Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve Indraindray ny Mankahala Olona Noho ny Fiaviany?

Mety ve Indraindray ny Mankahala Olona Noho ny Fiaviany?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Mety ve Indraindray ny Mankahala Olona Noho ny Fiaviany?

AHOANA no ho fihetseham-ponao raha toa ianao ka heverin’ny olona ho mpamitaka, mahery setra, vendrana, na ratsy fitondran-tena, noho ny fiavianao? * Azo antoka fa tsy ho tianao izany. Mampalahelo anefa fa olona an-tapitrisa no iharan’izany. Maro be ny olona nampijalina sy novonoina mihitsy hatramin’izay, noho ny volon-kodiny na ny fireneny fotsiny. Ny fankahalana olona noho ny fiaviana tokoa no nahatonga ny ankamaroan’ireo ady feno ra mandriaka ankehitriny. Maro amin’ireo olona mankasitraka sy mandray anjara amin’ny herisetra toy izany anefa no milaza fa mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Misy aza milaza mihitsy fa hisy foana ny fanavakavaham-bolon-koditra, satria anisan’ny maha olona ny olona izany.

Manala tsiny ny fankahalana olona noho fiaviany toy izany ve ny Baiboly? Mety ve indraindray ny mankahala olona tsy mitovy kolontsaina na volon-koditra amintsika? Azo antenaina ve fa tsy hisy intsony ny fankahalana olona noho ny fiaviany, indray andro any? Ahoana no fiheveran’ny Baiboly an’izany?

Voaheloka noho ny zavatra nataony

Raha jerena maimaika fotsiny ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona taloha, dia mety hanatsoaka hevi-diso isika, ka hihevitra fa nankahala olona noho ny fiaviany Andriamanitra. Tsy imbetsaka tokoa ve ny Baiboly no mitantara fa nandripaka foko sy firenena iray manontolo Andriamanitra? Marina izany, kanefa rehefa tena mandinika isika, dia tsy ny fiavian’ireny olona ireny no nanamelohan’Andriamanitra azy, fa noho izy ireo tsy niraharaha ny lalàny.

Nomelohin’i Jehovah Andriamanitra, ohatra, ny Kananita, satria tena naloto fitondran-tena sy nifandray tamin’ny demonia. Nandoro ankizy mihitsy aza izy ireo mba ho sorona ho an’ny andriamani-diso! (Deoteronomia 7:5; 18:9-12) Nisy koa anefa ireo Kananita nino an’Andriamanitra, ka nibebaka. Namonjy azy ireny àry i Jehovah, sady nitahy azy. (Josoa 9:3, 25-27; Hebreo 11:31) Tonga razamben’i Jesosy Kristy, ilay Mesia nampanantenaina, mihitsy aza ilay vehivavy kananita iray atao hoe Rahaba.​—Matio 1:5.

Hita amin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraelita fa tsy manavakavaka izy. Mifanohitra amin’izany kosa fa tena mitady izay hahasoa ny olona rehetra izy. Izao no didy nampiseho fangoraham-po, nomen’Andriamanitra ny Isiraelita, ao amin’ny Levitikosy 19:33, 34: “Raha misy mivahiny aminao eo amin’ny taninareo, aza manao sarotra aminy. Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” Ahitana didy toy izany koa ao amin’ny bokin’ny Eksodosy sy Deoteronomia. Mazava àry fa tsy ankasitrahan’i Jehovah mihitsy ny fankahalana olona noho ny fiaviany. Tiany hiara-miaina amim-pihavanana kosa ny olona samy hafa fiaviana.

Nampirisika ny olona samy hafa fiaviana hifanaja i Jesosy

Mazàna no nifankahala ny Jiosy sy ny Samaritanina tamin’ny fotoana niainan’i Jesosy teto an-tany. Indray mandeha, dia nandroaka an’i Jesosy ny olona tao amin’ny tanàna samaritanina iray, satria fotsiny hoe Jiosy hankany Jerosalema izy. Inona no ho nataonao raha ianao no nolavina toy izany? Mety ho somary nanavakavaka koa ireo apostoly, matoa nanontany hoe: “Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?” (Lioka 9:51-56) Nanjary nanavakavaka toy ny mpianany koa ve i Jesosy? Tsy izany mihitsy, fa niteny mafy azy ireo kosa izy, ary nitady tanàna hafa hivahiniana. Nanao fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy i Jesosy, tsy ela taorian’izay. Nasehon’io fanoharana io tsara fa tsy miankina amin’ny fiavian’ny olona iray no hahatonga azy ho fahavalo. Mety ho lasa tena namana tsara mihitsy aza izy!

Fiaviana samihafa eo anivon’ny fiangonana kristianina

Nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia ny hampianatra ny olona iray firenena taminy no tena nifantohany. Nilaza anefa izy fa hisy olon-kafa hanara-dia azy. (Matio 28:19) Afaka ny ho mpianany koa ve ny olona samy hafa fiaviana? Izany tokoa! Hoy ny apostoly Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Nanamafy an’izany hevitra izany ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, ka nolazainy mazava tsara fa tsy mampaninona izay fiavian’ny olona iray rehefa eo anivon’ny fiangonana kristianina.​—Kolosiana 3:11.

Mbola hamafisina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy koa fa mandray ny olona avy amin’ny fiaviana rehetra Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra fahitana ny apostoly Jaona, ka nahita “olona betsaka . . . avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, nahazo famonjena avy tamin’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9, 10) Ireo “olona betsaka” ireo no honina voalohany ao amin’ny tontolo vaovao, ka amin’izay dia hiaina amim-pihavanana ny olona avy amin’ny fiaviana rehetra, satria samy tia an’Andriamanitra.

Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy tokony hitsara ny olona araka ny fiaviany ny Kristianina. Mihevitra ny olona tsirairay toy ny fomba iheveran’Andriamanitra azy isika, fa tsy mijery ny fiaviany fotsiny. Manao ny rariny sy maneho fitiavana isika raha manao izany. Tsy izany ve no fomba tianao hiheveran’ny olona anao? Mety tsara àry raha nampirisika antsika i Jesosy hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12) Mahafinaritra ny miaina rehefa tsy mifankahala ny olona samy hafa fiaviana. Tena mitondra fiadanan-tsaina izany, sady mampihavana amin’ny hafa. Ny mbola zava-dehibe kokoa aza dia hoe hanjary hanahaka an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika tsy manavakavaka, isika. Izany no tena mahatonga antsika tsy hankahala olona hafa fiaviana amintsika!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny teny hoe “fiaviana” ato amin’ity lahatsoratra ity, dia ilazana olona mitovy volon-koditra, firenena, foko, na kolontsaina.