Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tour De France—Hazakazaka Am-bisikileta efa Naharitra 100 Taona

Ny Tour De France—Hazakazaka Am-bisikileta efa Naharitra 100 Taona

Ny Tour De France​—Hazakazaka Am-bisikileta efa Naharitra 100 Taona

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA

TAMIN’NY Novambra 1902, i Henri Desgrange, lehiben’ny gazety ara-panatanjahan-tena L’Auto, dia nitady hevitra hanafoanana ny gazety Le Vélo, izay mpifaninana tamin’izy io. Nanipy hevitra i Géo Lefèvre, tovolahy mpanao gazety tao amin’ny L’Auto hoe: “Maninona raha mikarakara fifaninanana am-bisikileta manodidina an’i Frantsa isika?” Toa tsy azo tanterahina ilay izy tamin’ny voalohany, nefa tsy ela dia tontosa ihany. Ny 1 Jolay 1903, tamin’ny 3 ora sy 16 minitra katroka, dia nanainga avy tao Paris ny mpitaingina bisikileta 60, mba hanao ny Tour de France voalohany. Tao ny matihanina, ary tao koa ny mba tia izany fotsiny. Nanao dia 2 428 kilaometatra nandritra ny telo herinandro izy ireo. *

“Andevon’ny lalana”

Nahasarika ny olona avy hatrany ilay fifaninanana. Nisy olona maro be, eran’i Frantsa, tonga nijery ny mpandray anjara ka nampahery azy ireo. Nantsoin’i Albert Londres, mpanao gazety frantsay, hoe “andevon’ny lalana” ireo mpandray anjara ireo. Tsy manitatra mihitsy isika milaza fa tsizarizary ny Tour de France tany am-piandohany. Tsotra ny fitaovana, feno lavadavaka ny lalana, nifanelanelana be ny fijanonana, ary tamin’ny alina ny fiaingana.

Tsy nahazo fanampiana ara-teknika ireo mpifaninana, afa-tsy teny amin’ny toerana fanaraha-maso. Koa tsy maintsy izy ireo ihany no nanamboatra ny bisikiletany, izay nilanja 20 kilao, raha nisy simba. Nampalahelo erỳ, ohatra, i Eugène Christophe, tamin’ny 1913 sy 1919. Indroa izy no voatery nanamboatra ny fitoeran’ny pneny, tany amin’ny mpanefy vy tao amin’ny tanàna kely iray!

Hevi-baovao sy fampitam-baovao

Tsy maintsy nikaroka hevi-baovao isan-taona ny mpikarakara, mba hisarihana hatrany ny sain’ny olona. Natao betsaka sy fohy kokoa, ohatra, ny fizarana. Navily kely tany amin’ireo firenena akaikin’i Frantsa ny lalana. Nasiana ekipam-pirenena sy ekipa tohanan’ny orinasa. Nomarihina ny hafainganam-pandehan’ny tsirairay sy ny an’ny ekipa. Ary nofaranana teny amin’ny Champs-Élysées, any Paris, ilay fifaninanana. Nisy fiovana lehibe koa tamin’ny 1919, satria nampanaovina akanjo ambony manokana mavo, toy ny pejin’ny LAuto, izay nandresy tamin’ny andro tsirairay. Maillot jaune no anaran’io akanjo be mpitsiriritra io. Nitady vola hanaovana ilay fifaninanana i Desgrange. Tamin’ny 1931 àry dia nasiany fiara maromaro nialoha ny mpifaninana. Miainga adiny iray aloha ireo fiara ireo, ary manao dokambarotra ho an’ny orinasa samihafa sady mampifalifaly ny vahoaka eny an-dalana.

