Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Loza Ateraky ny Boky sy Sary Vetaveta

Ny Loza Ateraky ny Boky sy Sary Vetaveta

Ny Loza Ateraky ny Boky sy Sary Vetaveta

AMIN’NY televiziona, filma, clip, ary ny Internet no mora ahitan-javatra isan-karazany momba ny firaisana. Maro no te hampino antsika fa tsy manimba ny saina io fitsofotsofohan’ny sary vetaveta tsy an-kijanona io. Marina ve anefa izany? *

Voka-dratsiny eo amin’ny olon-dehibe

Ny boky sy sary vetaveta dia tena misy voka-dratsiny eo amin’ny fomba fihevitry ny olona ny firaisana sy ny fitondran-tenany, na inona na inona lazain’ireo mpankafy azy ireny. Nisy fehin-kevitra naroson’ireo mpikaroka ao amin’ny Fikambanam-pirenena Manadihady sy Mampianatra Momba ny Fianakaviana. Hoy izy ireo: “Atahorana kokoa hanjary hanao firaisana mamoafady ireo mpijery boky sy sary vetaveta.” Araka ireo mpikaroka ireo ihany, dia “tena miely eo amin’ny lehilahy zatra mijery boky sy sary vetaveta ny hevi-diso momba ny fametavetana (dia ny finoana hoe ny vehivavy no mahatonga sy tia ny fametavetana, ary olona salama saina ny mpametaveta).”

Misy mpikaroka milaza fa ny fijerena boky sy sary vetaveta miverimberina, dia mety hisakana ny olona tsy hahay hankafy sy handray anjara amin’ny firaisana ara-dalàna eo amin’ny mpivady. Ny Dr. Victor Cline, manam-pahaizana momba ny fitsaboana olona adalam-piraisana, dia nahamarika fa mbola mijery boky sy sary vetaveta ihany ireny olona ireny. Raha tsy voafehy ny fijerena kisendrasendra boky sy sary vetaveta, dia mety hiafara amin-javatra tena mamoafady sy tsy ara-dalàna. Mety hiafara amin’ny fanaovana firaisana mamoafady izany, hoy izy. Manaiky ny fahamarinan’izany ireo mpandinika momba ny fitondran-tena. Milaza ny Dr. Cline fa “ny fijerena zavatra vetaveta toy izany, no mahatonga ny karazana firaisana mamoafady rehetra . . ., ary tsy afaka amin’izany intsony ilay olona na dia mavesatra ao an-tsainy aza hoe ratsy ny ataony.” Mety hanandrana ireo firaisana maloto hitany tamin’ny boky sy sary vetaveta izy atỳ aoriana, ka loza no aterak’izany matetika.

Mety hitombo tsikelikely sy tsy ho tsikaritra akory io zava-manahirana io, hoy i Cline, namarana ny teniny. Hoy izy: “Mihamitombo sy mihanaka toy ny kansera izy io. Mahalana izy io vao tsy mihombo, ary tena sarotra ny mitsabo sy manasitrana azy. Fahita ary azo ampoizina, fa tsy hanaiky hoe mila tsaboina ireo lehilahy manana an’io olana io. Tsy manaiky hiatrika an’ilay olana izy, ka matetika izany no mampiady mivady, na indraindray mahatonga fisarahana na faharavan’ny fihavanana hafa koa eo amin’ny mpivady.”

Voka-dratsiny eo amin’ny tanora

Asehon’ny antontan’isa, fa ny ankizilahy eo anelanelan’ny 12 sy 17 taona no tena mijery boky sy sary vetaveta. Ho an’ny ankamaroany, dia avy amin’izy ireny no tena ianarana momba ny firaisana. Tena mampahatahotra ny vokany. Hoy ny tatitra iray: “Tsy misy mihitsy ny zatovovavy bevohoka sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana, toy ny SIDA, raha ireny sary vetaveta ireny no jerena. Manjary mino àry ny olona hoe tsy misy voka-dratsiny ny fitondran-tena asehon’ireny zavatra vetaveta ireny.”

