Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanandrana Nanompo Tompo Roa Aho

Nanandrana Nanompo Tompo Roa Aho

Nanandrana Nanompo Tompo Roa Aho

NOTANTARAIN’I KEN PAYNE

Teraka tamin’ny 1938 aho, ary nihalehibe tany amin’ny toeram-piompian’i Dadabe tany Nouveau-Mexique, atỳ Etazonia. Nirefy 9 700 hektara izy io, sady nisy renirano sy kijana, ary tazana teo aoriany ny tendrombohitra maromaro. Tadidiko ny feon’ny ondry sy omby ary soavaly, sy ny fikorintsan’ny vy tamin’ny baotin’ireo mpandroaka azy. Indraindray aho dia nihaino ny fitsokan’ny rivotra teny amin’ny bozaka, sy ny voronkely nisiotsioka nanodidina ny fisotroan-dranon’ny biby.

METY hisy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona ny zavatra niainany tamin’izy mbola kely. Niaraka matetika tamin’ny dadabeko aho. Hainy tsara ny nitantara an’ireo mpitaingin-tsoavaly tany Andrefana. Fantany koa ireo olona niaraka tamin’i Billy le Kid, izay jiolahy tena nalaza, noho izy namono olona maro be, ary maty tamin’ny 1881, teo amin’ny faha-21 taonany.

Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko, ary nentiny foana aho, tamin’izy ireo nitory tany amin’ny toeram-piompiana nitokana, sy tany amin’ireo trano biriky tsotsotra, niakatra sy nidina ny lohasahan’i Hondo. Matetika izy ireo no nampiasa grafofaonina, nandefasana ny lahatenin’i Joseph Rutherford, ary tadidiko tsara izy ireny. * Olona isan-karazany no nampihainoinay ny lahateniny, toy ny mpiompy sy tantsaha meksikanina ary Indianina toy ny Apaches sy Pueblos. Tena tiako ny nizara gazety teny an-dalana. Matetika ny olona no nihaino rehefa ankizikely no nitory, na dia tamin’ireo taona nisian’ny ady aza.

Tena tsara ny fitaizana azoko. Tsy narahiko anefa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [na, ny harena] hianareo.” (Matio 6:24) Tiako tokoa raha mba afaka niteny aho hoe: ‘Nahafinaritra ny fiainako tao anatin’ny fanompoana manontolo andro.’ Vao telo taona mantsy aho, dia efa nisy “tompo” hafa nampiala ahy tamin’io lalana io. Inona no nitranga?

Nanjary tena tia fiaramanidina aho

Tamin’ny 1941, dia nisy fiaramanidina piper kely, nipetraka teo akaikin’ny fitahirizam-bokatray. Nanenjehana alikadia nihinana ny ondry izy io. Telo taona aho tamin’izany, nefa nanapa-kevitra ny ho mpitondra fiaramanidina. Lasa teny ny fahazazako, ka niala tao an-trano aho rehefa 17 taona, ary niasa tany amin’ny seranam-piaramanidina iray tany Hobbs, any Nouveau-Mexique. Niasa tamin’ireo fiaramanidina sy namafa ny trano fipetrahan’izy ireny aho, ho takalon’ny fampianarana ahy hitondra fiaramanidina. Nanjary ambinambiny teo amin’ny fiainako ny fanompoana kristianina.

Nanambady aho tamin’izaho 18 taona, ary nanan-janaka telo izahay tatỳ aoriana. Ahoana no namelomako ny fianakaviako? Nitondra fiaramanidina aho, ka nandraraka fanafody tamin’ny voly, nitondra olona, nanenjika biby mpiremby, ary nampianatra olona hitondra fiaramanidina ihany koa. Enin-taona no nanaovako an’izany, ka niasa tamin’ny Kompaniam-pitaterana ana Habakabaka Iraisam-pirenen’i Texas aho, taorian’izay. Nitombina kokoa ny fiainako tamin’izany, ary anti-panahy teo anivon’ny Fiangonan’i Denton, tany Texas, mihitsy aza aho. Maromaro ny olona nampianariko Baiboly, ka anisan’ireny ny mpitondra fiaramanidina iray sy ny vadiny, ary ny fianakaviany manontolo, izay nanaiky ny fahamarinana.

