy ireo. Mamakivaky ny lobolobo avy eo irony fiara mandeha amin’ny kodiarana vy irony, ary mitarika ny hazo hivoaka ny ala. Mavesa-be ireny fiara ireny ka lasa mifatratra sy simba ny tany lalovany.

Mahalany hena betsaka kokoa ny mpiasan’ny kompania mpitrandraka, raha oharina amin’ny mponina eo amin’ny manodidina. Lasa toeram-pihazana àry ny ala, ary matetika no betsaka noho ny ilaina ny biby vonoin’ireo mpiasa. Azo idirana izao ilay toerana, satria efa novakin’ireo mpitrandraka ny lalana. Malalaka izao ny hidiran’ireo mpihaza mitondra fiara sy basy, hamono ny bibidia sisa tavela. Misy koa olona sasany tonga hisambotra ireo biby kely kokoa sy vorona azo amidy. Olona tsy manan-tany an’arivo kosa no mieritreritra ny hivelona eo amin’ilay tany vaovao, ka manorim-ponenana eo. Dorany ny hazo sisa miangana, mba hahafahany hanao voly an-tavy, ka lasan’ny rano ny nofon-tany rehefa avy be ny orana.

Simba tanteraka ilay ala amin’ny farany, ary ny nitrandrahana azy no dingana voalohany tamin’izany. Misy fomba hafa ve anefa hahazoana mitrandraka ny ala nefa tsy hanimbana be toy izany?

Fomba fitrandrahana miaro ny ala

Nahazo vahana indray ny fomba fitrandrahana voara-maso sy miaro ny ala, tato anatin’ireo taona faramparany. Ny tena kendrena dia ny hitrandraka nefa tsy hanimba ny ala sy ny zavamiaina ao aminy. Mihamiverina amin’ny laoniny tsikelikely ilay ala, ka azo trandrahina indray rehefa afaka am-polo taona vitsivitsy. Noho ny faneren’ireo mpiaro ny loharanon-karena voajanahary, dia lazain’ny mpitrandraka maro fa nalainy tany amin’ny ala voara-maso ny hazo amidiny. Andeha isika handinika hoe ahoana no hitrandrahana sady hiarovana ny ala.

Mankany amin’ny ala rakotra hazo tanora ny manam-pahaizana momba ny ala sy ny mpanampy azy vitsivitsy. Misy andiany maromaro hafa toa azy ireo koa mijanona any an’ala mandritra ny enim-bolana eo ho eo, hijery sy hamantatra ireo hazo ao amin’ilay ala. Manam-potoana tsara handraisana an’ireo ekipa mpanao fanadihadiana ilay kompania mpitrandraka, satria nahazo lalana hitrandraka ny ala mandritra ny fotoana lava. Natao hiarovana ny ala izany fanadihadiana izany.

Asian’ilay manam-pahaizana nomerao ny hazo tsirairay, ary fantariny ny karazany. Ilana olona za-draharaha io asa io, satria misy karazan-kazo an-jato any an’ala. Ilana fitaovana maoderina kosa ny asa manaraka.

Raisin’ilay manam-pahaizana ny habe sy ny karazana ary ny nomeraon’ilay hazo, ary mampiasa fitaovana elektronika mifandray amin’ny zanabolana izy. Amin’ny alalan’io fitaovana io no andefasany any amin’ny ordinatera any an-tanàn-dehibe ny tsipiriany momba ilay hazo, hatramin’ny toerana marina misy azy io.

Ataon’ilay mpiandraikitra ny fitrandrahana avy eo, ny pirintin’ny sarintany ahitana ny toeran’ny hazo rehetra azo kapaina. Fidiny amim-pitandremana izay hazo hokapaina, mifanaraka amin’ny lalàn’ny fitrandrahana. Maro ny karazan-kazo tsy azo aripaka tanteraka, na dia efa mahatratra ny habe azo anapahana azy aza. Tsy maintsy avela haniry ny antsasany. Tsy maintsy avela haniry koa izay hazo antitra sy salama indrindra mba hakana taranaka.

Nanontany an’i Roberto, ilay noresahina tamin’ny lahatsoratra teo aloha, ny Mifohaza! hoe: ‘Ahoana no hahafahana hanapaka hazo nefa tsy hanimba ny ala?’ Nanazava i Roberto hoe: “Ilay sarintany no tena manampy. Mijery ilay sarintany izahay ary afaka mandamina ny fomba hitrandrahana ny ala, tsy hanimbana azy be loatra. Azonay kendrena hatramin’ny hoe hazera mankaiza ilay hazo, mba tsy hanimba ireo hazo eo akaikiny.”