Nihabetsaka no lafo tamin’ny gazety L’Auto, izay antsoina hoe L’Équipe izao. Nisy fanontana manokana navoaka tamin’ny 1903, fito minitra monja taorian’ny nahatongavan’i Maurice Garin, izay nandresy tamin’ny Tour de France voalohany. Nifandrombahan’ny olona ireo gazety 130 000 ireo tamin’izay. Tany maherin’ny 150 izao no afaka manaraka ny Tour de France amin’ny televiziona. Amin’ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena malaza indrindra ao amin’ny fampitam-baovao àry, dia ny Tour de France no fahatelo, aorian’ny Lalao Olympika sy ny Fiadiana ny Amboara Eran-tanin’ny Baolina Kitra. Manintona tokoa ilay izy, satria nampiato ny adihevitra nataony mihitsy ireo solombavambahoaka espaniola tamin’ny 1987, mba hanarahana ny fandresen’i Pedro Delgado, mpiray tanindrazana taminy! Namita ilay lalan-tsarotra miaka-midina in-21 tany an-tendrombohitra Alpe d’Huez izy tamin’izay.

Fiakarana tendrombohitra

Tany marina no tena nanaovana ny Tour de France tamin’ny voalohany. Nandefa telegrama ho an’i Desgrange, avy tany amin’ny tendrombohitra Pyrénées, anefa i Alphonse Steinès, mpanao gazetin’ny L’Auto, tamin’ny Jona 1910. Nilaza izy fa azo aleha tsara ny lalana tany. Tsy tena marina anefa izany, satria izy aza very nandritra ny iray alina manontolo, tany anaty orampanala, tany amin’ny 2 200 metatra! Nandeha niakatra ilay tendrombohitra ihany anefa ireo natanjaka indrindra tamin’ny mpitaingina bisikileta, iray volana taorian’izay. Tsy niala teny ambony bisikiletany mihitsy ilay Frantsay Gustave Garrigou, rehefa niakatra ny Lalana Tourmalet any amin’ny Pyrénées, na dia tsy izy aza no tonga voalohany. Nampidirina tamin’ny Tour de France koa ny lalana hafa any an-tendrombohitra Alpes sy Pyrénées taorian’izay.

Mandeha faran’izay haingana, mahatratra 100 kilaometatra isan’ora, ny mpitaingina bisikileta amin’ny fidinana, ka betsaka no mianjera. Tamin’ny 1951, dia nianjera tao anaty lavaka be nahatratra 50 metatra ilay Holandey Wim Van Est, izay nanao fanamiana mavo. Fingotra tao anaty pne no natambatambatra natao tady, mba hampiakarana azy. Mbola ratsy fiafara noho izany ny hafa. Maty ilay Espaniola Francisco Cepeda tamin’ny 1935, rehefa nianjera teo amin’ny Lalana Galibier, tany amin’ny Alpes. Maty koa ilay Italianina Fabio Casartelli, tamin’ny 1995, rehefa nianjera tao amin’ilay lalana misolampy atao hoe Portet d’Aspet, any amin’ny Pyrénées.

Fifaninanan’olon-droa any an-tendrombohitra

Nifaninana niakatra ny Puy-de-Dôme, any an-tendrombohitra Auvergne, i Jacques Anquetil sy Raymond Poulidor, tamin’ny 1964. Nahavariana ny nahita ireo Frantsay roa lahy ireo nifanarakaraka be. Matetika i Poulidor no nahazo ny laharana faharoa. Nandresy an’i Anquetil izy tamin’izay, saingy segondra vitsivitsy monja no tsy nahazoany ny fanamiana mavo.

Niady ho voalohany ilay Belza Eddy Merckx sy ilay Espaniola Luis Ocaña, tamin’ny 1971. Nianjera i Ocaña, rehefa nidina ny Lalana Mente, any amin’ny Pyrénées, tamin’ny 12 Jolay. Naratra izy ka tsy afaka nanohy intsony. Nangataka tsy hanao ilay fanamiana mavo i Merckx rehefa niainga ny ampitso, ho fanajana ilay mpifaninana taminy.

Nifaneho hatsaram-panahy koa ny mpifaninana teny an-tendrombohitra. Nanadino vetivety ny fifankahalany, ohatra, ireo Italianina roa lahy, Gino Bartali sy Fausto Coppi, ka nifanampy rehefa nianika an’i Izoard any amin’ny Alpes, tamin’ny 1949.

