Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Iza ilay Fanjakana notapahin’i Kyrosy, Dariosy, Ahasoerosy, ary Artaksersesy? (Ezra 4:5-7)

2. Nampitahain’i Jakoba tamin’inona ny lela, tamin’izy nanazava fa manana hery lehibe izy io, ka afaka mifehy ny tena iray manontolo? (Jakoba 3:3, 4)

3. Iza no voalaza fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra voalohany? (Genesisy 4:1)

4. Taiza no nolazaina fa nanoratana ny anaran’ireo olona nahatoky sy tsy nivadika tamin’i Jehovah? (Apokalypsy 20:12)

5. Inona no biby tena mifanentana amin’ilay filazalazana momba ny Leviatana ao amin’ny Joba 41:1-34?

6. Nahoana no tezitra tamin’i Vasty ny mpanjaka, ka nanary azy tsy ho vadiny intsony? (Estera 1:12, 19)

7. Iza no nitondra tatitra tsara, tamin’ireo lehilahy 12 nirahin’i Mosesy nisafo ny tany Kanana? (Nomery 14:6-8)

8. Hafiriana i Satana no hohidiana ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa? (Apokalypsy 20:1-3)

9. Inona no nampiasain’i Elia, rehefa nanendry an’i Elisa handimby azy izy? (1 Mpanjaka 19:16, 19)

10. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa i Arona sy ny ankohonany no nofidiny hiandraikitra ny asa fisoronana, rehefa nihaika ny fahefan’i Mosesy sy Arona ny olona? (Nomery 17:16-26)

11. Iza, hoy i Saoly, no homeny ho vadin’i Davida, tamin’ny voalohany? (1 Samoela 18:17-19)

12. Famaliana manao ahoana no “mampianina ny fahatezerana”? (Ohabolana 15:1)

13. Iza no nilaza fa “ho nofo iray ihany” ny lehilahy sy ny vadiny, araka ny nomarihin’i Jesosy? (Matio 19:4-6)

14. Iza ilay olona tsy nety nandinika ilay raharaha niampangan’ny jiosy an’i Paoly ho nitaona olona hanaraka fivavahana hafa, satria tsy fandikana ny lalàna romanina izany? (Asan’ny Apostoly 18:12-16)

15. Inona no nomen’ilay andriandahy an’ireo mpanompony, rehefa nandao ny tranony izy “mba handray fahefana hanjaka”, araka ilay fanoharan’i Jesosy? (Lioka 19:12-24)

16. Tamin’ny volana inona no vita ny fanorenan’i Solomona ny tempolin’i Jerosalema? (1 Mpanjaka 6:38)

[Efajoro, pejy 21]

Valiny

1. Persia

2. Familiana kely amin’ny sambo lehibe

3. Eva

4. “Ny bokin’ny fiainana”

5. Voaibe

6. Tsy nety nankany amin’ny mpanjaka mihitsy izy

7. Josoa sy Kaleba

8. 1 000 taona

9. Kapôtiny

10. Ny tehin’i Arona ihany no nitsimoka ka namoa amygdala tamin’ireo tehina 12 izay an’ny mpitarika ny fokon’ny Isiraely

11. I Meraba, zanany vavimatoa

12. Famaliana mora

13. Andriamanitra

14. Galio, governora tany Akaia

15. Farantsa

16. Bola, ny volana fahavalo amin’ny kalandrie ara-pivavahana