Fiaramanidina salasalany no nentiko tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1973. Tsy nahaliana ahy intsony anefa izany rehefa tsy nampiasaina intsony ny fiaramanidina DC-3. Nalahelo ny tany Nouveau-Mexique foana koa aho. Inona anefa no hivelomanay raha tsy mitondra fiaramanidina intsony aho?

Nanjary tena tia zavakanto aho

Nanomboka nanao sary hoso-doko ny toerana sasany tany Andrefana aho, tamin’ny 1961, mba ho fialam-boly fotsiny, ary lafoko ny ankamaroan’izy ireny. Niala tamin’ny fitaterana ana habakabaka àry aho, ka niverina tany Nouveau-Mexique, tany amin’ilay toerana nahafinaritra, araka ny niantsoana azy. Tsy nahay nandanjalanja anefa aho. Navelako hibahana tanteraka teo amin’ny fiainako ny zavakanto. Sady nanao sary hoso-doko aho no nanao sokitra, ary nitondra fiaramanidina koa aho indraindray, ka lany tamin’izany ny fotoanako. Niasa nandritra ny 12 ora ka hatramin’ny 18 ora isan’andro aho. Izany no nahatonga ahy hanadino tanteraka ny fianakaviako sy ny Andriamanitro. Inona no vokany?

Rava ny fanambadiako, ary nisaraka izahay mivady. Nianavaratra nankany Montana aho, ary namono eritreritra tamin’ny fisotroan-toaka. Tsy nanaraka fomba fiaina kristianina intsony aho, fa nanao hadalana toa an’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Lioka 15:11-32) Indray andro, dia nanjary takatro fa tsy nanana tena namana aho na dia iray aza. Rehefa mahita olona mijaly aho, dia ilazako izy hoe: “Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tena afaka manampy anao izy ireo.” Dia manontany ilay olona avy eo hoe: “Koa nahoana àry ianao no tsy Vavolombelona?” Tsy maintsy niaiky aho fa tsy azoko atao ny sady ho Vavolombelona no hanaraka ny fomba fiainako.

Niverina tany Nouveau-Mexique ihany aho tamin’ny 1978, ka nankany amin’ilay fiangonana nisy Vavolombelona nahafantatra ahy. Izay indray aho vao niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao anatin’ny taona maro, ka nitomany fotsiny no nataoko. Tena namindra fo tamiko i Jehovah. Tena tsara fanahy tamiko ireo rahalahy, ka nanampy ahy hiverina tamin’ny lalan’i Jehovah indray.

Namana vaovao sy fiainam-baovao

Nanambady an’i Karen aho tamin’ny 1980. Vavolombelona mahafinaritra fantatro hatramin’ny taona maro izy. Nanan-janaka roa lahy tamin’ilay vadiny voalohany izy, dia i Jason sy Jonathan. Tena tia an’i Jehovah izy, ka nitombina kokoa ny fiainako. Nanan-janaka roa lahy izahay tatỳ aoriana, dia i Ben sy Phillip. Tsy hoe ho sambatra foana anefa ny fiainanay. Nananontanona anay ny loza.

