Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Mifanipaka Momba ny Boky sy Sary Vetaveta

Hevitra Mifanipaka Momba ny Boky sy Sary Vetaveta

Hevitra Mifanipaka Momba ny Boky sy Sary Vetaveta

“Mamorona faniriana mafy izay tsy tokony hisy izy ireny, ary mampirongatra fahamaimaizana izay tsy tokony homena fahafaham-po mihitsy.”​—Tony Parsons, mpanoratra an-gazety.

TSY nieritreritra ny ho lasa za-dratsy amin’ny ‘fijerena zavatra vetaveta amin’ny Internet’ mihitsy i John. * Toy ny olona maro sendra nahita sary vetaveta sy fandaharana ahafahana mifampiresaka momba ny firaisana ao amin’ny Internet izy. Izany no nahazo azy rehefa nampiasa Internet izy indray andro. Tsy ela i John dia revo tanteraka tamin’ny fijerena zavatra vetaveta tao amin’ny Internet. Hoy izy: “Nandrasako ho lasa niasa ny vadiko dia niarina haingana aho ary nandany ora maro teo amin’ny ordinatera.” Tsy niato mba hisakafo na hisotro rano akory izy, rehefa nisy fandaharana nitohy ela be. “Tsy nahatsiaro noana mihitsy aho”, hoy izy. Nanomboka nandainga tamin’ny vadiny i John. Tsy nolazainy taminy io zavatra nataony an-tsokosoko io. Tsy nifantoka tamin’ny asany intsony izy, ary lasa kaodikaody. Nanomboka nikorontana ny fanambadiany, ary fantatry ny vadiny ilay raharaha rehefa nataony izay tena hihaonana tamin’ny iray tamin’ireo sakaiza ratsiny tao amin’ny Internet. Tsaboina ho afaka amin’io fahazaran-dratsiny io izao i John.

Tantara tahaka an’io no aroson’ireo mpanohitra ny boky sy sary vetaveta, mba hanaporofoana ny vokatra mampietrin’ireny zavatra ireny. Milaza ireo olona ireo fa manimba fihavanana ny boky sy sary vetaveta, sady manambany ny vehivavy, manimba ny ankizy ary mahatonga fiheverana mamoafady momba ny firaisana. Lazain’ireo mpankafy ny boky sy sary vetaveta kosa, fa fomba fanehoana hevitra malalaka ireny zavatra ireny, ary lazainy fa mora tafintohina loatra ireo mpanohitra. Misy milaza hoe: “Tsy tokony hahamenatra ny olona ny fironany na ny faniriany mahakasika ny firaisana. Azo ampiasaina ny boky sy sary vetaveta mba hanombohana sy handrisihana resaka mivantana momba ny firaisana.” Misy aza milaza fa mampiavaka ny fiaraha-monina malala-tsaina sy salama saina ny fitomboan’ny boky sy sary vetaveta. Hoy i Brian MacNair, mpanoratra: “Ny fiaraha-monina matotra tsara ka mahavita mijery sarin’olon-dehibe manao firaisana an-tsitrapo, dia azo inoana fa hahazaka tsara koa ny fisian’ny karazana firaisana rehetra sy ny fitovian-jo eo amin’ny vehivavy.”

Mahatonga ny boky sy sary vetaveta ho azo ekena ve ny fisian’ny hevitra mifanipaka toy izany? Nahoana no miely be ny boky sy sary vetaveta? Tena mampidi-doza ve izy ireny? Handinika izany fanontaniana izany ireo lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.