Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Mandeha Manjono ny Amboadia
Nandritra ny taona maro, dia noheverina fa biby an-tanety toy ny serfa ihany no fihinan’ny amboadia. Lazain’ny gazety Vancouver Sun any Kanada anefa, fa mihinana betsimitsitekiteky sy sifotra ny amboadia ao amin’ny ala tropikaly any amin’ny morontsiraka afovoan’i Kolombia Britanika. Mihinana ilay karazana trondron-dranomasina atao hoe saumon koa izy ireo, “ka mahalany 20 isan’ora.” Mijoko an’ilay trondro izy aloha, ary “mitsambikina mafy tampoka, ka mitsatoka ao anaty rano ny tongony efatra, sady mamely.” Raha impolo izy no misambotra, dia inefatra no mahazo. Mbola tsy azon’ny mpikaroka anefa hoe nahoana no ny lohan’ilay trondro ihany no hanin’ny amboadia. Milaza ilay mpikaroka antsoina hoe Chris Darimont fa angamba misy zavatra tian’ny amboadia manokana ao amin’ny lohan’io trondro io, na koa mety ho misy katsentsitra mankarary ao amin’ny vatany. Hoy izy: “Mbola mahagaga anay foana ny amboadia. Izany no mahatonga ahy hieritreritra hoe angamba mbola maro be ny zava-miafina ao amin’ny ala tropikaly.”
Voataiza ho Mpanjakazaka
Hoy ny Wprost, gazety mivoaka isan-kerinandro any Polonina: “Ny ankizy no manjaka ao an-tranontsika! Ho azy ireo matetika no ividianantsika fitafiana lafo vidy, zavatra fanatsarana tarehy, ary fitaovana kely maoderina. Lany amin’ny zatovo ny 80 isan-jaton’ny volan’ny fianakaviana mahantra na antonontonony.” Navoakan’ilay tatitra ny fanadihadiana nataon’i Małgorzata Rymkiewicz, avy ao amin’ny Oniversiten’i Varsovie, ka voalaza tao ny sasany amin’ny famantarana ny ankizy mpanjakazaka. Tsy mankasitraka ny ray aman-dreniny, ohatra, izy ireo, fa “mitaky zavatra fanampiny foana, sady tsy faly amin’izay azony, fa masiaka, [sy] tsy mieritreritra ny hafa.” Hoy i Rymkiewicz: “Tena diso isika amin’ny fitaizana zanaka, raha avelantsika hanao izay tiany rehetra izy ireo, na dia ny ankizikely aza.” Manaiky an’izany ny Fikambanan’ny Psikology Poloney, ka nilaza hoe: “Izay fitsipika napetraka tamin’ny ankizy tamin’izy mbola herintaona ka hatramin’ny efa-taona ihany no arahiny rehefa lasa zatovo izy. . . . Mitaiza ny zatovo ho mpanjakazaka isika raha avelantsika hamalivaly sy hasiaka foana izy ireo.”
Fikambanana Mpandrava Fanambadiana
Misy olona tsy sambatra amin’ny fanambadiany any Japon, ka manakarama fikambanana mba handrava ny tokantranony, araka ny tatitra nataon’ny gazety IHT Asahi Shimbun any Tokyo. Afaka manakarama ‘fikambanana mpandrava tokantrano’ ny lehilahy, raha te hisaraka amin’ny vadiny, nefa tsy mahita antony marim-pototra hisarahana. Io fikambanana io indray no mandefa lehilahy tsara tarehy any amin’ny vadiny, izay mody atao hoe “sendra” mihaona aminy, ary manjary mifankatia izy ireo. Tsy ela dia manaiky hisaraka ilay vehivavy. Manjavona fotsiny avy eo ilay olona nokaramaina, raha vao vita ny iraka nampanaovina azy. Raha misy vehivavy te hisaraka amin’ny vadiny, dia mandefa tovovavy tsara tarehy ilay fikambanana mba hitaona an’ilay lehilahy hanitsakitsaka ny vadiny. Nilaza ny tovovavy iray 24 taona, fa “tsy mandà mihitsy amin’ny ankapobeny” izay lehilahy nohatoniny. Tombanany ho ny “85 na 90 isan-jaton’ny [asany] no mahomby.” Ny lehiben’ny fikambanana iray aza mandroaka ny mpiasany mihitsy raha toa ka intelo tsy mahomby izy ireo, ao anatin’ny dimy, araka ilay gazety. Hoy izy hoe: “Tsy maintsy mahomby izy ireo, satria izay no asany.”
Nahoana no Betsaka ny Ankizy Mpirenireny?
“Ny herisetra ao an-trano no tena antony mahatonga ny ankizy sy zatovo handositra, ka hiaina eny amin’ny arabe”, hoy ilay gazety brezilianina atao hoe O Estado de S. Paulo. Nisy fanadihadiana iray natao vao haingana tamin’ny ankizy mpirenireny 1 000, izay nomena trano tao amin’ny Fitsinjovana ny Ankizy sy Zatovo any Rio de Janeiro. Hita tamin’ilay izy fa ny 39 isan-jaton’izy ireo no nampijalina na nanatrika ady tao an-tranony. Hoy i Leni Schmitz, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Mitady fahamendrehana ireny ankizy ireny, ka heveriny fa eny amin’ny arabe no hahitany an’izany.” Nasehon’ilay fanadihadiana fa ny 34 isan-jaton’ny ankizy no nankeny amin’ny arabe mba hanao asa an-tselika na hangataka, ary ny 10 isan-jato nankeny satria nampiasa zava-mahadomelina. Ny 14 isan-jato kosa nilaza fotsiny fa izay no mba tiany, kanefa matetika no afenin’izy ireo ny tena antony, toy ny fametavetana tany an-tranony, araka ny filazan’ny mpikaroka. Ny 71 isan-jato eo ho eo no miara-miaina amin’ny ankizy hafa eny amin’ny arabe, sy mamorona “ny fianakaviany manokana, ka ankizy mpirenireny hafa no ataony rahalahy, dadatoa, dada, na neny”, hoy i Schmitz.