Nianatra momba ny zavakanto aho, ary nandany fotoana betsaka handinihana ny olona sy ny biby, indrindra fa ny soavaly. Nianarako tsara ny firafitry ny vatana sy ny halehibeny ary ny fomba fanaovana ny sariny. Nanomboka nanao sary sokitra tamin’ny tanimanga aho, indrindra fa sary mampiseho ny fiainana tany Andrefana Fahiny, toy ny soavaly, Indianina eny ambony soavaly, mpitaingin-tsoavaly, ary hatramin’ny dokotera manao dia lavitra mandeha soavaly sy voatiry. Nanomboka nandeha ilay asako. Nanapa-kevitra ny hanokatra tranombarotra àry izahay. Namorona ilay anarana hoe Lalana eny An-tendrombohitra i Karen, ho an’ilay tranombarotra.

Nividy tranombarotra iray tany Sedona, any Arizona, izahay tamin’ny 1987, ary izay no nataonay anarany. I Karen no niandraikitra an’ilay tranombarotra, fa izaho kosa niasa tany an-trano, sady nitaiza ny ankizy. Narary anefa ny zanakay, ary tsy nandeha ny varotra. Nanapa-kevitra ny hifamadika àry izahay, mba ho afaka hikarakara ny ankizy any an-trano i Karen. Nentiko tany am-pivarotana ny tanimanga, ka teo imason’ny mpividy mihitsy aho no niasa. Izay no nampandeha an’ilay varotra!

Nanomboka nanontany momba ireo sarivongana nataoko ny olona. Nanazava ny asako tamin’izy ireo aho, sady nilaza momba ireo rakitry ny ela nataoko modely. Notantaraiko koa ny momba ny fiainana tany Andrefana Fahiny, sy ny olona, ny toerana, ary ny zava-nitranga taloha, izay nianarako tao amin’ireo boky maro be novakiko. Tena nahaliana ny olona ny sarivongana halimo nataoko, ka nisy nanome ampaham-bola sahady ho an’izay sary tiany, raha mbola namboarina ilay izy. Manome ny ambim-bola izy ireo, rehefa vita ilay izy. Tamin’izay no nahatonga an’ilay fitenenana hoe “sarivongana lafo alohan’ny hahavitany.” Tonga dia nandroso ny varotra nataonay. Nanjary nanana tranombarotra telo izahay, ary nanana orinasa lehibe fandrendrehana metaly, izay nisy mpiasa 32. Nandreraka ahy loatra anefa izany! Nitady fomba hialana tamin’io asa mafy tsy nisy farany io izahay mivady. Nivavaka momba ilay izy izahay. Anti-panahy teo anivon’ny fiangonana aho tamin’izay, ka fantatro fa tokony hampitomboiko ny fanompoako an’i Jehovah.

Nanompo tompo tokana indray

Nangataka mba hiara-misakafo taminay, ny mpiandraikitra ny faritra nitsidika anay, tamin’ny 1996. Mbola tsy nanomboka akory ny sakafo, dia nametraka fanontaniana tsy nampoizinay mihitsy izy, hoe: “Tianareo ve ny hifindra any amin’ny tanin’ny Navajo, mba hanampy amin’ny fanorenana fiangonana vaovao any Chinle?” Tena sarotra izany! Efa nitsidika an’io toerana io imbetsaka izahay, ary nitory tamin’ny faritany lavitra. Nahatonga anay hametraka tanjona vaovao anefa izany. Azonay natao àry izao ny niala tamin’ilay asa mafy tsy nisy farany tamin’ny fitadiavam-bola, sy nanapa-kevitra ny hanokana fotoana betsaka kokoa ho an’i Jehovah sy ny vahoakany. Nanompo tompo tokana indray izahay nanomboka teo!

Nasaina hanampy anay tamin’io asa sarotra io ny fianakavian-dry Carusetta, anti-panahy namanay. Samy nivarotra ny tranonay izahay mirahalahy, ka nividy tranofiara, azonay ipetrahana any amin’ilay toerana. Namidiko aloha ireo tranombarotra, ary avy eo ilay orinasa fandrendrehana metaly. Nanatsotra ny fiainanay izahay, ka afaka nampitombo ny fanompoanay.

