Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Miely Be ny Boky sy Sary Vetaveta?

Nahoana no Miely Be ny Boky sy Sary Vetaveta?

Nahoana no Miely Be ny Boky sy Sary Vetaveta?

AN’ARIVO taona talohan’izao no efa nisy ny zavatra vetaveta natao hanairana ny filan’ny nofo. Sarotra anefa ny namokatra boky sy sary vetaveta taloha, ka ny mpanan-karena sy ny manam-pahefana ihany no tena afaka nahazo azy ireny. Niova tanteraka anefa izany rehefa nisy ny pirinty sy sary ary sarimihetsika. Nanjary afaka nividy sy nijery boky sy sary vetaveta koa ny olona tsy dia nanankarena firy.

Vao mainka nampiroborobo ny sary vetaveta ny fisian’ny fitaovana fandefasana kasety video. Mora tehirizina sy atao kopia ary aely mantsy ny kasety video, tsy tahaka ny horonan-tsarimihetsika sy ny sary. Azo jerena ao an-trano koa ny video. Nihamaro tato ho ato ny teknolojia maoderina hahazoana fandaharana amin’ny tele amin’ny alalan’ny kabla manokana na satelita, ary koa amin’ny Internet, ka vao mainka mora ny mijery sary vetaveta. Mandoa vola ireo olona matahotra ny hisy hahita any amin’ny mangazay mpivarotra video vetaveta, ka afaka “mijanona ao an-tranony ihany ary manindry bokotra amin’ny tele fotsiny mba hijerena an’izany”, hoy i Dennis McAlpine, mpamakafaka ny fampitam-baovao. Noho ny fahazoana mora foana an’ireny karazana fandaharana ireny koa, hoy izy, dia “mihamaro ny olona tsy mihontsina intsony amin’ny fisian’ny sary vetaveta.”

Mahazo vahana ny boky sy sary vetaveta

Maro no sanganehana momba ny boky sy sary vetaveta, satria mahazo vahana izy ireny izao. Hoy i Germaine Greer, mpanoratra: “Efa nitombo sahady ny herin’izy ireny eo amin’ny kolontsaina, ka misy heriny be lavitra noho ny fitambaran’ireo tantara an-kira, dihy, teatra, mozika, ary zavakanto.” Hita eo amin’ny zavatra maro ny fihevitry ny olona ankehitriny momba ny sary vetaveta. “Mampiseho izany, ohatra, ny fanarahan’ny mpanakanto ny ‘lamaodin’ireo mpivaro-tena’ malaza, ireo clip izay mihasahy mampiseho sary vetaveta, ary ireo dokam-barotra vetaveta.” Hoy àry i McAlpine: ‘Mihinana am-bolony ny olona, ka manjary mora ny mampanaiky ilay hevitra hoe azo ekena ny boky sy sary vetaveta.’ Nitaraina toy izao mihitsy aza i Andrea Dworkin, mpanoratra: “Tahaka ny tsy misy zavatra manafintohina ny olona intsony. Toa tsy miraharaha izy ireo.”

Hevitra aroso momba ny boky sy sary vetaveta

Nanamafy an’io tenin’i Dworkin io i Roger Young, polisy efa misotro ronono, ka nanazava fa maro ny olona “tsy mahita mihitsy ny halehiben’ny voka-dratsin’ny boky sy sary vetaveta ary ny olana aterany.” Ireo voataonan’ny mpankafy zavatra vetaveta, dia milaza fa tsy voaporofo hoe mampidi-doza izy ireny. Hoy i F. Christensen, mpanoratra, hoe tsy misy heriny, fa “nofinofy fotsiny ny sary vetaveta, ary toa sarotra amin’ireo tsy tia azy ireny ny manaiky an’izany.” Koa nahoana no misy ny indostrian’ny dokam-barotra raha tsy misy heriny ny nofinofy? Nahoana no handany vola an-tapitrisa ireo fikambanana mba hanaovana dokam-barotra ao amin’ny radio, televiziona, video, ary dokam-barotra vita pirinty, raha tsy misy vokany maharitra eo amin’ny olona izy ireny?