Manadino An’i Kristy ny Misionera, fa Lasa Manao Asa Soa
“Misionera maro be no manadino an’i Jesosy.” Izany no voalaza vao haingana tao amin’ilay gazety italianina hoe La Stampa. Voalaza tao koa fa tsy mitory momba an’i Kristy izy ireo, fa miezaka mafy manao asa soa mba hanamaivanana ny fahantrana sy ny fijaliana. Navoakan’i Vatikana tao amin’ny Internet fa nilaza toy izao ny kardinaly Crescenzio Sepe, lehiben’ny Fihaonam-ben’i Vatikana ho Fitoriana Amin’ny Vahoaka, momba ireo misionera katolika: “Ny fakam-panahy mahery tato anatin’ny am-polo taona . . . dia ny tsy firaharahana ny fitoriana an’i Kristy sy ny asa ara-panahy [ho an’ny vahoaka]. Izany no nahatonga ny misionera sasany hanao asa soa fotsiny, fa tsy misy resaka ara-panahy intsony. Ilaina ny asa ara-tsosialy toy izany, kanefa tsy mitovy amin’izay nataon’ireo apostoly, voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly.”
Loza Hafa Ateraky ny Sigara
“Na dia sigara telo isan’andro monja aza no fohin’ny vehivavy, dia efa atahorana ho voan’ny aretim-po sy ho faty aloha be izy ireo”, araka ny gazety The Daily Telegraph any Londres. Nisy fanadihadiana iray naharitra 20 taona natao tamin’ny lehilahy sy vehivavy danoà 12 000, ka tamin’izay vao fantatra fa mampidi-doza foana ny sigara na dia vitsy aza no fohina isan’andro. Manimba ny fahasalamana izy io, na dia tsy atelina aza ny setroka. Nilaza i Amanda Sandford, mpitondra tenin’ny fikambanana iray miady amin’ny fifohana sigara, fa “tokony ho tapa-kevitra ny hiala tanteraka amin’ny sigara ireo mpifoka”, raha ny valin’iny fanadihadiana iny no jerena. Tamin’ny fanadihadiana iray hafa navoakan’ny gazety The Times any Londres, dia hitan’ireo dokotera tao amin’ny Oniversiten’ny Sekoly Fianarana ho Mpitsabo any Atena, fa atahorana ho voan’ny aretim-po ny olona raha miaina ao anaty setro-tsigara mandritra ny 30 minitra isan’andro (mitovy amin’ny mifoka sigara iray). Ny vehivavy no tena atahorana kokoa hahazo aretim-po noho ny lehilahy.
Torapasika Natokana ho An’ny Phoques Mihalany Taranaka
Nanomboka tamin’ny 1996, dia anisan’ireo karazam-biby folo eran-tany, izay atahorana ho lany taranaka ny phoques moines (karazana lambondriaka), araka ny tatitra navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Tontolo Iainana sy ny Loharanon-karena Voajanahary. Ny 400 na 600 eo ho eo amin’izy ireo no mbola velona any an-dranomasina. Mihena ny isan’izy ireo, noho ireo mpihaza, sy ireo mpanjono mahafaty azy ireo tsy nahy. Tatỳ aoriana koa, dia simba ny fonenan’izy ireo noho ny fizahan-tany sy ny fandrosoana, araka ny fanazavan’ny gazety El País, any Espaina. Noho izany, dia nitady fialofana tany anaty lava-bato ny phoques. Manjary fandrika mahafaty ho an’ny phoques kely anefa ireny lava-bato ireny, mandritra ny rivo-doza misy onja mahery. Miara-miasa àry izao ny fitondrana any Espaina sy Maoritania. Misy torapasika natokan’izy ireo ho an’ny phoques eo akaikin’ny lava-bato sy hantsam-bato any Cabo Blanco, any amin’ny Morontsirak’i Atlantika Andrefan’i Sahara. Misy phoques moines 150 monina any amin’io toerana io, ary izay no antokona phoques lehibe indrindra. Hoferana araka izay azo atao ny fandehanan’ny olona any.
Vola Plastika
Nampiasa vola plastika toy ny firenena sasany koa i Meksika, tamin’ny Oktobra 2002. Nosoloana plastika tsikelikely ireo vola taratasy. Araka ny gazety El Universal, dia efa mampiasa vola plastika i Aostralia, Brezila, Nouvelle-Zélande, ary Romania. Ny Sinoa no nampiasa ny vola taratasy voalohany. Ny Aostralianina kosa no nahita ny akora nanaovana an’ireo vola plastika, araka ilay gazety. Misy tombony maro ny fampiasana vola plastika. Sady madio kokoa izy ireny, no “maharitra avo efatra heny noho ny vola taratasy, ary tsy mora simba rehefa ampiasaina, . . . sy tsy mora anaovana vola sandoka, sady mbola azo anamboarana zavatra hafa indray rehefa tsy miasa intsony.”