Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Hiaro ny Alan’ny Tany Mafana?

Iza no Hiaro ny Alan’ny Tany Mafana?

Iza no Hiaro ny Alan’ny Tany Mafana?

RAHA tiana harovana ny alan’ny tany mafana, dia tokony hitadiavana vahaolana aloha ireo antony manimba azy. Inona avy izy ireo? Tsy ny fitomboana be loatran’ny isan’ny mponina fotsiny no fositra. Ampy hamokarana sakafo ho an’ny rehetra, eny mihoatra aza, ny velaran-tany mahavokatra eto an-tany.

Manahy mihitsy aza ny fanjakana any amin’ny tany sasany satria be loatra ny vokatry ny fambolena sy fiompiana, ka mihena ny vidin-tsakafo. Misy fanjakana mampirisika ny tantsaha, hanova ny velaran-taniny ho toerana azo ialana voly. Azo ovana ho toeram-pilasiana izany, ohatra, na filalaovana golfa na valan-javaboary.

Koa nahoana àry no mihena izaitsizy ny ala? Andeha hodinihintsika ny antony fototra mahatonga izany.

Ny antony fototra mandripaka ny ala

Mbola tsy nitombo be toy izao ny isan’ny mponina, dia efa maro ny fanjakana nandripaka ala mba hahazoany fahefana sy harena. Nila hazo nanamboarana sambo, ohatra, ny Fanjakana Britanika, ka naripany ny hazo oaka tany aminy sy ireo karazan-kazo fanaovana sambo naniry tany Birmania sy Tailandy. Tsy nisy niangana koa ny ala tany Inde, satria nataony kitay handrendrehana vy. Ny ala hafa kosa naripaka mba hahafahana hamboly hazo fingotra sy kafe ary kakaô.

Niditra an-tsehatra ny tsofa elektrika sy ny bilidaozera taorian’ny Ady Lehibe II, ka betsaka kokoa ny ala ripaka. Vao mainka notrandrahina ny ala mba hahafahana hangoron-karena.

Nividy ambongadiny an’ireo tany lonaka ny kompania lehibe, ary milina no nampiasainy mba hijinjana vokatra. Very asa àry ny tantsaha ka maro no lasa niakatra an-tanàn-dehibe. Nifindra tany an’alan’ny tany mafana kosa ny olona sasany. Ireny toerana ireny matetika dia nantsoina hoe “tany tsy misy mponina, ho an’ny olona tsy manan-tany.” Rehefa nandeha ny fotoana, vao tsapan’ireo mponina fa tsy mahavokatra ireny toerana ireny. Tara loatra anefa izany mazàna, satria efa ripaka ny ala nidadasika be.

Anisan’ny mahatonga ny fandripahana ny ala koa ny kolikoly ataon’ny manam-pahefana. Lafo be mantsy ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka, ka misy manam-pahefana mandray tsolotra. Omen’izy ireo fahazoan-dalana hitrandraka mandritra ny fotoana fohy ny kompania, ka tsy mieritreritra ny hiaro ny ala intsony fa avy dia mandripaka avy hatrany.

Tsy ny fitrandrahana ny ala anefa no tena mampidi-doza ho an’ny zavamiaina any, fa ny fanovana azy io ho toeram-pambolena. Azo leferina ihany izany raha lonaka ilay tany. Misy anefa manam-pahefana mandray kolikoly sy tsy mahay miasa. Matetika no misy ala avelan’izy ireo hovana ho toeram-pambolena. Tsy hiverina amin’ny laoniny mihitsy anefa ireny satria tsy lonaka ny tany aniriany.

Manimba ny ala koa ireo mpandika lalàna. Miafina ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna rehefa mikapa ireo hazo lafo vidy, eny fa na dia hazo any amin’ny valam-pirenena aza. Vitany any an’ala ihany matetika ny fanatsofana ireo vatan-kazo ho lasa hazo fisaka. Sady mandripaka ny ala izany no fandikan-dalàna. Ny mponina eo amin’ny manodidina ihany avy eo no karamainy hitaona ny hazo am-bisikileta na hilanja izany aza indraindray. Any an-tendrombohitra mangingina any no andraisan’ny kamiao ny hazo amin’ny alina, mba tsy ho hitan’ny mpanara-maso.

