Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baiboly Amin’ny Fiteny Andavanandro

Baiboly Amin’ny Fiteny Andavanandro

Baiboly Amin’ny Fiteny Andavanandro

“RAHA inoanao fa tenin’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny Baiboly, dia midika izany fa miresaka amintsika Andriamanitra. . . . Raha misy vokany eo amin’ny fiainanao manontolo ny fivavahanao, dia azo antoka fa fiteny andavanandro [ny ao amin’ny Baiboly].” Izany no nosoratan’ilay manam-pahaizana atao hoe Alan Duthie, ao amin’ilay bokiny hoe Fandikan-tenin’ny Baiboly: Iza Amin’ireo no Fidina? (anglisy).

Tena miombon-kevitra tanteraka amin’izany ireo tia ny Tenin’Andriamanitra. Mino mafy izy ireo fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Tsy bokim-pivavahana mankaleo efa nilaozan’ny toetr’andro velively ny Baiboly. “Velona sy mahery” kosa izy io, ary tena mamaha ireo olana eo amin’ny fiainana andavanandro. (Hebreo 4:12) Tsy maintsy mampiasa fiteny andavanandro anefa io boky masina io, mba ho azon’ny mpamaky sy hampihariny ny tiany holazaina. Tsy nosoratana tamin’ny teny grika fampiasan’ny avara-pianarana na ny filozofa toa an-dry Platon mantsy, ilay antsoina hoe Testamenta Vaovao. Nosoratana tamin’ny teny grika atao hoe koine, fampiasan’ny sarambaben’ny olona andavanandro, kosa izy io. Eny, nosoratana mba hovakin’ny sarambaben’ny olona sy ho azony ny Baiboly.

Koa nisy fandikan-teny maoderina maro, navoaka tamin’ny fiteny maro samihafa tato anatin’ireo taona faramparany. Tena nitondra voka-tsoa tokoa ny ankamaroan’izy ireny. Nanjary maro kokoa ny olona afaka mahazo sy mamaky ny Soratra Masina. Tokony ho dikan-teny marina tsara sy tsy miovaova, tsy ahitana taratry ny fitsarana an-tendrony anefa no hampiasain’ireny fandikan-teny vaovao ireny. Mampalahelo fa tsy izany no hita ao amin’ny ankamaroany. Ohatra, mazàna no tsy mazava ao amin’ny fandikan-teny sasany ny fampianaran’ny Baiboly momba ny maty sy ny fanahy ary ny anaran’ilay Andriamanitra marina.

Koa faly àry ireo tia ny Tenin’Andriamanitra fa nivoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny malagasy. Nambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivoahan’izy io tany amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra”, natomboka tamin’ny 25 Jolay 2003. Tsy mba voafatopatotry ny fanekem-pinoana io fandikan-teny io, fa mirakitra dikan-teny marina tsara mbola tsy nisy toy izany. Koa afaka mahazo tsara kokoa izay lazain’ny Baiboly isika ankehitriny, na tsy haintsika aza ny teny hebreo sy grika nanoratana azy tany am-boalohany. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: Iza no tompon’andraikitra tamin’io fandikan-teny miavaka io?

Mpandika teny nanome voninahitra an’Andriamanitra

Mety ho vaovao amin’ny Malagasy Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Efa nisy nanomboka tamin’ny taona 1950 anefa izy io, fony navoakan’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society tamin’ny teny anglisy. Fikambanana iraisam-pirenena mamokatra sy mampiely Baiboly efa hatramin’ny ela izy io. Iray monja amin’ireo lafiny mampiavaka an’ilay fandikan-teny vaovao ny lohateniny, satria tsy ahitana ny fizarana ny Baiboly ho testamenta “taloha” sy “vaovao” toy ny mahazatra. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Septambra 1950: ‘Nolazain’ireo ao amin’ilay komitin’ny fandikan-teny fa nirin’izy ireo ny tsy hitonona anarana, ary nohafatrafarany fa tsy iriny ny hamoahana ny anarany raha mbola velona izy na rehefa maty. Ny zava-kendren’ilay fandikan-teny mantsy dia ny hanandratra ny anaran’ilay Andriamanitra velona sady marina.’