Toy ny zava-kendren’ny dokam-barotra mahomby rehetra ihany ny zava-kendren’ny sary vetaveta, raha ny marina, dia ny hanaitra faniriana tsy nisy hatramin’izay. Hoy i Steven Hill sy Nina Silver, samy mpikaroka: “Natao hahazoana tombom-barotra tsotra izao ny boky sy sary vetaveta. Ary ao amin’io tsena baranahiny io, dia heverina ho azo hararaotina sy amidy mba hahazoana tombony ny zava-drehetra, indrindra fa ny vatan’ny vehivavy sy ny firaisana.” Ampitovin’i Greer amin’ny hani-masaka mahaza-dratsy ny olona ny boky sy sary vetaveta. Tsy mahasoa ireny hani-masaka ireny, fa ampifangaroina zavatra mampahatsiro sy zavatra simika fotsiny. Hoy izy: “Firaisana tsy tena izy no asehon’ny video sy ny fampitam-baovao. . . . Sakafo tsy mahasoa no anaovana dokam-barotra mba hividianan’ny olona azy, ary firaisana nofinofy no anaovana dokam-barotra mba hividianan’ny olona azy.”

Misy dokotera milaza fa ny fijerena boky sy sary vetaveta, dia mety ho lasa fahazaran-dratsy sarotra tsaboina kokoa noho ny fahazaran-dratsy amin’ny zava-mahadomelina. Mazàna ny fitsaboana olona za-dratsy amin’ny zava-mahadomelina no atomboka amin’ny fanesorana ny poizina ao amin’ny vatana. Ny fahazaran-dratsy amin’ny boky sy sary vetaveta kosa, hoy ny Dr. Mary Anne Layden, any amin’ny Oniversiten’i Pennsylvanie, dia “mahatonga sary latsa-paka ao an-tsain’ilay olona ka miraikitra ao an-dohany.” Izany no mahatonga ny olona mbola hahatsiaro mazava tsara foana an’ireo sary vetaveta nojereny efa ela be. Hoy ny famaranan-tenin’i Layden: “Io no zavatra mahaza-dratsy indrindra izay tsy antenaina ho azo ialana mihitsy.” Midika ve izany fa tsy azo ialana mihitsy ny fahazaran-dratsy amin’ny boky sy sary vetaveta? Ary inona marina ny loza aterak’izy ireny?

[Efajoro, pejy 5]

Zavatra Vetaveta Amin’ny Internet

◼ Avy any Etazonia ny 75 isan-jaton’ireo zavatra vetaveta amin’ny Internet, ary avy any Eoropa ny 15  isan-jato latsaka kely.

◼ Nolazaina fa 70 tapitrisa eo ho eo isan-kerinandro ny olona mitsidika toerana misy zavatra vetaveta ao amin’ny Internet. Any Etazonia sy Kanada ny 20 tapitrisa amin’ireo olona ireo.

◼ Nahariharin’ny fandinihana vao haingana, natao nandritra ny iray volana, fa i Alemaina no nanana olona maro indrindra nijery zavatra vetaveta tamin’ny Internet, tany Eoropa. Manarakaraka azy i Grande-Bretagne, Frantsa, Italia, ary Espaina.

◼ Mandany 70 minitra amin’ny antsalany, isam-bolana, ireo mpijery zavatra vetaveta amin’ny Internet, any Alemaina.

◼ Amin’ireo Eoropeanina mpijery sary vetaveta amin’ny Internet, dia ireo olona maherin’ny 50 taona no mandany fotoana betsaka indrindra ifandraisana amin’ny toerana ao amin’ny Internet, izay mampiseho olona manao firaisana.

◼ Araka ny boky iray, dia mijery amin’ny antoandro ny 70 isan-jaton’ireo mpijery sary vetaveta amin’ny Internet.

◼ Tombanana ho 100 000 eo ho eo ny toerana ao amin’ny Internet ahitana sary vetaveta ampiasana ankizy.

◼ Avy any Japon ny 80 isan-jaton’ireo sary vetaveta ampiasana ankizy, izay amidy ao amin’ny Internet.

[Sary, pejy 4]

Manjary mora kokoa ny mividy sy mijery boky sy sary vetaveta