Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fitaoman’ny Namana Fanirianay mianakavy hatrizay ny hanoratra sy hisaotra anareo, noho ireo gazety tsara be avoakanareo. Tapa-kevitra ny hanao izany izahay, rehefa avy namaky ilay lahatsoratra hoe: “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ahoana no Hiatrehako ny Fitaoman’ny Namana?” (8 Janoary 2003) Nanampy anay io lahatsoratra io, hahita fa nahafantatra tsara an’i Jehovah i Davida tamin’izy mbola tanora, sady nolazainy tamin’i Jehovah daholo ny tao am-pony. Nahomby teo amin’ny fiainany izy, satria tsy niantehitra tamin’ny fahakingan-tsainy na ny an’olon-kafa. Inona tokoa no hatahorantsika ny namana, raha i Jehovah no momba antsika?

F. H., Estonia

Mpamaky ny Mifohaza! efa hatramin’ny roa taona aho, fa mbola tsy variana sy nahazo hery toy ny tamin’ity lahatsoratra ity. Toy ny nosoratana ho ahy mihitsy ilay izy. Misaotra indrindra fa tonga amin’ny fotoana ilana azy, ireo fanazavana ireo.

T. C., Etazonia

Tovovavy 15 taona aho, ary sarotra amiko ny miatrika ny fitaoman’ny namana. Faly erỳ aho namaky an’ilay lahatsoratra. Nahazo toky aho fa tsy irery, rehefa namaky momba ireo tanora hafa manan-java-manahirana koa. Afaka mandresy ny fitaoman’ny namana isika, rehefa ampian’ilay hany Andriamanitra Hery Fara Tampony. Misaotra indrindra noho ireo fanazavana tonga amin’ny fotoana ilana azy ireo.

K. R., Aostralia

Fitsarana Tampony Misaotra amin’ireo lahatsoratra hoe “Ny Fitsarana Tampony Amerikanina sy ny Fahalalahana Haneho Hevitra.” (8 Janoary 2003) Nasehon’ireo lahatsoratra ireo, fa mety hihevitra ny olona indraindray hoe marina foana ny fitsarana an-tendrony ataon’ny maro an’isa. Maro no miteny hoe azonao atao ny mino izay tianao inoana, fa tsy azonao atao kosa ny miresaka momba izany amin’olon-kafa. Vao mainka tsy hisalasala aho izao hiresaka ny zavatra inoako amin’olon-kafa, taorian’ny namakiako ireny lahatsoratra ireny.

S. O., Japon

Fandresen’ny fahalalahana haneho hevitra tokoa iny raharahan’i Stratton, Ohio, iny. Mety ho resy lahatra koa, ka hanova ny fomba fijeriny, ny tany hafa, toy ny eto Philippines, noho iny didim-pitsarana iny. Misy faritra sasany eto anakantsakanan’ny manam-pahefana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka itakiany fahazoan-dalana mitory isan-trano. Velom-pankasitrahana izahay, noho iny fandresena tena ilaina iny.

N. E., Philippines

Bevohoka Mikarakara Fahasalamana Misaotra anareo aho, noho ilay lahatsoratra hoe “Mandray Soa ny Bevohoka Mikarakara Fahasalamana.” (8 Janoary 2003) Nanampy ahy hahatakatra tsara ny fiainan’ny bevohoka iny lahatsoratra iny. Roa amby telopolo taona aho, ary tena ilaiko io lahatsoratra io. Fantatro izao izay tokony hataoko mba hampizotra tsara ny fitondrana vohoka, ary ankasitrahako io fanomezana tena lehibe io.

B. C., Italia

Milaza io lahatsoratra io fa tokony hozahana ny fahasalaman’ilay vehivavy bevohoka rehefa enina na fito volana ny kibony, mba hahitana sao voan’ny aretina ateraky ny bakteria sasany izy. Eo amin’ny fahavalo na fahasivy volan’ny kibony anefa no fotoana mety hanaovana an’io fitsirihana io, araka ny fanoloran-kevitra farany, fa tsy eo amin’ny fahenina na fahafito volana. Mety hanontany ny dokoterany ny bevohoka mamaky an’io lahatsoratra io hoe nahoana izy ireo no tsy nanaovana fitsirihana, teo amin’ny fahenina na fahafito volan’ny kibony. Mety tsy hihevitra ny Mifohaza! ho loharanon-kevitra azo itokisana ho an’ny marariny intsony, ny dokotera.

L. S., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Nomanina volana maromaro mialoha ny gazetinay, mba hahazoana fotoana handikana azy ho amin’ny fiteny 80. Tamin’ny fotoana nanoratana ilay lahatsoratra, dia mbola neken’ny maro ho fotoana mety hanaovana ilay fitsirihana, ny fahenina na fahafito volan’ny kibo. Namoaka fanazavana avy amin’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina anefa ny Akademia Amerikanina Momba ny Aretin’Ankizy, tamin’ny Aogositra 2002. Marina ny voalazan’io mpamaky io fa ankehitriny dia eo amin’ny fahavalo na fahasivy volan’ny kibo no fotoana mety hanaovana ilay fitsirihana.

Milaza ilay fanamarihana ambany pejy, eo amin’ny pejy 13, fa be asidra fôlika sy vy, ny atin-kena sy ny voanjo. Lazain’ilay lahatsoratrareo koa fa mety hampidi-doza ho an’ny zaza ny vitaminina A be loatra. Feno vitaminina A anefa ny atin-kena.

B. J., Grande-Bretagne

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Misaotra amin’ilay fampitandremana.