Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vorona Tsara Tarehy Miravaka Maso Be dia Be

Vorona Tsara Tarehy Miravaka Maso Be dia Be

Vorona Tsara Tarehy Miravaka Maso Be dia Be

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY INDE

AZONAO an-tsaina avy amin’io lohateny io angamba fa ny vorombola no resahintsika. Manana volo lava be ny vorombola lahy, ary mampahalaza azy maneran-tany tokoa izany. * Efa mba nanontany tena ve anefa ianao hoe inona no ilany an’ireny volo hafakely ireny, ary inona no mampiavaka an’io vorona io, ankoatra ny hatsaran-tarehiny?

Fianakaviamben’ny akoholahinala ny vorombola, ary misy karazany telo izy. Ny vorombola avy eto Inde, na ny vorombola mahazatra, no horesahintsika. Manga manopy maitso izy io amin’ny ankapobeny, ary roa metatra na roa metatra mahery ny halavany. Tafiditra amin’izany ireo volo lava be ao andamosiny, izay mirefy iray metatra sy sasany. Maitso sy mivolom-bolamena ireo volo ireo, ary feno sarin-javatra boribory miloko manga sy mivolom-barahina, toy ny endrika maso eo aminy. Saika manga manopy maitso manjelanjelatra kosa ny volo eo amin’ny vatan’ny vorombola.

Mirenty toy ny mpanjaka ny fijery ny vorombola, ka nofidina tamin’ny fomba ofisialy ho vorona famantarana an’i Inde izy. Izany koa angamba no nahatonga ilay fitenenana any amin’ny tany sasany hoe “manambony tena toy ny vorombola”, mba hilazana olona miavonavona. Tsy manambony tena, araka ny mety ho fahitana azy anefa io vorona io. Mora ompiana izy. Misy olona mihevitra azy io ho masina. Izany indraindray no mahatonga ny tantsaha eto Inde handefitra amin’ny vorombola, na dia manimba ny voliny aza izy ireo.

Ny fampisehoana mahavariana ataony

Mazava ho azy, fa ny fampisehoana mahavariana ataony no tena mampahalaza ny vorombola. Velariny ny volo ao andamosiny, ka lasa toy ny fikopaka manjelanjelatra. Fa inona no ilana an’izany fampisehoana miavaka izany? Mazava ho azy fa natao hisarihana ny vorombola vavy.

Somary sarotsarotiny ny vorombola vavy, ka izay tena mahay manao fampisehoana no tiany. Mahasarika azy tanteraka ireo volo mivelatra be toy ny fikopaka, ravahan’ny maso miloko manjelanjelatra. Mazàna izy no mifidy an’izay mahay mampidera volo indrindra.

Tapany kely amin’ilay fampisehoana fotsiny anefa ny famelarana volo. Alefan’ilay vorombola lahy any aloha ny volony, rehefa avy novelariny. Manomboka manao dihy mahavariana amin’izay izy, avy eo. Ataony mikiraviravy ny elany roa miloko mena somary volontsôkôlà sady ahetsiketsiny ny vatany, ka mikasaosaoka ireo volo mivelatra. Mikiakiaka be koa izy. Tsy tsara ny feony, nefa entiny ilazana amin’ny vavy fotsiny hoe tiany izy.

Mba mody maka tahaka kely ny fihetsiky ny lahy ihany ny vavy indraindray, nefa toa tsy mahataitra azy mazàna izay fihetsika ataon’ilay lahy. Tonga dia manaitra azy kosa anefa izay lahy tena mahay mampidera volo. Mety hanana vady hatramin’ny dimy ny vorombola lahy, ary hanan-janaka hatramin’ny 25 ao anatin’ny herintaona.

Fomba fiainan’ny vorombola

Mihintsana ny volo ao andamosin’ny vorombola lahy aorian’ny fotoana fitadiavany vavy. Maherin’ny 200 amin’ny ankapobeny, ny isan’ny volon’ny vorombola lehibe. Nanangona azy ireny foana ny mponina ambanivohitra teto Inde taloha, mba halefa tany amin’ny tany tandrefana. Norarana anefa izany tatỳ aoriana mba hiarovana an’io vorona io. Mbola hanaovana fikopaka sy zavatra hafa tsara tarehy anefa ireny volo ireny eto an-toerana.