“Alaminay koa ny hakana ny hazo amin’ny fitaovana fampakarana entana, fa tsy mamaky lalana amin’ny bilidaozera foana izahay isaky ny hanangona ny hazo voatapaka. Alohan’ny hanapahana hazo koa dia rantsanina avokoa ireo vahy mandady mampifandray azy amin’ireo hazo manodidina. Mbola ny hitsimbinana ny hazo eo akaikiny ihany no tanjonay amin’izany. Zarainay ho faritra maromaro ny ala, ka ampifandimbiasinay trandrahina isan-taona. Kendrenay ny tsy hiverenana eo amin’ilay faritra nitrandrahana raha tsy afaka 20 taona, fara fahakeliny, ary 30 taona aza indraindray ho an’ny ala sasany.”

Miasa amin’ny kompania mpitrandraka ala i Roberto, ka nanontany azy ny Mifohaza! hoe: “Ary mba hatraiza kosa ny fitsimbinanareo ny zavamiaina any an’ala?”

Fiarovana ny biby

Hoy ihany i Roberto: “Tsy afaka ny hiroborobo ny ala tsy misy biby. Tena ilaina ny biby satria manampy ny hazo hamony sy hanaparitaka voa. Miezaka mafy izahay mba tsy hanelingelina ny fiainan’ny biby any an’ala. Tandremanay tsara, ohatra, mba ho tena vitsy sy hifanalavitra be ireo lalana. Ataonay tery araka izay azo atao koa izy ireny, mba tsy hifanelanelana be ireo tendron-kazo. Tsy ho voatery hidina amin’izay ny gidro sy ny bibikamo rehefa te hifindrafindra toerana.”

Nasehon’i Roberto koa ny faritra miloko sasany eo amin’ilay sarintany. Tsy kasihina mihitsy ireny faritra ireny. Misy ala toy ireny, ohatra, manamorona ny renirano rehetra mba tsy hanelingelenana ny fivezivezen’ireo biby.

Hoy koa izy: “Arovanay koa ny faritra rehetra ilaina mba hiveloman’ireo biby, toy ny zohy, vato misy lavadavaka, hazo tranainy be misy lava-biby, ary ireo hazo manome voa be nofo. Tsy avelanay hitondra basy ny mpiasa, mba hisorohana ny fihazana voararan’ny lalàna. Misy fiaramanidina koa alefanay hamatsy omby sy akoho any amin’ny tobinay, mba tsy hihinanan’ireo mpiasa henam-biby any an’ala. Tampenanay na arahinay maso ireo lalana miditra any amin’ilay toerana nitrandrahana rehefa vita ny asanay, mba tsy hidiran’ny mpihaza sy mpitrandraka tsy ara-dalàna.”

“Faly aho manao izany rehetra izany, satria tiako ny hiaro ny zavaboarin’Andriamanitra. Saika ny ankamaroan’ireo fepetra voalazako ireo anefa, dia takin’ny lalàna iraisam-pirenena amin’ny mpitrandraka ala voara-maso. Mba hahazoana taratasy fahazoan-dalana dia tsy maintsy asehon’ilay kompania mpitrandraka fa afaka mameno ireo fepetra ireo izy, ary mpanara-maso avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena no manamarina izany.”

Tsy mamono antoka ve ny mitrandraka ao amin’ny ala voara-maso? Ankoatra ireo vitsivitsy mafana fo amin’ny fiarovana ny ala toa an’i Roberto, ny ankamaroan’ireo mpitrandraka dia tsy miraika firy amin’ny fanarahana ny drafitra najoro hitsimbinana ny zavamiaina any an’ala. Matetika no heverina ho mamono antoka fotsiny ny fanaraham-penitra.

Nisy fanadihadiana natao anefa tany amin’ny faritra atsinanan’i Amazonia, tamin’ny faramparan’ireo taona 1990. Hita tamin’izany fa niverina avokoa ny vola lany tamin’ny fampiasana sarintany, fanapahana ny vahy, ary fiarovana ny ala. Hahazoana tombony aza, satria tsara kokoa ny fomba fiasa ka vitsy kokoa, ohatra, ny hazo verivery fotsiny. Raha tsy eo mantsy ny sary ahitana ny toeran’ireo hazo, dia matetika no tsy hitan’ny ekipa mpitaona hazo avokoa ireo hazo nokapain’ny ekipa mpanapaka hazo, satria mikitroka ny ala.

Ankoatra izany dia mora amidy kokoa ireo hazo voamarina hoe nalaina tany amin’ny ala voara-maso. Tena miaro ny karazan-javamiaina ve anefa ny fomba fitrandrahana miaro ny ala? Firy amin’ny zavamiaina any no hahatanty ny fitrandrahana ala?

