Tahiti sy Ilay Paradisa Notadiavina
Tahiti sy Ilay Paradisa Notadiavina
Andro maro no lasa nefa mbola ny onjan’i Pasifika foana no nanopatopa an’ilay sambo. Migaingaina be ny andro, ary tsy sasatry ny manao ny asany ireo tantsambo tofoky ny tsiron-divay simba sy rano mamofona ary sakafo efa lo. Tampoka teo anefa dia nisy nihiakiaka hoe: “Misy tany irỳ! Misy tany irỳ aloha ankavia irỳ!” Toa nahatazana nosy nanangasanga terỳ lavitra terỳ ry zareo. Afaka ora vitsivitsy vao azo antoka fa tena nosy ilay tazana.
Hatramin’ny nahitan’ny Eoropeanina azy, dia “paradisa” foana no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao mahare ny anaran’i Tahiti. Ilay frantsay Louis-Antoine de Bougainville, mpikaroka tany vaovao, no nitarika an’io dia resahina etsy aloha io, tamin’ny taonjato faha-18. Nanoratra izy tatỳ aoriana hoe: “Noheveriko fa tonga tany amin’ny zaridainan’i Edena aho.” Roanjato taona izay no lasa nefa mbola manintona mpizaha tany hatrany i Tahiti, ary mbola maro foana ireo tonga any hitady ny paradisa.
Nahoana anefa ny olona no manonofy paradisa toy izany? Ary nahoana no misy mihevitra fa i Tahiti io paradisa nofinofisin’ny olona io? Mba hamaliana izany dia andeha isika hiverina hijery ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona.
Ilay paradisa very
Tsy mahagaga raha manintona antsika aoka izany ny teny hoe “paradisa.” Tsotra ny antony: Natao hiaina ao amin’ny Paradisa isika! Milaza ny Baiboly fa napetrak’Andriamanitra tao amin’ny paradisa, izay saha tsara tarehy na zaridaina, ny ray aman-drenintsika voalohany. (Genesisy 2:8) Ampahana tany kely fotsiny io saha io, tao amin’ilay toerana nantsoina hoe Edena izay midika hoe “Fahafinaretana.” Misy manam-pahaizana milaza fa angano fotsiny izany Edena izany. Toerana tena nisy anefa izy io araka ny filazan’ny Baiboly, ary azo itokisana ny famaritany ny toerana nisy azy io. (Genesisy 2:10-14) Tsy hita intsony anefa ny onin’i Pisona sy Gihona, izay anisan’ny namaritra an’i Edena, ka tsy fantatra marina hoe taiza no tena nisy an’ilay paradisa.
Nikomy tamin’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany, ka verintsika ilay Paradisa. (Genesisy 3:1-23) Tsy afaka ao am-pon’ny olona anefa ny faniriana paradisa. Misy anganon’ny tany maro aza mitovitovy amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny paradisa. Ny Grika, ohatra, dia namorona angano momba ny fotoam-pahasambarana tanteraka, fotoana izay nilomanosan’ny olona tao amin’ny fiadanana.
Maro no nikaroka an’ilay Edena very fahiny ela be. Nitady azy io tany Etiopia ny sasany, nefa mazava ho azy fa niala maina. Misy angano aza milaza fa i Brendan, mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato faha-6, dia nahita paradisa tany amin’ny nosy iray any atsimoandrefan’i Atlantika. Ny tantara hafa indray milaza fa miafina any an-tendrombohitra avo be any ny paradisa. Sorena noho ny tsy fitovian’ny tantara i Christophe Colomb, mpikaroka tany vaovao, ka nitaraina hoe: “Mbola tsy nahita mihitsy aho tantara an-tsoratra latinina na grika nilaza hoe aiza ho aiza eto an-tany no tena misy ny paradisa.” Resy lahatra izy tamin’ny farany hoe tany atsimon’ny ekoatera no nisy azy io.
Taorian’ny diany fahatelo nankany Amerika dia hoy i Colomb: “Toa io toerana io mihitsy no paradisa an-tany, raha jerena ny famaritana nomen’ireo olo-masina sy ireo nandalina momba ny fivavahana.” Rehefa nojerena anefa ny zava-nisy dia hita fa tsy paradisa akory i Amerika.