Navoaka boky iray ny Baiboly manontolo nantsoina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 1961. Marina fa tsy nambara mihitsy mandraka ankehitriny ny anaran’ireo nandika azy io, kanefa azo antoka fa tsara ny zava-kendreny sady be fandavan-tena izy ireo. Izao no voalaza ao amin’ny sasin-tenin’ny fanontana tamin’ny 1984: “Ny atao hoe mandika ny Soratra Masina dia mandika ny hevitra sy ny tenin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fiteny hafa . . . Matahotra sady tia an’ilay Andriamanitra Loharanon’ny Soratra Masina, ireo olona nandika an’ity fanontana ity. Tsapan’izy ireo fa manana andraikitra goavana eo anatrehan’Andriamanitra izy, dia ny handika ny hevitra sy ny fanambaran’Andriamanitra amin’ny fomba marina araka izay azo atao.”

Ekena àry fa tsara ny zava-kendren’ireo anisan’ilay komitin’ny fandikan-teny, kanefa ampy fahaizana ve izy ireo? Nisy manam-pahaizana tsy faly tamin’ilay fandikan-teny, ka nambarany fa raha tsy lazaina ny anaran’ireo nandika sy ny diplaomany, dia tsy azo ekena, hono, ilay fandikan-teny satria tsy manam-pahaizana ireo nanao azy io. Tsy ny manam-pahaizana rehetra anefa no mihevitra toy izany. Hoy i Alan Duthie: ‘Raha fantatsika hoe iza no nandika na nanonta ny fandikan-tenin’ny Baiboly iray, ho afaka hilaza ve isika hoe tsara na ratsy ilay fandikan-teny? Tsy voatery ho izany. Tsy misy tsara toy ny fandinihana an’izay mampiavaka ny fandikan-teny tsirairay.’ *

Izany indrindra no nataon’ny mpamaky maro. Misy 114 590 000 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voadika manontolo na amin’ny ampahany, amin’ny fiteny 44, natao pirinty eran-tany hatramin’izao. Inona no hitan’ireo mpamaky azy io?

Fandikan-teny manamasina ny anaran’Andriamanitra

Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpianany, ao amin’ny Matio 6:9: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Tsy misy ny anaran’Andriamanitra anefa ao amin’ny ankamaroan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly, fa anaram-boninahitra fotsiny, toy ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo”, no ilazana azy. Tsy toy izany anefa tamin’ny voalohany. Efa ho im-7 000 no isehoan’ny anaran’Andriamanitra mazava tsara hoe “Jehovah”, ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. (Eksodosy 3:15; Salamo 83:18) Tatỳ aoriana, dia tsy nampiasa intsony ny anaran’Andriamanitra ny Jiosy noho ny tahotra vokatry ny finoanoam-poana. Nanimba ny fiangonana kristianina io finoanoam-poana io, taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 1 Timoty 4:1.) Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah dia nesorin’ireo mpanao kopia ny Soratra Grika, ka nosoloany teny grika hoe Kyʹri·os, midika hoe “Tompo”, sy hoe The·osʹ, midika hoe “Andriamanitra.”

Soa ihany fa sahy namerina ilay anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (“Testamenta Vaovao”) ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ka miseho ao im-237 ilay anarana. Vokatry ny fandinihana tamim-pitandremana no namerenana ilay anarana, fa tsy noho ny sitrapon’ireo mpandika teny fotsiny akory. Averina ao amin’ny Lioka 4:18, ohatra, ny Isaia 61:1. Tao amin’io andininy ao amin’ny Isaia io ilay anarana hoe Jehovah, ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany. * Nety tsara àry ny nandikana ny Lioka 4:18 toy izao, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy.”

Manjary hain’ny mpamaky koa izao ny manavaka an’i Jehovah Andriamanitra amin’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. Vakina toy izao, ohatra, ny Matio 22:44, ao amin’ny ankamaroan’ny fandikan-teny: “Hoy ny Tompo tamin’ny Tompoko.” Iza marina anefa no miresaka amin’iza? Averina ao amin’io andininy io ny Salamo 110:1, izay ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany. Koa toy izao no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’io andininy io: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.’” Tena ilaina ny mahatakatra fa avahan’ny Soratra Masina tsara i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. (Marka 13:32; Jaona 8:17, 18; 14:28) Hahazoana famonjena izany. Hoy mantsy ny Asan’ny Apostoly 2:21: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”

Marina tsara sady mazava

Misy lafiny hafa koa mampiavaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ilay soratra grika tsara dia tsara nataon’i Westcott sy Hort no nofidina ho soratra niaingana. Notandremana tsara avy eo ny fandikana marina tsara sy ara-bakiteny araka izay azo natao ny teny grika tany am-boalohany, tamin’ny fiteny tsotra sady maoderina. Koa tsy vitan’ny hoe toy ny mamaky izay voasoratra tany am-boalohany isika rehefa mamaky io fandikan-teny io, fa manjary azontsika tsara kokoa izay tian’ny Baiboly holazaina.