Milaza ny mpikaroka sasany fa mety hanimba ny fitomboan’ny sain’ny ankizy koa ny fijerena sary vetaveta. Hoy ny Dr. Judith Reisman, prezidàn’ny Fikambanana Misahana ny Fanabeazana Amin’ny Alalan’ny Fampitam-baovao: “Nisy fandinihana natao mifandray amin’ny rafi-pitatitra sy ny fandraisan’ny saina ny zavatra vetaveta hita sy re. Hita tamin’izany fa tena manimba ny fijerena sary vetaveta. Simba àry ny sain’ny ankizy izay mbola ‘azo volavolaina tsara’, satria simba ny fahatakarany ny tena zava-misy. Simba koa ny sainy, ny vatany, ny fiainany, ary tsy azony ny fahasambarana tadiaviny.”

Vokany eo amin’ny fifandraisana amin’ny olona

Ny boky sy sary vetaveta dia sady mamolavola ny toe-tsain’ny olona, no manan-kery eo amin’ny fitondran-tenany. Mamitaka ny hafatra ampitain’izy ireny satria nofinofy, ka aseho ho manaitaitra mihoatra noho ny tena izy. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Hafatra Ampitain’iza no Hekenao?”) “Manolokolo fanantenana tsy araka ny tena izy, ireo mpijery boky sy sary vetaveta, ka simba ny fifandraisany amin’ny olona”, hoy ny tatitra iray.

Manimba ny fifampitokisana sy ny fahatsoram-po, izay tena ilain’ny mpivady, ny zavatra vetaveta. Matetika no mitarika ho amin’ny fitaka sy lainga ny fijerena azy ireny, satria atao an-tsokosoko. Tsapan’ilay tsy manan-tsiny fa nivadika taminy ny vadiny. Tsy azony hoe nahoana izy no tsy manintona an’io vadiny io intsony.

Loza ara-panahy

Tena manimba ny fahasalamana ara-panahy ny fijerena zavatra vetaveta. Mety ho lasa tena vato misakana ny olona iray tsy hihavana amin’Andriamanitra izany. * Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fitsiriritana sy fanompoan-tsampy ny filan’ny nofo. (Kolosiana 3:5) Ny olona mitsiriritra zavatra iray dia maniry azy io mafy dia mafy, ka izy io no lasa zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany, ary manakona ny zavatra hafa rehetra. Ny olona za-dratsy mijery zavatra vetaveta, raha ny marina, dia mametraka ny fanirian’ny nofony ho ambony noho Andriamanitra. Ataony sampy àry ilay izy. Mandidy toy izao anefa i Jehovah Andriamanitra: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.”​—Eksodosy 20:3.

Manimba ny fifankatiavana ny boky sy sary vetaveta. Nampirisika ny lehilahy kristianina hanome voninahitra ny vadin’izy ireo avy, ny apostoly Petera izay nanambady koa. Raha tsy izany dia ho voasakana ny vavaka ataon’izy ireo. (1 Petera 3:7) Hanome voninahitra ny vadiny ve ny olona iray, raha mangalatra mijery sarim-behivavy mamoafady? Ahoana hoy io vadiny io raha fantany izany? Ary ahoana hoy ilay Andriamanitra “mpandanja ny fanahy”, izay ‘hitondra ny zavatra rehetra ho amin’ny fitsarana’? (Mpitoriteny 12:14; Ohabolana 16:2) Ho afaka hanantena ve ny olona mpijery boky sy sary vetaveta fa hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataony?

Lafiny lehibe mampiavaka ny fampiasana boky sy sary vetaveta ny fanantitranterana ny fanomezana fahafaham-po ny tena, na inona na inona mety ho vokany. Tsy fanehoam-pitiavana àry ny fijerena boky sy sary vetaveta. Izany dia mampandamòka ny ady ataon’ny Kristianina mba hadio fitondran-tena sy hanana fieritreretana madio hatrany eo anatrehan’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia . . . ny hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, . . . mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany.”​—1 Tesaloniana 4:3-7.