Vohitry ny Nofy amin’ny hoavy
Tsy kivy anefa ny manam-pahaizana sasany. Tsy niezaka intsony ny hitady an’i Edena izy ireo, fa nanomboka nampandroso ny hevitra momba ny paradisa ho avy haorin’olombelona. Namorona tantara momba ny fiaraha-monina “tonga lafatra” àry ireo mpanoratra. Fiaraha-monina mahafinaritra izany fa tsy mba anjakan’ny kolikoly toy ny azy ireo. Tsy nisy nitovy tamin’i Edena anefa ireny tantara nonofinofisina ireny. Tsy mba fiainana feno fahalalahana ao amin’ny zaridaina midadasika no nonofinofisin’izy ireo, fa paradisa ao amin’ny tanàn-dehibe voalamina fatratra. Tamin’ny taonjato faha-16, ohatra, i Sir Thomas More, mpitondra fanjakana britanika, dia nitantara momba ny fandehanana an’eritreritra tany amin’ny toerana iray nantsoiny hoe Vohitry ny Nofy, izany hoe “toerana tsy misy” fa nofinofisina fotsiny.
Tatỳ aoriana dia noraisin’ny mpanoratra hafa io hevitr’i More io, no sady nampiany kely. Nanjary nisy Vohitry ny Nofy maro be àry nonofinofisin’ny mpanoratra eoropeanina, nandritra ireo taona nanaraka. Mbola tsy zaridainam-pahafinaretana foana anefa ireny toerana “tonga lafatra” noforonin’ny saina ireny. Amin’ireny Vohitra nonofinofisina ireny dia ny fanaovan-dalàna henjana be ho an’ireo mponina no mba heverina fa antoky ny fahasambarana. Hanelingelina ny fahalalahana sy ny fahaleovan-tenan’ny olona anefa izany. Nilaza i Henri Baudet, mpampianatra tantara, fa ireo tantara momba ny Vohitry ny Nofy, dia mampiseho hoe “mitombo foana ny fanirian’ny olona fiainana tsara kokoa . . . sy fiaraha-monina anjakan’ny rariny.”
Angano momba an’i Tahiti
Tany Pasifika Atsimo sisa no toerana mbola tsy naleha sy azo nitadiavana ilay paradisa, tamin’ny taonjato faha-18. Ny hitady tany hozanahina sy hanokatra lalam-barotra anefa, no antony tena nandehanan’i Bougainville tany Pasifika, tamin’ny Desambra 1766.
Nahita an’i Tahiti i Bougainville rehefa nandeha an-tsambo nandritra ny volana vitsivitsy. Be haran-dranomasina ireo nosy hafa hitany ka tsy azony niantsonana. Tsy nisy natahorana kosa ny moron-dranomasin’i Tahiti. Mponina sariaka sy sakafo tondraka koa tamin’izay no nitsena ireo tantsambo efa valaky ny dia. Tsy nampino an’ireo tantsambo ny zavatra hitany tany. Tsy hoe toerana tsara tarehy fotsiny i Tahiti fa nanan-javatra betsaka nitoviana tamin’ireo Vohitra nonofinofisina koa.
Voalohany, dia nosy i Tahiti ka tena mitovy amin’ireo Vohitry ny Nofy noeritreretina. Tena tsara tarehy toy ny paradisa koa anefa izy. Renirano sy rian-drano an-jato no mikoriana eo amin’ilay tany kanto dia kanto, ary izany rehetra izany dia ravahan’ny zavamaniry miroborobo izay toa tsy nisasarana akory. Mbola tombony ho an’i Tahiti koa anefa ny toe-taniny mahasalama, ary tsy mba hita tany ireo loza mampiavaka ny tany mafana. Tsy nisy bibilava na bibikely mampidi-doza na volkano natahorana hipoaka tao amin’ilay nosy.
Na dia ireo mponina tao Tahiti aza dia ranjanana sy tsara tarehy ary tomady, nitovy tamin’ny mponina ao amin’ireo tantara nonofinofisina. Talanjona ireo tantsambo banga ridana sy nivindi-molotra nahita ny nify botsiakan’ireo tahisianina. Nambabo avy hatrany ny tantsambo ihany koa ireo mponina nahay nandray vahiny sy miramiran-dava. Toa hita tamin’ireo Tahisianina koa anefa ny fitovian-tsaranga, izay anisan’ny zavatra fototra ao amin’ny boky momba ny Vohitry ny Nofy. Tsy nisy nahantra ny olona tany Tahiti. Tsy voafehifehy koa ny Tahisianina teo amin’ny ara-pitondran-tena. Nalalaka ny fanaovan’ireo tantsambo firaisana maloto tamin’ireo vehivavy tahisianina tsara tarehy.
Toa tena ilay Edena very tokoa i Tahiti ho an’i Bougainvillle sy ny namany. Rehefa nandao ilay nosy àry i Bougainville, dia may erỳ izy hitantara amin’izao tontolo izao momba an’io paradisa hitany io. Namoaka boky mitantara ny diany izy, tamin’ny faran’ireo telo taona nitetezany an’izao tontolo izao. Nalaza be sy tena be mpividy ilay boky, ka niforona ny angano hoe tonga lafatra amin’ny lafiny rehetra i Tahiti. Very ilay paradisa tany am-boalohany, saingy toa i Tahiti indray izao no lasa paradisa.