Andeha hojerentsika ao amin’ny Romanina 13:1, ohatra, ny fampirisihan’ny apostoly Paoly ny Kristianina mba “hanaiky ny manam-pahefana”, na ny fitondram-panjakana. Avy eo, dia lazain’ny fandikan-teny maro fa “voatendrin’Andriamanitra” ireny fitondram-panjakana ireny. (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; Fandikan-teny Protestanta; Fandikan-teny Katolika) Nampiasain’ny mpanjaka sasany izany dikan-teny izany mba hanamarinana ny fitondrany tsy refesi-mandidy. Nadika ara-bakiteny sy marina tsara anefa io andininy io ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, manao hoe: “Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” * Hita amin’izany àry fa tsy Andriamanitra no mifidy ny mpitondra, kanefa avelany hanana fahefana ambony noho ny an’ny sasany izy ireny, saingy ambany noho ny an’Andriamanitra foana izany fahefana izany.

Niezahan’ireo nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa ny namoaka ny fahasamihafana kely voizin’ny matoanteny grika. Milaza ny fotoana anaovan-javatra ny matoanteny amin’ny fiteny maro ankehitriny, izany hoe milaza ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy. Amin’ny teny grika kosa, dia milaza ny karazan’ilay zavatra atao koa ireo matoanteny, na vetivety ilay izy, na efa vita, na mbola mitohy. Diniho, ohatra, izay voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33. Milaza fanaovan-javatra mitohy ilay matoanteny grika nadika hoe “katsaho.” Koa tafavoaka tsara àry ny tian’i Jesosy holazaina rehefa nadika hoe: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” Mitovy amin’izany koa no nandikana ny Matio 7:7, hoe: “Mangataha hatrany, dia homena ianareo. Mitadiava hatrany, dia hahita ianareo. Dondòny hatrany, dia hovohana ianareo.”—Jereo koa ny Romanina 1:32; 6:2; Galatianina 5:15.

Nilofo mafy nampiasa dikan-teny tsy miovaova ho an’ny teny fototra, ireo nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nadika foana hoe “Hery Fara Tampony”, ohatra, ilay anaram-boninahitra hoe “Tsitoha”, izay hita ao amin’ny Baiboly malagasy be mpampiasa indrindra. Tsy mazava amin’ny olon-tsotra io teny io ka sarotra aminy ny mahazo ny heviny. Rehefa mamaky ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anefa isika, dia azontsika kokoa ny dikan’io teny io, izay ilazana ny iray amin’ny toetra lehibe ananan’Andriamanitra, dia toetra asehon’io anaram-boninahitra io.​—2 Korintianina 6:18; Apokalypsy 1:8; 4:8; 11:17.

Atao izay hahazoan’ny olona maneran-tany ny Tenin’Andriamanitra

Vao fanombohana fotsiny ny namoahana ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny malagasy. Kasaina hadika koa ny Baiboly manontolo, amin’ny fotoana mety. Azo antoka anefa ve fa ho dikan-teny marina tsara sy tsy miovaova toy ny ao amin’ny fandikan-teny anglisy ny ao amin’ny malagasy?

Eny tokoa. Ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana mantsy no manara-maso akaiky ny fandikana azy io. Naneho fahendrena izy ireo satria nanapa-kevitra fa tsara indrindra raha ekipa no handika ny Baiboly amin’ny fiteny hafa. Koa nasiana ekipa mpandika Baiboly any amin’ny tany maro. Natsangana ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny any amin’ny foiben’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, any Brooklyn, any New York, mba hanome izay ilain’ireny ekipa ireny, hamaly ny fanontaniany, ary hampirindra tsara ireo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny samy hafa. Namorona fitaovana tena tsara koa ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Tsy inona izany fa programan’ordinatera hoenti-manampy ny mpandika Baiboly. Azo antoka anefa fa mbola ilana olona ihany ilay fandikan-teny, satria asa mafy. Nanatsotra be ny asan’ireo ekipa anefa ilay programan’ordinatera mba hanatratrarana ilay tanjona ambony, dia ny fampiasana dikan-teny marina tsara sy tsy miovaova, tsy misy hafa amin’ny an’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy. Asehon’ilay programa koa ny teny anglisy nandikana ny teny hebreo sy grika tsirairay, ka tena afaka mifidy tsara teny mifanitsy amin’izany ireo mpandika.