Ny vehivavy sy ny ankizy no tena hararaotina ao amin’ny boky sy sary vetaveta. Manambany azy ireo izany, ary sady manala baraka no manitsakitsaka ny zony. Mandray anjara amin’io fanararaotana io ary manohana an’izany ireo mpijery zavatra vetaveta. Hoy i Steven Hill sy Nina Silver, samy mpikaroka: “Diso hevitra ny olona mihevi-tena ho tsara fanahy raha mankasitraka an-kolaka zavatra vetaveta, satria hanjary ho [mafy fo] izy, fara faharatsiny, na hankahala mihitsy ny vehivavy izay lazainy fa hanehoany fiheverana.”

Fialana amin’ny fahazarana mijery boky sy sary vetaveta

Ahoana raha miady mafy amin’ny fahazaran-dratsy mijery boky sy sary vetaveta ianao izao? Misy azo atao ve mba hialana amin’izany? Manome toky momba izany ny Baiboly! Ny sasany tamin’ireo Kristianina voalohany dia mpijangajanga, mpaka vadin’olona, ary nanana faniriana tsy nety afa-po, talohan’ny nahafantarany an’i Kristy. “Saingy efa voasasa hianareo”, hoy i Paoly. Ahoana no netezan’izany? Hoy izy namaly: “Efa nohamasinina hianareo . . . tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.”​—1 Korintiana 6:9-11.

Aza hamaivanina mihitsy ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.” Hanoro ny lalan-kivoahana amin’izany tokoa izy. (1 Korintiana 10:13) Hisy vokany tsara ny vavaka amin-kafanam-po, atao amim-pikirizana mba hilazana amin’Andriamanitra ny zava-manahirana anao. Hoy ny Teniny: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.”​—Salamo 55:22.

Mazava ho azy, fa tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao ianao. Mila mandray fanapahan-kevitra matotra sy feno fahatsorana ianao ka hanilika ny boky sy sary vetaveta. Afaka manome fanampiana sarobidy ny namana na mpianakavy azo itokisana. Hanome anao ny fanohanana sy fampaherezana ilainao izy, mba hifikiranao amin’ny fanapahan-kevitrao. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Mitadiava Fanampiana.”) Hanampy anao tsy hiverina ilalana ny fitadidiana fa mampifaly an’Andriamanitra ny fanapahan-kevitrao. (Ohabolana 27:11) Handrisika anao bebe kokoa hiala amin’ny fijerena boky sy sary vetaveta koa ny fahafantarana fa halan’Andriamanitra izy ireny. (Genesisy 6:5, 6) Tsy ho mora ilay ady nefa azo atao ny ho mpandresy. Azo ialana ny fahazarana mijery boky sy sary vetaveta!

Tena mampidi-doza ny mijery boky sy sary vetaveta ary tena manimba. Simba ny fitondran-tenan’ireo mpamokatra sy mpankafy azy ireny. Fanalam-baraka ny lehilahy sy vehivavy izy ireny, sady loza ho an’ny ankizy, ary fanao tokony hialana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Manome fanazavana momba ny loza ateraky ny sary vetaveta ao amin’ny Internet, ireo lahatsoratra mifampitohy mitondra ny lohateny hoe: “Danger! Pornographie sur Internet” ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Jona 2000, pejy 3-10.