Ny voka-dratsin’ny angano
Matetika anefa no mifanohitra amin’ny tena zava-misy ny angano. Narary sy maty toy ny olon-drehetra, ohatra, ny tahisianina. Misy ambaratongam-pahefana samihafa koa eo amin’izy ireo fa tsy hoe mitovy saranga avokoa akory ny mponina any. Tena henjana aza ny fitondrana indraindray. Nisy adim-poko sy fanaovana sorona olombelona koa tany. Ary toy ny vahoaka hafa, dia tsy hoe tsara tarehy sy bikàna avokoa akory ny tahisianina. I K. Howe, mpahay tantara, aza dia nieritreritra fa ireo vehivavy nihaona tamin’ny olon’i Bougainville dia toa “noterena hivaro-tena” mba hamalifaliana ny mpiavy.
Nihanahazo vahana anefa ny angano momba ilay “paradisa hita indray”, noho ireo mpanoratra sy mpanakanto nirohotra nankany Tahiti. Isan’ireny i Paul Gauguin, Frantsay mpanao sary hoso-doko. Nampitombo ny lazan’i Tahiti ny sary mareva-doko nataon’i Gauguin, mampiseho ny fiainana tany. Inona no akon’izany tamin’i Tahiti? Nahatonga hevi-diso momba an’io nosy io sy ny mponina ao aminy ilay angano. Misy manontany foana ireo avy mitsidika an’i Tahiti, rehefa mody any amin’ny taniny hoe: “Nanao ahoana izany niaraka tamina tovovavy tahisianina izany?”
Nafoy tanteraka ve ny fanantenana paradisa?
Niatrika zava-tsarotra hafa koa i Tahiti nandritra ireo taona faramparany. Nifanesy ny rivo-doza tamin’ny fiandohan’ireo taona 1980, ka simba ny haran-dranomasina. Ny fanimbana nataon’ny olombelona anefa no tena nandrava. Vokatr’ireo fanorenana natao mantsy dia sady maloto ny tontolo iainana no kaohin’ny riaka ny nofon-tany. Hoy i Donna Leong, manam-pahaizana momba ny fanajariana ny tany: “Mahabe fako ny fahatongavan’ireo mpizaha tany. . . . Raha tsy arovana amin’ny fandotoana ny tontolo iainana i Tahiti sy ireo nosy hafa manodidina azy, dia ho vita hatreo ny maha tany be biby sy zavamaniry ary kamory manga manganohano azy ireo.”
Tsy very velively anefa ny fanantenana paradisa. Izany indrindra no nahatonga an’i Jesosy Kristy hampanantena an’ilay jiolahy nibebaka hoe: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao”! (Lioka 23:43) Tsy vohitra nofinofisina na noforonin’ny saina fotsiny akory io noresahin’i Jesosy io. Paradisa haneran-tany kosa izy io, izay ho eo ambany fitondran’ny fanjakan’ny lanitra. * Io paradisa ho avy io no antenain’ireo Vavolombelon’i Jehovah 1 700 mahery, mipetraka any Tahiti. Mandany ny fotoanany an-tsitrapo izy ireo hizarana izany fanantenana izany amin’ny mpiara-belona aminy. Marina fa tsara tarehy i Tahiti sady manan-javatra betsaka itoviana amin’ny paradisa. Tsy tsara mihoatra ilay Paradisa haneran-tany, izay haorin’Andriamanitra tsy ho ela anefa izy. Tsy ho very maina velively àry ny fikatsahana Paradisa.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 24 Mba hahazoanao fanazavana fanampiny momba ny fampanantenan’Andriamanitra Paradisa, dia jereo ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 16]
Toy ny paradisa mahafinaritra i Tahiti
[Sary nahazoan-dalana]
Sary nataon’i William Hodges, 1766
Yale Center for British Art, Paul Mellon Collection, USA/Photo: Bridgeman Art Library
[Sary, pejy 17]
Tahisianina sariaka, miarahaba tonga soa sy mandray tsara an’i Bougainville
[Sary nahazoan-dalana]
Nahazoana lalana avy tamin’ny National Library of Australia NK 5066
[Sary, pejy 18]
Faly ny Vavolombelon’i Jehovah miresaka amin’ny mpiara-belona aminy momba ilay Paradisa ho avy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Photo courtesy of Tahiti Tourisme
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Pejy 18: Mpitondra lakana, rian-drano, sary eo andamosina: Photos courtesy of Tahiti Tourisme