Tena mahomby tokoa ireo fandaharana ireo, raha jerena fotsiny ireo vokatra azo. Mampirisika mafy anao izahay handinika Ny Soratra Grika Kristianina​Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Afaka manafatra azy io amin’ireo mpampanonta ity gazety ity ianao. Hahafinaritra anao koa ireto lafiny mampiavaka azy ireto: soratra mazava sy mora vakina; lohateny kely eny amin’ny tendrom-pejy mba hahitana haingana kokoa ireo andininy mahazatra anao; sarintany misy tsipiriany; ary fanazavana fanampiny mahavariana. Ary ny zava-dehibe indrindra, dia afaka matoky ianao eo am-pamakiana io Baiboly io, fa tafita marina tsara amin’ny fiteny andavanandro izay nolazain’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mahaliana fa mitovitovy amin’izany no voalaza ao amin’ny fonon’ny Baiboly Amerikanina Vaovao (anglisy), Fanontana Misy Fanondroana Andininy Hafa (1971), manao hoe: ‘Tsy manonona anarana manam-pahaizana nakanay hevitra na hitanay fa mahay izahay, satria heverinay fa tokony hekena amin’ny maha izy azy ny Tenin’Andriamanitra.’

^ feh. 13 Marina fa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no nakana ireo andininy ao amin’ny Soratra Hebreo naverina ao amin’ilay antsoina hoe Testamenta Vaovao. Tsy ahitana ny anaran’Andriamanitra anefa ireo Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo navoaka tatỳ aoriana. Koa milaza ny manam-pahaizana maro fa tsy tokony hampidirina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina koa ilay anarana. Misy ilay anarana hoe Jehovah tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany anefa, ireo Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo tranainy indrindra mbola tavela ankehitriny. Noho izany, dia marim-pototra tsara ny famerenana ilay anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Grika.

^ feh. 17 Jereo ny Rakibolana Grikan’ny Testamenta Vaovao, nosoratan’i G. Abbott-Smith, sy ny Rakibolana Grika-Anglisy nosoratan’i Liddell sy Scott. Araka ireo rakibolana ireo sy ny boky hafa azo itokisana, dia midika ara-bakiteny hoe “mandahatra, mandamina amin’ny toerany” ilay teny grika.

[Efajoro/Sarintany/Sary, pejy 20, 21]

LAFINY MAMPIAVAKA NY FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO:

Notandremana tsara ny fandikana marina tsara sy ara-bakiteny ny teny grika tany am-boalohany, tamin’ny fiteny maoderina

Mora vakina ny soratra ka mahafinaritra ny mamaky azy

Mora hita haingana kokoa ireo andininy mahazatra, amin’ny alalan’ny lohateny kely

Fantatra tsara kokoa ireo toerana ao amin’ny Baiboly, amin’ny alalan’ny sarintany

[Sarintany]

(Jereo ny gazety)

NY FARITRA NANDEHANAN’I JESOSY

RANOMASINA MEDITERANE (RANOMASINA LEHIBE)

GALILIA

DEKAPOLISY

PERE

SAMARIA

JODIA

Ranomasin-tsira

Korazina

Kapernaomy •

Betsaida

Kana

Ranomasin’i Galilia

Tiberiasy

Nazareta

Naina

Reniranon’i Jordana

Sykara

T. Gerizima

Lavadranon’i Jakoba

Arimatia

Efraima

Jeriko

Emaosy

Betifaga

Jerosalema

Betania

Betlehema

[Sary]

1577 Mifoha hatrany 1 TESALONIANINA 4:15–5:23

ka fa maty i Jesosy ary efa nitsangana, dia mino koa isika fa hoentin’Andriamanitra hiaraka amin’i Jesosy ireo nodimandry ao aminy. 15 Fa izao no lazainay aminareo amin’ny alalan’ny tenin’i Jehovah: Isika izay velona, ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, 16 satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hibaiko amin’ny feo avo, amin’ny feon’ny arkanjely sy amin’ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. 17 Ary aorian’izay, isika izay velona ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa, dia hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra. Dia hiaraka amin’ny Tompo foana isika. 18 Koa aoka izany teny izany no hoentinareo hifampiononana mandrakariva.

5 Raha ny amin’ny fotoana sy ny vanim-potoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratana aminareo, 2 satria fantatrareo tsara fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah. 3 Rehefa milaza izy ireo hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!”, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo. 4 Fa ianareo kosa, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany. 5 Fa zanaky ny mazava sy zanaky ny andro avokoa ianareo. Tsy an’ny alina isika sady tsy an’ny haizina.