Mianika moramora eny amin’ny hazo avo be ny vorombola amin’ny hariva, mba hitady toerana mety hatoriana. Midina moramora avy eny kosa izy rehefa maraina ny andro. Mety hahafinaritra anao ny mijery ny vorombola noho ny hatsaran-tarehiny. Aza manantena anefa hoe ho tsara koa ny feony. Mikiakiaka mitaraindraina izy mandra-pahitany sakafo, ka manakotaba ny alina mangina.

Tsy mifidy sakafo ny vorombola, fa sady mihinana biby no mihinana zavamaniry. Mihinana bibikely sy androngo izy. Mihinana bibilava kely, voan-javatra, voanemba ary fakan-javamaniry malemilemy mihitsy aza izy indraindray.

Toy ny hoe mieboebo noho ny hatsaran-tarehiny no fijery ny vorombola. Biby tena mahay miambina anefa izy. Mora mahatsinjo loza izy, anisan’izany ny sakadia mitady remby. Mamakivaky ny ala izy sady mikiakiaka, mba hampitandremana amin’ny loza mananontanona. Manao toa azy koa ny namany lahy rehetra. Mihazakazaka be izy ireo, sady mifanao aloha sy aoriana. Tsy mandao ny zanany mihitsy kosa ny vorombola vavy, na dia amin’ny fotoana faran’izay sarotra aza.

Toa tsy manelingelina ny vorombola akory ny volony lava be, na dia toa manahirana azy ihany aza, rehefa hanomboka hanidina izy. Manidina haingana be mihitsy anefa izy, raha vao tafakatra eny amin’ny lanitra. Akopakopany haingana be ny elany.

Efa afaka mandao ny ray aman-dreniny sy mikarakara tena ny zanaka vorombola, rehefa feno valo volana. Manampy an’ilay reny ho vonona hitaiza ny zanany manaraka izany. Manomboka maniry ny volo mampiavaka ny lahy, eo amin’ny fahavalo volany. Rehefa efa-taona anefa izy vao feno tanteraka ireo volo ireo. Vonona hanorin-tokantrano izy amin’izay fotoana izay.

Tantaran’ny vorombola

Fahiny, dia nandravaka ny zaridainan’i Gresy sy Roma ary Inde ny vorombola. Nahitana sarina vorombola ny zavakanto sy ny fitaovana fandravahana tao amin’ny lapam-panjakan’i Inde, nandritra ny an’arivo taona. Noheverina ho iray tamin’ireo harena sarobidy indrindra teto Inde ny Seza Fiandrianana Vorombola. Noravahana diamondra be dia be io seza io, ary voalaza fa vatosoa mena 108 sy vatosoa maitso 116 no napetaka taminy. Nisy sarina vorombola volamena teo amin’ny lamba nandrakofana azy, ka avy tamin’izany no nakana ny anarany. Rehefa fotoan-dehibe ihany vao natambatra sy nipetrahana io seza fiandrianana io.

Tantarain’ny Baiboly fa anisan’ireo entana sarobidy azon’i Solomona Mpanjaka avy tany amin’ny firenen-kafa ny vorombola. Mahafinaritra ny maka sary an-tsaina vorombola milanjalanja loha sady mandehandeha eran’ny zaridainan’io mpanjaka io. (1 Mpanjaka 10:22, 23) Tena manambara amintsika ny fisian’ny Mpamolavola iray manan-tsaina ireo vorona ireo. Rehefa mahita ny vorombola mandihy sady mamelatra ny volony manjelanjelatra isika, dia miaiky fa mahay zavakanto tokoa i Jehovah, ilay Andriamanitra “nahary ny zavatra rehetra.”—Apokalypsy 4:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Avy eo andamosin’ny vorombola, fa tsy avy eo amin’ny rambony no maniry ireo volo ireo. Ampiasainy hampiakarana azy ireo ny rambony.

[Sary, pejy 16]

Matetika no tsy mahasarika ny vorombola vavy ny dihin’ny vorombola lahy

[Sary nahazoan-dalana]

© D. Cavagnaro/Visuals Unlimited

[Sary, pejy 17]

Mahay mitaiza tsara ny zanany ny vorombola vavy

[Sary nahazoan-dalana]

© 2001 Steven Holt/stockpix.com

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Vorombola: Lela Jane Tinstman/Index Stock Photography

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

John Warden/Index Stock Photography