Fanatanjahan-tena mitaky fiaraha-miasa

Tena mahavariana ny mahita mpifaninana iray lasa lavitra ny hafa. Iray amin’ireny ilay Soisa Hugo Koblet, izay nialoha 140 kilaometatra an’ireo andiana mpifaninana, avy any Brive nankany Agen, tamin’ny 1951. Ny fiaraha-miasa anefa no tena hahazoana fandresena. Ekipa matihanina 20 no mandray anjara mazàna, ary manana mpitaingina bisikileta sivy avy izy ireo. Manohana tanteraka ny filohan’ny ekipany ny tsirairay, ka vonona hanampy azy hatrany raha mihareraka na mianjera izy, na simba ny bisikiletany.

Mampiseho io fiaraha-miasa io ny ohatr’i René Vietto, 20 taona, mpihazakazaka am-bisikileta frantsay, tamin’ny 1934. Simba ny bisikiletan’i Antonin Magne, filohan’ny ekipany, nandritra ny fizarana iray. Tena afaka nandresy mihitsy i Vietto tamin’izay, nefa tsy nisalasala niverin-dalana, ka nanome ny bisikiletany ho an’i Magne.

Ireo kalazalahy

Zava-bita miavaka izany hoe mandresy mihoatra ny indray mandeha amin’ny Tour izany. Efatra hatramin’izao no nandresy indimy: Jacques Anquetil (Frantsa, 1957, 1961-1964), Eddy Merckx (Belzika, 1969-1972, 1974), Bernard Hinault (Frantsa, 1978, 1979, 1981, 1982, 1985), ary Miguel Indurain (Espaina, 1991-1995). Iza anefa no mahalala hoe impiry no ho nandresy ilay Belza Philippe Thys (nandresy tamin’ny 1913, 1914, 1920), raha tsy nampitsahatra ilay fifaninanana ny Ady Lehibe I? Tompon-daka maromaro no maty tamin’io fotoana io.

Maro no mihevitra fa tsy misy mahay noho i Eddy Merckx, izay nomena ny anaram-bosotra hoe Cannibal. Nandresy tamin’ny fizarana 34 izy, ary loha laharana tamin’ny lafiny rehetra: na tamin’ny hafainganam-pandeha tamin’ny lalana lavitra ezaka sy ny lalana fohy kokoa, na tamin’ny fidinana sy tany marina ary tendrombohitra. Nitaraina ireo mpifaninana izay resiny hoe: “Ny ambinambiny sisa no avelany ho anay.” I Fausto Coppi, izay indroa tompon-daka, no heverin’ny hafa ho mpitaingina bisikileta manan-talenta sy mihaja indrindra hatramin’izay.

Ny handresy ihany, na inona na inona vidiny

Misy foana ny fakam-panahy hangalatra mandritra ilay Tour. Tsy navela handray anjara intsony ireo efatra tonga voalohany tamin’ilay fifaninanana tamin’ny 1904, satria nanao hitsin-dalana sy nandeha fiarakodia tsy nisy fahazoan-dalana.

Loza mihanaka eo amin’ny hazakazaka am-bisikileta ny fangalarana sy ny fampiasana zava-mahadomelina mampahatanjaka. Nisy nanome ranom-panafody hafahafa ny mpifaninana sasany nandritra ireo taona voalohandohany. Namoaka lahatsoratra iray manakiana ny fampiasana zava-mahadomelina eo ambany fanaraha-mason’ny dokotera ny L’Auto, tamin’ny 1920. Niaiky ry Pélissier mirahalahy fa nampiasa zava-mahadomelina mampidi-doza, izay nantsoiny hoe “dinamita”, nandritra ilay fifaninanana. Maromaro ireo loza nampiahiahy nitranga, izay heverina fa vokatry ny zava-mahadomelina. Anisan’izany ny fahafatesan’ilay Britanika Tom Simpson, rehefa nianika ny Mont Ventoux izy, tamin’ny 1967.