Tamin’ny Oktobra 1996 no nanao fivoriana voalohany ilay fiangonanay vaovao eto Chinle. Nanomboka tamin’izay, dia nihamaro ireo Navajo nandre ny vaovao tsara. Efa manana mpisava lalana navajo miteny ny fitenin’ny mponina any koa ny fiangonanay. Nianatra an’io fiteny sarotra io tsikelikely izahay, mba horaisin’ny olona na dia tsy Navajo aza. Nividy tany izahay, rehefa nahazo lalana tamin’ny manam-pahefana indianina. Nanorina Efitrano Fanjakana teto Chinle izahay, ary notokanana tamin’ny Jona tamin’ity taona ity izy io.

Nitranga ny loza!

Nentin’i Karen vetivety tany Ruidoso, any Nouveau-Mexique izy roa lahy zanakay, tamin’ny Desambra 1996. Izaho kosa nijanona teto Chinle. Rehefa nanao skia anefa i Ben zanakay, 14 taona, dia nidona tamin’ny vato be, ka maty! Taitra mafy sy nalahelo aoka izany izahay. Tena fisedrana mafy ho anay rehetra izany. Nanampy anay hizaka an’iny loza iny ny fanantenana fananganana amin’ny maty ao amin’ny Baiboly. Tena nanampy koa ireo rahalahy kristianina. Rehefa natao ny lahateny fahatsiarovana an’ilay zanakay, tany amin’ny Efitrano Fanjakana tany Sedona, izay nipetrahanay nandritra ny taona maro, dia maro be ny Navajo tonga tany. Nandeha lalana maherin’ny 300 kilaometatra ireo rahalahy sy anabavy navajo, mba hampahery anay.

Mitondra fahafaham-po ho anay ny mahita ny fandrosoana ara-panahy ataon’i Phillip, zandrin’i Ben. Manana tanjona ara-panahy tsara izy, ary tena mahafaly anay izany. Mitarika fampianarana Baiboly maromaro izy, ary mpampianatra any an-tsekoliny ny iray tamin’izy ireny. Maniry mafy ny hahita an’i Ben indray izahay rehetra any amin’ny tontolo vaovao ampanantenain’i Jehovah.—Joba 14:14, 15; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:1-4.

Tena faly izahay manana fianakaviana be fitiavana sy vonon-kanampy. Samy manompo an’i Jehovah i Jonathan zanaka natsangako, sy Kenna vadiny, ary toy izany koa i Chris zanako faralahy tamin’ilay vadiko voalohany, sy Lorie vadiny. Efa mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana koa izao i Woodrow sy Jonah zafikeliko. Maty tamin’ny 1987 ny raiko, fa mbola mazoto amin’ny fanompoana an’i Jehovah kosa ny reniko, na dia efa 84 taona aza. Mahatoky toy izany koa i John rahalahiko sy Cherry vadiny.

Tsapako tamin’ny zavatra niainako fa tena marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa . . . Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo.” Mbola mety handany fotoana sy hery ihany ny zavakanto na dia amin’izao fotoana izao aza. Izany no nahatonga ahy hianatra handanjalanja sy hitandrina tsara, mba tsy hibahana eo amin’ny fiainako indray ny zavakanto. Tena tsara lavitra ny manaraka ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: “Ry rahalahy malalako, . . . miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.”—1 Korintiana 15:58.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 I Joseph Rutherford no nitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-pahafatiny tamin’ny 1942.

[Sary, pejy 18, 19]

Ny fiaramanidina nentiko teto Chinle, tamin’ny 1996

[Sary, pejy 19]

Sary sokitra halimo nantsoina hoe: “Tsisy Fotoana Holanina”

[Sary, pejy 21]

Fivoriana eo amin’ilay toerana nanorenana ny Efitrano Fanjakana

[Sary, pejy 21]

Izaho sy Karen vadiko

[Sary, pejy 21]

Fitoriana any amin’ny trano mampiavaka ny Navajo