6 Koa aoka àry isika tsy hatory toy ny hafa, fa aoka kosa hifoha hatrany ary hisaina tsara. 7 Fa amin’ny alina no fatorian’izay matory, ary amin’ny alina koa no fimamoan’izay mpimamo. 8 Fa an’ny andro kosa isika, ka aoka hisaina tsara sy hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary hitafy ny fanantenana famonjena ho toy ny fiarovan-doha, 9 satria Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa ho amin’ny fahazoana famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Maty ho antsika izy, mba hahavelona antsika miaraka aminy, na mifoha isika na matory. 11 Koa mifampionòna sy mifampahereza hatrany, toy izao efa ataonareo izao.

12 Ary izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy: Mba asio fiheverana ireo miasa mafy eo aminareo, sy mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary mananatra anareo. 13 Angatahinay koa ianareo mba hanaja fatratra azy ireny amim-pitiavana, noho izay ataony. Aoka ianareo samy ho tia fihavanana. 14 Ary mampirisika anareo koa izahay, ry rahalahy, mba hananatra ny tsy laitra fehezina, hanao teny mampahery ny kivy, hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra. 15 Tandremo sao misy mamaly ratsy ny ratsy, fa aoka kosa hifanao soa hatrany sy hanao soa amin’ny olona rehetra.

16 Mifalia mandrakariva. 17 Ary aza mitsahatra mivavaka. 18 Misaora amin’ny zava-drehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ny aminareo, eny, ny sitrapony amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. 19 Aza mamono ny afon’ny fanahy. 20 Ary aza atao tsinontsinona ny teny faminaniana. 21 Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara. 22 Fadio ny ratsy amin’ny endriny rehetra.

23 Hanamasina tanteraka anareo anie ilay Andriamanitry ny fiadanana! Enga anie ilay toe-tsaina

1 TESALONIANINA 5:242 TESALONIANINA 1:12 1578

sy aina ary vatana iraisanareo ka samy hotahirizina tsy hisy kilema amin’ny lafiny rehetra sy tsy hanan-tsiny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika! 24 Mahatoky ilay miantso anareo, ary hanefa izany koa izy.

25 Mivavaha foana ho anay, ry rahalahy.

26 Miarahabà ny rahalahy rehetra, amin’ny oroka masina.

27 Apetrako ho adidinareo eo anatrehan’ny Tompo ny famakiana an’ity taratasy ity amin’ny rahalahy rehetra.

28 Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompontsika!

NY TARATASY FAHAROA HO AN’NY TESALONIANINA

1 Paoly sy Silvano ary Timoty.

Ho an’ny fiangonan’ny Tesalonianina izay tafaray amin’Andriamanitra Raintsika sy amin’i Jesosy Kristy Tompo,

2 Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo!

3 Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo izahay, ry rahalahy, ary mety ny hanaovana izany, satria mihamitombo be ny finoanareo ary mihalehibe ny fifankatiavanareo rehetra. 4 Koa reharehanay eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra ianareo, noho ny fiaretanareo sy ny finoanareo, ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana rehetra zakainareo. 5 Porofon’ny fitsarana marin’Andriamanitra izany, dia fitsarana izay mahatonga anareo ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra. Noho io fanjakana io mantsy no ijalianareo.

6 Tafiditra amin’izany rehetra izany ny hoe marina ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo izy, 7 fa manafaka anareo izay ampahorina kosa, dia ianareo izay ampahorina, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, 8 ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika. 9 Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, 10 rehefa tonga izy mba homem-boninahitra raha ny amin’ny olony masina sy mba hahatalanjona amin’izany andro izany raha ny amin’izay rehetra naneho finoana, satria ninoanareo ny fanambaranay.

11 Izany indrindra no ivavahanay mandrakariva ho anareo, mba hahatonga an’Andriamanitsika hihevitra anareo ho mendrika ny fiantsoany, ary hanatanterahany amin-kery izay tsara rehetra sitraky ny fony, mbamin’ny asam-pinoana rehetra. 12 Amin’izay dia homem-boninahitra eo aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika, ary ho tafaray aminy ianareo, araka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

[Sary nahazoan-dalana]

By courtesy of the Director and University Librarian, The John Rylands University of Manchester

[Sary, pejy 19]

Tamin’ny fiteny andavanandro no nanoratan’ny apostoly Paoly sy ny mpanoratra hafa ny Baiboly

[Sary, pejy 22]

Tena manampy ny mpitory ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” satria mazava