Lasa matoan-dahatsoratra an-gazety ny raharaha goavana iray mahakasika ny fampiasana zava-mahadomelina eo ambany fanaraha-mason’ny dokotera, tamin’ny 1998. Nisy zava-mahadomelina 400 mampitombo hery, anisan’izany ny érythropoïétine, hita tao amin’ny fiaran’ny mpanotran’ny ekipa iray. Nisy ekipa iray tsy nahazo nandray anjara, ary ny iray hafa niala. Naharatsy laza ny laharana fahatelo tamin’ny taon-dasa ny raharaha nahafa-baraka iray. Ao amin’ny sasin-tenin’ilay boky fahatsiarovana navoakan’ny L’Équipe hoe 100 ans de Tour de France (Faha-100 Taonan’ny Tour de France), dia milaza i Jean-Marie Leblanc, lehiben’ny Tour de France, fa ahina hampitsahatra ilay fifaninanana “ny fampiasana zava-mahadomelina sy ny fanitarana be loatra ny lalan’ilay Tour ary ny vola.”

Tsy mihena anefa ny fitiavan’ny atleta io fifaninanana io, na dia eo aza ny zava-manahirana. Nandresy inefatra i Lance Armstrong, avy any Texas. Izy no inoan’ny maro fa handresy amin’ny Tour de France faha-100 amin’ity taona 2003 ity, izay hanaraka ny lalana naleha tamin’ny 1903. Hoy izy: ‘Manana ny lazany, ny tantarany ary ny mampiavaka azy ny Tour, ka tsy azon’ny fifaninanana hafa iray ifampitahana mihitsy. Tsy ho toy ny fifaninanana mahazatra mihitsy izy io, na inona na inona mitranga.’ Ny handresy amin’ny Tour de France no nofinofin’ny matihanina rehetra amin’ny hazakazaka am-bisikileta.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mazàna no 3 600 kilaometatra eo ho eo ny halaviran-dalan’ny Tour amin’izao fotoana izao. Mizara 20 izany, ary atao ao anatin’ny iray andro avy ny fizarana tsirairay.

[Kisary/Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Lalana arahina amin’ny fahazato taonan’ilay fifaninanana 5-27 Jolay 2003

–– Fitsapana Hafainganam-pandeha

​——​ Mandeha fiara fa tsy mifaninana

• Fiaingana

○ Fijanonana

• PARIS

-- ​——​

○ Sedan

-- ​——​

○ Saint-Dizier

-- ​——​

○• Nevers

--

○• Lyons

--

○ L’Alpe d’Huez

--

○ Marseilles

​——​

• Narbonne

--

○• Toulouse

-- ​——​

○ Cap’ Découverte

-- ​——​

○ Bayonne

-- ​——​

○• Bordeaux

-- ​——​

○ Nantes

​——​

• Ville d’Avray

--

○ PARIS

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 22]

1903 Maurice Garin, nandresy voalohany tamin’ny Tour de France

1927 Mpiasa mampiato ny asany, mba hijerena ilay fifaninanana

[Sary nahazoan-dalana]

100 ans de Tour de France, L’Équipe, 2002 © L’Équipe/Presse Sports

[Sary, pejy 23]

1910 Octave Lapize, miambozona pne sy manosika ny bisikiletany any amin’ny Pyrénées

[Sary nahazoan-dalana]

100 ans de Tour de France, L’Équipe, 2002 © L’Équipe/Presse Sports

[Sary, pejy 24]

1951 Ilay Italianina Fausto Coppi, indroa tompon-daka

1964 Anquetil sy Poulidor nandritra ny fifaninanana iray nampangitakitaka

[Sary nahazoan-dalana]

100 ans de Tour de France, L’Équipe, 2002 © L’Équipe/Presse Sports

[Sary, pejy 24, 25]

1991-1995 Indimy nandresy tamin’ny Tour de France i Miguel Indurain (Espaina) manao fanamiana mavo

1999 Lance Armstrong eo amin’ny fitsapana hafainganam-pandeha

[Sary nahazoan-dalana]

100 ans de Tour de France, L’Équipe, 2002 © L’Équipe/Presse Sports