^ feh. 14 Mba hahitana fanazavana momba ny fiheveran’ny Baiboly ny boky sy sary vetaveta, dia jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 2002, pejy 19-21.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Mitadiava Fanampiana

Tsy tokony hohamaivanina ny ady atao mba hialana amin’ny fahazarana mijery boky sy sary vetaveta. Mety ho sarotra ilay izy. Hoy ny Dr. Victor Cline, izay nitsabo olona maro adalam-piraisana: “Tsy ampy ny fampanantenana, ary tsy misy dikany ny fikasana tsara. Tsy tafavoaka samirery mihitsy [ny olona adalam-piraisana].” Araka ny hevitr’i Cline, dia tena ilaina ny fanampian’ny vadin’ilay marary, raha manambady izy, mba hahombiazan’ilay fitsaboana. “Haingana kokoa ny fitsaboana”, hoy i Cline, “raha mifanampy ny mpivady. Samy mijaly mantsy izy ireo ary samy mila fanampiana.”

Raha tsy manambady kosa ilay marary, dia matetika no tena afaka mampahery ny namana na mpianakavy azo itokisana. Fitsipika iray tsy miova no omen’i Cline ho an’izay rehetra tsaboina: Resaho tsara ny momba ilay zava-manahirana sy ny fotoana nahalavo indray anao. Hoy izy: “‘Mamono anao’ ny manafin-javatra. Mahatonga anao ho menatra sy hahatsapa ho meloka izany.”

[Tabilao, pejy 9]

Ny Hafatra Ampitain’iza no Hekenao?

Ny Boky sy Sary Vetaveta Ny Hevitry ny Baiboly

◼ Tsy ratsy ary tsy misy ◼ “Aoka hanan-kaja amin’ny

voka-dratsiny ny manao olona rehetra ny fanambadiana,

firaisana, na amin’iza na ary aoka tsy ho voaloto ny

amin’iza, amin’ny fotoana fandriana: fa ny mpijangajanga

rehetra, amin’ny toe-javatra sy ny mpaka vadin’olona

rehetra, ary amin’ny fomba dia hohelohin’Andriamanitra.”

rehetra. ​—Hebreo 13:4.

 

‘Ny mpijangajanga dia manota

mihatra amin’ny tenany.’

​—1 Korintiana 6:18; jereo koa

Romana 1:26, 27.

◼ Tsy hahazoana fahafaham-po ◼ “Mifalia amin’ny vadin’ny

eo amin’ny firaisana ny fahatanoranao. . . . Aoka ho

fanambadiana. feno faharavoravoana làlandava

amin’ny fitiavany hianao.”

​—Ohabolana 5:18, 19; jereo koa

Genesisy 1:28; 2:24;

1 Korintiana 7:3.

◼ Ny hanome fahafaham-po ◼ “Hanaovako [Jehovah

izay ilain’ny lehilahy eo Andriamanitra] vady sahaza ho

amin’ny firaisana no hany azy izy.”​Genesisy 2:18;

zava-kendren’ny vehivavy. jereo koa Efesiana 5:28.

◼ Andevozin’ny filan’ny nofony ◼ “Koa vonoy ny momba ny

ny lehilahy sy ny vehivavy. tenanareo izay etỳ an-tany,

dia fijangajangana, fahalotoana,

firehetam-po, fanirian-dratsy

ary fieremana, dia

fanompoan-tsampy izany.”

​—Kolosiana 3:5.

 

“Samy hahafantatra izay

hahazoanareo ny fanaky ny

tenanareo avy [ianareo], amin’ny

fahamasinana sy ny voninahitra.”

​—1 Tesaloniana 4:4.

 

Hevero ho ‘toy ny reny ny

vehivavy anti-panahy, toy ny

anabavy ny tanora fanahy,

amin’ny fahadiovana rehetra.’

​—1 Timoty 5:1, 2; jereo koa

1 Korintiana 9:27.

[Sary, pejy 7]

Milaza ny mpikaroka sasany fa manimba ny fitomboan’ny sain’ny ankizy ny fijerena boky sy sary vetaveta

[Sary, pejy 8]

Mety handrava ny fifampitokisana sy ny fahatsoram-po ao amin’ny fanambadiana ny boky sy sary vetaveta

[Sary, pejy 10]

Hisy vokany tsara ny vavaka amin-kafanam-po