Hahatanty ny fitrandrahana ala ve ny zavamiaina?

Marina fa marefo sy be pitsiny ny alan’ny tany mafana. Mety hiverina haniry tsara tsy araka ny anampoizana azy anefa ny hazo, amin’ny toe-javatra sasany. Haniry tsara, ohatra, ny zana-kazo eny amin’ny toerana nanaovana fitrandrahana, raha misy ala mbola tsy nokasihina eo akaikiny ka ho feno indray ireo banga. Ahoana kosa ny amin’ireo biby sy vorona ary bibikely?

Misy karazam-biby vitsivitsy tena voa mafy noho ny fitrandrahana ny ala. Tsikaritra koa fa mihena izaitsizy ny karazam-borona sy biby amin’ireny toerana nitrandrahana ireny. Tsy dia manimba ny ankamaroan’ireo karazan-javamiaina anefa ny fomba fitrandrahana miaro ny ala. Vao mainka aza tian’ny karazam-biby sasany ny fisian’ny banga kely amin’ny ala mikitroka. Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana, fa mety hampitombo ny karazan-javamiaina any amin’ny alan’ny tany mafana ny fidiran’ny olona any, na dia hoe ny hitrandraka karazan-kazo sasany aza no hahatongavany.

Miharihary àry fa azo atao tsara ny mitrandraka ny ala amim-pahaiza-mandanjalanja, ka tsy hitondra fahavoazana maharitra ho an’ny karazan-javamiaina any. Hoy ny gazety Toe-karena (anglisy) any Londres: “Ny ampahafolo monjan’ireo ala mbola tsy notrandrahina sy eo ambany fanaraha-maso, dia efa ampy hanomezana ny hazo rehetra ilaina avy any an’alan’ny tany mafana. Tokony tsy ho azo trandrahina mihitsy ny ambiny.”

Ohatra iray amin’ny fiarovana tanteraka ny ala ilay hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha. Miaro ny alany i Ramiro, satria misy biby maro efa ho lany tamingana hitan’ny manam-pahaizana tao. Vitsy dia vitsy sisa ny ala an-tendrombohitra toy ireny, izay mbola ahitana karazan-javamiaina maro tsy fahita firy. Hoy i Ramiro: “Ny fampianarana ny olona no fomba mahomby hiarovana ny ala. Ho sarotiny amin’ny fiarovana ny ala ny mponina, raha tsapany fa miankina amin’ny fisian’ny ala ny hahazoany rano.”

Hoy koa izy: “Zava-dehibe koa ny fizahan-tany ampiarahina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, satria izany dia mampianatra ny mpitsidika ny antony hiarovana ny karazan-kazo sy zavamaniry any an’ala. Ho tsapany kokoa avy eo, fa zava-dehibe ny ala sy ireo zavamiaina any.”

Ny ohatr’i Ramiro sy Roberto dia mampiseho, fa azon’ny olona atao ny mampiasa nefa tsy manimba ny alan’ny tany mafana sy ireo zavamiaina ao aminy. Azo atao izany, nefa tsy izany foana akory no mitranga. Azon’ny olona hamarinina tsara amin’izao andro izao, raha avy any an’ala voara-maso ny hazo vidiny. Mbola tsy ny rehetra anefa no afaka manao izany. Ho afaka hiaro ny ala sy ny karazan-javamiaina ao aminy àry ve ny ezaka atao hitsimbinana ny ala?

[Sarintany, pejy 7]

(Jereo ny gazety)

BOLIVIA

Manome ny tsipiriany momba ny hazo tsirairay ny sarintany eto ankavanana; ary asehon’ny sary eto ambony fa velaran-tany kely any Bolivia fotsiny izy io

[Sary nahazoan-dalana]

Sary rehetra (afa-tsy ilay eo ambony indrindra ankavia): Aserradero San Martin S.R.L., Bolivia

[Sary, pejy 7]

Asiana nomerao ny hazo tsirairay, ary fantarina ny karazany. Manampy hahafantarana tsara ny toerana misy an’ilay hazo koa ny fitaovana elektronika (etsy ambony)

[Sary, pejy 7]

‘Ny sarintany mampiseho ny toeran’ny hazo tsirairay, no tena manampy hitrandrahana nefa tsy hanimbana ny ala sy ny zavamiaina ao aminy.’​—Roberto

[Sary, pejy 8, 9]

“Ny fampianarana ny olona no fomba mahomby hiarovana ny ala.”​—Ramiro

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Sary: Zoo de Baños