Mazava àry fa tsy ny fitomboan’ny isan’ny mponina no tena mandripaka ny ala sy ny zavamiaina ao aminy. Matetika kosa izany dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, fitiavam-bola, fandikan-dalàna, ary fitondram-panjakana mpandray kolikoly. Raha izany àry no izy, ahoana no hiarovana ny zavamiaina isan-karazany any an’alan’ny tany mafana?

Inona no hiafaran’ny alan’ny tany mafana?

Hoy ny boky iray momba ny alan’ny tany mafana sy ny zavamiaina any: “Tapany kely monja amin’ny alan’ny tany mafana izao no ampiasana fomba fitrandrahana miaro ny ala.” Hoy koa ny nanampiny: “Amin’izao fotoana izao, dia vitsy (raha misy) ny ala sady trandrahina no arovana tsara.” Marina fa azo arovana ny ala, nefa ny zavatra hita maneran-tany aloha izao dia hoe miharipaka haingana be izy io.

Voalaza fa tena maningana ny any Bolivia amin’ny fiarovana ny ala, satria ny ampahefatry ny alan’ny tany mafana trandrahina any, dia voamarina fa voara-maso. Mahakivy anefa ny salanisa eran-tany, satria latsaka ny iray isan-jato monjan’ny ala trandrahina no arahi-maso. Trandrahina tsy amim-piheverana ny ankamaroan’ny alan’ny tany mafana. Ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola no tena mahatonga ny olona handripaka ala. Hiova ve ny mpandraharaha ara-barotra sy mpanao politika, ka hiady amin’izany fandripahana izany, ary ho lasa mpiaro an’io lova sarobidy nomena ny olombelona io?

Lazaina eo amin’ny faran’ilay boky hoe Alanny Fanantenana (anglisy) fa izao no tarigetra ho an’ny olombelona: “Ny mitady fomba fiaina vaovao mifanentana amin’ny olona eran-tany, nefa tsy manimba ny tany na ny harena eo aminy.” Tsara tokoa ilay tarigetra. Azo tanterahina ve anefa izy io?

Inona no tanjon’ny Mpamorona tamin’izy nanao ny tany sy ny olombelona? Hoy izy tamin’ilay mpivady olombelona voalohany: “Mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Koa nomen’Andriamanitra zo hampiasa ny zavaboary àry ny olombelona. Tsy nomena lalana hanimba anefa izy ireo, rehefa nilazana hoe “manjakà.”

Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Azon’ny olona eran-tany ovana ve ny fomba fiainany, mba ‘tsy hanimbany ny tany sy ny harena eo aminy’? Mahatafiditra fitiavana ny mpiara-belona sy fanajana ny zavaboarin’Andriamanitra izany. Tsy fahita firy intsony izany toetra izany eto an-tany. Manonofy antoandro isika raha manantena fa hanova ny fiainany sy handrisika ny olona hiova toy izany ireo mpitondra olombelona.

Nanambara mialoha anefa ny Tenin’Andriamanitra fa, indray andro any, dia hameno ny tany ny olona tia ny mpiara-belona aminy sy ny Mpamorona azy. Hoy ny Baiboly: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9; Salamo 37:29; Matio 5:5) Mariho fa mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra “tsy handratra” na “hanimba” zavatra, ny fahalalana sy ny fitiavana an’i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe. Tsy hanimba ny tany velively ny olona toy izany.

Tsy nofinofy fotsiny akory izany. Manangona sy mampianatra olona tso-po sahady izao i Jehovah. Olona an-tapitrisa eran-tany no mianatra ho be fandavan-tena sy ho tia olona, satria nianatra ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 13:34; 1 Jaona 4:21) Natao hanampy ny olona hianatra bebe kokoa momba io fomba fiaina io sy ny fomba hananana azy, ity gazety ity sy Ny Tilikambo Fiambenana. Manasa anao àry izahay hanohy hianatra hatrany. Tsy misy karazam-pianarana hafa mahasoa kokoa noho izy io.

[Sary, pejy 10]

Hikarakara ny tany ho tsara tarehy ny olona fa tsy hanimba azy